NY ZAVADEHIBE DIA TAFODY ETO NY DADATSIKA

IMG_0498

IMG_0498Tamin’ny alalan’ny sarinteny no nanazavan’ny Cst Leriva Manahirana ny raharaham-pirenena teny amin’ny Magro Behoririka androany, indrindra taorian’ny nilazan’ny filoha Ravalomanana Marc fa tsy hokandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2013 ny tenany. Fanontaniana avy hatrany no napetrany tamin’ny vahoaka hoe iza no iantsoantsika ny filoha Ravalomanana Marc ? Dada hoy ireo vahoaka namaly azy.Miaramiombon-kevitra isika hoy Leriva fa tena dadatsika fa tsy mody  Dada. Raha misy hoy ity olomboantendry avy any Brickaville ity Dadatsika mankany an-dafy. Rehefa avy any izy ka tsy mitondra Bonbon, ka dada foana ve iny olona iny?  Na mitondra na tsia hoy izy dia Dada foana. Ny Bonbon eto dia filatsahana ho fidiana. Noho izany dia miantso anareo misalasala manana Dada hafa fa na mitondra na tsia dia izy foana. Ny zavatra tiana resahina hoy Leriva dia ny zavadehibe amintsika dia tafody miaraka amintsika ny Dadatsika. Ekentsika foana izy ary izay no nahatonga antsika tsy miala amin’ity kianja ity fa isika tsy maintsy mitsena an’I Dada. Noho izany dia tsy maintsy tonga maro isan’andro eto an-kianja isika.Mahatoky azy isika ary ataontsika antsakany sy andavany ny 10% anjarantsika. Ny Ray hoy Leriva dia Ray hatrany izay mahafantatra ny hahasoa ny zanany. Ny Ct Tsianihy kosa dia nilaza sambatra isika manana ny filoha Ravalomanana Marc. Averiko tsara hoy izy ny tenin’ny Prezidà teto hoe matokisa ahy ianaraeo fa mahatoky anareo aho. Noho izany dia mahatoky an’I Dada ve isika sa tsia? Tena mahatoky 100% azy ny vahoaka Malagasy. Mato izy niteny ireny hoy Tsianihy dia efa fantany ny tohin’ny zavatra hoteneniny aoriana kely. Tsy hamela antsika irery izy fa hanafaka antsika amin’ny fahantrana. Vonona hitsena azy izahay any amin’ny faritra na dia roa andro mialoha ny hahatongavany aza.

13 pensées sur “NY ZAVADEHIBE DIA TAFODY ETO NY DADATSIKA”

  1. I Dada mbola tsy maty, dia efa miady lova ny sasany ! Zanak’inona izany zaza ratsy taiza izany ?

    Mino aho fa tsy i Dada mihintsy no nitaiza an’izy ireo, ary mpisoloky no azo hilazan’azy ! Ho hita eny foana ny tena zanak’i Dada fa tsy izay boto sy adala rehetra izao !

    Asaivo tanterahan’ireo izay tompon’andraikitra io lazainao io fa 10% angatahan’i Dada aminareo io, raha tena olo-marina izy ireo !

    Ny vahoaka malagasy tsy mila olona efa mihevitra sahady ny hizara tiserta, hanaovana praopagandy kanefa tsy misy sarin’i Dada !

  2. Dada atsy eh!!!
    Dada eroa eh!!!
    Vita kabary zany ra8 zany, fini hoy ny frantsay zay…hahaha
    Minoa fotsiny ihany fa eeeee!!!!
    Good Bye ee!!!
    Veloma e!!!

    Tsy tafody eo zany iny.

    Niaro azy zay t@2002 fa aleo iny ijanona any afrika any fa kanosa lahi tssss… marina e!
    Zahay aza mety itoraka azy raha tonga aty iny sarimbavy iny…

  3. Aza hafangaro!!i domelina no SARINDIKY fa dadanay MASINA tSY MISY PENTINA,
    tsy misy fofo-poza,sady mamim-bahoaka , izao tontolo izao aza miankohoka eo
    anatrehany daholo, miaky ny fahaizany mitantana , FENO FANDROSOANA , TONGA LAFATRA.

  4. Azoko @’izay ny fandehan’ilay raharaha,MAZAVA!!!!

    MAHATOKY ANAO IZAHAY DADA a!!!amiko dia atao mihintsy izay
    handemena ny vahoaka mba hiataka @ dada koa eto ary isika vao ho hita daholo eeeeeeee
    iza no tena ZANANY?????hatraiza ilay fitiavantsika azy!!volamena latsaka am-bovoka iny ka
    tsy maintsy HAMIRATRA FOANA,tsy o domelina indray ve izao no nidongy fa tsy zakan’ny
    tsenany ilay VAHOAKA be dia atao mihintsy izay fomba rehetra HANENANA ilay olona a??

  5. Nandray ny fanampankevitra tsara Atoa RAVALOMANANA. Tsy maninona na tara aza.
    Io fanampankeviny io mantsy dia mitarika azy mifidy ny fahanginana aloha eo @ sehatry politika.
    Ny fahanginana mantsy dia mitarika olona iray handinika tsara fa tsy mikoroparopoka rehefa manao zavatra.
    Zao angamba izy vao nihaino sy nahita conseiller tsara ka nahatonga azy hanao an’io.
    Teo mantsy ny conseillers koa dia be kajy daholo fotsiny ary izay miditra any aminy ihany no ataony. Izay hahazoana vola au max. avy any @ RAVALOMANANA.
    Eo @ izay ary izy no mila mandinika tsara @ izay hoe iza no tokony harotsaka fa araka ny tenin’ny Kintanamanandrambo izay hoe tsy izay boto sy zaza rehetra izao… izay boto sy adala rehetra izao mantsy… e azafady !
    @ itony mantsy no tena ahitana ny hoe namana pierrot t@fahazaza tokoa ve le io sa tena mamy sy mamelovelom-bahoahaka tokoa ve le io sa tena tena tsy naika tokoa ve leanina iny ?
    Olon-dehibe izy ka afaka manadiady tsara ary tsy hametraka ireo mpomba azy indray ohatra ny teny iavoloha t@ 16 mars 2009 sy ireo niandry ny fitenenany t@omaly.

  6. tsy miasa saina izahay ry foza rakotozafy mirana a!! na hilatsaka izy na tsia a!!!izahay tena mino fa 99 andro an’i mpangalatra ary 1 andro an’ny tompony…
    foza kl saina (inona no ao anatin’ny lohana foza refa mahandro foza ianareo…)aza mifamaly aminy no dikany

  7. Tsy oye oye intsony !

    HOAY Ô ! HOAY Ô !!

    Ny tolona tsy vita, i Dada tsy mbola tonga, dia efa samia manao Fety sambatra ?
    Efa vonona ny gisa, vorintsiloza sy gana matavy ? Sampaina efa glase tsara, ary ny divay efa sambre ?
    Ny vahoaka zara raha mahita akoho, ary ny an’ny sasany volomborona efa tamin’ny efataona mody avoaka sy aparitaka eny an-tokotany !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,764394

    Milay ê !

    Hisaorana ve ireo olona miisa dimy, mba sahy nandàhy an’ilay teti-bola 2013 kanefa efa nifanaraka daholo fa tsy hanaiky an’ilay izy daholo ? Mahamenatra !

    Ilay H. Ratsimbazafy aza dia hita fa tena nipiaka ! Tsy ampy angaha ity vola entina any am-pasana no dia manalabaraka-tena tahak’izao ?

    Maty hasina sy tsy faka taranaka !! Zavatra mioson-drà no hifaliana !

    Tena TTTTTTTTTTSSSSSSSSSS !!!!!!!!!!!!!

  8. MAHONENA!!!!!
    Tsy NIPIKA Kintana fa MIVIKA a!!!dia gaga ianao????
    Aza maka  » L  » oah!!hihiiii!!!ny fahatongavan’i dada handrandraina, dia manga ny lanitra eeeee

  9. Leo ny resaka manabe lao-bary ny aty ê ! Asa fa tsy kabary no ilaina ; izany ihany no anaovana resaka « mahitsy toy ny vatan’akondro » ! Ha ha ha !

  10. Nisy an’izany ihany tany koa naninona no nafenina ary izay ela izay???
    Iza no hiasa eo e!!efa zatra tolorana daholo, VOLA MORA- VARY MORA-
    Lainga mora sns dia izay tsy mahay an’ireo no mihinana ny ampangony.

  11. Izao fotsiny ny ahy ranavalona â !
    Ny fanadiovan-tanàna, na koa fanadiovana ny rivotra pôlitika dia andraikitry ny daholo be ! Ny vahoaka no tokony ho tonga saina voalohany, fa tsy ho taritaritin’ny mpanao pôlitika any amin’izay lalana tsy tokony ho aleha !

    Mba jereo anie ireto foza, faly ery entin’ity domelina amin’izany tezeve vaovao, dia mibitaka sy jejo ery kanefa ho entiny any amin’ny antsana !

    Tsy ireo foza ireo mihintsy, no tokony alaina tahaka !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *