LERIVA MANAHIRNA : ADIDINTSIKA NY FAMPODIANA AN’I DADA

IMG_3950

IMG_3950Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena hoy ny Cst Leriva Manahirana androany teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, ka mila maharaka izany isika. Na hilatsaka na tsia Rajoelina hoy izy, ka araka ny hafatr’i dada omaly dia tsy problemantsika izany. ny zavatra fantatsika hoy izy dia adidintsika ny fampodiana an’i Dada eto. Mandeha ny resaka hoy ity olomboantendry avy any Brickaville ity ary araka ny nilazan-dRajoelina  azy tao amin’ny Rfi omaly hoe vita fifidianana vao mody i Dada. Novalian’i Dada izany omaly hoy izy  hoe tsy maintsy mitafatafa amin’ny movansy ko aho noho izany tsy misy fifidianana raha tsy tonga aho. Mazava ny fanambaran’ny Sadc hoy Leriva fa tsy misy fifidianana miova eto fa fifidianana filoham-pirenena no mandeha aloha vao depiote.Aoka isika hoy izy tsy hiroaroa saina fa ny Sadc tsy miova  hevitra. Noho izany dia averiko eto ny tenin’i Dada omaly hoe tsy fotoanan’ny fifanenjehana sy fanaratsiana intsony izao fa fotoanan’ny firaisankina. Be dia be hoy i Dada ny zavatra tsy fantatsika an’i Madagasikara fa izaho mahafantatra  azy fa tsy fotoanany izany izao. Ny antsika hoy ity mpanao politika ity dia manatontosa ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana Marc eto izay no laharam-pahamehana. Tokony ho hitany eto an-kianja hoy izy fa izanay mpitolona izany dia tokony iray saina. Samiamahereza ary aza kivy isika na ketraka fa tsy misy miala eto raha tsy tonga eto izy.

3 pensées sur “LERIVA MANAHIRNA : ADIDINTSIKA NY FAMPODIANA AN’I DADA”

  1. …..tsy misy miala eto raha tsy tonga eto izy.Nefa ry zalahy mpitarika ny tolona miha matavy ny vahoaka miha reraka i Dada moa kivy mihintsy dia naleony tsy nilatsaka

  2. Azafady indrindra!!!!ary maninona oa ny mpitarika magro tsy mba mamorona occasion hitarihana ny olona haneho hevitra ivelan’ny magro e?ilay voan ‘ny lacrymogene indray mande iny ve dia tsisy natao intsony ankoatra ny mampiresaka ao an kianja?mila hetsika motivés sy décidés kokoa raha tena te hampody an’i PRM ianareo!raha miesona be ianareo d’efa hisy olona hafa hampody azy,dia rehefa tonga izy mifankahita e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *