MEKTOUB EL OMAR CAMILLE : NY MANAMPAHAIZANA AVY ANY ANINDRANTANY NO MAMPIDIKIZO NY FIRENENA

IMG_3619

IMG_3619Namaly avy hatrany ny kabary nataon-dRajoelina teny Iavoloha androany andriamatoa Mektoub El Omar Camille raha nandray fitenenana teny amin’ny Magro Behoririka ny tenany ny tolankandro. Kabary mamohetra hoy izy ny no nataon-dRajoelina. Voalohany dia hopitaly, kianja manaram-penitra no nolazainy fa ilay fahorian’ny vahoaka tsy hitany. Mato ny masoivoho iraisma-pirenena hoy izy no nandà tsy hiteny  fa naniraka solontena dia misy raha ao.Ny loza aterak’izany hoy Mektoub dia tsotra fa raha iny kabary iny dia ihataka izay kely sisa izy (famatsiana sakafo ho an’ny zaza omen’ny mpamantsy vola izay ilay kely sisa) Izaho mino hoy izy fa misy taranaky Ravolomaso ikoizana eto. Sahin-dRajoelina androany no niteny fa sambany vao nahazo tompondaka erantany ny rugby. Mila mianatra Rajoelina hoy izy fa tamin’ny taona 1957, 58, 59 dia nahazo ny tompondaka aty afrika ny rugby malagasy. Amiko hoy Mektoub dia lalaovin-dRajoelina tahaka ny saribakoly ny mpilalao rugby. Ny loza manaraka ihany koa hoy izy dia tsy hainy ny manavaka ny atao heo « integré territoire » sy ny « souverainneté national ». Ny tena mampidi-kizo ity firenentsika ity dia ny « intellectuel cotier ». Lalaovin-dRajoelina, sy Ratsirahonana, Annick Rajaona hoy Mektoub izy ireo. Ohatra amin’izany hoy izy rehefa nilaza ny frantsay fa tsy mahazo milatsaka Rajoelina dia nitsangana i Maharanty. Io fiandrianam-pirenena io no nazavainy tao. Nitsangana koa i Elysé Ratsiraka ka mbola io ihany no nolazainy tao. Ireo zavatra efa voavolavolan’ny Ratsirahonana, Annick Rajaona, no asaina teninin’ireo « intellectuel cotier » ireo.Na ireo hoy izy misary ho tsy mahay, na ireo tena vomanga be ny ao antsainy.

14 pensées sur “MEKTOUB EL OMAR CAMILLE : NY MANAMPAHAIZANA AVY ANY ANINDRANTANY NO MAMPIDIKIZO NY FIRENENA”

  1. Amiko dia ny olona sahala amin’i Ratsirahonana na Andriamanjato na Ray aman-drenin’i Rajoelina no tena fanetry ben’ny firenena.Tsy adino koa ilay toetra ory hava-manana sy ny fahamatisan-kambo rehefa dokafan’ny vozongo.

  2. ka samy miady ho an’ny interets ny koa na Maharante,na Elysée Ratsiraka,satria eo am fitantanan ‘ doma izy ireo no mety hahazo interets,fa ireto mouvance Ra8 matory be ambony karamana CT sy CST ireto no mahatsiravina,aleo dia ny vahoaka no mihevitra ny hanavotana ny firenena,fa taraiky ao anaty magro ao ny gasy,ny firenena nefa efa lasan dry doma sy ry ravatomanga ambongadiny.

  3. Ry tgv sy ry foza isany tonga dia mivovo daholo raha vao mitady ho voatohintohina ny fihinanany,fa ireto mpitarika mouvance ra8 toa tsisy réaction n’in’in mintsy,tsy hay hoe miandry inn anga;mimenomenona fotsiny fa tsy mihetsika.

  4. IZAO NO MBA TENIKO AMINAO SY SOAPETA – ALEO IREO HIVOVO FA MBA FANTATRAO MOA FA ISAKY NY MIVOVO IZY IREO DIA MANDAVAKA LAVAKA IPETRAHANY SADY RIZAREO KOA ANIE AFAKA MITENY IZAY TIANY SATRIA NY MIARAMILA MIARO AZY E – ALEO MANGINA DIA AMIANDRY NY ARA-DALANA FA TSY MAINTSY MISY FARANY ANIE IZAO E ! TOROY HEVITRA HOE INONA NO TOKONY ATAO : MAHAY VAVA DIA MIVOVO DIA AHOANA ?

    NY AMBOA NO MANAO IZANY ARY FANTANY FA TSY METY NY ATAONY SATRIA MIARO NY VOLA BE NANGONINY IZY IREO.

  5. Inona indray ity efatra sy efa-jato mena be ity ry MyDago â ? Izahay mba te hijery ny havanay, izay rehetra mba tonga mitolona !!! Tena mbô tsy miady kileeeeeeee !

    Io r’Ingahy Mektoub tsy misy hoe avy any anindrantany na afovoantany, na avy aiza â !
    Rehefa malagasy tsy misy ati-doha, tsy mieritreritra an’izay hoavin’ny taranaka malagasy dia vorika sy maimbo daholo ; mitovy fisainana sy lahatra amin’ny alika sy biby dia !

    Tohizo ry zareo ny tolona, fa io ihany no fomba ahitan’ny rehetra tsikelikely an’ireto ahi-dratsy sy tsiparifary â !

  6. Iza moa no tena adala le joba merina nivoaka avy ao amin’ny icm nilaza fa mila transition i Madagasikara sa ilay bandy tanindrana avy ao science-po aix en provence?

    Ekena ary tena marina fa ny tanindrana no anisan’ny tolpon’andraikitra voalohany amin’ny fahasimban’ity firenena ity. Ny tànan’izy ireo no namono malagasy mitovy aminy ho an’ny tombn-tsoa vazaha t@ 1895, zimbo, antandroy nanipy grenady t@ pilotra t@ 1991, ny maro t@ ireo nanao barazy t@ 2002, ary mety mbola azo porofoina koa angamba hoe ny mpitifitra t@ 2009 (charles, lylison,…). Kanefa tsy azo lavina ary tsy azo hodiana tsy hita koa ny merina izay efa zatra namadika. Mbola azo lazaina koa hoe mifamindra ny toetra. Tsy misy hira tsy hiraina eran’Antananariana (tananarive azafady), fa misy hira tsy hiraina eran’i Madagasikara…

  7. Tokony mba ho motivés kokoa am hetsika kosa ireo mpitarika mouvance ra8 Raozy a;na mba mampiseho kokoa ny plan d’attaque fa tsy miandry fotsiny,dia mi subir ny hadalan’ny foza,dia à peine raha mi réagir avy eo,tena tokony haverin dry zareo ny fitakiana eny an dalambe ohatra,fa tsy hoe nanao in dremande,voan’ny lacrymogenes,dia izay,tsisy hita intsony.Raha mandefitra be ny marina dia miroborobo be ny tsy marina sy ny faharatsiana.

  8. Monja Reboza (zava-doza naterak’Androy loatra i Julien)

    Voninahitsy

    ary i Mektoub niavy aiza?

    ___

    Manarotsarotra ny resaka raha vao ampidirina ny resaka fihaviana an

    Tsy misy loko miavaka toa ny fotsy akory ny majorité eto Dago,
    koa diviser-pour-régner nolovaina t@ France, anga?

    Solidarité – respect mutuel ao anaty Fahasamihafàna

    Andron’ny fahaizana mihaina ao anaty fahasamihafàna izao (diversité)

  9. Ny avara-pianarana, ny foloalin-dahy ary ny mpanao politika no fositra mpampidi-kizo an’i Madagasikara. Tsy cotiers ry Ratsirahonana, ryRamaroson, ry Ramaromisa Daniel. Satria Ankoatra ny fitaizana azony dia manao zavatra tsy manara-penitra daholo ireo misho mahay an’itsy sy iroa ka lasa complexés sy be fialonana nahatonga ny fanonganam-panjakana. Nilaozan’izy rehetra nijery ny fiharin-dRavalomanana sy ny hoe : »izay mpivaro-dronono ve no voafidin’ny vahoaka ho filoham-pirenena ». Soa ihany ny Filoha Ravalomanana tsy niara-niasa t@ ireny fa angamba dia tsy nisy zava-bita teto nadritry ny 2002 – 2008. Izho dia tena momba ny federalisme fa mila fitaizana manomboka izao izany fa tsy hoe isaky ny misy fikorontananny firenena vao mody miseha dia rehefa mahazo toerana dia mangina toan-dry henry lecacheur

  10. Na avara-pianarana aza ianao ka ny fankahalana no mibahana ao an-tsainao noho ny fahaizana dia olonolon-poana ihany anao.
    Ary raha miaramila ianao ka tsy miaro ny vahoaka nipoiranao dia olonolon-poana ihany anao
    Ary raha mpanao politika ianao ka mivadi-dela lava izao dia olonolon-poana ihany ianao.
    Tsy ny fiaviany intsony no inona fa ny fahatongavan-tsaina.
    Noho izany tokony midina an-dalam-be;Akatso ny administration dia ialana ny miaramila.

  11. Ho an’i zazanakdada,
    Tsy haiko ny tena dikan’ilay hoe « zanak’i dada », satria toa milaza ny tenany ho zanak’i dada daholo izao olona rehetra izao !
    Raha tena tia tanindrazana ianao, dia esory ao an-tsaina aloha izany resaka federalisma izany, satria MANOHITRA FANONGANAM-PANJAKÀNA AZA AMIN’IZAO FOTOANA IZAO, DIA TSY VITAN-DRAMALAGASY !

    FEHINY : TSY METY AMIN-DRAMALAGASY IZANY FEDERALISMA IZANY, SATRIA RAMALAGASY MBOLA TSY VORY SAINA, MBOLA TSY AMPY FAHAIZANA, MBOLA TSY MAHAFANTATRA SY MAHAY MANÀJA AN’IZANY ATAO HOE LALÀNA IZANY, NIFINDRAN’NY ARETIN’ILAY DOMELINA KA ARAKY NY VOALAZAN’IREO NAMANA REHETRA IREO DIA VOLA SY RENDRARENDRA SY MIVIDY « OLONA » NA MIVARO-TENA SISA, NO MASAKA AO AN-DOHANY !!

    Resaka efa naroso hatry ny ela, fa resaka be sisa izany hoe : Fiarovana soatoavina, fihavanana, firaisan-kina, fiandrianam-pirenena, ary fitiavan-tanindrazana, sns…avy amin-dramalagasy !!!

    Nampitsangam-bolo ny rehetra, atramin’ny vondrona iraisam-pirenena ny « taim-bava » navoakan’ilay domelina ! Kenda ny foza fa nanadrana nanao teli-moka patsa be, izay toa tena kamarô mihintsy !

    Ho hitan-tsika tsy ho ela izay isan’ny olona, mbola vonona hihinan-dalitra !

  12. Ka raha dinihina koa anie ny fandehan’ny raharaham-pirenena nandritry izay fitondrana repoblikana tokana izay, mankaiza isika izao? Eny fa na dia mba nisy azo tsapain-tanana aza ny fiovana nandritry ny 2002 -2008, dia ireny niarahanahita ireny ny niafarany sy ny tohiny hatramin’izao. Koa sao dia manao ny mangidy tsy andramana raha hoe  » avelao any izany federalisme izany. Ekeko fa raha @ izao vanim-potoana izao dia betsaka ny loza. fa raha izao dia ampahafantarina sy ampianarina ny olona mazava ny mikasika izany. Izao ka ny olona vitsivitsy @ faritra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *