RALAIMAMPISAINARINONY MANOELA : MIALA REHEFA TSY HANAO

IMG_3615

IMG_3615Nanao antso ho an’ireo namany Ct sy Cst avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana  izay nandeha teny Iavoloha, androany teny amin’ny Magro Behoririka ny Ct Ralaimampisainarinony Manoela. Rehefa Rajoelina hoy izy no miantso anareo dia tonga  ianareo fa rehefa Magro dia tsy tonga ianareo. Mialà rehefa tsy hanao fa betsaka ny mpitolona. Tsy mety hoy Manoela fa lo avokoa izahay manontolo. Izahay hoy izy tsy hanaovanareo fitadiavam-bola.Hamonjy an-dRajoelina fotsiny no hakanareo saran-dalana. Noho izany dia miantso ny namana Cst sy Ct, fenoy Magro. Mafy ny niaretanay teto ary ny Ankolafy Ravalomanana no nahatongavanareo tao amin’io toerana io. Tsy any Toamasina, Toliary, Mahajanga, Fianarantsoa, Antsiranana, no hitondrana ny tolona fa eto Antananarivo. Marihina fa mbola ao anatin’ny tsy fahasalamana i Manoela amin’izao fotoana izao ka tsy ho hita eo an-kianja ao anatin’ny andro vitsivitsy.

3 pensées sur “RALAIMAMPISAINARINONY MANOELA : MIALA REHEFA TSY HANAO”

  1. Tsy tokony hijanona ao am magro intsony ny tolona Manoela,tokony hidina eny an dalam be am zay!lany andro eo !

  2. Marina ny anao Soapeta a.
    Midina an-dalambe dia samy mitondra pencarte @ teny anglisy ho hitan’izao tontolo izao hoe: I am Malagasy, soldier, do not kill me, I’m not armed!
    Dia ho hita eo raha hitifitra ireo vaongory ireo.

  3. KIN MBOLA ENDRASANAREO RA TENA SAH NAREOE !!!! ZAY GAS TS AMORONDAINGA , MINTS !!! NGA IO ANY SYRIE !!aiza ar iz zan RAZILYA !!tenenu eo ny anglis nareoé

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *