RAKOTOAMBOA JEAN LOUIS : MISY ADIDY LEHIBE MIANDRY ANTSIKA ATSY HO ATSY

MyDago.com-magro 14 des 12 (1)

MyDago.com-magro 14 des 12 (1)Izao no tsara hofantatsika amin’izoa dingana misy antsika izao, hoy ny Cst Rakotoamboa Jean Louis teny amin’ny Magro Behoririka androany.Ny tolona ataontsika eto dia tolona famolahana ny France-Afrika. Ny frantsay hoy izy dia mampiasa an-dRajoelina ary mampiasa vola ihany koa. Noho izany dia mbola lavitr’ezaka ny tolona ataontsika. Mbola mijaly lavitra noho isika hoy izy ny frantsay satria tsy nandeha amin’ny laoniny ny orinasany ireo. Ianareo ve hoy Rakotoamboa dia mihevitra fa Andry dia haaro ny tombontsoan’ny frantsay eto. Mieritreritra ny hametraka olona izy ireo dia nanao NI..Ni.. ary tsy hamerina ny filoha Ravalomanana Marc. Efa nilaza ny filoha fa aleo aho ary tsyhirotsaka raha hahasoa ny fireneko fa ny vahoaka no hanavotra ny firenena. Misy dikany lehibe izany hoy izy ary misy adidy lehibe miandry antsika. Nandritra izay efa taona izay hoy ity olomboantendry ity dia jiolahim-boto mpangalatra, mpanapitra harem-pirenena no misy eto. Raha te hitaky fanampiana avy any ivelany isika dia ny hoe ampio aloha izahay hanadio ity firenena ity. Nambarany ihany koa fa Rajoelina dia hilatsaka. Porofo hoyizy dia isika nampiseho bonne volonté niditra tao amin’io rafitra io, kanefa nataony daholo izay nataony ary vitany daholo izay tiany atao. Ohatra amin’izany  ny lalàna momba ny fifidianana, ny Cenit izay mbola izy ireo no maro an’isa ao, ny FFM. Ny dingana ilaintsika amin’izao hoy Rakotoamboa dia ny hisian’ny filaminana eto ahafahan’ny filoha Ravalomanana Marc miverina eto ary misy adidiy lehibe miandry antsika atsy ho atsy. Minoa ianareo hoy izy fa tsy misy hamadika ny tolona eo fa tsy maintsy misy dingana arahina fotsiny.

9 pensées sur “RAKOTOAMBOA JEAN LOUIS : MISY ADIDY LEHIBE MIANDRY ANTSIKA ATSY HO ATSY”

  1. Izay lazaina lazaina fa aza mba mianankendry eo e!!!

    Tairo Rakotoamboa fa toa tsy hamely ireo ??
    Mankasitraka ny fijoroana hatramin’ny farany andriamatoa Hajaina, izao no fotoana tena hilana ny olona toa anao.
    aza avela itsony fa tano hatr@ farany ilay tolona , homba antsika Andriamanitra e!!

  2. TQY MAINTSY AMPIANA ARA-KEVITRA KOA IANAREO ARY MANKASITRAKA FOANA IZAHO ALOHA SATRIA IZAHO TSY MAHAVITA NY ATAONAREO E – TSY HANEBAKA ANAREO MIHITSY AHOI FA ATAOVY IZAY TOKONY ATAO REHETRA TOMPOKO – ARAHANA AMIM-BAVAKA IANAREO;

  3. Ny manahirana ny saiko dia ny hoe « karakaraina ny fahazoan’ireo filoha mahazo famotsoran-keloka ny fizakan’ny sata ny filoham-pirenena ». Moa ve izany dia na tsy milatsaka @ 2013 ny Filoha Ravalomanana dia tsy mahazo milatska intsony? Tsy nmety izany!!! Izaho tsy miraharaha izay Lalao na Tojo na Mamy na Tiko fa ny Filoha Ravalomanana no nomeko ny fitokisako hitondra ahy sy ny fireneko ao anatin’ny fotoana voafetra araky ny lalam-panorenana malagasy kanefa notampihina fotsiny izao teny amiko dia tsy maintsy izy no antenaiko fa hiverina eny amiko. Mba diniho ihany izany fa

  4. peuples malgaches , mba hazava eto hoe inona ilay antsoinao hoe « RESY » fa ny tsy filastsahan’ny Ra8 anie ka nohon’ny fitadiavana ny fivoahana @ krizy e. Ilay mivoaka @ krizy ve no antsoina hoe resy ? Raha mijery tavan’olona dia hainao fa raha hampadroso ny tany sy hanana ny fitiavan-tanindrazana dia farany io. mitana ny rambony tahaka ny foza rehetra ihany.

  5. Noho izany dia mbola lavitr’ezaka ny tolona ataontsika.
    HOY IANAO Atoa CST ,KOA HAVOHAY NY TETYEIKA HAHAFOHY IO RAHARAHA IO .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *