RAVELOSON CONSTANT : HOBABENY LAFRANTSA NY NATAON’I GOLDBLATT

IMG_4401

IMG_4401Tsy niandry ela fa avy hatrany dia tonga ny valin-kafatra ho an’ingahy Goldblatt ambasadaoro frantsay vaovao eto amintsika teny amin’ny Magro Behoririka androany. Fanontaniana maromaro no napetraky ny Ct Raveloson Constant raha nandray fitenenana izy androany teny an-toerana, manao hoe: ity ambasadaoro frantsay ity ve mikarama sa mampadihy an-dRajoelina? Moa ve hoy izy Rajoelina taitra tampoka ny lohany ka hanao tsotsori-mamba isarahana amin’ny harena an-kibon’ny tany. Moa ve Rajoelina nampadihiziny Goldblatt. Ny fantatray hoy ity olomboantendry ity dia Goldblatt, ny Sadc aza miteny hoe ny tondrozotra. Goldblatt ary ve hoy izy hanapepo ny Sadc amin’ny fivoriana atsy ho atsy. Izao hoy Constant ny dikan’ireny teniny ireny: tanterahako ary raha ny sitrapoko dia asaiko tanterahin’ny frantsay ny fanonganam-panjakana tsy vitan-dRajoelina. Hifarimbona ve hoy izy izany ny roa tonta hamafa ny nataon’ny filoha Ravalomanana Marc teto. Manonofy izy raha izay no ataony. Zakanareo ve hoy Constant ny hiteny mazava hoe ianareo ve no hanatanteraka ilay fanonganam-panjakana tsy vitan-dRajoelina sahala ny natao tamin’ny 26 janoary.  Nampadihizin’ny Lafrantsa izy satria sahy hilaza ve Goldblatt fa mavesatra toy ny tamin’ny 47 ny zavamisy . Hamporisihana Rajoelina hoy  Constant hanangana ady amin’ny mpampiasa vola ka rehefa lasa ianareo dia izahay no hitsofoka ao. Mbola sahy ilaza ve Goldblatt fa  izao ataon-dRajoelina mipetraka amin’ny tetezamita , mitady ny hampiasa ny volam-panjakana izao dia izy no hanome antoka an-dRajoelina fa hanao fifidianana Mampitandriana azy izahay hoy Constant. Moa ve izy no nitsondrano ireo nandoro trano tamin’ny 26 janoary 2009 ary nifanarahan-dRajoelina sy Goldblatt ve fa ho baben’ny Lafrantsa izay ataony?  Ny anay hoy ity mpanao politika ity dia zakanay raha mbola hilatsaka ohatry ny nataon’I Chataignier  aza. Noho izany dia tohizanay ny tolona, ary ny filoha Ravalomanana Marc no tonga eto  vao misy fifidianana sy fitoniana eto.

 

12 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : HOBABENY LAFRANTSA NY NATAON’I GOLDBLATT”

  1. Efa ela nofantatra ny fahavalo fa tsy hita tsinn zay hanovana azy fa ny Miaramila natao hiaro no efa lasa mpanompo mahatoky azy!

  2. La Politique êtrangère de la France se fat au Quai d’Orsay par des aciques des problèmes diplomatiques en général et des problèmes l’Afique en particulier.Dans ce cas de l’Afrique , est ancré dans les habitudes des fonctionnaires  » spécialisés  » dans les relations avec ces Pays issus dl’empire rose ( ce sont les anciens colonisés par la France sont peints en rose sur la cated’ Afrique de Lablache (un géographe..).Ces fonctionnaires (chataignier , godblt et d’autres semblent vouloir vouloir imposer à ce gouvernement de gauche leur politique coloniale ? colonialiste qu’a suivi sarkozy en Côte d’Ivoire..
    Seulement les temps ont et es politiques ont évolués et que la seule solution de régler ce grand écart effectué par cet ambassadeur archaïque se ve dans son remplacement par un ambassadeur « au courant  » de desiderata de la République de Madagascar..

  3. Hevitro manokana ireto ampitaiko eto ireto

    Tsy haiko aloha ny fiheveranareo, fa ny SADC sy TROIKA ,izay ny lehibeny asain´ny frantsa lava any Paris izao, tahaka ny  » Robot Teleguidé » : Ary voavidin´ny Frantsay volabe , sy ireo filoha Afrikana miara-miasa ao amin´ny Troika efa voavidin´ny frantsay, anisany ingahy Zuma. Ny tena marina, hatramin´izao dia ny planin´ny Frantsay no manjaka, ary ireo firenena na fikambanana iraisampirenena tahaka ny EU sy Ci ireny, efa maty pasokin´ny frantsay. Ary matoky ny frantsay izay milaza fa mahalala tsara ny olana aty Madagasikara noho ireo firenen-kafa ka avelao izahay no hanampy hamahana ny krizy.
    Ireny fivoriana, tany Maputu ohatra ireny tany Seychelle , ny resaka, FDR, ny resaka Ni..Ni… fifidianana ireny, hevitra sy tetika frantsay daholo, .

    Ka mba aoka isika mba hijery lavitra fa tsy faly ny hanakiana fa ny frantsay ao Quai d´Orsay dia manao planina ambony latabtara ary mijery lavitra be , dia iny no entiny mandresa lahatra ny SADEC, Troika, EU, CI , UA sns…

    Ny azy dia izao, ohatra. Raha raikitra ny ni…ni diaizao sy izao no atao an-Dravalomanana.

    rah milatsaka ny Filoha Ravalomanana dia izao sy izao ny tetika, fa ny tanjona dia hi-éliminé-na ny filoha Ravalomanana. Ny mampalahelo dia tsy te halala izany demokrasia izany ny frntsay fa ny tombontsony , ary ireto namana afrikana dia mbola baikom-bazaha , ary izay tetiky la frantsa dia tanteraka daholo ,hany ka tena mikofoka tahaka ny amalona an-drano ny vahoaka liam-pahfahana fa tsy afaka.

    ohatra izao, tafiditra naty velam-pandrikin´ny Frantsay ny Filoha Ravalomanana , Ny fiohantsika dia nihevitra fa hoe, fahendrena ny fanekana ny Ni…Ni .. ary amin´izay aho dia afaka miditra ampilaminana any an- tantindrazana moa namafisin´ilay hoe tsy maintsy ampiharina ny art 20 FDR. fanakonan-javatra nataon´ny Frantsay amin´ny SADc ilay hoe, ampiahro ny FDR. Nefa ny hevitry ny frantsa dia hoe. Vao tsy milatsaka izy dia dikany tsy avela hiditra ,fa aleo ao aorinana´ny fifidianana, mba tsy hisian´ny korontana.
    amiko ny hevitro manokana a hoe. Raha nilatsaka ho fidiana ny Filoha Ravalomanana ,dia maty planina ny frantsay ,ary efa mety misy planina vita ho azy koa any hoe, raha milatsaka izy dia izao indray no ataontsika.
    amin´izao fotoana izao ,izany mety efa misy olona hatosikin´ny frantsay hitondra 4 taona mandra-pilatsahan´i rajoelina. Nefa ny filatsahan´ny filoha Ravalomana ho fiadiana no mety kokoa noho ity ni..ni, satrai raha nilatsaka izy, dia nanome Hery ny vahoka hiarao sy hanosika azy ary mety hilatsaka an-dalam-be ny valala be mandry rehetra , satria fahafantarako azy dia miandry N filoha ny vahoaka vaoihetsika, ary io anefa ilay tena atahoran-dry Foza mianakavy, sy ny frantsay , satrai ho hitan´izao tontolo izao fa izay no teny demokrasia.
    Izao anefa dia mibontsina ny frantsay,

    Ny fanatenatsika vahoaka voageja, izao dia ny amerikana, enga anie, hifoha fa tsy manao tsimandrimandry ny amerikana, ka ihenjana hampiseho hatrany ny tsy fankasitrahany ny fitondranam-panongam-panjakana , tsy haniky an-drajoelina ikarakara ny fifidianana. ary hanara-maso ny fifidianana.

    Tsy misy fifidianana raha tsy tonga i DADA, dia tena ho izay ve, ny frantsay tsy kely lalana ary fetsy ,Hitany foana no atao hanatanterahana ny fifidianana tsy misy an´i DADA , tsy tantiny ilay vahoaka marobe hitraotra hanampy an´i Dada.Eto isiska hijery fa hisy fivorian´ny SADc indray atsy ho atsy dia hanpaka fa tsy mahazo mody ny filoha ravalomanana fa ao aorianan´ny fifidianana mab isian´ny filaminana, dia ho foanana ny art 20 dia soloina zavatra hafa. Dia eo isika vasoka eo daholo.

    vaha-olana dia ny firotsahan´ny vahoaka marobe tahaka t@ 1991 m 2202 ana-dalam-be , blocage machines administrativessns… akatso ny rehetra dia tsy mijanona raha tsy miala teo rajoelina sy ny forongony. Gréve generale pacifique lavareny….

    Izay ny fihevitro .

  4. ho anareo eto aza sodoka @ sarotava ampiasain’ny frantay ka hoe efa niova .Fa maro izay frantsay niara-niasa tamiko izay fa ratsy saina ireo .Tamin-dreo no nandovantsika ny foto-pisainana ORY HAVA-MANANA.Roahana miala eto ihany no sahaza an’ireo OPF….(Operation Frantsay) ankalazao dia tanteraho

  5. Tsapao ny réaction ny miaramila tarihin’ny firanTAY anaty CapSat Gendar Fis any: mila miselana kely eny Ambatomena/biraon’ny ambassade

    de 100% d’accord pour OPF (miala tsiny @ amitié franco-gasy, fa ny adinay dia mianjady any @ gvt mi-admin anareo ETO anaty ny sehatry ny TANINAY within our beloved GASIKARA)

  6. Na inona na inona ezaka ataontsika hanohizana ny tolona, rehefa mbola tsy mahalala izao tontolo izao fa misy crise eto Madagasikara dia lasa anjoro-bala toy izao foana isika eo @ sehatra iraisam-pirenena raha ny famahana ny olana no lazaina.

    Ny fahitako azy dia toy ny zanaka iray ao anaty toka-trano mihaja isika. Efa tonga taona, tokony hanambady sy hanana ny fiainany manokana nefa tsy havelan’ny ray amandreny hanao izany. Miezaka mitroatra fa idian’ny ray amandreny @ efitra iray, hany ka na misy vahiny mandalo dia tsy misy maheno fa miandry ny rariny. Misy anefa ny zaza sasany manana olana toy izay koa die eo @ salon no vahana ny olana satria mitabataba loatra raha hidiana any anefitra dia mahamenatr’olona zay maheno eny antoko-tany…

    Tsotra ny tiako lazaina, rehefa mbola tsy mandeha @ TV5,EuroNews,BBC,CNN, FR2 na FR3 sns…toy ny tany manana olana rehetra ny eto amintsika dia tsy misy mahalala akory! Raha tiantsika ho ren’izao tontolo izao ny maharary antsika dia tsy misy afa-tsy ny fidinana andalam-be ihany no haingana, milanja sora-baventy, fanaon’ny tany demokratika rehetra eran-tany izany, ary tsy voatery misy herisetra.
    Heveriko fa tonga ny fotoana tokony hanaovana izany mba ahitana vahaolana haingana sy mahomby, fa raha hanao fanorona lava ambony latabatra toy izao dia sasatra ny hanala VELA eto isika!!!

  7. Marina mihitsy izany ry Armstrong, fa tamin´ny vao nanomboka ny fihetsehana nataon-Drajoelina ny 2009 dia nivoaka TV na radio tany amin´ny firenena maro, fa matetika dia ilay liangabe version frantsay no nivoaka, ilay hoe. ny filoha Ravalomanana nivarotra tany t@ DAEWOO. Izany hoe ilay vaovao voasivana avy any frantsa dia iny no aparitany eran´izao tontolo izao raha tiany.
    fa ilay vaovao marina dia tsy misy akoary.
    ka marina raha mihono ny zava-misy aty amintsika ny firenena maro, satria ny frantsay miezaka manafina iany koa, ary mitantara lainga amin´ny mpitindra Eropeana maro hoe, milamina na izahay efa manadray anajra na SADc efa mamaha ny olana,
    Nefa ilay SADEC dia fafazn´ny frantsay vola isaky ny mihetsika. Hany ka tena very isika Mlagasy miandry fandresana sy fahafahana.

    andao hirotsaka an-dalambe tairo amin´izay ,fa tsy misyvahaolana eo, fa vao maika miharatsy amintsika ny ho avyfa ny frantsay efa nadamina ny ho avin´ny firenena ato atoato.

  8. Impiry izay no efa nolazaina fa mivoàha avy ao anaty tamboho ao ? MITAKY NY RARINY AMPILAMINANA ENY IVELANY !!!!
    Mba misy mihaiiiiiiino ve hoy ny akama izay ?

    Tsy ny SADC ihany no mahazo vola !!!!!!

  9. Tena maro ny nanome tsiny ny mpitarika ao @ Magro, izaho anisan’izany. Ny olna anie anefa ry KM sy Misajaona, raha ny olona tonga vory eo ankianja isan’andro no entina hivoaka dia mety tsy tonga etsy @ gara soarano akory é!. Maro anefa no mb

  10. azafady fa tsy vita akory ny tiako lazaina dia lasa ilay message teo, tohizako:

    Maro anefa ireo te-handray anjara fa tsy ampy fanentanana sy fandaminana ilay tolona.
    Izay no tokony hiadiana mafy @ hoe SOKAFY NY RADIO REHETRA NAKATONA.T@ andron-dRadidy dia niainga avy teto Mada ny fandaharana Radio ANC (mapnohitra ny apartheid tao sudaf fahizany), satria tsy nahazo natao izany raha tany an-toerana. Raha ny teknolojia internet efa mandroso be izao ve tsy misy manana hevitra hanokafana Radio mba ho henoin’ny rehetra sy mba ahafahana mizara ny vaovao tena marina, fa raha ny sitrapon’ireto foza ireto dia tsy misy radio mpanohitra afaka hijoro izany eto an-tanàna!
    Izaho dia manindry fa ny fidinana andalam-be no tena hahomby sy mety azahoana mamerina ny TENA ARA-DALANA eto, fa raha bodongerona no atao eto ka hisy sarintsarina ara-dalàna eto dia tsy maintsy hiverina tsy ho ela ny crise sy ny korontana, dia lany fotoana be isika.
    Koa samia mandroso soso-kevitra ahoana ny fomba hanatanterahana izay! dia mirary ny soa ho antsika rehetra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *