FANATERA LOGIN : RAHA MBOLA I DADA NO NITONDRA TAMIN’ NY TAONA 2012 DIA EFA NANDROSO LAVITRA NY FIRENENA

Dep-Login

Dep-LoginNitondra ny hafatry ny vahoaka avy any Androy ny Cst Fanatera Login androany teny amin’ny Magro Behoririka androany. Amin’ny anaran’ny vahoaka any Androy hoy izy no hitondrana izany. Raha mbola ny filoha Ravalomanana Marc no nitondra tamin’ny taona 2012 dia efa nandroso lavitra I Madagasikara. Teneniko izany ho re-tany ho re-danitra hoy izy ary ho tonga any amin’ny filoha Ravalomanana Marc, kanefa nalahelo ry zareo fa tsy nitondra ianao ka anjaranao ny mieritreritra izany hafatry ny vahoaka izany. Momba ny fandehan-dRajoelina tany Israely dia nambaran’i Cst Login fa raha tena nivavaka ho an’ny firenena tokona no nalehanao tany dia anisan’ny vahoaka Malagasy ny filoha Ravalomanana Marc. Manontany an-dRajoelina ny tenako hoy izy hoe nivavaka ho ny filoha Ravalomanana Marc sy ny vahoaka Malagasy tokoa ve ianao ? Na ny vadinao aza hoy Login dia mitarika fikambanana fitia ka te hanontany izahay hoe inona no atao hoe fitiavana. Ny fanakanana an’I Dada ve no atao hoe fitiavana. Malahelo aho hoy izy raha nisy milaza fa hisy zavatra hitranga amin’ity 2013 ity satria olona tsy manam-pitiavana no mitondra. Anjarantsika raha tsy handray fepetra amin’ity taona ity.

6 pensées sur “FANATERA LOGIN : RAHA MBOLA I DADA NO NITONDRA TAMIN’ NY TAONA 2012 DIA EFA NANDROSO LAVITRA NY FIRENENA”

  1. RAHA MBOLA I DADA NO NITONDRA TAMIN’ NY TAONA 2012 DIA EFA NANDROSO LAVITRA NY FIRENENA,

    efa tsy izy izao no mitondra ,ka hamafiso ny Hery hanvotra ny firenena ,fa jioplahy sy ny mpanjanaka ny eo @ fitondrana.

  2. Nisy fihaonana omaly nokarakarain’ireo GTT sy ny Mpiaro ny ara-dalàna ! Ankaotry ny fifampiarahabàna izay natao noho ny taona vaovao, dia nandeha koa ny resaka sy dinidinika samihafa, momban’ny hoavin’ny firenena.
    Nihiditra ary nandray anjara tamin’izany ny Filoha Ravalomanana, niarahaba ny mpitolona, ary nahafoy fotoana koa, namaly ny fanontanian’ireo izay rehetra tia nametrak’izany !
    Momban’ny fiverenany sy ny sisa, dia efa fantan-tsika !

    Kanefa, ity mba misy zavatra tiako marihina sy lazaina eto : Nanambara ny tenany fa ny MAP dia lasa MAODELY, ARY NALAIN’NY FIRENENA MARO TAHAKA !!

  3. TSARA BE IZANY ARY NY TSARA ANIE TSARA FOANA ARY MISY FOANA KOA NY OLONA TE HANAO ZAVATRA, HANOVA ZAVATRA KA INONA NO HISALASALANA HITONDRA AN’IREO IZAY MANAN-KEVITRA NY HAMPANDROSO AN’ITY FIRENENA ITY AMIM-BAVAKA ? ANDRIAMANITRA HITAHY ANAREO TOMPOKO !

  4. Salut Baby!

    Izahay izao vao avy niara-nanamboatra ny lalana mankaty an-tanàna miaraka @ particulier
    fa nokahon’ny riaka tsy misy manamboatra
    nandritra ny 2009

    Soa fa misy lalana hafa manodidina ary
    fa indraindray rehefa tojon’ny tampoka avy be ny orana, dia…
    amin’ny 11ora alina mila isasaka mbola misy tafahitsoka eny an-dalana ireo vahoaka mirava avy miasa @ 5ora hariva

  5. Ny ataoko antsika dia aza malahelo foana fa ny asany dia tsimaintsy mbola hitohy ary manana fanantenana fa mbola ho tsara noho izay vitany izay aza! Ny firaisan-kinantsika no ndeha hatsaraina hatrany! Masina ny Tanindrazana!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *