Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA : FANOMPANA IRENY TENIN’I FRANCOIS GOLDBLATT IRENY

me hanitra

me hanitraNitafatafa tamin’ny filoha lefitry ny CST, Me RAZAFIMANANTSOA Hanitra izahay ary nanararaotra nanontany azy ny fomba fijeriny ny  raharaha politika eto Madagasikara.

Solo Razafy : Ahoana ny fandraisanao ireny tenin’ny ambasadaoro vaovao Frantsay ireny?

Me Hanitra : Ny fahitan’ny Ankolafy Ravalomanana ny fanambaran’ny masoivoho vaovaon’ny LaFrantsa iny dia voalohany indrindra raisin’ny Ankolafy ho fanopana amin’ny fomba mihaja , fanaovana tsinontsinona any ary fanaovana fihantsiana mihitsy ny mpomba ny filoha Ravalomanana ireny.Faharoa dia nanambara izy fa tsy « opportun » ny fodian’ny filoha Ravalomanana fa aminay indray tsy « opportune » ireny fanambarana nataony ireny amin’izao fotoana hivorian’ny UA izao.Fahatelo dia « déclaration indecénte » ireny satria raha ambasadaoro no miteny toy ireny dia tsy misy fifanajana mihitsy, na dia eo amin’ny sehatra ara-diplomatika aza .Aminay hoy Me Hanitra dia « mi-anticipé » sahady ny fanapahankevitra izay mety ho raisin’ny fivoriana atao any Addis Abeba ireny.Raha vao voafidy ho filoha ingahy Hollande dia nanambara fa tsy hitsabatsabaka amin’ny raharaha anatin’ny Madagasikara intsony Lafrantsa kanefa izao mitranga izao dia fitsabatsabahana marindrano, izao no atao hoe : « immixion flagrante de La France » satria ny position officielle-n’ny Frantsay no nentin’ny ambasadaoro frantsay. Efa nanambara anefa ny firenena Frantsay fa hanaraka izay position’ny Sadc, sadc izay nanambara fa tsy ireny tenenin’ny masoivoho frantsay ireny mihitsy no hevitry ny Sadc, ary indrindra indrindra ny Frantsay dia mpikambana ao amin’ny GIC Madagascar,  dia tokony hanaja izay rafitra izay izy.

Solo Razafy : dia inona izany no ataonareo?

Me Hanitra : Manoloana izany ny ankolafy Ravalomanana dia tsy manaiky mihitsy ireny fanambarana ireny fa mitaky ny fodian’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara alohan’ny fifidianana. Misintona ny sain’ny mpomba ny filoha Ravalomanana aho hoy izy fa ireny teny ireny dia fanaovana tsinontsinona ny Malagasy izay miteny Frantsay sy manjifa ny vokatra Frantsay.Azoko ambara fa nanaratsy endrika sahady ny fidiran’ny  ambasadaoro frantsay iny teniny voalohany iny eo amin’ny fiarahamonina Malagasy izay nitovy mihitsy ny nataon’ilay masoivohony  teo aloha izay tsy mahatsara mihitsy ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy Lafrantsa

Solo Razafy :tsy handray anjara amin’izay  fifidianana misy eo  izany ianareo raha sanatria tsy tonga alohan’ny fifidianana ny filoha Ravalomanana?

Me Hanitra : Raha sanatria ka misy izany fanapahankevitra tsy hampody ny filoha Ravalomanana alohan’ny fifidianana izany dia hitarikany  tsy fandraisana anjaran’ny Ankolafy Ravalomanan amin’ny fifidianana  izahay.

Solo Razafy : misaotra anao nanaiky ho vahiny

Me Hanitra : misaotra anareo ihany koa ny tenanko.

19 pensées sur “Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA : FANOMPANA IRENY TENIN’I FRANCOIS GOLDBLATT IRENY”

  1. efa miteny anareo aho fa ny frantsay dia mijanona frantsay foan n’iza n’iza FRANTSAY rohay any ireo ohatran’ny any Afrika rehetra any,zahao ary daroy raha mafy loha ,TOMPON »ANDRAIKITRA MIVANTANA @IZANY NY MPITONDRA FRANTSAY

  2. Solo Razafy : dia inona izany no ataonareo?

    expédier cet energumène off Mada,
    back to the land who assigned this mal-elevé as HER representative to the international level

    Sorry to this kind of individual who comes and behaves as Jiolahimboto, irrespectful, kapoakam-PHAT naroson’i france
    traik’hefa Communiste an’i AmiralRouge hananan’io dahol

    NO WAY
    the present deadlock could not continue
    UNTHINKABLE to go to yet more years under french rules

    The roadmap is clear
    &
    ny clarté afafin’io dia mizotra any @ kolera bleu-blanc-rouge

    (misy az ny mahatsikaritra indraindray hoe: ny loko mena @saina az toa ahodin’ireo FOZA ho oranze – doko be zany an!)

  3. BJR daholo e tonga ndray reo fatin’ alika FRANTSAY reo fa anazy ve ty tanin- tsika ty e tsy mila an’ io Ambasadeur io fa roahy miverina any io de andao ndray hanao siting devantn’ lay tsivanona io sika vehivavy manja sy milay rehetra toy ny efa natao taloha de ho hita eo zay hataony sika Reny manko no tena mitondra faisana @ty fitondrana foza ty tsy afaka ny hihinana foza aloha zahay mianan- kavy ato antrano e

  4. Na izany aza mba nisy mitsangana nanaporofo tany fa TSY METY NY HATAONY????
    Soa fa teo ny Amerikanina NAMALY TSARA ILAY OPA sady nahazo mandrivorivo mihintsy,
    ary ny Ankolafy Ravalomanana tompoko o???inona ary aiza eeeeeee????mbola hiesona ihany ve na dia efa
    voahitsaka an-tapon-doha aza ????Aiza izay mba hetsika sy tsy fankasitrahana na mba fanambarana IRAY akory
    aza na mba FANOHERANA????AIZA EEEEEEEE?????MIFOAZA ZALAH SY ZAVAVY a!!!!mba jereo ihany ny
    fahorian’ny vahoaka tompoko isany fa sao tsy mety eeee!!sao hanenenana any aoriana any, sao mba hanadinan’
    ANDRIAMANITRA anao any aoriana any , niditra tao ianareo HANAFAKA fa sy vao maika HANDETIKA ITY TANY
    efa mitaraina sy mangirifiry tompoko ô!!!koa raiso ilay andraikitra fa aza varina ny miara-miosim-POTAKA @’ireo
    foza ireo ao e!!!izay fa lava resaka be za.

  5. Hitontony any an-dranony any ilay vazaha reraka avy any aminy any ireny
    ataovy hitany eo ambany TAVAN’ORONY ilay FR fa  » MODY TSY MISY FEPETRA… »
    tsy aty @ tanintsika aty no hanjakazaka rehefa tsy misy hapoaka any aminy any, tsy madagasikara mihintsy no
    HAMENO NY CAISSE VIDE-n’ i la frantsa. Ataovy tonga any ampoto-tsofiny any izany ry MPISOLELAKA isany,
    mpivarotra tanindrazana isany, izay fakofakom-bazaha rehetra, tatero fa mankaleo raha ireto renikely ireto an!!
    manome litika vao maraina izy izany marina a!!!

  6. Maninona koa io volomasonao io no kakasana be ohatra io
    Madame Hanitra a???mankarary maso be, sady tsy sahaza anao
    ilay izy, fitiavana anao no hilazana izany fa tsy tsikera an!!misaotra aloha namaly ny antso ary
    misaotra an’i Solozafy nanontany, fa na izany aza mba asio asa kely fa lasak’ovavany fotsiny.

  7. Izaho mba hanao « avocat » kely koa, avocat du diable !

    Impiry ianareo no efa nolazaina fa aza dia diso mifantoka loatra any amin’izay fihetsiky ny frantsay ianareo ?
    Nolazaina ombieny ombieny eraky ny site rehetra, fa fomba fiadin’ny rehetra ny mitady an’izay anjara-masoandrony ! Tsy tokony ny fo foana no ampiasaina fa mba ny saina aloha ry zareo â !
    Ekena fa tsy mety ny nataon-dry zareo frantsay, ary mbola mitohy na hitohy, satria ao anatin’ny fitondràna ( anisan’izany ny ambasadiny koa ) dia mbola betsaka ireo olona manana fisainana mpanjana-tany, izay olona avy ao amin’ny droite ny ankamaroany ! Tsy midika izany fa hoe tsy misy manana an’izany fotom-pisainana izany ny avy ao amin’ny gauche !
    Isika tompon-tany, tompon-tanindrazana ary indrindra tompon-draharaha no tokony hisaina voalohany indrindra !
    Raha tena vonona hiaro ny fiandrianana sy ny tombontsoam-pirenena, ary indrindra ny hoavin’ny malagasy REHETRA, dia tokony alevina toy ny tsiny ny fitiavan-tena ! Io tia kely sy tsy mitsinjo ny hoaviny io foana no mahavoa an-dramalagasy ! Raha mba nanao grevy nandritry ny erinandro fotsiny ny mpiasam-panjakàna rehetra tamin’ny mars 2009, tsy ho tahak’izao ny nahazo an’i Madagasikara !
    Nalohan’ny fanjakàna ny andro nitokonana, ary tsy ho very vola sy hijaly tahak’izao ny vahoaka sy ny Firenena ! Ny vola very, ny zo very, ny fomban-drazana sy soataovina very ! Tsss !
    Mba jereo kely fotsiny itony, ankaotry ny ataon’ny sasany izay tsy ho lazaina eto intsony fa efa mandreraka loatra ; tsy mahagaga rahatoa ka lasa any an-kady ny firenena !

    http://www.tananews.com/2013/01/elections-le-mfm-soutient-la-proposition-dandry-rajoelina/

    Miverina amin’ilay fanontaniana napetrak’i Solo Razafy etsy ambony : Inona no tokony ho atao (ny) ????
    Nisy nandefa soson-kevitra fa hanao fitokonana rahampitso, eo anolohan’ny ambasady frantsay !
    Tokony hanoratra ry zareo ao anatin’ny movansa, miaraka amin’izay antoko rehetra mbola mahatsiaro-tena fa Madagasikara dia (Tokony ho ) Firenena mahaleo-tena, ka fandikàna an’izay zavatra rehetra tapaka sy nosoniavina izao ataon’ny frantsay izao, ary fanitsakitsahana ny zon’ny vahoaka malagasy ! Tsy azo ekena !
    Adika dia omena sy andefasana ny kôpiany daholo : Ban Ki Moon, Obama, Barroso, Louis Michel sy M. Kombo, ny UA sy SADC,…ary indrindra indrindra, i Hollande !
    Aterina any amin’io Goldblatt io ny original, ary ny tokony hanatitra an’izany koa dia ireo ministra, CT sy CST REHETRA, miaraka amin’ireo lehiben’na fokotany rehetra mpanohana sy mitaky ny ara-dalàna !
    Miarak’amin’ny vahoaka, dia atao toy ireny teny Ivato ireny ny isan’ny olona fa tsy hoe rehefa ho tonga ihany ny Filoha vao MBA mihetsika !

  8. Avelao izy re hanao izay ataony any ê ! Ny volo aza efa atao rozy-rozy toy ny an’ny VAZAHA, fa tsy natirela intsony kôh ! Ze t’aime moi non plus zao no ady ao !

  9. Misy miihaiinnoooo????
    Izany ve dia tokony bola hatoro lesy???fa tokony hitokona na hanatitra taratasy…?
    hita mihintsy fa tsy msy mivaky loha e! aiza ianao no tsy ahazo « L  » vao maraina ???

  10. lasa mapmé be tokoa ny paozin’i maitre Hanitra a!tsy ilay naturel tahakan’ny tam niara nitololna tam be sy ny maro,mety hoe manao metimety en vue an’ilay fanendren’ny PRM izay poulain?izany eo ihany fa tokony mampiseho masiaka ianareo ry mouvance ra8 fa tsy zara fa manao réaction otran’io,otran’ny hoe tsy concernés ianareo!!!!!

  11. Na izany aza ray olona tena efa miesona be loatra a!

    Azafady aloha fa hay nisy olona tao heveriko f’izaho irery dia mba nanala azy teto aho.

  12. réponse à: le MFM soutient la proposition d’Andry Rajoelina

    Mamy Rakotoarivelo: « Nous n’avons rien à voir avec cette proposition…. »

    quand à NOUS, c’est simple: NOUS renvoyons gentiment les agents du Fokotany qui viennent recenser et/ou distribuer des formulaires à remplir en vue d’éléction(s)

    et ce AUSSI LONGTEMPS que le président Marc Ravalomanana n’est pas rentré sur le sol malagasy

  13. Hitsangatsangana, hamboly hazo, hanao pikinika, hisotrosotro, hi..sakafo,….!
    Toa izany indray hono ny praograma fa tsy hanatitra taratasy any amin’ilay ambasadera !
    Tsss !!!
    Tsy izay zavatra maika no vonjena, fa hazo mety tsy haniry ery no atao laharampahameana !
    Amin’ny erinandro ambony ianareo, mahazo mamboly katsaka, voanjobory na tsaramaso, na koa voatabia, fa vonjeo aloha ny Firenena rehefa nandray andraikitra ihany ê !

  14. Mitohy ihany izany ny tetezamita fa tsy hisy ny fifidianana e!!! amin’izay koa ry Hanitra bé mbola mihinana misimisy ao amin’ny CST! Maninona raha sahy ianareo tsy milaza hoe « HIALA AO AMIN’NY CST IZAHAY ary hitarika ny ankolafy ravalo tsy hiatrika fifidianana » Fa maninona no tsy sahy miala ao amin’io toerana maha-VP CST anao io ianao raha tsy tafody (ary tsy hotafody mihitsy moa) i ravalo? Mbola mamy lé sôsy sy ny voninahitra e!!!! aza manonofy fa tsy ho tafody eto izany ravalo na ho aterin’i Masindahy Petera aty Madagasikara aza!

  15. hamboly hazo?

    nefa ny manodidina kapaina avokoa

    etsy akaiky tsy miala lavitra fa commune anaty fivondronan’i Manjakandriana foana nosolaina ny ala natoraly @ tendrombohitra maro rehef miditra any @ lalindaliny

    nefa anie dia: sady mahasondriana ny maso no fitandrovana ny tany ary équilibre écologique ho an’ny tontolo iainantsika

    ny bois de rose izany moa dia eny amoron-dalana aza be ny mpivarotra vase sns

    Nataoko ho zeste snob ny an’ireny mitampin’orona ireny rehef eny an-dalambe
    kinanjo ankehitriny na ny tenako az tsy miala lamba maivana asadika eny an-tenda
    anakonana ny orona fa POLLUTION tsapan’ny orona mahery vaika ny rivotra

    TSY MISY izay contrôle na ny pitiny aza

  16. Fadio ny tsy handray anjara amin´ny fifidianana fa vao maika faly ny frantsay sy ny foza, Tsy te halala izay tondrozotra sy lalaána ireo fa rehefa tafiditra ao anaty velam-pandrika ianareo dia faly izy ary manohina ny frantsay , dia iny mitohy ny tanatara la laozan´ny omby miahahaka ianareo mpitarika ny mouvansy Ravalomanana sy ny vahoaka, ary koa i Dada izay nanatena fa hody.

    FADIO ny tsy mandary anjara amin´ny fifidianana fa ilay ni…ni … azay efa nahadiso fanatenana sy namparary fo anay, izay nanantena an´i DADA hilatsaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *