RAVELOSON CONSTANT : TSY MAINTSY TONGA AMIN’IZAO DINGANA IZAO ISIKA

MyDago.com-magro 14 des 12 (9)

MyDago.com-magro 14 des 12 (9)Misy ny lalana sy dingana tsy maintsy tsinjovina eo amin’ny fanaovana politika hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka. Tsy mahalala  mihitsy ny firongatry ny adala ianao hoy izy raha tsy tonga amin’izao tongotra mby an-dakana izao ny filoha Ravalomanana Marc. Ny tongotra mby an-dakana hoy izy dia ny hoe izaho tsy hirotsaka fa ataovy izay ataonareo. Ramatoa Rakotomavo hoy ity olomboantendry ity milaza fa tsy tokony hirotsaka izy fa efa misy miandry azy. Ny sasany kosa manao hoe izy no manaiky ho teriteren’ny Sadc . Tsy maintsy tonga amin’izao dingana izao isika. Samia isika hoy Constant manangona tsar a ny fandresehan-dahatra hoe na mirotsaka izy na tsia, fa mba ahoana ny amin-dRajoelina. Nambarany fa na mirotsaka izy na tsia dia hitantsika ny lalana hampiroboroboana ny firenena. Ny dingana manaraka hoy izy dia tsy maintsy hilaza azy ny filoha Ravalomanana Marc. Ara-dalàna raha miandry ny tenin’ilaikely ahafahana mamatatra ny dingana manaraka. Ny dingana atrehintsika izaokosa hoy Constant dia angony ny fahotana mahafaty nataon-dRajoelina. Trano maizina no miendrika ny olona nanao ny 07 febroary sy ny 26 janoary. Tsy vitan’ny hoe trano maizina hoy izy fa ny lalàna famaizana dia milaza hoe ny mpanongam-panjakana, vono olona dia heloka mandram-pahafaty.  Nanao fanambarana ny filoha Ravalomanana Marc hoy ity mpanao politika ity ka ho hitantsika eon y teti-dromotra rehetra fa izany aza dia eto isika manohy ny dingana manaraka. Samia isika hoy izy manangona sy manazava fa vao maika mahamay Rajoelina raha mieritreritra ny hilatsaka irery.Rajoelina mifona mandohalika no tanjona . Noho izany dia miantso ireo fikambanana rehetra mba hijery ny fomba hampadohaliana an-dRajoelina mandram-pahatongan’I Dada.

MyDago.com-magro 14 des 12 (19) MyDago.com-magro 14 des 12 (18) MyDago.com-magro 14 des 12 (17) MyDago.com-magro 14 des 12 (16) MyDago.com-magro 14 des 12 (15) MyDago.com-magro 14 des 12 (14) MyDago.com-magro 14 des 12 (13) MyDago.com-magro 14 des 12 (12) MyDago.com-magro 14 des 12 (11) MyDago.com-magro 14 des 12 (9) MyDago.com-magro 14 des 12 (8) MyDago.com-magro 14 des 12 (7) MyDago.com-magro 14 des 12 (6) MyDago.com-magro 14 des 12 (5) MyDago.com-magro 14 des 12 (4) MyDago.com-magro 14 des 12 (3) MyDago.com-magro 14 des 12 (3) MyDago.com-magro 14 des 12 (2) MyDago.com-magro 14 des 12 (1)

9 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : TSY MAINTSY TONGA AMIN’IZAO DINGANA IZAO ISIKA”

  1. tsy azonay izay rediredy eto zany!zay tiana ho lazaina lazaina ry mafana a!efa hipitsika ndray ny mfm zao fa ho tapaka ny sosy

  2. POLITIKMAN >> ny mapme @nareo zanak’i Dada hafa ireo (tsy haiko aloha na marina izany na tsia) fa izaho koa mantsy mba zanak’i Dada fa tsy mitovy fomba fijery @nareo, maromaro ianareo no eto, dia ny TSY FAHAIZANA MIJERY TRANGAN-JAVATRA AMIN’NY FIJERY MIABO ( positive ) FA VAO MISY ZAVATRA KELY MISEHO NA TSARA NA RATSY DIA FIJERY MIIBA ( negative ) FOANA NO AHITANAREO AZY, afatsy @ Dada ihany. Mba heritrereto fa raha ianareo no tompon’andraikitra @izao tolona hamerenana an’i dada izao dia ny misarika midina any @ miiba no ataonareo fa tsy ilay mampiakatra mampandroso ka hahatapitra, hahafoana ny tolona no hiafarany; soa ihany fa fa efa vita vakisiny @ zavatra rehetra izahay zanak’i dada tia hampandroso ny tolona.

  3. Hita mihitsy zao fa resin’i ravalomanana lavitra mihitsy i rajoelina.Zao tonga tsy antsoina mitonantonana any Tanzania nefa teo nantsoina nihavonavona erý.Zao dia woe tsy manaiky ny ni,ni, satria ve woe tsy hilatsaka i ravalomanana dia mitady fika afa woe afaka milatsaka ho fidiana indray izy.Tandremo woa fa zao zao hianareo handohalika eo anatrehany any i prezidà ravalomanana daholo, ary fantatrareo moa izany woe inona ny saziny izany ny mpanongam-panjakàna izany.Na tapahana dieny eo ny lohany na migadra mandrapahafatiny,eny , na efa maty aza dia hampiarahana anazy foana ny rojo vy, zao dia lazaina indray fa i ravalomana indray no …..Ary marina mihitsy ilay fitenenana manao woe ela nirina i andry nirina rajoelina ka voa.

  4. MANAOVA IHANY VAVAN’NY MATY AN-DRANO E!!!! EFA RESY TSY MIPETRAKA FA MBOLA BE VAVA IHANY! RAJOELINA TSY MAINTSY FILOHA NA IROTSAKA RA8 NA TSIA!

  5. Le Président de la République RAVALOMANANA MARC s’est exprimé en fonction des faits et gestes qu’il voit , qu’il constate et qu’il analyse et sur lesquels il réfléchit
    Au vu des faits qui se présentent,il devise avec ses conseillmers et ses amis..
    Vu les faits ,

    En tous cas ,Nous ne sommes pas dans les secrets de »Dieu » Et le Président de la République ,en homme avisé, sait ce qu’il fait.
    Il préfère s’abstenir lors des prochaines élections .
    Si sa non-participation pouvait pacifier , sécuriser les villes et les campagnes et assainir la vie politique à M.car dont une loi sur ce sujet a été promulguée fin 2008
    Une fois que le Président de la République RAVALOMANANA MARC rentre au Pays , qui peut empêcher ses partisans de manifter leur joie , leur satisfactio et leur espoir enfin exhaussé !
    Mais qui peut oser interdire à ses partisans d’obliger le Président RAVALOMANANA MARC de présenter sa candidature pour les élections présidentielles ?

  6. Mba ovay ny pseudo-nao ry « Peuples malgaches » a! Mba ataovy hoe « Peuples FATn’alika » na « Peuples HATay » fa tsy mnana toetra mirefarefa amin’ny tany toy anao akory ny vahoaka malagasy!

  7. Tsaroako tsara ny Filoha Ravalomanana t@ ilay andro nilazany fa tonga ny fotoana tsy maintsy andraiasany fanapahan-kevitra irery ka nanolorany ny fahefana t@ foloalindahy hikarakaran’ireto farany fifidianana. Dia izao no misy eto @ firenena rehefa niamboho adidy ry foloalinjaza(jereo « jeune afrique » farany : « pourquoi les militaires africains sont si nuls?). Ankehitriny dia mbola niainga tamin’izay fandraisana fanapahan-kevitra irery izay izy tamin’ny fanambarany tsy hirotsaka @ fifidia

  8. « Aza matahotra
    Minoa fotsiny ihany »

    Nous n’avons pas loupé une bribe s’échappant du bec de Ratsirahonana après récent Dar-Es: oui et « non » à dada8 de se porter candidat

    quelle contradiction dans la suite des idées … de surcroît un juriste
    mais bon ben FAISEUR ET DEFAISEUR DE POUVOIR reconnu internationnellement!!
    __

    je pose la question aux 3V Foza maimbo isany:

    A cet instant je me demande qui devient fou de désespoir suite au récent discours de Dada le jour de son anniversaire
    __

    63ans, 6+3 donne 9
    km: help-me does anybody remember when we were kids: result of summing equal to 9 means something good happening to all of US TiaTanindrazana legalists

  9. esory ilay anarana hoe « peuples malgaches » fa tsy izahay no misaina ohatranao e ! mampalahelo ilay tsy fitiavana – feno aromotana lalina ity ianao re tompoko o ! Mahatsiarova saina dia mahaiza mandinika raha tsy izany, jereo ny boky instruction civique fa mampianatra io boky io ny fahaiza-miaina.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *