RALAISEHENO GUY MAXIME :TSY MAINTSY MODY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ARY TANTERAHINA ATO ATO IZANY

IMG_4644

IMG_4644Misy amin’izao fotoana izao hoy ny filohan’ny fikambanan’ny ben’ny Tanana eto Madagasikara Ralaiseheno Guy Maxime androany teny amin’ny Magro Behoririka , ny fivoriana an-tampon’ny vondrona Afrikana. Ny omaly dia ny fivorian’ireo filoham-panjakana sy floham-pirenena. Alohan’izay anefa hoy izy dia misy ny fivorian’ny kaomisiona izay misy ny fandaharam-potoana dinihana mialoha.  Ny vondrona irsaim-pirenena hoy Guy Maxime dia manana ny vondrona mifehy azy toy izany ny Vondrona Afrikana, ny Oseana Indiana. Na samy manana ny tanjona anefa ireo dia misy politika  iraisana. Raha nomena fahefana hoy izy ny Troika handamina ny raharaha teto dia ny Vondrona Afrikana no  nanome fahefana azy. Raha tamin’ny fanombohan’ny krizy hoy izy dia  nisy ny fanambarana nataon’ny Sadc fa fanonganam-panjakana no nisy teto. Niasa ireo vondrona ireo hamaha ny krizy. Nanao constatation ny Troika ary namafisin’ ny vondrona Afrikana, ny vondrona eoropeana, ny Onu izany. Tamin’ny 17 Septambra hoy Guy Maxime dia nanolotra vahaolana ny Troika hamahana ny krizy tamin’ny alalan’ny tondrozotra. Isika hoy izy nanana fahavononana tamin’izany tamin’ny fanekena ny tondrozotra saingy Rajoelina ksa no nitsipaka izany. Herintaona aty aoriana tsy nisy ny fanatanterahana ny tondrozotra. Amin’izao fotoana izao hoy ity mpanao politika ity dia mbola nanamafy ramatoa Zuma fa tsy misy vahaolana ao Madagasikara afa tsy ny fampiharana manontolo ny tondrozotra. N’inon’inona hoy izy filazan-dRajoelina dia tsy maintsy hampiharina io. Dikan’izany dia ny amin’io sy omaly , ny vondrona Afrikana dia tsy miala amin’ny fifanarahana. Mafy tamin-dRajoelina hoy Guy Maxime izany tsy milatsaka izany fa nieritreritra izy fa moramora ny filatsahany. Indrisy anefa fa tsy nivaona tamin’ny teniny ny Sadc hoe tsy afaka milatsaka ianao fa tsy maintsy tanterahina ny satan’I Cotonou. Nahazo fanasana teny amin’ny Mdm ny tenako hoy Guy Maxime  tamin’ny Sabotsy teo. Nisy vondrona Hat nivorivory teo an-tokontany teo hoy izy ka ny iray tamin’ireo dia niteny fa Dadan’ialahy izany tsy mody fa anontanio io Alain Ramaroson. Namaly anefa hoy izy Alain fa mody izy.  Ny tiana ampitaina amintsika hoy ity olomboantendry ity dia n’inon’inona resahinareo dia tsy maintsy mody ny filoha Ravalomanana Marc ary tanterahana ato ato io. Namafisiny ihany koa fa tsy misy fifidianana izany eto raha tsy tonga izy. Lalàna velona izany mody izany, ka tsy miala amin’izany izahay. Misokatra ihany koa ny radio nakatona, ny gadra politika mivoaka. N’iza n’iza hoy Guy Maxime firenena ao anatin’ny Onu manao fanambarana dia amin’ny anaran’ilay firenena iray fa tsy amin’ny Onu satria izay no fitsipika ao. Rehefa nanao fanambarana ilay ambasadaoro frantsay dia fanambarana manokana na nirahina izy hiteny iny. Ny angatahana amin’ny Lafrantsa hoy izy dia manana ny fiandrianany ny firenena Malagasy, ka anjaran’y vahoaka no mandamina ny raharahany. Raha châtaignier faharoa io ambasadaoro io hoy Guy Maxime dia ampodio any ary raha tsy izay dia sazio.

7 pensées sur “RALAISEHENO GUY MAXIME :TSY MAINTSY MODY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ARY TANTERAHINA ATO ATO IZANY”

  1. Fa mbola misy hantenaina ve @’izany fivoriana izany???
    4 taona ireo no nivory fa inona no TAPAKA ??inona no VOKATRA??
    MITANILA aiza ry zareo??aza dia manantena tain-tsokona fa mitadiava lalana hafa , tsy
    efa ampy ve izay fampiesonana fivoriana lava izao e????asa aloha e!!misy Anjely hilatsaka
    avy any an-danitra angamba hirotsaka @’ireo SADC sy TROIKA sns?????

  2. IZAHAY T@ 72 TAPA BOLANA DIA TAFAVOAKA NY GADRAN I NOSY LAVA .

    AIZA IANAREO LEADER ,AIZA IANAO MAMY ,BOTOZAZA ,HAAAAANITRA O! RAVELOSON !!!!!

    AIZA O!!!!!!

  3. Aiza izay mba fanohanana irery olona manohitra ireto MPANJANAKA???
    Fa hanao inona no hilana anareo ???aiza izay mba fijoroana fa akaiky an’i dada?
    manahirana be ihany ny mbola hanantena anareo ireto zalaha kah???mampanontany tena mafy???
    mbola misy zavatra azo hianteherana anreo ireo ve???bla bla sisa ilay TOLONA, eo dia mitady
    hanome daty ankolaka eo indray dia mody boriboriana hoe: « ATO HO ATO » efa silaka foana mantsy.
    Rehefa te ahazo tehaka hono dia manome daty eeeeeeee dia mitady fika hafa indray nefa izay mba
    EZAKA ARAHAN’ASA tsy misy fa MIESONA SA MAMPIESONA FOTSINY SISA ADY EO.
    MBA ASIO ASA KELY RE FA MIJALY NY VAHOAKA eeeeeeeeeeeee

  4. les mêmes résolutions!mody aho,miala izy,amnitie zaroa;oviana ihany e!tsisy fandrosoana ny ua;voavelin,ny malianina sy ny afrikanina
    mafy dia mafy @io resaka rdc,mada,mali, soudan ,somalie sns !tsisy raha hoy zay mpihira izay;efa maty doli ny malianina raha tsy nisy ny frantsay nandray andraikitra;malemy fa variana mandany andro fotsiny;de manantena ve isika fa sahy hanohitra ny frantsay ireo ua ireo?samia mandinika ;fialana bala doly io fanambarana io; »varavarana tsihy,mahay ny ato,mahay ny aroa » ;tsy sahy mifamaly amin,ny frantsay zany ireo

  5. Ny mahamaika anareo ao anaty rafitra izany, fa ny mahamaika anay dia ny fiverenan’i DADA hilatska ho fidiana ho FILOHA ary 1er tour dia vita.

  6. Le Sommet de l’UA pr&sdée par la Nouvelle Présidente Madame ZUMA ,membre influente de la SADc , exMadame ZUMA ,a décidé de faire accéler la mise en ^lace et l’pplication de la feuille de route « dans intégralité  » avec le respect de l’esprit et de la lettre qui régit cette feuille route..Le Sommet a mis en place un nouveau
    Groupe de Contact Iternational sur Madagascar avec participation active du Conseil de la Paix et de la Sécurité del’UA , ce sera le GIC-M , qui va travaller de concert avec la SADC..Ce tandem devra se réunir ce jour..pour régler rapidement toutes les questions en suspens qui relèvent de la mise en oeuvre et de l’application de la feuille de route : l’ouverture des antennes radio-tv , l’élargissement des prisonniers militaires et le retour du Président de la république RAVALOMANANA MARC au Pays..
    nous verrons la suite !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *