RALAISEHENO GUY MAXIME : TSY MAINTSY MIANJERA RAJOELINA

IMG_3625

IMG_3625N’inon’inona lazain’ialahy Rajoelina fa hoe izao no azoko teto, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eto Madagasikara Ralaiseheno Guy Maxime androany teny an-kianja dia tamin’ny fahamarinana no nahazoana an’io, noho izany dia tsy maintsy mianjera ialahy. Nisintonan’i Guy Maxime ny sain’ny vahoaka teny an-teorana ny vaovao any Dar Es Salam. Rehefa miditra ao amin’ny vondrona iraisam-pirenena isika hoy izy dia androany Rajoelina mbola manompa ny vondrona iraisam-pirenena ihany ary mamaky ady mihitsy aza. Isao tsara ny andro Rajoelina hoy izy manomboka androany fa tsy maintsy mifarana ny andronao. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy Guy Maxime fony nitondra ny firenena tsy nirehareha raha nahavita 1600 tamin’ny fanabeazana ho an’ny rehetra, ny Csb II, tsy nisy ny nitaraina tamin’ny fanafody teto. Izany manaram-penitra an-dRajoelina izany hoy izy dia 8 no vitan’ialahy dia mirehareha etsy sy eroa. Tsy tomponandraikitra na oviana na oviana Rajoelina. Zavatra tsy takatry ny sainy no nataon’ny filoha Ravalomanana Marc teto nandritra ny efataona ka hampiongana azy eto. Efa lo io anareo io hoy ity mpanao politika ity ka tsy mila ahintsana fa ho raraka ho azy. Nilaza Rajoelina fa hampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, nefa ahiliny any amin’ny Beriziky indray izany. Ny hatsembohanay hoy izy no hihinananay. Tsy izay no nampahomby ny filoha Ravalomanana Marc fa ny fanananany finoana ary nampatanjaka azy izany. Ny antsika dia tsotra hoy Guy Maxime dia andrasantsika ny fanapahankevitry ny Sadc dia ny fampiharana ny tondrozotra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *