RAVALOMANANA MARC TSY MAINTSY TONGA I DADA

Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tetsy amin’ny  kianjan’ny Magro Behoririka androany ny filoha Ravalomanana Marc. Somary maimaika aho hoy izy fa mbola ao anatin’ny fivoriana. Voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa n’inon’inona lainga dia tsy mandaitra amintsika izany fa isika mijoro amin’ny fahamarinana. Hoy aho taminareo tamin’ny heriny hoy ny filoha Ravalomanana Marc. Amin’ny heriny aho dia hilaza zavabaovao aminareo. Efa aty Dar Es Salam aho amin’izao fotoana izao. Hanaporofoana fa tsy marina izany passeport  izany. Afaka miresaka sy miteny aminareo aho hoy izy fa tsy maintsy tafaverintsika amin’ny ara-dalàna ny fiainan’ny vahoaka Malagasy ary tsy maintsy tonga eto Madagasikara aho. Faharoa hoy izy dia tsy maintsy miomana isika fa fifidianana malalaka mba ahafahan’ny olona mifidy izay hitondra azy ary manaramaso akaiky ny Sadc sy Troika. Afaka andiny iray na roa hoy izy dia hivoaka ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy. Nilaza taminareo aho hoy ny filoha Ravalomanana Marc tamin’nyheriny androany fa aza matahotra ianareo amin’izany resaka passeport izany. Zavatra tsy marina mihitsy izany , fa jereo aloha amin’izao fotoana izao ary misy mieritreritra zavatra hafa, milaza lainga fa tsy mandaitra amintsika izany Manome toky aho hoy izy ary ianareo manome toky ahy fa tsy maintsy tonga an’i Dada.

13 pensées sur “RAVALOMANANA MARC TSY MAINTSY TONGA I DADA”

  1. Mitsodrano anareo mianakavy aho sy ny ankohonako hoavy tokoa ka hambinin’Andriamanitra @ dia izay hatao sy ny lalana hodiavin-tsika Malagasy tia tanindrazana marina.
    Hain’ny Tompo izay hitarihana antsika.
    Tsy hisy sampona ny dia e. Efa mibaribary izao hoe iza no tena kanosa sy mandainga lava izao no miala bala (hay ve tsy efa resy indray koa ity atao hoe Remenabila e? Dia tsy naharay fanasan ara-potoana indray koa? Dia izaho no manongo tena), … Henatra hoantsika Malagasy ny zavatra ataon’ireo milaza azy ho mpitondra ireo, sady milaza azy ho tia tanondrazana no mivavaka anefa mandainga sy manao otri-po, …

  2. misaotra indrindra tompokolahy hajaina. miary soa indrindra dia ho ela velona ary ho tonga soa an-tanindrazana. Mila anao ny vahoaka fa very tanteraka novetavetain’i Dj sy ny tariny.

  3. Mankasitraka dada a!!ho tonga tokoa ny Fahafahana!!
    Tsy maintsy mandresy ny Tolona!! Homba antsika Andriamanitra e!!
    Minoa fotsiny ihanyw Hamafiso ary ny finoana .Tsy misy lalitra hamahanana ny vahoaka itsony
    efa nabaribarin’i Charles ny MARINA rehetra dia aza hadino Dada ny manamafy ireny zanatra
    ireny any a! Miavià haingana ry dada Malala!!!

  4. he!he! hoavy Dadanay tsimaintsy ho betsaka ny handitsaka ao anaty kilaoty noho ny tahotra ny hamerim-bola sy henatra ny vava natao!

  5. KintanaMananDrambo ahhhh >>> soso-kevitra ny an’ny SADC fa fanapahan-kevitra momba io, ni… ni … io, ary na handresy lahatra ny @zany aza ry zareo, tsy maintsy ho betsaka ny fanakianana ny SADC na isika na ny sehatra iraisam-pirenena hafa (UE, ONU, . . . ) satria tsy ara- demokratika mihitsy izany, sady tsy hahalalana ny tena marina, ka manjary toa ny an’ireo mpibodo radio sy télé ireo ihany no marina satria ny adva tsy avela hiteny.

  6. Ny tena marina dia izao :
    – Tsy resaka pôlitika, ary tsy hitsinjo ny hoavin’ny tanindrazana no nakàn-dry zareo fitondràna, fa ny hanaovana ampihimamba ny harem-pirenena sy ny volam-bahoaka !
    – Tsy hevitry ny SADC mihintsy io Ni..Ni io, fa efa tamin’ny 2009 ilay firenena iray izay no nivoy an’io ! Niampy ny tsy fireven-dry zareo an’ilay domelina raha nahita an’ity farany ity, miara misaosy amin’ny kelimaso. Fa ny tena « atahorany » dia ny Filoha Ravalomanana !
    – Asa raha sahy hilaza ilay vendrana androany, fa ny re dia ny hoe tsy hilatsaka izy ! Fanambaràna ho ataony izany, ary ny antony dia ny hoe fitsinjovana ny hoavin’ny Firenena sy ny vahoaka ; ary hangataka ny vahoaka malagasy mihintsy izy hisaotr’azy, noho izany fitiavan-tanindrazana tsy manam-paharoa izany !
    – Ny tsy tokony ho adino anefa, dia IZY TSY HIALA FA MBOLA BE NY ADIDY TSY VITA, ARY MBOLA TSY MILAMINA NY FIRENENA ! Rehefa TENA MILAMINA izany ny Firenena vao hisy ny fifidianana sy ny sisa !

    Tondrozotra izany tsy fantany, satria ny malagasy dia efa mihaina ao anatin’ny Repoblika faha efatra !

  7. Ny tsy fahaizana sy fahadondronana no itondrana fanjakana dia izao no vokany dia ny médiocratie no tena izy @ fitantan-draharampirenena, koa tsy mahagaga raha ny fangalarana sy fampihororona no manjaka. Na hilatsaka na tsy hilatsaka rabobomelina (joely)dia tsy ahita ravina avaratra @ vahoaka mihitsy.
    Miandry ilay olona sahy nijoro nanilika ny mpajana-tany ny Malagasy.Tongava RaDada fa efa dodona izahay.

  8. ianareo zanak’i dada ireto ary sao dia olona efa tena mivadik’ondana mihitsy e!otran’ny zazakely vao miana mamindra ka tsy mahafantatra hoe tsy ho avy intsony i dada,mba misia jery e!miseho mihanta amin’ny dadany izay tsy hitan’ny masony akory, amzay olona iray ihany no mody manao pseudo bedebe nefa tsy hitany akory ny olona analikisa eny atsonjombe,nenay sady tanora no mahavita zavatra, no bogosy ihany koa fa ny an’azy efa ninana 7 taona mbola tsy voky ihany, manao kirin’antitra le dadanareo, ary iny tsy ho tonga eo zany fa manatena tain’tsokona

  9. Io indray fa rebirebena indray ny olona,
    hilatsaka ee, tsy hilatsaka e!! rarahian’iza inona iny??
    mbola misy ho handrasaha aminy afa tsy FAHAVOAZANA angah eo???
    Matėsa any @’izay ahafateny any izy.
    Dada milatsaka hifidiananay azy no HANDRANDRAINAY fa izay taranak’ alika ireny misy DIKANY
    inona???

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *