NANGATAKA AMINISTIA TAMIN’NY SADC I RAJOELINA

IMG_3779

IMG_3778Mitohy vakana ny fanambarana hoy ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eto Madagasikara Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime androany teny amin’ny Magro Behoririka taorian’ireny fanambarana nataon’ny Sadc ireny. Aza gaga ianareo hoy izy raha misy ny fanambaran’ny vondrona eoropeana amin’ny zavatra nitranga eto amin’ny firenena. Rehefa misy zavamiseho ny firenena iray hoy Guy Maxime dia maneho hevitra ny fikambanana iraisam-pirenena, efa nanao ny azy ny Sadc, ny vondrona eoropeana, ary mbola ho avy ny fanambarana samihafa. Ity raharahan’i Madagasikara ity hoy izy nandritra izay efa taona izay dia naharitra. Mametraka paikady Rajoelina mba hampaharitra azy eo amin’ny fitondrana, satria maka tahaka ny zavamisy any Afrika. Tsy izay anefa hoy Guy Maxime fa mivoatra ny raharaha. Ny lalàna iraisam-pirenena dia ny satan’i Cotonou izay milaza fa ny mpanongam-panjakana tsy azo fidiana ara-demokratika. Rehefa nanao sonia ny firenena iray ao amin’ny vondrona iray dia tsy maintsy hajaina ireny. Mila aministia faobe Rajoelina fa ny Onu, Sadc dia nilaza tamin’ny vao nanomboka fa fanonganam-panjakana no nisy teto ary acte penal izany. Acte penal hoy Guy Maxime satria nisy ny fandrobana fananan’olona tamin’ny 26 janoary 2009, ny 07 febroary nisy famonoan’olona. Nisy ihany koa ny tahirin-kevitra any ivelany any mikasika ny zavanisy teto amin’ny firenena. Ireo zavatra ireo no nahatonga ny Sadc hilaza fa mila aministia Rajoelina. Efa nametraka isika hoy izy fa aza adika ny lalàna iraisam-pirenena. Ny amnistia faobe dia tsotra fa io no mitaky fanadihadihana, ary ny tanora ankehitriny dia tsy manana « répere » amin’ny fanadihadihana hoe iza marina no namono olona teto. Teneno ny marina hoy Guy Maxime momba ireny 26 janoary 2009 sy ny 07 febroary ireny. Mendrika an-dRajoelina ny fisian’ny aministia faobe. Tsy dila tamin’ny paika rehetra nitondrana ny tolona isika hoy izy, tsynisy rà latsaka fa tao anatin’ny filaminana.

4 pensées sur “NANGATAKA AMINISTIA TAMIN’NY SADC I RAJOELINA”

  1. Dia omeo daholo izay tadiaviny hidinginany rambo,
    hanitsakitsahany hatampon’ny loha fa mbola tsy ampy izao
    fahavoazana zao eeeeeeeee

  2. Fa ny vahoaka malagasy voaporiporitra nandritra izay taona maro izay ve hanome amnistie azy? ODOE, efa maro ireo hamaly faty na ankolaka na mahitsy.
    Izany hoe ny mpanongampanjakana, sady mpamono olona dia avela heloka?
    Ary ilay olotokana nampisondrotra ny firenena aza toa tsy sahin’ny sasany (na vahiny na tompontany) averina amin’ny taniny, fa nahoana? Be loatra ilay ankinafinafina fa tsy paiso lo ohatrandrajolelina Andréa ny vahoaka

  3. eto no antony
    http://www.lexpressmada.com/juridictions-internationales-madagascar/40213-plaintes-contre-andry-rajoelina.html
    La juridiction internationale saisie. Les proches de l’ancien président Marc Ravalo­manana auraient déposé des plaintes à l’encontre de Andry Rajoelina, président de la Transition, auprès Tribunal pénale international (TPI) et du tribunal de la communauté économique des Etats d’Afrique austral (SADC). « Le coup d’Etat perpétré par l’actuel président de la Transition en mars 2009 et les événements sanglants du 7 février » seraient les principaux objets de l’accusation portée à l’encontre du président Rajoelina, selon une source proche de l’ancien président.
    « Les déclarations et révélations récurrentes du lieutenant colonel Charles Andria­nasoavina, concernant les affaires de 2009, renforcent notre conviction sur la culpabilité du Président de la Transition », affirme cette source. Une plainte concernant les casses du 26 janvier 2009 serait également déposée au tribunal d’Anosy. Une plainte qui évoque la responsabilité des dommages causés principalement au groupe TIKO lors de cette journée à l’homme fort de la Transition.
    Le fait que le communiqué du bureau de liaison de la SADC, dans lequel le président Rajoelina figure parmi ceux qui devraient bénéficier d’une amnistie, au coté de son rival Marc Ravalo­manana, ne semble pas être le fruit d’une coïncidence. « Une négociation sur une amnistie préventive lors des rencontres à Maputo et aux Seychelles a été initiée par les partisans de Andry Rajoelina », souligne la même source.

  4. F’angaha i AV7 tsy efa mahaaro ny rambon’i domelina????
    Noheveriko fa navela nandalo fotsiny ihany azy ireny EZAKA be nataon’i Charles ireny???
    Hay mba nisy nihetsika ihany???mahainaritra!!!toizo fa tsara !!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *