RAVELOSON CONSTANT : SAHIA ISIKA MILAZA FA TSY METY AMINTSIKA NY TSIKOMBAKOMBAN’NY MPANONGAM PANJAKANA

IMG_1620

IMG_1620Vitan-dRajoelina ny mampiseho fa tsy ilaina ny manam-pahaizana hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka, tsy ilaina ny mianatra satria ny oniverisité eto dia tapahana ny vatsim-pianarany. Loza amin ‘atambo hoy izy indrindra izany hoe tsy manana manam-pahazaina niofana nefa ny vola nalefa any amin’ny rugby. Io kivazaha kivazaha io hoy ity olomboantendry avy eto Analamanga ity, no alefany eto na dia Cepe aza ny diplaomany. Loza ho an’ny firenena izany hoe telo na efataona tsy misy manam-pahaizana. Momba ny fahatongavan’i Simao eto dia nambarany fa tonga ary maneno indray ny ankoholahy an-tànana atao hoe Lanto Rabarisoa. Simao hoy Constant dia milaza fa hiresaka ny fampodiana ny filoha Ravalomanana Marc, na mety na tsia izany. Ny marina anefa hoy izy dia ny filoha Ravalomanana Marc tonga eto vao miresaka fifidianana ka ny anjarantsika vahoaka dia ny fampodiana azy eto.  Rehefa mijery internet hoy izy ny tena dia misy tokoa ny olona vonona ny hamerina azy saingy kosa mbola mametraka hoe ahoana ny fiarovana azy. Ohatry ny manao Pmu hoy Constant ny fomba fijerintsika fa ovay satria lasa manome rariny an’i Lanto izay milaza hoe tsy loza ve raha tonga eto izy. Raha jeneraly hoy izy no milaza hoe raharaha be raha tonga eto izy dia miala ary esory ny grady. Ny anjarantsika  dia milaza fa vintantsika io ary tsy maintsy atao. Ny zavamisy hoy Constant dia nilaza tamin-dRajoelina ingahy Goldblatt hoe sahin’ialahy ve ny hanakana ny volamena ary nataony izany ka ilay ambasadoro indray nilaza fa sakanako ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc. Rehefa niteny an’iny Goldblatt, Rajoelina ary taorian’izay ny vondrona Afikana hoy izy dia  tsy diplaomatika  intsony izany. Mahazo mitomany Simao hoy ity mpanao politika ity fa tsy misy fanontaniana intsony ny fodian’i Dada. Tsy mbola izao no hanaovantsika hoe tsy maintsy izao no fifidanana ataontsika. Fanontaniana no napetrany tamin’ny vahoaka hoe mety aminareo ve  io lalam-panorenena tamin’ny 2010 io? Ekenao ve raha vazaha no mitondra anao? Mety ve ny hametrahana hoe tsy maintsy manao lalàm-panorenena iska rehefa ny filoha Ravalomanana Marc no eo? Sahia isika hoy izy mametraka fa ny tsikombakomban’ny mpanongam-panjakana dia tsy mety amintsika

 

13 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : SAHIA ISIKA MILAZA FA TSY METY AMINTSIKA NY TSIKOMBAKOMBAN’NY MPANONGAM PANJAKANA”

  1. Ao aminareo MPITARIKA ao, masahia aloha milaza fa MISY VOAVIDY
    Raveloson a!!tsy ianao aloha e!!
    Manaiky ho entin’ny Vazaha daholo matoa tsy mba misy mba nanamafy ireny hetsika mba
    natao tary @ Ambassade Amerikanina ireny eeeeeeeeeee mbola musy Maloto andrahoina
    ihany any ambilany any ( hoy iraikalahy izay eto ). Midongozinà daholo fa hilatsaka aavy any
    andanitra ny MANA eeeeeeeee
    Inona no mba hetsika fanoherana ilay tenin’ilay Ambasadoro avy tao @ MAGRO???????
    MAHONENA!!!!rehefa tsy nanohana ilay PRO Ravalomanana mantsy dia tokony mba nanao
    hetsika HAFA mba ho hita hoe: TSY MANAIKY e!!!fa saingy MANAIKY MATOA TSY MITENY.

  2. BJR ndray ry namana sy tapaka isany tsy natao hamelezana ny mpitarika ny tsy fanatrehany an’ zatsy na ny zary fa araka ny nahazoako ny message fa hisy hetsika hatao dia mba atao tsara aloha ny fanentanana de atao @ andro tsy fiasana ihany koa fa zahay manko sabotsy vao afaka de mino aho fa na ianao io aza de mbola ny ao @ magro ihany no olona handrasanao hamaly ny hetsika nefa de mino aho fa ra tsar any fampandrenesana ataonao mahazo olona ianao

  3. Asaivo mody aloha ilay Simao fa tsy misy zavatra tokony hilàn’azy intsony ê ! Efa mazava ny tadiavin’ny CI (UE, UA, SADC sns…) fa tsy maintsy mody ny Filoha Ravalomanana ! Inona indray no mbola tadiaviny ?

    Fandanian’andro no be dia be !! Jereo indray ny nataon’ilay domelina omaly ; tsy vitan’ny hoe nanongam-panjakàna fotsiny, fa dia mbola hitsakitsahana indray ny zavatra efa tapaka sy takian’ny CI raha ny daty hanaovana fifidianana no jerena !

    Tsy mitsahatra manitsakitsaka an’izay fifanekena nosoniaviny ilay vendrana, dia tsy misy miteny sy midrinkina ianareo ao amin’ny movansa !

    Aza manaiky fahanan’ny sasany maloto ! Mba vakio ny taratasy nosoratan’ilay malagasy tena mba tia tanindrazana ao amin’ny Tananews ! Ilay hoe RAKOTOARISOA Jeannine !

  4. Ary natory maraina angaha dà zany ???
    mbola bongo maso be ery, ‘ndana aloha misasa tarehy hihiiiii
    Efa hita fa miakapokapoka sisa ity domelina koa inona no mampiasa loha anao Kintana a!!
    Ny hataon’i Sakamalao ao dia hitadiavana lalana hividianana ireo izay Afrikana akaiky an’i
    dada na hanatitra azy any. Sady maka Gateau lesy a!!ka mibanaka koh!!!efa nahaangona
    indray ny foza dia zaraina hanjakana fa ny Gasy ihany no TSY MAHAZO.

    Misaotra anao @ fampitam-baovao ry Sahaza, dia mbola mamkasitraka an’i Michel @’ilay
    SARY fa tena latsaka be za MDR

  5. Rehefa tsy faly ry Peuples malgaches, dia mandehàna mijery elefantra hanabotsin’azy ho toy ny balôma â !!
    Hi hi hi !! Ho ho ho !! Ha ha ha !!

    Ho an’ny mpanohana ny ara-dalàna ! Izay miaraka amin’ny adala, dia adala ! Na ireo izay nanohana an’ilay domelina aza dia tokony mba hieritreritra fa tena raisin’ny namany ho vongany mihintsy ! Ilay vahoaka moa amin’izany, dia efa hatry ny ela no toy ny tai-kisoa !

    MBA DINIHO ARY FAKAFAKAO !!!

    Tao amin’ny « Gazetiko » androany : « Vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra – Mila manavao ny maha ara-dalàna azy eny amin’ny Ministeran’ny Atitany » !!

    Lazao eto ny hevitrareo, fa izany izao no tsara dinihina eto !

  6. IZA NO MANINA SA MANINA AN’IZA ? MDR !!!

    Raisin’ny sasany toy ny tai-kisoa ny vahoaka ! Tsy misy valera fa dondrom-belona, entin’ny fitiavan-tena sy ny tahotra dia manaiky hitsakitsahana ! Manao izay tiany ho atao daholo ary tsy miraharaha ny tanindrazana fa dia 3 V ihany hoy ilay akama « nanjavona » izay ! Enga anie ka tsy eny Antanimora na Tsiafahy no misy azy amin’izao fotoana izao !

    Itony ranavalona mba diniho dia mba lazao eto ny hevitrao â !

    http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&view=article&id=28879:retour-de-marc-ravalomanana-ses-partisans-sont-aussi-contre-selon-francois-goldblatt&catid=57:la-une

    Tsara ho fantatr’ireo bevava nitonatonana tany amin’io frantsay io, fa tsy maintsy mivoaka foana ny marina, any andro, any volana ary any taona !!!
    Iza sy iza avy ireo ?

  7. Ahoana aloha ny hevitr’ialahy momban’io ê ? Mouvance Ravalomanana mihintsy izany « hono » toa nanao hoe « tsara izy aloha mijanona any » ?
    Fa ahoana ? Fa hanelingelina an’iza ny fiverenany ??

  8. Mba vakio ao amin’i Tsimok’i Gasikara (leo mandika)!

    « Selon l’ambassadeur de France, le retour de Ravalomanana compromettra l’apaisement et…des partisans de M. Ravalomanana partagent le même avis » !
    Tsy misy foronina na dia kely aza !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *