TSY MIALA ETO ISIKA RAHA TSY TONGA I DADA

magroMankasitraka antsika vahoaka hoy ny solontenan’ny vehivavy Tim ramatoa Berthine teny amin’ny kianajn’ny Magro Behoririka androany, tsy kivy sy ketraka amin’ny fanohizana ny tolona. Tsy maintsy tratrantsika ny tanjona hoy izy ary eto isika no miandry an’i Dada.Mangataka ny fitsarana isika mba hamoaka ny  gadra politika satria efa voalazan’ny tondrozotra izany. Ny solontenan’ny gadra politika andriamatoa Raguy kosa dia nilaza fa marina ny an’ny filoha Ravalomananana Marc fa noho ny asan’ny devoly teto amin’ny firenena dia ireny no zavanitranga. Tany Antsirabe ny tenako hoy izy ka nisy tanana izay mbola ambanivohitra be. Ny olona any dia mahalala tsara izany filoha Rvaalomanana Marc izany. Ny resaky ny olona hoy izy dia ny hoe iny ray amandreny iny dia olona niala tamin’ny fahasahiranana  satria niainga tamin’ny fakana ronono velona. Tsy misy jiro sy rano any amin’izany faritra izany hoy Raguy saingy milaza izy ireo fa miandry an’i Dada ary avo lenta ny adihevitra asehon’izy ireo. Nambaran’ny olona any hoy izy fa niala maraina nandeha bisikileta ny filoha nitondra ronono ka nisy vahiny izay nifanena tamin’ny tamin’izany ary nividy ronono. Io vahiny io no nilaza tamin’ny hoe tsara be izany ronononao izany ka izay no nahatonga ny vazaha haka ny anaran’ny filoha Ravalomanana Marc. Ny tantsaha dia milaza fa Rajoelina dia nanongam-panjakana ary tsy nivoaka avy amin’ny tantsaha. Noho izany dia nambaran’ny Raguy fa miomana isika fa ny any ambanivohitra aza milaza fa ilaina izy. Ny Ct Sandros kosa dia nilaza fa na dia misy aza ny fety kirismasy sy faran’ny taona ka raha tsy mazava ny raharaha dia izahay tsy hiala eto. Nisy ny fampanantenana poakaty nataon’-dRajoelina hoy izy ka avy aiza ny vola nomena ireo . NY sefom-pokontany izay zara fa mandray karama amin’izao fotoana izao nefa ireo omena vola. Tsy manaja ny tondrozotra hoy izy Rajoelina. Ny Ct Fenomanjato dia nilaza fa tsy misy mialona ny karama omena ny Makis fa tsara raha mahazo izany izy ireo fa tsy mazava ny fiaviany. Lanilaniana fahatany fotsiny hoy izy ny vola ary ny volan’ny force one aza voalaza fa any amin’ny banky foibe ka iza anefa no manana porofo amin’izany. Tsy maintsy mpilalao be dia be hoy izy no antsoina handrafitra ny Makis ary mihena tsikelikely izany, ka miteraka korontana amin’ny andraikitra raisina. A o amin’ny tondrozotra hoy Feno dia misy andininy maromaro tsy mety tanterahin-dRajoelina mihitsy. Nilaza ny Sadc hoy izy fa ekeny ny datim-pifidianana  ary avoaka ny gadra politika rehetra. Noho izany dia vakio manomboka voalohany ka hatramin’ny farany ny tondrozotra izay vao tanterahina. Efa tena akaiky hoy Feno ny fandresena fa efa miparitaka ny naman-dRajoelina.

28 pensées sur “TSY MIALA ETO ISIKA RAHA TSY TONGA I DADA”

  1. Na hilatsaka i Ra 8 na tsia ,aza mivaky loha @ izany ,Ny FANAVOTAM PIRENENA NO KAJIO ARY I RAJOELINA HADABOHY HATAOVY MITROSONA .

    RAHA TSY IZAY DIA R I KOTO SY R I HANITRA SNS SY STAN SY IMANOELA SY DAFY SY .. NO HAMAHAN DALITRA ANAREO EO @ MAGRO.

  2. Fa ahona ry KM mba hazavao ?

    Raha tsy misy ireo olon´ny Magro anie dia lefy tanteraka ny momban´i dada , isaorana izy ireo tsy kivy fa vao maika mandihy ny Foza raha tsy eo intsony ireo. Avelao izay vavan´ny mpitarika fa aleo ireo vahoka mitaky ny ara-dalana ireo hijoro sy hanohy ny tolona, fa misy farany ny zava-drehetra.

  3. Fa inona no mampiomehy an’i Ny tena Andry tsy domelina ?

    Misajaona,
    Tsy midika hoe tokony ho foanana ny Magro !
    Izaho dia anisan’ny olona misaotra, midera, ary tena mihaiky fa mpanohana ny tolona ireo olona tonga ao amin’ny Magro ireo, isan’andro ireo !
    Anisan’ireo deraiko, ry Sahondra Vololona ! MDR !!

    Tsy afenina koa, fa misy foza tonga mitsikilo foana ao !

    Misy tsy ampy angamba ny voasoratro ? Ampiako kely hoe « mila maka rivotra any ivelany angamba TSINDRAINDRAY » ? Isaky ny asabotsy ohatra ?

    Lazaiko mihintsy aza hoe tsy hitan’ny olona intsony hoe mbola misy mitolona izany foana ve AO AMIN’NY MAGRO AO, SATRIA EFA HO FENO EFA-TAONA, ARY HIHIDITRA AMIN’NY FAHA DIMY TAONANY NY KRIZY !

    Misy aza mahasahy miteny rehefa miresaka an’io krizy io hoe : Hay iiii, ianareo ve dia mbola mivaky loha amin’izany foana ? Izahay dia ny mitady an’izay hoanina SY IZAY MAHASOA NY FIAINANAY IZAO NO ATAONAY !!!
    Tsy haiko ny manoratra an’ilay fitenin’ny vehivavy hoe : Hay iiiiii, fa azonao no tiako ho lazaina ??? MDR !!!!

  4. LA FRANCE A SU ECARTER LE CANDIDAT LE PLUS en vue ,
    LA FRANCE VA T IL POUSSER LE CANDIDAT LE PLUS VOMI à la personne de Rajoelina Andry .

    ingérence peut on faire mieux?

  5. KM >> tsy mampme tsony rehefa nampianao le resaka ka, sika hilaza io nolazain’i Misajaona io mihitsy ah mantsy, manentana aho hoe tohano ny tolo’ny Magro, fa io no endrika hita mason’ny tolona, fa ny ambony latabatra izay ataon’ireo mpitarika rehetra any ambonimbony any izay tena ilaina koa tsy hitan’ny olona ireny, nefa dia tena mifanampy sy mifameno tokoa. NY HAHATONGA NY OLONA HO MARO LAVITRA NOHO NY EFA MPAKAO AZA, MBOLA HEZAHANA, FA TSY TANTERAKA NY FAKAN-DRIVOTRA lazainao RAHA TSY TANTERAKA IZANY;

  6. Ny vahoaka reraka sy kinkina ary miandry zavatra hafa, fa tsy kabary lava-reny izay indraindray mandiso fanantenàna an’ireo tonga hihaino !

    Hetsika sy zavatra hita-maso no tadiavin’ny vahoaka fa tsy misy mitarika ! Betsaka ny zavatra azo, NA TOKONY TAKIAN’NY VAHOAKA, ARY ZO-NY NO MITAKY AN’IZANY !!!

    ATAO AM-PILAMINANA NY HETSIKA, MBA HO HITAN’IZAO TONTOLO IZAO FA LEO SY TSY MILA AN’IREO MPANONGAM-PANJAKÀNA IREO NY VAHOAKA !

    « BETSAKA » NO MIANDRY AN’IZANY, ARY « RAISO HO TOP » REHEFA IZAY NO HOE NANDRASANA HATRY NY ELA !! !

    Tokony miala amin’izao fomba izao koa, ireo lazaina fa mpitari-tolona ! Mba miara-mifaly sy misakafo amin’ny vahoaka fa « tsy mitoka-monina sy manambony tena » ! Rehefa tonga eny an-toerana dia mba miarahaba mandray tanana an’ireo izay azo raisina tanana koa, fa tsy miseho ho vedety sy manao STAR !!

    KINTANA no « STAR » mahazo manao an’izany !! MDR !!!! Vazivazy ny ahy !!!!

    http://www.mydago.com/wp-content/uploads/2012/12/mydago.com-magro-12-des-12-37.jpg

  7. Tsy mazava2 ity Michel ity an?????
    ohatry ny TSY marina ????toa karazandry Memė sns izy izany???
    mitady ?????ni…..ni izany no fahazahoako azy?????????Tandremo zalah fa mandady ny trambo a!!!!
    dia mba miseho ho mandamindamina resaka ery, manamafy ilay ni……..ni MAHONENA!!!tsy avelan’ny
    marina tsy hipoitra anefa fa dia miteniteny foana.Hialao tany malakilaky fa MAPMĖ be!!

  8. Ahoana indray io sary mampilenda be io ry Dà???
    tsy ho avy any @ tanàna angah bavy hoe???tonga dia akoho gasy be.
    Teo @ Magro ve io fiaraha-misakafo io??tena zavatra tsy fanao mihinsy ireny raha @’izao andro efa
    tsy hita be ihany izao izay mba AHATOKISANA,amiko aloha an!!fa dia mamplenda kosa aloha e!!

  9. Il y a quelques semaines j’ai rencontré un groupe de personnes qui était totalement content de la chute de Ravalomanana à l’époque pcq leurs marchandises (des poubelles de la france) auraient pu finalement sortir de la douane.

    Aujourd’hui, ce sont donc des pro-Ravalomanana qui se targuent de l’avoir toujours soutenu. Ils n’ont même pas honte de dire que seuls Ravalomanana a su diriger ce pays.

    Juste pour dire, combien de transfuges oransa a-t-on au sein des pro-Ravalomanana? On ne fera pas comme Ikopa mais que ces gens là doivent prendde conscience du mal qu’ils ont fait à ce pays.

  10. Mifety hono ê ! Mbola ataon-tsika milay be, miaraka amin’ny vahoaka ny antsika ! Tsy ho ela ! Azo hianteherana amin’izany koa i HoAiza, sa….?
    Momban’ny tolona indray, mila miova famindra amin’izay ê ! I ranavalona angaha miandry hetsaka koa ?
    Izao fotsiny ! Samia miomana daholo FA MBOLA TSY TARA !!!!

  11. Nisy koa sahy nilaza fa tena mpitolona, niaro ny ambasady tamin’ny 2009, « kanefa tsy hita tao akory » !

  12. Le Président Ravalomanana doit désigner celui ou celle qui le représentera à la Présidentielle de 2013 …
    Quelqu’un ou une qui a les capacités de Fédérer l’ Opposition Légaliste au Pouvoir
    Actuel ,Une Coalition pour le rétablissement de l’Etat de Droit et La Démocratie à Madagascar …

  13. CETTE RENCONTRE NE PEUT SE FAIRE QUE SOUS UNE GRANDE DISCRETION.ous voyons de cette façon la notoriété du futur chef d’état de Madagascar . LA CHANCE DE VOIR LE DEVELOPPEMENT DU PAYS avec 1 chef dont on veut pas avoir contact est minime. et si Le pays commanditaire veut maintenir le statut de pays le plus pauvre du monde ,Rajoelina andry fait bien l’affaire.

    « en attendant la rencontre ,Rajoelina et sa femme vont faire leur emplette de Noel »

  14. La grande arnaque !
    Le Ni..Ni n’a jamais été la solution idoine, quant à la résolution de cette crise. Au contraire, le remède risque d’être plus mortel que le mal à soigner !

    Le peuple est responsable, car c’est lui-même qui détruit son propre pays !

    Que peut-on espérer d’un pays, où les arrestations sont devenues aussi banales qu’injustifiées ?
    Moins de 24 heures après sa désignation au titre de Président de la Société africaine de Droit international, M. Ranjeva est déjà convoqué à la Gendarmerie de Betongolo !

    Le malgache n’aime pas trop que leurs compatriotes soient désignés président de tel ou tel organisme africain ! En 2009, le Président Ravalomanana devait présider L’UNION AFRICAINE !! Peut-être qu’il aurait dû refuser ce titre !

    Ah médiocrité, quand tu nous tiens !!!

    A quand le titre de Président de la Confrérie des putschistes africains, décerné à notre sankalité ?

    Pour l’instant, un grand bravo aux GTT IDF !!

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,764866

  15. resaka Arnaque: manjaka be eto Dago, miaraka @ fianaky ny Contrefaçon

    De itony koa: « Il y a quelques semaines j’ai rencontré un groupe de personnes qui était totalement content de la chute de Ravalomanana à l’époque pcq leurs marchandises (des poubelles de la france) auraient pu finalement sortir de la douane. »

    dia marina tokoa – « Tout pas séra » hoy ny nilazan’ilay olona tsy havanana @ teny firantay sendra henoko izay
    __

    Mamaky ny voalazan-dRanavalona aho ery ambony mitanisa -AkohoGasy-,
    dia manararaotra mapilaza ny beSyNyMaro (raha ilaina dradradradrao @ haut parleur eny @ Magro) ==> mitandrema @ produit manufacturés eto @ tanana…
    fa naheno aho nisy olona sasatra nitsabo tena teny @ hopitaly fa ééé: namarotra ny tany-lova ny mpianakavy satria voatery nodidiana nesorina ny fivontosana tao akaikin’ny ATINY (liver) izay hita fa mivonto

    Natoraly ihany oa, ary @ izao maintso ahitra FruitDesTropiques = embarras du choix

  16. Azo hianteherana amin’ny rehetra ianao ê !

    Ianao indray ry HoAiza, tsy adino rehefa tonga ny fotoana ê ! Sahady amin’izay mila olona mahay mahandro kaly gasy !

    Mba fantatrao moa inona izao, ny sakafo efa ela tsy nohaniko ? Ireny tripes mbola tsy novotsorana ireny, somary asiana sakamalao kely ! Ny fotsifotsy tsy manaitra sy manintona !! Mdr !!!

    Contrefaçons ? Matoa mora dia ao raha !!! Trano mora, tsena mora, ets…..

    Top top !! Efa hoe tairo ny akama rehetra, dia alefaso, mba takio ny zo !! Rehefa tia tanindrazana sy miaro ny ara-dalàna dia TSARA SY TOKONY HANAO an’izany daholo ! Aza miandry ny mpanao pôlitika « professionnels » ianareo ! Tolon’ny vahoaka io !!

    Manao akanjo fotsy daholo, dia mitondra voninkazo sy Baiboly rahatoa ka ilaina !

  17. Misaotra Hoaiza @ ilay toromarika a!!mankasitraka e!!

    Ka ilay vahoaka anie hitolona no halehany eo fa ny mpitarika
    no tsy hay be ihqny e!!toa manao fitsabaky ny ranon-dRamiangaly fotsiny,
    raha marivo dia hijabahana fa raha vao lalina dia hialana.

  18. Efa nazavain’i Mamitiana re ray olona fa tsy avelan’i
    foza mody i dada raha vao mbola hilatsaka a!!dia izay izany no
    nahatonga azy namoaka ireny fanambarana ireny, MAHONENA!!

  19. aza omena tsiny
    raha misy mitsaky eny @ Magro
    eny no mba fidiram-bola ho an’ny sasany

    mianaka be ny zava-bita sinoa – na ny atolotra atelina am-bava na ny isalorana ambony/ambany/kilalao sns. Miangavy anareo mba hitaiza ny mpamonjy MAGRO hahay hitsahatra tsy ampiasa ireny (choux aza moa asiandry zareo Formol kind of long conservation before consumption)

    de mitovy gout indray isika ry km amin’ilay fitiavana tripe – revenay manja raha tany ty ka ilay miaraka @ maintiny no tianao f’iny hono no tena misy ny tsirony
    Efa aman-taonany no tsy nanokona tato an-trano, fa tsy mety @ fahasalaman’ny andaniny

  20. Ny mpitolon’ny MAGRO dia hipetrka eo @ tantara Malagasy. Ireo no solon’ny mpanohana an’i Dada avy any @ Vahoaka. Ny mampalahelo dia ireo mpitarika , toa miteniteny foana ka ny lainga, ny fivavahana, ny kabary ary indrindrindra ny tsy fahazahoana ny tian’ny olona atao. Satria vitsy dia vitsy ny mba mandray fitenena ka afaka miteny zavatra matotra sy lalina fa ireo voatanisa ery ambony ihany no azo lazaina.
    Izao anefa, manana ny hasiny ny vahoaka. Tsy misy hidiran’ny fivavahana kristianina mihitsy izany na kely aza fa ny hasim-bahoaka dia mitovy @ irony antsoin’ny vazaha hoe « democratie ». Ka izay manana an’izy io ihany no afaka mitondra ny fanjakana. Ny hasim-bahoaka dia azo avy @ fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra, na koa fandraisana anjara @ raharahampierenana eo @ sehatra misy ny tsirairay (fikambanana, na association, fandatsaham-bato, vote) ireo endrika roa aireo no tsotra indrindra sy tokony hatao voalohany.
    Ny vahoakan’ny MAGRO dia nosaratsarahina, ka izay te hanao hetsika mivaigana sy tsy handany andro @ fivavahana fa mitady kosa ny tena tolona sy ny fahafahana mifam-pita vaovao, dia voadaka ka lasa misy ny MAGRO an’i Mamy Rakotoarivelo sy ny TIM ary misy ny Zanbak’i Dada. Tokony hatambatra anefa ny hery ka hivelatra sy handefitra ireo mpitarika indrinra fa ny avy ao @ TIM, dia manao HETSIKA hanaporofoana fa mila an’i Dada i Madagasikara ary tsy mila an-dRajoeliona kosa. Rehefa mivaingana sy misy fiantraikany ilay hetsika dia izay ka izay endriny merty daholo. Ary isika mpanoratra eto dia tokony hanohana daholo @ izay tandrifitsika izany hetsika izany.

  21. Mpamonjy ?….. angambany, ampio aloha ny tenanao dia hanampy anao « ilay mpamonjy ». Eto dia tena mbola mijoro ny tenin’i Andrianampoinimerina manao hoe Ny firenena, dia adidiko izao sy ianareo. Noho izany dia tena mila an’i Ravalo isika , fa mila mihetsika koa isika. Tokony handinika kely mihitsy i MAGRO hoe tokony hiaraka KELY, tsindriako ilay hoe « kely » @ ireo mpanohitra an’i Radomelina hanalana azy eo. Nefa ho sahy @ izao ve ireo efa matavitavy ao @ fitondrana tetezamita sandoka ireo ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *