Taratasy avy amin Atoa Carson ho an-dRajoelina

carson-sls2

carson-sls223 Janoary 2013

Andriamatoa Rajoelina,

Reko ny fanambaràna nataonao tamin’ny 15 Janoary mikasika ny tsy hirotsahanao ho fidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao any Madagasikara. Fantatro fa nanambara ny tsy firotsahany tahaka izany ihany koa Atoa Marc
Ravalomanana. Ny tsy fifanandrinanao sy Atoa Ravalomanana amin’ny fifidianana sy ny fisintahanareo mba hahafahan’ny filoha voafidy ara-pomba demokratika mandray
ny fahefana, dia maneho ezaka manan-danja. Faly aho fa mazava ankehitriny ny làlan- kizoran’i Madagasikara hamerenana ny rafitra demokratika.

Noho ireo fanambaràna ireo dia manantena aho fa hizotra ara-dalàna ny fampielezan-kevitra ary handray anjara amin’ny fifidianana malalaka, marina ary azo antoka ny vahoaka Malagasy hifidy izay ho filoha mpitarika azy ho amin’ny fe-potoana manaraka. Mino aho fa ireo antoko politika nanasonia ny tondrozotra novolavolain’ny vondrona SADC dia hanaraka izany an-tsakany sy an-davany, indrindra mikasika ny fiverenana tsy misy fepetra ho an’ireo mpanao politika mialokaloka any ivelany.

Matoky aho fa hanaja ny teny nomenao ianao ary hanohitra ireo mety hisarika anao hirotsaka ho fidiana indray. Ny fanapahan-kevitrao tsy hirotsaka dia hitondra soa ho an’ny firenenao ary hampitombo ny fahatokisan’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena
anao. I Etazonia dia nanolotra hatrany ny haja ambony ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy. Nandritry ny taona maro dia anisan’ireo mpiara-miombon’antoka nahafa-po indrindra an’i Etazonia i Madagasikara ary nahazo tombony tamin’ny fandaharanasa goavana toy ny USAID, MCC, AGOA ary ny Peace Corps. Ny fiverenan’i Madagasikara eo anivon’ny fianakaviam-ben’ireo mpandala ny demokrasia dia hanokatra varavarana ho amin’ny fandrafetana fiaraha-miasa vaovao sy matotra.

Ny fanajanao ny teny nomenao tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny famporisihanao ny firosoana amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara dia hamerina amin’ny laoniny ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny firenena roa tonta. Raiso, Tompoko, ny haja atolotro anao.

//S//
Johnnie Carson

Sekreteram-panjakana lefitra
misahana an’i Afrika, Atoa Johnnie Carson.

7 pensées sur “Taratasy avy amin Atoa Carson ho an-dRajoelina”

  1. Ny olana eto dia tsy tenin-delahy ilay izy fa SARIN-DIKY NO MITENY.
    Fa halalana avy aiza koa moa no ahafahan’i domelina hilatsaka?????
    Ilay izy amiko dia zavatra hatao mba hanerena ankolaka an’i dada hanaraka ity boloky lahy ity,

    TSY MISY FIFIDIANANA EO RAHATSY TONGA I DADA.
    DADA TSY MAINTSY MODY MILATSAKA.
    MAZAVA BE NY FODIAn’i DADA ETO AN!!!dia ho hita eo indray ary izany!!!

  2. Amboary haingana aloha izany ilay lalana manitsy mankeny IVATO
    handosiranareo ry fozy fa tsy maintsy hody izany i Dadanay.Dia mba
    mahalala honona @’izay dia mitadiava lavaka hisitriana dia ny izao.

  3. Valin-kafatra ho an’ny frantsay io. Hisaorana feno ny Amerikanina. Ny azy dia ny fanarahana lalàna ihany amin’ny famahana ny krizy. Ampiharina tsy misy fepetra ny tondro zotra. Mody tsy misy fepetra ireo sesitany politika. Na fepetra mikasika ny fotona hiverenany izany na fepetra araka izay lalàna na didy naovokan’ny mpanongam-panajakana. Mamerina ny fisaorana feno ny fitondrana sy ny vahoaka Amerikanina mameolana fanantenana ao am-pon’ireo Malagasy mandala ny ara-dalàna.

  4. Miresaka @ olona adala tsy misy saina , marenina sy jamba ianao Atoa J.Carson , efa betsaka anie no noresahina tamin’io adala io fa ee , tenenina foana fa ee , ny alikanay vao tenenina hoe : coucher dia mipetraka fa raha i………….ee

  5. Anjarantsika malagasy no manohy sy mampanan danja an’iny tenin’ny be kintana iny.ny fodian ny PRM sans condition!!!izay ihany no andao takiana izao aloha!!!mazotoa daholo am izay tandrify azy,ho hitan’izao tontolo izao fa tsy manaiky intsony ny malagasy!!!

  6. Andao hirotsaka an-dalambe ary hanao sitting koa ka hitaky ny fodian´i DADA. aiza isika vahoka marobe, hanao sitting isan´andro ety ivelan´ny Magro eo anoloan´ny masoivohon´ny frantsay, mitodra sorabaventy fa Ampodio ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ny hafa mbla sesitany.

    Voafelakin´ny Be kintana indray i  » Goldblatt Francafrique « 

  7. Assistant Secretary of State for AFRICA Johnnie Carson sent a letter to Andry Rajoelina today:
    1°) for YOU (andry rajoelina) to STEP DOWN
    to allow a democratically elected president to take office
    marks a significant development.

    “…that Madagascar now has a CLEAR pathway leading to the RESTORATION of DEMOCRATIC RULE.”

    and
    2°) to the Malagasy people participating in FREE, FAIR, and CREDIBLE elections
    TO CHOOSE

    and
    3°) (for andry nirina rajoelina to) resist any
    – who( ? intérrogation bien que l’on sait France FRANCAFRIQUE)
    – might (et encore) urge you A. N. Rajoelina to enter the race
    * ( !! diplomatie économique de France FRANCAFRIQUE –> cf cas de Mali qui détient gisement d’OR sur sol malien;
    ** un nommé GOLDBLATT est clearly éloquent, preuve hier encore s’évertue de sortir un discours prendre la décision VIOLANT LES VOIX des 20Millions de GASY comme si domtom colonie) (._).

    _________________________________________________

    The United States has always held Madagascar and the people of Madagascar in GREAT ** R E S P E C T ** .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *