TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA

Tsy maintsy mandresy isika fa izay no tanjona hoy ny Cst Rakotonomenjanahary Jean Ernest androany teny amin’ny Magro Behoririka. Omaly hoy izy dia nisy ny fandaniana ny tetibola teny anivon’ny Cst. Ny zavatra nisy dia tsy ampy 2/3 ny olona nandany izany. 86 ny olona tonga ka ny 50 no nandany ary ny 32 nandà ary ny 4 tsy nilaza ny heviny. Sahy nijoro hatramin’ny farany hoy izy ny Ankolafy Ravalomanana fa tsy manaiky io volavolan-dalàna momba ny fifidiananan io. Ankoatra izay dia nilaza ny zavamisy any amin’ny faritra ny tenany. Faty efatra hoy ity olomboantendry avy any Fianarantsoa ity, no nisy tao anatin’ny herinandro. Vehivavy bevohoka enimbolana no natapahana ny lamosiny ary navoaka teo ilay zaza. Toy izany ihany koa olona iray no nesorina ny atidohany. Vokatry ny fitondrana fay izany. Ny mpitandro filaminana hoy Ernest dia miahiahy ny olona tsy diso lazaina fa meloka. Misy firaisana tsikombakomba eo amin’izy ireo hoy izy ka izay no hanentanana antsika fa mijaly ny vahoaka satria faty olona no nataon-dRajoelina nanomboka ny taona 2009. Tsy voafehin-dRajoelina ny fandriampahalemana. Ny tsikaritra hoy ity mpanao politika ity dia miha mahantra ny olona satria efa ao anatin’ny maitso ahitra isika izao. Ny aty Antananarivo hoy izy mba misy vary mora fa ny any amin’ny faritra tsy misy ka noho iznay dia mpamono olona Rajoelina. Efa hitantsika ny porofo nataon’i Charles kanefa mbola ahilika any amin’ny filoha Ravalomanana Marc ihany ny tsy mety rehetra. Noho izany hoy Ernest dia miala ny tetezamita fa mamotika ny firenena. Ny Ct Randrianandrasana Patrice kosa dia nanambara fa vao tonga avy any Mahajanga ny tenako hoy izy ka mitondra ny tenin’ny vahoaka any an-toerana. Tsy voafitaky Rajoelina in-droa intsony izahay amin’ny hopitaly manaram-penitra. Io toerana hanaovana hopitaly manaram-penitra io hoy ity olomboantendry avy Mahajanga ity dia toerana efa nomanin’i dada hanaovana fanatanjahantena. Ny hoitaly any an-toerana hoy izy dia ngeza fa ny fitaovana no tsy mapy. Ny dokotera any dia tsy mila izany hopitaly manaram-penitra izany fa fitaovana no ilaina. Mbola mihantona ny fanamboarana io hopitaly io amin’izao fotoana izao hoy izy ka raha fitokanana no ataon-dRajoelina any dia aza mankany. Ny hafatry ny vahoaka any Mahajanga hoy izy dia ny hoe ampodio ny filoha Ravalomanana Marc fa vonona izahay hiaro azy. Ny Ct Rasoamalala Odette Brenda avy any Alaotra Mangoro dia nilaza fa efa mandiva ho tonga ny Sabotsy hiandrandrana ny tenin’i Dada. Efa ao anaty korontana ry zareo hoy izy satria tsy tantin’izy ireo ny filazana ny vaovao lehibe eto. Midika izany hoy Brenda fa efa mandresy isika.

 

 

 

14 pensées sur “TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA”

  1. Efa manao izay azony atao ny Filoha Ravalomanana ! Mila mitsangana sy mitaky izay tokony takiana amin’izay ianareo !
    Raiso ny andraikitra mba hihiran’ny rehetra, indrindra fa ny Filoha Ravalomanana an’ity !

    http://youtu.be/6kJ1xWec-Zc

  2. Manahoana daolo ianareo zanako ato@ magro,i dadanareo ihany ity manoratra ity,mazaha matahoatra ianareo fa tsy maintsy mody ao alohan’ny 21 desembra zao,matahotra mafy ao mantsy fa saody tratrany farandro aty zahay mianakavy, dia tsy mahita ny tanindrazako sy ny zanako,efa nampanatroko zao tgv mba hamela anay sy lalao hody engana ,tena mafy loatra zany hiafarany ny farandro aty tany lavitra aty.Mazaha atao manody zao ry tgv.Tadidio fa raha tsy misy farandro tampoka @io fotoana io dia tsy maintsy mirava io fitondrana io @2013,ary anjarany tgv indray no mandeha mitsoaka any maurice dia i dada no lasa deba @io.Entony dada daholo ny fitondrana rehetra eto mada,sady lehibe fiangonana no filoha mpirenena no pdg tiko mety tsy anao pilote intsony ao fa io ihany no nahadonga revolution teo force one ray fotsiny nefa no piloteko dia mialona tgv sy namany.

  3. Io ny anraeo famitady zaza tsy vaky maso toy ilay
    t@ andron’i DEBA ry zareo a!!hatao sorona hitazonana ilay SEZA!!
    MAFY ITY FAHAVOAZANA RAY OLONA! soa fa OLON’ANDRIAMANITRA i DADA!!!

  4. Misaotra t@’ilay hira lesy , fari-peo mihintsy aho nihira
    ilay  » Ry toera-manirery » t@’io Albume io, sady teto indray bavy
    no noraisina k’angah tsy loza e!!

  5. Izany eo ihany ranavalona, fa tokony mba zavatra hafa amin’izay no resahin’ireto ct sy cst ireto â !
    Mandreraka be ihany ny mahita an’itony ary sarotra ny tsy hiteny !
    CST Ernest
    « Omaly hoy izy dia nisy ny fandaniana ny tetibola teo anivon’ny CST. Ny zavatra nisy dia tsy ampy 2/3 ny olona nandany an’izany. 86 ny olona tonga ka 50 no nandany ary 32 no nandà ary ny 4 tsy nilaza ny heviny. Sahy nijoro hatramin’ny farany hoy izy ny Ankolafy Ravalomanana fa tsy manaiky an’io volavolan-dalàna momban’ny fifidianana io ».

    Fanontaniana : Lany ilay izy sa tsia ? Ny FDR tsy tanteraka, dia ahoana koa ny tohiny na dia teo aza ireo nandà ?

  6. Ho anareo mpisera ao amin’ny Tananews, izay sendra mandalo ato !

    Momban’ilay sujet hoe « Rajoelina pose un lapin à, Marc Ravalomanana »

    Tsara ny mampahafantatra anareo, fa nisy dia nisy tokoa ny fiantsoana (mba tsy hilazàna hoe fanerena) an’ilay mpanongana, HANATRIKA AN’IO FIHAONANA IZAY HO ATAO ANY DAR-ES-SALAM IO !

    Nilaza ilay domelina fa tsy nahafantatra an’izany ; mandeha ny feo etsy sy ero fa hoe tsy ho any izy ; io maraina io misy milaza fa mbola teny Andraharo izy kanefa ny raoplanin’i Tantely Andrianarivo efa vonona ny hitondr’azy, sns….

    Miafina amin’ny vahoaka fa handeha ho any an-tsokosoko ve ? Kenda angaha izato izy no dia rebirebena indray ny vahoaka ?

    Ary mba vola azo tamin’ny inona koa hono izato jet privé-n’ity Tantely ? Mba bizina inona no nahazoana an’izany jet milay izany ? Ary maninona ilay iray no tsy sahy mitaingina ny an’ilay Ylias ?
    Ho kobo ao daholo !

  7. Ny fandresena dia mila asa, ary ny asa dia mila olona, ary ny olona dia mila misaina. ka diniho tsara izay tokonu hatao fa toa tsy voatohitra mihitsy ilay mpanogasm-panjakana/ hatr@ izao ohatra dia mbola tsy voapetraka ilay fitoriana an’i Lylison sy ny jly Ravalomanana. Tsy mbola misy ihany koa ny fiaraha miasa eo @ mpanohana an’i dada sy ny mpanohitra an’i Rajoelina. ary tsy mbola misy koa hetsika na tsindry eny an-kianja.. ka ahoana no entina handresena ny tolona.
    Ireo ao anaty andrim-mpanajakana dia tokony hanao mafy kokoa noho izao fa ilay tsanga-tanana dia resy foana fa be noho vitsy. ILay suspension aloha hitako hoe mety, fa tokony hisy hetsika karazany hafa koa.
    Eny an-kianja koa tokony hitsy hetsika indraindray. Tsy hoe hidiana an-dalambe isan’andro fa na izany aza tokony mba hivoaka kely indrndra fa @ izao fotoana izao izay maha voatsindry an’i Rajoelina eo @ resaka diplomasia. Ary farany manamafy ireny hetsika etsy sy eroa toy ny an’ny greffier ireny… fa raha tsy izany tsy hisy fandresena ho avy.

  8. KintanaMananDrambo,
    Mandefa dossier @ fandripahana ragidro ? ka ny Ragidro indrindra anie no mandripaka eto Madagasikara e ! jereo tsara ry lahiniriko sy ry Pierre Tsiranana tonga dia mitsoaka nytena ragidro mahita ireny. Ny CT sy ny CSt dia biby fotsiny. Ny FAT iray manotolo mihitsy. Bitro-Voalavo ny lohany, goika antitra ny manodidina azy, ragidro mitam-basy no manohana azy ary foza orana ny vahoakany. Biby ireo fa raha tsy biby ireo tsy nisy ny famonoan’i Lilyson ragidro ny vahoaka teny Ambohitsorohitra t@ 7 fevrier 2009 sy ny operation Tandroka nanaovana vono moka ny tany Atsimo.
    Asa raha ireo ilay bibidia voalaza fa i Goga sy Magoga… ny azo antoka aloha dia ny sori-dalana tsy azony mihitsy na andalana iray aza…. biby ve ahay hamaky teny.

  9. Za koa aza mba latsaka ry zareo!
    Fa vola anie no nentin’ity Tantely nandositra tany e!!
    na mety izay vao nolavahana ny harena rehetra nangalariny t@ androny????
    Amiko koa aloha dia tsy hitako izay hiaonana @ izay domelina na dia inona aza e????
    hanome litika fotsiny.
    Sanatria tsy ilay fahoriana no mahalatsaka ahy fa ilay fomba fitantaran’i Lazalazao azy an

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *