RAKOTONIRINA MANANDAFY : TSY MAHAZO MILATSAKA RAJOELINA RAHA TSY AMPY TAONA

manandafy

manandafyIzao dingana misy antsika izao hoy ny Cst Rakotonirina Manandafy teny amin’ny Magro Behoririka androany dia dingana lehibe. Lehibe satria ny nampiakatra an-dRajoelina teo dia ny miaramila Malagasy sy frantsay. Ingahy Bozizé atsy centre Afrika hoyizy  miantso antso ny frantsay hoe arovy aho. Ny frantsay niteny hoe izahay tsy hiaro anareo mpanongam-panjakana fa ny frantsay  no arovanay. Sahala amin’izany no hahazo an-dRajoelina hoy Manandafy. Rajoelina nandray baiko tany amin’ny Sarkozy. Sarkozy anefa resy tamin’ny fifidianana. Ka hoy ny Sadc hoe mipetrapetra ianao Rajoelina, ka hoy ity farany hoe izaho tsy manaiky. Hoy indray Fabuis mbola zaza ianao fa mipetrapetra. Dikan’izany hoy Manandafy dia tsy mahazo  milatsaka Rajoelina raha  tsy ampy taona. Na izy hifanatrika amintsika eto ka hifampigadra ka ilay andininy faha 45 natao tamin’ny filoha Ravalomanana Marc no hifototra any aminy. Na izy hiandry taona hifona, hibebaka ka hanaiky hifampiraharaha. Raha manaiky izy dia ho hita eo. Izay no atao hoe fifamelana izay ataon’ny FFKM. Ny FFKM hoy ity olomboantendry ity dia miantso ny filoham-piangonana efatra izay nanao fotoam-bavaka isaky ny faritra. Dikan’izany dia hidina tsikelikely io sampam-piangonana io. Iza hoy izy no kristianina hatanty ny Malagasy hivavaka hampihavana? Tsymisy hoy izy. Ireo no milaza fa hampodiana ny filoha Ravalomanana Marc sy Ratsiraka dia asiana fifanarahana. Raha tsy manaiky Rajoelina dia izy no miala eo amin’ny fitondrana dia gadraina. Izay hoy Manandafy no mahazo an-dRajoelina. Ny faniriantsika hoy izy dia ny hisian’ny filaminana. Sahala amin’ny tenin’ny Hollande hoe misy miaramila frantsay eto centre Afrika fa natao hiaro ny frantsay. Eto amintsika ihany koa hoy Manandafy dia misy miaramila frantsay 120 miparitaka. Mitovy ny baiko azon’izy ireo. Tsy natao hiaro an-dRajoelina, sy baomba ireo. Tsy misy hiankinany intsony labaomba. Hatramin’izay nilaza fa manana Havana avy any dilambato, izao izy tsy misy intsony. Zavatra roa hoy Manandafy no antoka ho antsika amin’ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc. Ny voalohany dia izay hevitry ny fanjakana frantsay, tsy hampiasa zavatra kitoatoa ny miaramila frantsay na aty amin’ny oseana Indiana. Ny faharoa dia ny FFKM hanao fampihavanana, ka raha manaiky ny hampihavanina Rajoelina dia manao ny izy ireo.

6 pensées sur “RAKOTONIRINA MANANDAFY : TSY MAHAZO MILATSAKA RAJOELINA RAHA TSY AMPY TAONA”

  1. DIA MILA MIANDRY EFA (4) TAONA INDRAY IZANY NY FIANDRASANA NY VALITENINY I RAJOELINA .

    Tsy mahandry izany intsony ny fiainambahoaka.

  2. Efa manao retour d’age ity anti-dahy ity marina mafy!!!! ôtran’ireny dadabe mitantara angano eo amorom-payana andro hariva dia mihaino sy mankafy ny angano tantarainy avokoa ny zafikeliny sy ny lalimanga rehetra!! ha!ha!ha!

  3. mioraka ndray ny apache fa tsy nitaingina ny sôvaly verbeeck!!! ah!ah!ah! elà kay lé sôvaly tengenan-dr’i Manandafy Apache??? hitako elà no manao tavan-tsôvaly sy fisainana lalimangan-tsôvaly!

  4. efa firy taona nanaovana politika no sad tsis mpihaino tsoun no mbola CST ao @ fanjakanay ,ko rats nandra ny olnako ko hiheno antony goaika b tony , na NGAHY marc ary v handray ny teneinio fa mody ekeny fotsiny !!! toun lé we antitra vo b sitrampo ts vitan tamn’ hatanorana

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *