RAKOTOARIVELO MAMY : TOKONY HO TAZONINA NY TETIANDROM-PIFIDIANANA

MAMY

MAMYTaorian’ny fanambaran’ingahy Rajoelina fa tsy hilatsaka hofidiana izy dia maro ny fanehoankevitra maro samihafa eto amin’ny firenena. Ho an’ny Ankolafy Ravalomanana dia nambaran’ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, tetsy Bel’Air io atoandro io,  fa nisy ny fihetsika marobe nasehon-dRajoelina hoe vonona hilatsaka izy nefa taty aoriana dia nilefitra ihany teo anoloan’ny recommandation napetraky ny Sadc izay milaza fa tsy tokony hilatsaka izy roalahy. Mahavariana hoy Mamy fa betsaka ny sinema, ny fanenjehana ny fikambanana iraisam-pirenena hoe tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaham-pirenena. Fihetsika feno fihantsiana ihany izany nefa nanao ireny ihany taty aoriana. Na izany na tsy iznay hoy ity olomboantendry ity dia fihetsika feno fitoniana politika ihany izany. Ny tena zavadehibe ho anay Ankolafy Ravalomanana hoy izy dia ny fampiharana ny antsakany sy andavany ny tondrozotra iray manontolo indrindra ny andininy faha 16,17,20 izay hitakiana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc haingana eto an-tanindrazany alohan’ny fifidianana. Nisy ny sosokevitra naroson’ny filohan’ny fat hoy izy milaza fa hoe ny fifidianana solombavambahoaka no atao aloha. Aminay Ankolafy Ravalomanana hoy Mamy Rakotoarivelo dia efa neken’ny rehetra ireny hatramin’ny nanoloran’ny Cenit ny datim-pifidianana. Raha izao indray hoy izy no misy fanamboarana dia ny fandaharam-potoanan’ny Cenit no voatery hisy fanamboarana. Heverinay hoy izy fa tsy fotoanan’ny paik’ady politika izao fa efa ela no niandrasantsika io fifidianana io. Aminay dia tokony ho tazonina io datim-pifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka io  araka ny lamina nifanarahan’ny rehetra.

4 pensées sur “RAKOTOARIVELO MAMY : TOKONY HO TAZONINA NY TETIANDROM-PIFIDIANANA”

  1. Atodio kely any amin’ny zavatra imasoan’i Dolin Rasolosoa – Ratsirahonana – Voninahitsy – Pety Rakotoniaina ny masonao Atoa Mamy Rakotoarivelo, Filohan’ny CT………..

    Dia ho hitanao fa efa mikarakara mafy izay fomba rehetra HANAKANANA an’i Dada TSY HO AFAKA HO FIDIANA MIHITSY no tanjona kendren’ ireo ankehitriny. Zavatra tsy tokony hagaga satria ao ny AV7 TERRORISTES tarik’i Domelina.

    Tena ny soa ho an’ny vahoaka tokoa no kendrenao miaraka amin’i Dada, ka misaotra anao hatrany e ! Avelao hanenjika izay hanenjika fa ihomehezantsika fotsiny e !
    http://i15.servimg.com/u/f15/17/12/01/17/12_05_10.jpg

  2. Tahiry
    « Avelao hanenjika izay hanenjika fa ihomehezantsika fotsiny e ! » Ny foza dia manao fananjehana mba hanampotika anao fotsiny, ny fisianao fotsiny dia lasa olana amin-dry zareo. Fa ny fanotaniako dia ity, INONA no atao mba TENA hanoherana an-dRajoelina ? valio @ fo tony fa tsy resaka foza io. Hatr@ izao aloha dia ireto no mitranga : Fanilihana, Fivavavahana, Fananakanana ny fidinanana an-dalaambe, tsy fisian’ny paik’aida, ary fiaraha-miasa @ mpangalatra…
    Raha ny hevitra voalazan’i mamy Rakoarivelo eto dia tena hisaisana toako , fa inona ary no ataohanantarehana izany ? Izay ilay adidy mbola tsy vita na tsy natomboka mihitsy aza.

  3. @ LAZALAZAOVo
    Misaotra betsaka aloha nametraka ny fanontaniana amiko MIVANTANA, fa efa leo ity resaka KakaMerda ity raha izaho manokana.

    Heveriko fa zafatra roa no hafahana mandray ny fitondràna :
    1)
    Ny FILAZAM-BAOVAO : io no hery alain’izay Mpanongana rehetra teto an-tany . Tsy vitan’izany fa na izay FITONDRANA vaovao rehtra koa dia , mbola io hery io ihany no ianteherany.
    – Tsarovy fa vao nanomboka ny Fanoganam-panjakana dia ny Radio sy ny Telvision no zavatra voalohany NOPOTEHINY, miampy ireo FILZAM-BAOVAO niantehatra na nifandray tamin’ny Fitondran’i Ravalomanana
    Ka raha misy fomba hanakanana an’i TGV tsy hamoaka vaovao amin’ny Radio sy Telvision dia efa HERY MATANJAKA LEHIBE DIA LEHIBE IZAY.
    2)
    Hezaka amin’ny FIRAISAN-KINA no fomba matotra indrindra hanetsika ny vahoaka : Raha mbola misy ireo mivoy resaka manaratsy an’ireo MPITARIKA toa an’i Mamy Rakotoarivelo,
    TSY HISY NY FIRAISAN-KINA, ary fifaliana ho an’ireo mbola manohana ny Mpanjanaka hampihinana ny sty fihinana an’i malagasy. Ny fanotaniana mansty dia hoe : iza no diso : ny mampihinana sa ny mihinana ? ny valiny dia ireo manosika sy mila tambitamby avy amin’ny Mpampihinana. Ny vazaha sy Rajoelina no Mpampihinana, ny malagasy no nolazaina fa faly mihinana, ary ireo MPAMPORISIKA MAMPIHINANA ? Ireo no tena diso, anefa ireo no manao gisalahy mangala-ketsa satria efa zatra niosana.


    Efa samy nahita ny zava-doza nataon’ny HAT-Rajoelina
    Samy mahalala TANTERAKA ny fikorosàn’ny Firenena, anefa dia milefitra noho ny herin’ny VOLA hatrany.Noho no ny herin’ny vola avy @ Mpanjanaka

    Ny vahoaka tsy mba azo vidiana ary tsy misy afaka ny hanohitra azy rehefa VONONA IZY.
    Misy miseho ho mahalala an’itsy sy iroa, fa NY MARINA dia ny FIRAISAN-KINA no nahavonjy ny Toniziana ny Vietinamiana, ny Indoneziana ny Bôlivana sy ny sisa.
    Rehefa mitambatra ny vahoaka, fa tsy misy Mpamingana toy ireo mivoy hevitra handabohana an’i Mamy Rakotoarivelo ireo, dia izay no vaha-olana.

    Raha bangoina ny MBA hevitro LAZALAZAO dia izay.

    Noho izaho namoaka ny tena hevitro dia heveriko fa tsara ho ahy ny mandao tanteraka ity tranonkala ity, satria ho resaka KakaMerda (Bogor io ! Tsy « tena » olona adala ilay iny ka ! ) no ho valiny.
    Ka dia mahereza daholo e !
    Mbola mahamenatra foana izany maha Malagasy izany raha dinihiny. Mifaly amin’ny FANDABOHANA ny hafa fotsiny, anefa tsy misy atao fa ny wawawa no betsaka.

  4. HASEHOY AMIN’IZAY NY HERY IZAY NOFEHEZINTSIKA ATRIZAY !
    (IL ARRIVE LE TEMPS DE LIBERER LES FORCES QUE NOUS AVONS BIEN MAITRISEES ET CONTROLEES JUSQU’A PRESENT !)

    Hoy ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC raha naMALY Ny Filohan’ny Firenena Tanzaniana izy tamin’ny conférence de presse tany Dar ès Salam ny 11 janvier teo :
    Tsy hilatsaka ho fidiana amin’ny ffidianana amin’ny volana mai 2013 RAHA TOA KA IZANY NO HAMPILAMINA NY KIRIZY HO AN’NY MALAGASY ! FA ATERO AHO HODY ! »
    Tsy mbola nanambara izany teniny izany mivantana tamin’ny Malagasy..
    Fa handao dinihina tsara io tenin’ny Filohan’ny Firenena io !
    RAHA NY TSY FANDRAISAKO ANJARA AMIN’NY FIFIDIANANA.. »RAHA » hoy izy !
    Fa RAHA toa moa mlatsaka ho fidiana izy , dia INONA NY SEHO-JAVATRA ?
    –tsy hisy filaminana ve eo amin’ny Firenena ary hisy korontana , fikomiana , vono olona ve ?
    Inona no fambara hahazoana manambara izany ? Mba harosy ny fihetsiketsehana manomana izany..! Ary aiza ny porofo azo tsapain-tanana fa ireto vondron’olona ireto no mihombo manamasaka izany korontana izany..
    Raha misy izany dia tonga ny fotoana hanehoan’ny Vahoaka ny heriny manda sy manohitra izany hetsika izany..,!
    KOA rehefa hisy ny fihaonan’ ny Malagasy , mankasitraka izany fihaonana , amin’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC izany dia eo imaso imaso no miaraka manampan-kevitra io filatsahan’ny Filohan’ny Firenena io..
    — ary moa ve RAHA tsy milatsaka MARINA ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANAMARC dia hisy korontana ve ?
    Maro ireo hihombon-kevitra amiko ary tsy hihambahamba hkiakiaka mafy sy avohoe : » ENY  » !
    Satria tsy ao an-tsain’ny Malagasy , tsy ao amin’ny fijerin’ny Malagasy manohana ny politique ankapobeany nampiasain’ny Filohan’ny Firenenena RAVALOMANANA MARC ho izany ny vokatry ny tolona nimatimatesana sy niafihany nataony nandritry ny efa-taona izao !
    TSY MBOLA NANDRAY FITENENANA NY VAHOAKA MALAGASY NANDRITRY IZAY EFA-TAONA IZAY..ARY RAHA TOA KA TSY MIFANARAKA AMIN’IO VOTOATIN ‘NY TOLONA NIMATIMATESAN’NY MALAGASY IO NY SEHO-JAVATRA , DIA HO HAIN’NY MALAGASY MANOHANA NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC NY HANEHO NY HERINY REHETRA ….
    MITOHY NY TOLONA ARY MIHAMZANA KOA AOKA TSY HIRAVIRAVY TANANA ISIKA !
    MOMBA ANTSIKA LALANDAVA ANDRIAMANITRA !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *