RAVELONANOSY MAMITIANA : TENA MIAKATRA AMIN’NY DIPLAOMASIA AMBONY NY FANDAMINANA NY RAHARAHAM-PIRENENA

DSCN1185

DSCN1183Tena miakatra amin’ny diplaomasia avo lenta hoy ny Ct Ravelonanosy Mamitiana androny teny amin’ny Magro Behoririka androany, eo amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena.Hita hoy izy fa raha avy any Tanzinia ilaikely dia tsy hita ny heviny ary nantsoina ho any Frantsa indray. Misy dikany lehibe eo amin’ny lafiny diplaomasia izany. Hitantsika hoy ity olomboantendry avy any Ankazobe ity, fa tsy mitovy tamin’ny Sarkozy fa ny frantsay mihitsy no milaza fa niova ny diplaomasiany aty Afrika, ka ho hitantsika eo raha marina izay voalazany ary hanaraka ny fandaminan’ny Sadc izy ireo. Ny antony hoy izy dia efa tena akaiky ny fifidianana kanefa raha ny fanatanterahana ny tondrozotra aloha dia milaza ny Sadc fa tokony hotanterahina avokoa izay voalaza ao. Nisy ny fivoriana nataon’ireo mpanao politika izay nanao sonia ny tondrozotra hoy ity mpanao politika ity, ka raha ny tombana no lazaina dia ny feo izay entin’ny Ankolafy Ravalomanana dia ny fampiharana ny tondrozotra. Raha ampiharina hoy izy ny tondrozotra dia izay no zavadehibe ka tafiditra amin’izany ny fampitsaharana ny fanenjehana, ny famoahana ny gadra politika, ny fiverenan’ireo sesi-tany politika rehetra. Ireo no tsy maintsy vita alohan’ny fifidianana ary mahabe fanantenana antsika fa alohan’ny faran’ny taona dia tokony ho tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc. Izy hoy Mamitiana efa niteny fa vonona hampandroso ny firenena. Na eo amin’ny sehatra inona na inona dia tsy miova amin’ny teniny izy ary hampiantsika amin’izany. Ankoatra izay dia nambarany fa misy ao amin’ny AV7 mandefa resaka hoe tsy afaka mivoaka ao Afrika Atsimo ny filoha Ravalomanana Marc, ka izay no nilazan’izy ireo fa tsy afaka mody eto izy. Ny lazaina azy hoy Mamitiana dia ny hoe mody ny sesi-tany politika ary raha ilaina ny aministia dia tomboantsoan’ny sesi-tany politika izany. Misy koa hoy izy ny hoe mba hisian’ny fifidianan demokratika dia tsy misy afaka misakana ny olona rehetra tsy hirotsaka hofidiana. Hatreto hoy izy dia mbola misy 109 ireo voasazy. Tadidio fa tany Seychelle ny filohan’ny fat nilaza fa raha ohatra ka miteny ny filoha teo aloha hoe tsy hilatsaka dia tsy maninona raha mody na izao ankehitriny izao ihany aza. Asa hoy Mamitiaa na hitana ny teniny izy na tsia avy any Frantsa. Ny antsika dia mazava ny todnrozotra, ny fehinkevitry ny Sadc fa tsy maintsy tonga eto i Dada.

17 pensées sur “RAVELONANOSY MAMITIANA : TENA MIAKATRA AMIN’NY DIPLAOMASIA AMBONY NY FANDAMINANA NY RAHARAHAM-PIRENENA”

  1. MANKALEO NY DIPLOMASIAN ELAHISANY .

    MItovy @ izao ny fombanareo:

    Orange.mg
    14h30 – MISSION DE LA SADC : attendu à Ivato à 14 heures, Léonardo Simao n’est finalement pas venu. D’après un communiqué du bureau de liaison de la SADC, la mission de la SADC qui devait apporter des explications concernant les résolutions du sommet de Dar-es-Salaam est reporté au mois de janvier. La coincidence de la mission avec le déplacement à Paris du président de la Transition serait la raison la raison du report.

    IZANY HOE MITOHY ATRANY NY TRANSITION SY KABARY MAGRO ,NY POVCON SY NY IRANY NO arahanareo mora miaraka ny karama homena anareo .
    ARY NY VAHOAKA LEO .

  2. VARIANA MIJERY ny DIPLOMASIA AMBONY toa omby mijery Flora R’i Mamitiana sy ny hanitra ary ny tariny KA LAOZAN Ny fandrosoana ny firenena.

  3. Amiko aloha dia tsy hitako izay mbola hirahirana ireto Frantsay e!!
    mbola misy hantenaina ihany ve @’ izay frantsay ray olona a??
    Dia aiza aza indray izay tapaka tao @’ilay fivorian’ireo izay nanao ilay KISONIA e!!VOKATRA NO
    ANDRASANAY TOMPOKO ô!!!MBA HAMPIARO RĖ e!!
    Dia tena ZENDANA aho fa hay domelina izany no manery an’i dada tsy hilatsaka ???TSY RARINY!!
    dia manaiky isika???sao dia efa mba sangy miohatra ny loha tompoko isany ô???MAHONENA!!

  4. Envoyé par: Menja (Adresse IP journalisée)
    Date: mar. 18 décembre 2012 12:20:27

    By The Associated Press, Associated Press

    JOHANNESBURG (AP) — Events in the life of South African President Jacob Zuma was elected Tuesday to again head the governing African National Congress….

    IZAO NO HANDANIAN NY SASANY ANDRO ,FA TSY NY ENTINA HANADABOANA AN DRAJOELINA.

  5. SAROTRA NY POLITIKA ARY TSAROVY FA ZANATANY FRANTSAY ISIKA – METY MISY ANGAMBA NY FIJERY HAFA AN’IRENY ZANATANY IRENY – HIJERY AN’I RAJOELINA ANIE NO FOTODIANi SIMAO E, KA REHEFA TSY EO IZY – TSY HITAKO IZAY AHATONGAVANY – TSY MAINTSY MAHARITRA ALOHA ISIKA FA RAHA I RAJOELINA TSY HANAO FIFIDIANANA IZANY – AVELANY EO DAHOLO NY ZAVA-DREHETRA FA NY ATAONY IHANY NO ATAONY, ASA ANEFA…….FA NY FARANY ALOHA TSY MAINTSY MISY – NY OLONA REHETRA EFA LEO, NA HO SADEC FOTSINY IHANY AZA – FA REHEFA TSY D’ACCORD NY BE KINTANA DIA TSARA ALOHA E !

  6. Inona no raharahiana an’izay ho lazain’ilay domelina avy any Frantsa ê ?

    Fa maninona koa no mbola misapaoritra amin’i Lafrantsa foana ? Angaha tsy Firenena mahaleo tena i Madagasikara ?
    Tokony mitsotra amin’ny vahoaka ianareo, fa fahadisoana goavana ilay fanaovan-tsonia farany, izay nametraka an’ilay mpanongam-panjakàna ho Filohan’ny Tetezamita !
    Resaka be sy famitaham-bahoaka fotsiny ny hoe mihiditra ao anatin’ny rafitra mba hahafahana mamahy ny krizy, sy hamerenana ny Filoha Ravalomanana !

    Amin’izao fotoana, tsy voavahy ny krizy ary toa miha mitombo aza, ary ny Filoha Ravalomanana tsy tafaverina !! Ny Filoha indray aza ity no teren’ny sasany tsy hiverina sy tsy hilatsaka ho fidiana !

    Nanantona ny ministry ny Raharaham-bahiny frantsay ilay mpanongana omaly, hitaky ny tsy hiverenan’ny Filoha Ravalomanana raha tsy efa voafidy hono izay ho Filohan’i Madagasikara manaraka ! Mba nisy fanakianana an’izany hetsika ataony izany ve avy aminareo CT, CST ary ministra ireo ?

    Rahatoa ka mba nanao an’izany ianareo, dia avoay ny taratasy nanaovanareo an’izany, miaraka amin’ny anaran’izay rehetra nanao sonia, fa mba tian’ny vahoaka ny mahita an’izany !

    Ho fanampin’izany koa ! Tamin’ilay ministra tanzaniana nifampiraharaha niaraka tamin’io ministra frantsay io, maninona ianareo no tsy sahy niteny hoe, tokony tsy misy hidiran’ny frantsay intsony io raharaha io, satria efa nomena an’ny SADC ny andraikitra, ARY LAFRANTSA EFA AO ANATIN’NY VONDRONA ERAOPEANA, KA MISY LALÀNA MIFEHY IZAY ATAONY REHETRA ?

    http://www.fri.fr/afrique/20121219-madagascar-andry-rajoelina-visite-paris-france-fabius

  7.  » Tsy misy AFA-TSY NY FANENJANANA SY NY FAMPIARANA NY LALÀNA IHANY, no ahafahana manana fiarahamonina AHITÀNA OLOM-PIRENENA VANONA » !!

    http://www.lexpressmada.com/fanabeazana-olom-pirenena-madagascar/39444-sekoly-ho-an-ny-ray-aman-dreny.html

    Mpanongam-panjakàna sy mpamono olona aza no ataon’ny sasany ho maodely fakan-tahaka, dia inona indray no mbola azo andrasana amin’ireto vahoaka tsy mety ho tonga saina ?
    Misaotra anareo ihany na dia izany aza, fa mba FANDAVANA NY ZAVA-MISY AMIN’IZAO FOTOANA IZAO ALOHA MBA ATAO LAHARAM-PAHAMEANA Ê !

  8. Misy izany antoko paolitika vao niforona izany hono, ary KINTANA no anarany !

    Marihina etoana fa TSY AO ANATIN’IZANY MIHINTSY NY TENAKO !! MDR !!! Lavitry ny saiko mihintsy izany antoko federalista, mampisaraka vahoaka izany !!!!!

    Asa, feno 350 amin’io angamba ny isan’ny antoko paolitika ao Madagasikara ?

    Raha mba manangana koa isika ato na dia enina fotsiny aza, dia mba lasa 351 ! Misy aza hono toa olona telo fotsiny no isan’ny mpikambana ao anatiny ! Asa na marina izany na tsia ? MDR !!!

  9. Je te pleure mon pays, la terre de mes ancêtres !!!

    Qu’as-donc-tu fait au Bon Dieu pour mériter un tel sort, ou est-ce vraiment ce peuple imbu de cette fierté déplacée, qui est vraiment indigne de toi ??
    De république, voilà maintenant que t’es redevenu un royaume, mais….le royaume de l’inconscience, du laisser-aller, du non-droit, du crime, de la dépravation,…, du grand n’importe quoi !!!

    Comment peut-il en être autrement, vu le comportement de ton peuple ? Une population endormie, soucieuse uniquement du paraître une fois éveillée ; des politiciens véreux qui ne pensent qu’à s’enrichir sur le dos de ces insouciants qui affectionnent tant les bras de Morphée ?

    Que dire, penser de tes militaires, ou plus exactement ces régiments de pieds nickelés, plus prompts à terroriser leurs compatriotes qu’à défendre leur patrie de même que les biens de ton peuple, puisque le mot honneur leur est devenu inconnu ?

    Tes fonctionnaires et magistrats ? Je préfère ne rien dire, car même Al Capone et sa bande auraient été verts de jalousie !!!

    Une chose est sure ! Ces derniers ont fait des émules, et tu n’as plus rien à envier au Chicago des années de la prohibition !! Les crimes sont devenus monnaies courantes, comme toi qui vit avec de la fausse monnaie ! Ton peuple, du moins tes semblants de législateurs créent des lois à tour de bras, mais ce sont ceux-là même qui les premiers, les piétinent ! C’est à se demander pourquoi ??? Sont-ils des illettrés, ou ont-ils abusé de produits illicites, puisque tout ce qui est illicite est devenu légal ??

    Pauvre pays !! Heureusement que tu es dans le coma ; au moins tu ne sens pas le mal et les douleurs que tu devrais endurer !!

    Mais……, dur dur sera le réveil !! Là-dessus, tu peux me croire !!!

  10. NIVAOKA AO AMIN’NY TANANEWS INDRAY NY RAHARAHA AV7, SY ITY HOE DAVID ERLEIGH IZAY LAZAINA FA MPISOLO-VAVA AN-DRY ZAREO ITY !!!

    Lazaina sy nohamafisina fa tsy afaka mivoaka an’ny Repoblika Afrika Atsimo, sy tsy eny an-tanan’ny Filoha Ravalomanana indray ny pasipaoriny !

    1) Voalohany indrindrindra dia diso sy meloka ianareo ao amin’ny Tananews ao raha mivoy an’izany isan’andro izao ! Mino aho fa ny vola azonareo atramin’izay, efa mba ahafahanareo mividy saran-dalana ho an’ny OLONA IRAY, MANDEHA MANONTANY MARINA ANY NY ZAVA-MISY !! Izao ataonareo izao dia fanohanana ankolaka an’ireo mpanongam-panjakàna, satria mivoy zavatra lainga !! Mampisavorivory saim-bahoaka fotsiny izao ataonareo izao, ary milalao amin’ny fiainam-pirenena sy ny hoaviny koa !

    Nanaovana tantara sy resaka be ny fanambaràna nataon’i Sarla, kanefa dia izao indray natao ngeza mitovy amin’ny sarin’ny Filoha, ilay lahan-tsoratra fandotoan’azy !

    Rahatoa ka tsy maintsy resahina ilay izy, maninona no tsy natao kely fotsiny toy ny fanaonareo momba ny resaka hafa ? Misy tsy mazava !!

    Miala tsiny aho rahatoa ka izaho no diso, saingy…….

    2) Ianareo izay nihiditra ao anatin’io rafitra io ! Raha ny fandinihinay ny zava-miseho, dia tena tsy mahatoky ny Filoha Ravalomanana akory ianareo, ary faly mahazo vola sy mihaina amin’ny fahantràna sy ny tebitebim-bahoaka !!
    Mahasahia milaza ny marina, satria toa misy ihany ny MAHAFANTATRA AZY IO !!
    Maninona no avelanareo lotoin’ny sasany tahak’izao ilay olona IZAY LAZAINAREO FA TOHANANAREO, ary indrindra andrasan’ny vahoaka malagasy ???

    Misy antony matoa miverimberina foana izao fanenjehanan’ny Filoha izao !!

    Na ianareo tsy mahatoky azy, dia tokony hiala sy tsy hiseho ho mpanohan’azy ao amin’ny Magro ao intsony, na mino sy mahatoky an’izay lazainy, dia tokony hanao an’izay tokony atao rehetra !!!

    SA INONA MARINA NY ZAVATRA TADIAVINAREO SY ANDRASANAREO ???

    3) Farany ho an’ny rehetra ! Rahoviana ianareo vao mba ho tonga saina, sa dia hoe avelao samy hihinana ny tay sy amaniny ao daholo ?? Miala tsiny aminao aho Atoa Filoha hajaina, satria fantatro ianao fa mba mitsidika ato koa !!!

  11. Kivy daholo sa mbola matory, no toa tsy misy tonga ?

    Hanao fanambaràna goavana izay hahafaly ny vahoaka ny Filoha ato ho ato. Tsy anjarako ny hamoaka an’izany vaovao izany, sao dia ho toy ny lalitra ka hitsabaka alohan’ny sotro, fa ny zavatra azoko ho lazaina aminareo, dia nahita ny mbola tsy fahitany ny mpanongana ; any ka maina molotra sy nangidy rora !

    Na eo aza izany, dia mila mihetsika hoy aho ny vahoaka ! Fa na dia io fifidianana io fotsiny aza, dia natsangana eo ambony zavatra tsy mitombona, ary mety hiteraka olana goavana rahatoa ka ekena ny fomba fikarakaran’azy !
    Midika izany fa manao zavatra kitoatoa io lazaina fa CENIT CENIT io ! Tsy mahagaga !

    Mila tohanana hatrany hatrany ny Filoha, fa TSY TOKONY AVELA HIADY IRERY !!!!

  12. Izay ahay Kintana a!!tiako be io vaovaonao farany io,
    naka toerana mihinsy aho aloha!!mba vao2 tsara oah omena eeeeee
    Filoha iza aloha fa sao dia mifandiso ???na mai-molotra aza izy lesy mandin’ny vola foana izany a!!Ary mody idian’ilay
    dondrona tsy hita izany ilay fanambaran’i Charles a!!!nefa izao tontolo izao no efa nandefasany, IZY TENANY MIHINTSY
    ilay izy???ary mboal tsy menatra ihany ve izany AV7 izany sa dia tena efa inona no ao an-dohany hono???hialao tany
    koa ilay Tananews fa tsy mamely, be loatra ilay LAINGA lazain’ireo ao ka tsy azo ahatokisana intsony.

  13. Ho an’i kintanamanandRAMBO:

    *
    (Misy izany antoko paolitika vao niforona izany hono, ary KINTANA no anarany !
    Marihina etoana fa TSY AO ANATIN’IZANY MIHINTSY NY TENAKO !! MDR !!! Lavitry ny saiko mihintsy izany antoko federalista, mampisaraka vahoaka izany !!!!!)

    ==> federalista dia tsy ho tafa ry Tabera a

    **
    (Je te pleure mon pays, la terre de mes ancêtres !!!

    Pauvre pays !! Heureusement que tu es dans le coma ; au moins tu ne sens pas le mal et les douleurs que tu devrais endurer !!

    Mais……, dur dur sera le réveil !! Là-dessus, tu peux me croire !!!)

    ==> km est le plus super des superStars

    http://www.youtube.com/watch?v=85rr5SqrCZI

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *