PRO RAVALOMANANA : NISAOTRA NY AMERIKANA

IMG_4719

IMG_4719Vitsy dia vitsy ny olona  tonga nanohina ny antson’ireto Pro Ravalomanana tamin’ny sit-in nataony tetsy amin’ny ambasady Amerikana teny Andranomena  androany maraina. Tonga teny an-toerana izy ireo notarihan’ny talen’ny kabietran’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita Zafilahy Stanislas, sy  Inspectera Fanomeza ( izy roalahy amin’ny sary) izay tsy iza fa mpikambana ao anatin’io kabinetra io ihany .Nilanjana sora-baventy ho fisaorana ny fitondrana Amerikana moa no nataon’izy ireo. Nisy ny taratasy izay natolotra ny ambasady Amerika eto amintsika tamin’izany. Solontena avy amin’ny Pro Ravalomanana miisa efatra no nitondra izany taratasy izany. Araka ny fanazavana avy amin’ireo solontena ireo dia tsy tao ny tomponandraikitra fa ny solontena no nandray ny taratasy. Anisan’ny voalaza ao anatin’izany taratasy izany ny fisaorana ny Amerikana hatramin’izay ka hatramin’izao nanao ny ainy tsy ho zavatra tsy nanaiky ny fanonganam-panjakana. Nangataka fiarahamiasa ihany koa ireto Pro Ravalomanana ireto. Ny Amerikana moa dia anisan’ny nitana hatrany ny teniny ny amin’ny hoe fanonganam-panjakana no nisy teto Madagasikara, ka tsy nakatoa ny fat izy ireo hatramin’izao. Namafisin’ny mpitarika fa mbola mitaky hatrany ny fiverenan’ireo sesi-tany politika any ivelany izy ireo. Ny famoahana ny gadra politika mbola any am-ponja. Tsy misy fifidianana izany eto hoy ny Pro Ravalomanana raha tsy tonga eto i Dada ary tsy misy olona hisolo azy izany. Tao anatin’ny filaminana tanteraka hatrany no nanaovana izay hetsika izay ary samy nody tamim-pahendrena ny tsirairay rehefa vita ny hetsika. Milaza ny mbola hihaona amin’ny mpampahalala vaovao ireto Pro Ravalomanana ireto rahampitso ka ho hitantsika eo ny mety ho tohin’ny hetsika fa ny azo ambara dia tsy tsara amin’ny endrika ivelany amin’ny   mpomba ny filoha Ravalomanana ny fikarakarana hetsika tsy dia tsara fiomanana toy ny androany.

 

13 pensées sur “PRO RAVALOMANANA : NISAOTRA NY AMERIKANA”

  1. vahoaka Malagasy ve ireo???? olona re zany!!! tena vahoaka solontenan’ny 22 tapitrisa ve ireo??? manapa-tsinay ireto izy!!! izao no atao hoe: ANDIAN’OLONA raha tsy fantatrareo ravalomandraniste!!! ha!ha!ha! :poop:

  2. Ireo fotsiny aza dia efa maha latsa-tay an’ i domelina ; any ka lasa nitomany sy nigogogo any amin’ilay kelimaso iray indray !!!!
    Izao efa hitan’ny olona fa miady an-trano, ary sûr fa tsy misy hahazo vato mihaotry ny 0,5 na 1 % avy !
    Ny sasany izany moa milaza ny tenany fa Filohan’antoko, kanefa tsy mihaotry ny telo-polo ny isan’ny mpikambana, dia mitady hanararaotra an’ity hoe bulletin unique ity ! Ha ha ha !! Hi hi hi ! Ho ho ho !! Ptdr !!!

    Ho anareo mpiaro ny ara-dalàna : Tsy azo ekena io hoe bulletin unique io ! Tsy mety ho an’ny vahoaka malagasy io, indrindra fa amin’izany hoe fifidianana Filoham-pirenena izany !
    Ny atsasaky ny mponina zara rahatoa ka mahay mamaky teny, ary efa misy ihany koa ny tetikin’ny sasany entina hagalaram-bato !
    Ary tsy anjaran’ny fanjakàna no miatoka na ny mi-imprimer ny bulletin de vote, fa anjaran’izay antoko manolotra kandidà !

  3. Mankasitraka Tompoko isany !!ho ela velona daholo,
    izay olona tonga tsy olana fa ny HAFATRA TAFITA no zava-dehibe,
    olona misaina ny Amerikanina ao Dago ao ka fantany tsara fa noho ilay Fampitam-baovao tsy musy
    no mahatonga izao koa AZA KIVY TOMPOKO fa ny MPOMBA ANAREO DIA EFA ilay vahoaka
    20 Tapitrisa.Aza mifanome tsiny koa fa tohizo ny tolona.Homba antsika Andriamanitra e!!ary hitahy
    anareo tsy ho solafaka eo am-pamitana ny adidi ho an’i Taranaka faramandimby.

  4. peuples malgaches,
    Diso dia tena diso mihitsy ny voalazanao, tsy nilaza ry zareo fa misolo tena ny Malagasy 22 tapitra , fa ianao no te hamoaka izany eto. Ireo dia fikamabanana iray fa tsy ireo ny mpomba rehetra. ny anaran’ialay association dia hoe Pro-Ravalomanana.
    Manarak’izany dia mba jereo kely sahady iry aoriana iry, olona vitsy kely ireo nefa ny camion militaire no tonga. Fa matahotra inona ?
    Hetsika tahakan’izao dia fanka-tahaka, ary efa fanairana sahady fa ny olona tsy te hijery ny marina fa ny azy ihany tahakan’i « peuples malgaches ». No manitra rehefa miteny. Atsy ho atsy dia hisy hetsika lehibe ka asa indray izay ho lazain’ireo marary saina mpanohana ny mpangalatra fahefana ireo.
    Manomboka izao dia hamafisina ny fifandraisana, miray hevitra tsara sy miara miasa, ary tsy kisy fa manetana ny namana. Tsy maintsy mandresy ny tolona.

    Fanotaniana: Raha mandresy ny tolon’ireo andian’olona ireo dia izao no ahazo tombotsoa ? ry zareo sa ny vahaoaka Malagasy ? Ireo no olom-banona tena mitolona, ary hisaorana mitafotafo. Tsy ho hadinona izy ireo. fa ireo mpitarika manakana ny olon atsy hihetsika ao @ MAGRO kosa dia mbola ho tsarain’ny tantara.

  5. Hay ve nisy ny fanakanana e!!
    lazao Lazalazao a! iza fa ho vakiana batsilana eto,
    na izany koa aza ve ilay olona dia tsy hietsika???misy tsy mazava ???fa maninona kosa???
    mbola ho ela oah!!!mba mila fanazavana rė tompoko izay mahalala a!!AZAFADY .

  6. APARITAO!APARITAO!!!Kororoy fa efa ho avy izao koa ny 7 FEV
    fa hietsika hono ny TGV sy ny AV7 ka tsy hay hoe: iza no hietsehany
    hanohana an’iza ?dia hanohitra an’iza???MAHONENA!!!!tsy maintsy efa boboana zava-mahadimelina
    indray izany ireo mba hanadino ny nanaovan’i domelina azy sy hanaonao foana eo indray.
    Mba tonga saina fa ataon’i domelina fitaovana fotsiny anie ianareo ZALAH e!!fetsy @ RATSY anie iny e!!
    Soa lavo ahay hamindra e!!

  7. citation :
    ► ranavalona dit :

    1 février 2013 à 10 h 15 min

    APARITAO!APARITAO!!!

    Efa lasa lavitra dia lavitra ny fanaparitahana azy …..eran_tany io

     » t’es FOUTU Domelina et les FOZA avec « 

  8. Misaotra ry « paris se déchaîne » ary manantena fa nisy dikanteny anglisy, allemand, espagnol ary arabo koa aza e!

  9. Azafady fa toa nisy nanala sa tsy nivoaka ity izy ry Paris???
    Dia mankasitraka anareo izay mandray anjara @’ity TOLONA MAVAIVAY
    ity e!!tsy maintsy mandresy ny tolona!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *