MEKTOUB OMAR EL CAMILLE : VERY HASINA NY MAHAMALAGASY NOHO NY NATAON-DRAJOELINA

IMG_4407Mbola niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina eto amintsika ny famonoana ilay tovovavy mpianatra teny Ankatso. Nitondra ny fomba fahitany izany teny amin’ny Magro Behoriirika androany andriamatoa Mektoub Omar El Camille. Nambarany fa tokony hieritreritra ny ray amandreny amin’iny tranga iny. Fialonana hoy izy iny ary lavasanga no nahatonga izany. Tsy nisy izao zavatra mamoehatra izao hoy Mektoub   raha tsy nisy izao nataon-dRajoelina izao. Raha ny marina hoy izy dia tokony nisaona ny firenena raha iny tranga iny. Isika manontolo hoy izy no very olomanga satria noho ny fitokanana mamoafady nataony. Zavatra tsy fanaon’ny Malagasy no nataony. Noho izany dia very ny hasina maha Malagasy antsika. N’iza n’iza lehilahy hoy Mektoub dia tokony ho tapahan-doha rehefa manolana fa tsy misy izany hoe zon’olombelona izany. Ireo lehilahy ireo dia naman-dRajoelina. Isaky ny misy maty eto amin’ny firenena dia mandihy foana izy. Misy miteny hoy izy fa hoe nahoana  Rajoelina no omena amnistia. Milaza tsy hanontaniana ingahy Maharanty satria tsy isika no nitory raha may ny Tiko sy Magro. Rajoelina hoy izy tamin’ny voalohany dia niteny fa honerana ny fatiantokareo tamin’ireny 26 janoary 2009 ireny. Dikany hoy Mektoub dia niaky Rajoelina fa namono olona sy nandroba tamin’ireny 26 janoary ireny. Izay no nahatonga ny fikambanana iraisam-pirenena ilaza fa tokony omena aminstia izy. Rehefa nojereny ny lalana rehetra hoy izy dia nahatsapa ry zareo fa tsy tafavoaka noho ny fisian’ ity kianja ity.  Tsy adala akory zandrikely nilaza iny hoe olona 300 sisa no ao amin’ny Magro fa mety nifoaka moly. Te ampiady ny Ankolafy Zafy sy ny Ankolafy Ravalomanana izy. Ny tiany ahatongavana dia efa tamin’ny taona 2010 lavasanga no niezaka  handrava ny Ankolafy.  Tambazana ireo mpikambana ao amin’ny Ankolafy Zafy hoy izy hanao depioté. Noho izany dia aoka isika ho mailo fa efa fantany fa tsy misy heriny izy ka ampidiriny ny herin’ny fandravana. Momba ny resaka Ambatovy dia nambaran’I Mektoub fa indroa Rajoelina tamin’ny kabariny no nilaza hoe misaotra  an’Andriamanitra fa tsy nahomby teto ny ady an-trano. Tsy nisy nanery azy  hiteny izany isika teto. Mahagaga hoy ary mametram-panontaniana hoe nahoana io rangahy io no mamerimberina izany. Ny ohatra azo raisina hoy izy dia ny  ao Mananjary  izay fampiadiana foko no misy. Ny olona manana ny maty ao dia olona Merina. Ny antony hoy izy dia rehefa maty ao dia tsy afaka hiakatra aty intsony satria efa nanambady ary naka volo tany ilay olona. Ny baiko avy aty hoy izy dia ny hoe mamono ialahy olona. Nieritreritra izy ireo fa raikitra ny adim-poko nefa ny mifanohitra main’izay no niseho.  Ny faritra iray manontolo hoy Mektoub no tsy nanaiky ka nandeha tamny amin’ny kaomisaria nilaza hoe avoahy tao io olona io fa ataonay ny reglement de compte. Rajoelina hoy izy no ao ambadik’io raharaha io. Isaky ny tsy tafita izy dia milaza fa misaotra an’Andriamanitra. Ao amin’ny testamenta taloha hoy izy dia misy fitoamaniana izay fanaony jiosy rehefa mahatsapa tena izy, ka izay no nandehanany tany Israely. Ny momba ny filazan’ny lavasanga fa zaoridira ny Ambatovy dia nambarany fa  olona voakarama avy aty Ambohitsorihotra no nitokona tao Toamasina. Ny antony hoy izy dia nitaona tanora vezo handroaka merina izy. Amin’izao fotoana izao  indray dia manetsika Sakalava izy hikomy. Amin’izay fotoana izay hoy Mektoub dia hilaza Rajoelina fa tsy mandeha ny fifidianana, ka mitaky fitondrana miaramila izy ka hampiakatra any labaomba.

1 pensée sur “MEKTOUB OMAR EL CAMILLE : VERY HASINA NY MAHAMALAGASY NOHO NY NATAON-DRAJOELINA”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *