TSY EKEN’NY MPIANATRA HO LASA TOERAN’NY JIOLAHY NY ONIVERSITE

Michou

Michou « Tsy ekenay ny herisetra amin’ny mpianatra , Stop à la violence à l’insécurité à l’université , arovy ny zazavavintsika ».  Santionany amin’ireo soram-baventy nentin’ireo mpianatra sy mpampianatra ary ny fianakavian’i Razafindrazaka Michou ireo nandritra ny Diabe  ho an’ny fahanginana nitanterahina androany teny amin’ny oniversité Ankatso. Michou moa dia ilay tovovavy vao erotrerony mpianatra ao amin’ny sampana sosiolojia taona fahatelo izay novonoin’ireo jiolahy rehefa avy naolany ary natsipiny tao anaty lobolobo ny fatiny. Ny 15 janoary teo no nisehoan’izany teny amin’ny faritry ny oniversité. Samy nanao akanjo fotsy avokoa ireo mpianatra, mpampianatra marobe tonga teny an-toerana nentina nanehoana izay Diabe ho an’ny fahanginana izay. Naharitra ora iray sy sasany teo ny faharetan’ny Diabe.Tokony teo amin’ny 10 ora maraina teo ho eo no nanomboka niala teo amin’ny Esplanade ny filaharana  ka nihodidina ny faritry ny oniversité ary niafara tao amin’ilay lobolobo nahitana ny nofomangatsiakan’i Michou. Nisy ny fametrahana voninkazo sy sarin’ity tovovavy ity tamin’izany. Tsy nisy kabary fa teny fohy fisaorana ny rehetra tonga tenyan-toerana ary teny fampionona ho an’ny fianakavian’i Michou no nataon’ny filohan’ny oniversité andriamatoa Ramanoelina Panja tamin’izany. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpianatra dia natao izao Diabe ho an’ny fahanginana izao mba ho entina hanehoana amin’ny tomponandraikitra fa tsy hankasitrahan’ny mpianatra ny herisetra. Tsy eken’ny mpianatra ho lasa toerana hajankan’ny jiolahy ny oniversité. Hisy hoy ny fanazavana ny fananganana fikambanana miady amin’ny herisetra eny amin’ny oniveristé. Momba ny fanadihadiana dia nilaza ireo mpianatra fa mbola tsy nampafahantarina azy  ireo raha toa ka efa nisy voasambotra ny nahavanona ny loza. Hatramin’izao aloha dia mbola mijanona ho tsiambaratelo ny mikasika ny fanadihadiana ity raharaha ity. Mbola hitohy ny hetsika ataon’ny mpianatra amin’ny 06 Febroary izao izay daty nitsingerenan’ny nahaterahan’ity tovovavy maty ity izany. Efa mampiteny ny moana mihitsy moa ity tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena ity. Tsy  eny anivon’ny oniveristé ihany fa saika hatrany ambanivohitra manarena ny Nosy dia saika ahitana asan-jiolahy avokoa. Nandritra izay efa taona nitondran’ny mpanongam-panjakana izay dia niha nahery vaika ny asa jiolahy. Tsy nisy ny vahaolana matotra naroson’ireo milaza ho mpitondra manoloana izany. Ireo mpitandro filaminana izay tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany dia lasa herim-pamoretana ho azy ireo satria ataon’ny mpanongam-panjakana miaro ny sezany. Tsy misahana izay filaminana izay izy ireo fa dia midaroka baomba mandatsa-dranomaso, sy misambotra ireo olona maneho hevitra am-pilaminana maneho ny tsy fankasitrahana ny tsy rariny eto amin’ny firenena. Dikany dia tsy voafehin’ny tomponandraikitra misahana izany ny filaminana eto amintsika. Manoloana izany dia very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy satria mitaintaina  isan’andro noho ny afitsokin’ny jiolahy.

4 pensées sur “TSY EKEN’NY MPIANATRA HO LASA TOERAN’NY JIOLAHY NY ONIVERSITE”

  1. mamangy @ havany voany fahoriana izao ny tany tsy misy fanjakana samy mahasahy ny mpanao ratrsy rehetra manao zay daniny kimbony t@ androny Ravalo tsy nisy izao mahereza ry namana

  2. MIARA HORY AMINAREO TOMPOKO! dia mahereza ! mitraka!
    Ny Tompo anie hanome fihononana sy fitoniana ho anareo fianakaviana.
    Zavatra efa voabaiko daholo daholo ireny olona mpisotasota ireny,
    efa ao anaty pôgraman’i (pôgrama hoy bebenay izay) frantsay daholo izao,
    Hiraky ny MPANJANAKA ireo JIOLAHY ary voahofana tsara, 2 no tanjona eto dia FAMPIHOROHOROANA
    ireo mpianatra tsy ahafahan’izy ireo hanoy ny fianarany INTSONY sao lasalasa ny GASY ka manahirana ny
    mpanjanaka ,dia eo koa ny FAMONOANA NY GASY ANKOLAKA SADY MILA SORONA NO MILA AHENA
    BE DIA BE NY GASY izany no hataon’izy ireo dia TSOTRA !!!HANDROBANA MORA2 ny HARENTSIKA.
    KA MIBANAKA kah!!!MANJAKAZAKA TSARA NY FOZA FA NAHAZO LAKA!!!

  3. Misy tompon’andraikitra avo dia avo ao anatin’izao fahavoazana izao,
    aza misy mifanome tsiny fa ny an’ireo JIOLAHY HIRAKA ary BIZINA fotsiny,
    aza mody mitapy daholo sady tsy olona ao @’io Fianarana ambony io mihintsy no mahavanona izao fa
    HIRAKA! MAZAVA be! mba ireny zana-poza ireny hatao an’izao ahalalany azy tsara fa TSY RARINY .

  4. Raha tsy navela hipetraka amin’io toerana tsy mendrik’azy io ilay domelina tsy hisy ny tahak’izao !
    Hatsangana ny fikambanana miady amin’ny herisetra maneraky ny nosy, fa tsy eny amin’ny oniversite ihany !
    Na mpamboly, na mpitari-posy na mpianatra, dia samy malagasy daholo !
    Mankahery ny tompo-manjoa !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *