BOTOZAZA PIERROT : MANAIKY IZAY FANENDREN’NY FILOHA RAVALOMANANA, MANAJA NY RAFITRY NY ANTOKO IHANY KOA

VPMSamy maneho ny heviny mahakasika ny raharaha-pirenena ny olom-pirenena tsirairay. Ho an’ny Praiministra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria Botozaza Pierrot dia nambarany nandritra ny fifampiarabana noho ny asaramanitra teny Lazaina omaly, teo amin’ny fianakavimben’ny Praiministra lefitra misahana ny teo-karena sy ny indostria  fa ny faniriako hoy izy hatrany am-boalohany ka hatramin’izao dia tsy mankasitraka ny Ni..Ni.. fa ny hilatsahan’ny filoha Ravalomanana Marc sy Rajoelina. Anjaran’ny vahoaka no hifidy izay tiany amin’izy roalahy. Nisy ny fanambarana nataon’ny filoha Ravalomanana Marc hoy Botozaza amin’ny maha olom-pajakana azy matoa mandray iny fanapahan-kevitra iny izy. Momba ny olona hisolo ny filoha Ravalomanana Marc amin’ny fifidianana dia nilaza izy fa amin’izao isika miteny izao dia mbola tsy nisy mihitsy ny fitenenana hoe iza no hisolo azy, tahaka izany ihany koa ny Ankolafy Rajoelina mbola tsy fantatra. Mikasika ny resabe etsy sy eroa fa hilatsaka Botozaza dia nambarany fa tsy mbola niteny ny filoha Ravalomanana Marc hoe iza na iza no hisolo azy fa aleo aloha hoy Botozaza tonga eto fa izy ihany no mahalala izay olona atolony eo ka izay eo dia solontenany sy ny vahoaka malagasy, tsy lany olo-manga rahateo ny Ankolafy Ravalomanana hoy izy. Ekenay izay olona atolony eo, ary izaho manokana dia manaja ny rafitry ny antoko. Raha ny momba ny lalam-panorenana farany teo kosa dia nilaza i Botozaza fa be dia be ny hevitra sy ny tsikerana nataon’ny vahoaka fa tsy mazava iny. Noho izany hoy izy dia anjaran’ny filoham-pirenena vaovao sy ireo andrim-panjakana vaovao no handinika na hanatsara na ho tazonina mba ahafahana manatsara ny firenena. Namafisiny fa tsy afa misaraka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fitoniana politika.4

8 pensées sur “BOTOZAZA PIERROT : MANAIKY IZAY FANENDREN’NY FILOHA RAVALOMANANA, MANAJA NY RAFITRY NY ANTOKO IHANY KOA”

  1. ON NOUS FAIT GOBER de LA MERDE:

    *9h00->Une réunion extraordinaire de la Sadc se tiendrait cette semaine à Addis Abeba pour fixer la date de retour du Président Ravalomanana.

  2. MBA RAISO NY ANDRAIKITRA FA AZA ARY @ SEZA NO MAHAMAY e!!!
    ENTO ANY @’ITY menasofina tsy misy hilana azy re ilay FR manazava fa
     » MODY TSY MISY FEPETRA …….. » Aza faly mifanosona @ maloto ao fotsiny fa mba manaova zavatra,
    tompon’andraikitra ianareo ao fa aza mody manilika @ foza foana fa efa vita ny SONIA FA MODY DADA
    koa ahoan aindray no lazaina fa rehefa vita ny fifidianana f’ angaha an’i renikely MADAGASIKARA?????
    aiza ny ba fandraisana andraikitrareo a????sa hitatata etsy sy eroa dia ho VITAVITA HO AZY INDRAY
    izay????AZAFADY TOMPOKO ISANY FA TSY RARINY LOATRA! !MIALA TSINY FA BE LOATRA NY
    TAMDREVAKA SY NY FIENOENOANA koa aiza no hi tafavoaka isika???MAHONENA eeeeeeeee

  3. Fanontaniana apetraka !

    ANGAHA MOA NY FILOHA RAVALOMANANA TSY MAINTSY SOLOINA ? IZANY ANGAHA MOA NO NANGATAHIN’NY VAHOAKA TAMINAREO IZAY NIHIDITRA AO ANATIN’IO RAFITRA IO ?

  4. Vao maika mazava ny fihetsiky io nisisika hiara hiasa @ mpanongam-panjakana sa????
    Efa ela anie no nataony frantsay ny infiltration ny SADC fa mila manolo saribakoly ny mpitondra frantsay ankehitriny mba hanodinana ny sainy gasy be politika ambony tamboho sy an-tranokala.
    Harem-be azo angalarana izao ve dia ho avelandry zareo frantsay ho zarazaraina be loatra @ firenena afa e? Indrindra ra-malagasy, tia fihavanana mbola mihesona fa voky vavaka ary azo lambolambona foana!!!!

  5. Tsy mila soloina ny FILOHA RAVALOMANANA, ny nangatahan’ny Vahoaka taminareo niditra tamin’io rafitra io dia ny namerina AZY eto an-TANINDRAZANA ary nilatsaka ho fidiana IZY. Sao dia izay olona tendrenao ho solontenanao sy ny Vahoaka Malagasy eo indray no hamadika anao sy izahay,ka hamorona elatra TIM. Tonga amin’ny tanjony izy ireo. Izay no mahatonga ahy hiteny hoe c’est la fin qui justifie les moyens. Tsy voatery ho mpomba ny FILOHA RAVALOMANANA daholo anie ny ao amin’ny Mouvance Ravalomanana fa politika ratsy no nidirany tao araka ilay fitenenana hoe » hatony ny fahavalonao dia miaraha aminy fa izay ny fomba iray andresena azy haingana ».

  6. Ny atao hoe Olomanga dia Olona manana ambopo ka tsy manaiky ho hitsakitsahan’ny firenena vahiny an -tampon-doha Izy sy ny Vahoakany amin’ny alalan’ny vola aman-karena
    araviravin’izy ireo Aminy. Tena sarotra no ahitan’izany Olona izany amin’ireto niditra amin’io rafitra io.

  7. Dia gaga ianao????
    Hita fa efa mipelipeli-drambo indray fa hoe: tsy hilatsaka i dada.
    Tsy nusy resaka azo naroso hafa afa tsy izay ve???maika be ve ilay
    fanendrena izay ho solon’i dada noho ny FODIANY e???mba tsy haiko mihintsy ny ao andohan’ireto
    olona milaza fa manara-dia an8 dada ireto kah???tsy misy azo antenaina intsony marina ireto izy.
    Mba nisy resaka ve fa manohitra ny tenin’ilay masoivoho frantsay io izao ny ankolafy dada e???sa tsy
    maintsy i dada indray no endrasana hiantso avy any Afrika Atsimo ?????MAHONENA!!MBOLA HO ELA!!!!

  8. ravelonarivo : Dia mazava be izany fa any aorianan´ny fifidianana ilay Fiverenan´i Dada , I DADA koa anie mihesona mbola matoky SADEC. Eny e! ho hitantsika ny tohiný tantara.

    Invitation du président de Troika ( Tanzanie) par la France la semaine dernière.= Plan français à exécuter = reunion SADC extra ordinaire = décision de la SADC .

    isika koa aza matoky ny Psdt francois Holande , fa saribakolin´ny Quai d´Orsay izay filoha frantsay lany eo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *