VAO MAIKA MITOMBO NY HERIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC

IMG_3895Gaga amin’ny raharaham-pirenena ny tenako hoy ny Ct Hilarion teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka androany satria hitsakitsahan-dRajoelina ny voninahitr’i Madagasikara. Eo ihany koa hoy izy ny fampiakarana grady indroa ho jeneraly dia sarotra. Ny manahirana amin’izy ity dia arakaraky ny hanondrotana grady azy ireo no mampirongatra ny asa jiolahy. Tamin’ny faramparan’ny taon 2012 hoy Hilarion dia nandalo teto ny parlemantera Amerikana ka tsy mitovy fijery tamin-dRajoelina. Na ny frantsay aza hoy izy dia tsy hiaraka aminy intsony. Mino aho hoy ity olomboantendry ity ary aoka hazava fa ny filoha Ravalomanana Marc dia mitombo hery hatrany. Ianao nanongam-panjakana aza hoy izy kandida amin’ny fifidianana ka vao maika ny filoha Ravalomanana Marc voafidim-bahoaka. Tsy iadian-kevitra intsony izany maha kandida azy izany ary vahoaka an-tapitrisany no mitaky izany.Noho izany hoy Hilarion dia manainga nny vahoaka an’Antananarivo fa ho anareo izay very ka lasa tany dia miverina aty amin’ny kianja. Maty noana ny vahoaka hoy izy ary mitaky ny zony izy ka izany no nahatonga ireny tany Fort Dauphin ireny. Namory vahoaka ingahy Pierrot ka manaiky ny kandida tokana amin’ny fifidianana ary mazava ho azy fa nisy vola tao ka tsy neken’ny vahoaka satria misy tsy nahazo. Ho hitantsika eo hoy Hilarion ny adin’ny fitsarana fa izaho tsy matoky ny fitsarana intsony  hatramin’ny taona 2009. Ny fanagadrana an’i Pierrot,  Voninahitsa, Pety hoy izy dia ara-dalàna. Ny zavamisy amin’izao fotoana izao anefa dia tsy misy taratasy fa avy hatrany dia gadraina. Ny raharaha tsy mety eto amin’ny firenena dia ailika amin’ny filoha Ravalomanana Marc ka lazao koa fa izy no nanao ireny tany faradofay ireny. Ny Ct Ralaiseheno Guy Maxime kosa dia nilaza fa sahirantsaina Rajoelina satria niteny ny filoha Ravalomanana Marc hoe tsy hirotsaka aho raha izay no mahaso any firenena. Nambaran’ny mpandinika  Amerikana iray hoy Guy Maxime fa heo dadany ny paika politikan’ny filoha Ravalomanana Marc satria tsy misy fifadonana nefa mahomby ny tolona ary ialohavany avokoa ny zavatra mety hitranga. Taitaibaombina sisa Rajoelina hoy izy  satria nanongana ary tsy nanana paika entina hitondrana ny firenena. Raha amin’ny lafiny politika dia efa hita taratra ny faharavan’ny fitondrany.  Ny olana ho antsika dia mila miverina amin’ny ara-dalàna ny firenentsika.

12 pensées sur “VAO MAIKA MITOMBO NY HERIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC”

  1. tena marina zany!tsisy olona nanotrona tokoa i tgv teny taninarenina sy mbondrona androany!toa ireny 13may ireny nefa no hitanay!faly jiaby laolo ary tian,olo laolo iny

  2. « Ianao nanongam-panjakàna aza hoy izy kandida amin’ny fifidianana ka vao maika fa ny Filoha Ravalomanana Marc voafidim-bahoaka » ??????????????????????????????????????????

    Fa ahoana ihany izy ity ê ?

    – Angaha mahazo mirotsaka ho fidiana indray izao ny mpanongam-panjakàna REHETRA ???
    – Adino KOA, sa dia izay no niafaran’ilay hoe izay rehetra mandray anjara amin’io tetezamita io, dia tsy mahazo mirotsaka ho fidiana ???
    – Dia ahoana ihany koa ny fipetraky ny Accord de Cotonou, sa alika sy taranak’alika daholo ny nanao sonia an’iny Accord iny ? Tsy natao ho an’ny zanak’olombelona ve ? Sa rehefa afrikana ary indrindra fa malagasy dia tsy mihàtra ?
    – Mahazo mirotsaka daholo izany, na mpamono olona na jiolahy rain-dahany ?

    15 volana izao no natao sonia, ilay hoe « tetezamita tena izy » izay tsy « tetezamita manara-penitra », ka averina ihany ny fanontaniana :

    – Tafaverina ve ny Filoha Ravalomanana ?
    – Tafavoaka daholo ve ireo izay rehetra nogadraina, izay lazaina fa noho ny antony pôlitika ?
    – Ny haino aman-jery ve efa nisokatra sy afaka miasa ampahalalàhana daholo ?
    – Narahin’ireo mpanongana an-tsakany sy an-davany ve ilay tondrozotra, ary anisan’izany ny hoe tsy fahazahoana mampidi-kizo ny firenena, fa ny « fitantànana ny raharaha vonjy maika ihany no tokony himasoana » ?

    sns…satria maro loatra ny zavatra azo kianina !

    Inona marina no tena asanareo CT sy CST, ary indrindra ireo hoe ministra avy ao amin’ny mouvance Ravalomanana amin’izao fotoana izao ? mbola misy marina ve izany atao hoe, mouvance Ravalomanana izany ??

    Fanontaniana farany : Dia mba inona no zavatra ho ataonareo, manoloana an’izao fanenjehana an’ny Merina any anindrana izao ???

  3. Ary nankaiza daholo ny « sasany » no tsy hita intsony ? Sa efa manao praopagandy any amin’ny toeran-kafa daholo ?

  4. Dia gaga ialah???
    izaho koa aza mba fanina @’ity hilatsaka e! oaiao e………
    Dia mba zendana mihintsy aho kah!!!fa iza no mandidy @’ity tany ity e????

  5. Efa ahiliky ny Amerikanina ankitsi-rano izao rajoelina ary tsy misy akinafinafina fa ampahibe-maso :noraisin’ireo parlementaires américains ny praiministra Beriziky sy ny
    Filohan’ny CT , Rakotoarivelo Mamy..
    -ny praiministra ihany no novangian’ireo manambonihatra izay nanafana ny andron’ny manamboninahitra ary dia nanome gisa an’i Madame Beriziky ireto manamboninahitra..!
    rajoelina o ,aizare izany làlana miakatra ve sa midina é !

  6. Sao dia mba tokony hovaina ary ny anaran’io kianjan’ny Magro io . Tokony atao hoe kianjan’ny Fampiesonana manarapenitra

    Ny antony dia firy isanjaton’ny zavatra nolazaina tao no tena tanteraka ?

  7. Na tanteraka,na tsy tanteraka Ranaivo, io aloha no misy tsy misy mpanelingelina ka ekena, sa ………ahoana hoy ianao ny vahaolanao ?

    Matoa mbola misy miaraka amin’ireo olona mpitondra ankehitriny ireo dia oatr’azy koa angamba sa…… efa be ve ny azo ? Tsy maninona fa aza adino fa raha mampangina an’ireo olona eo amin’ny Magro ireo ianao Ranaivo dia ny vato no hiteny, hoy ny baiboly.

  8. Hanao fanambaràna ao aminy RNM sy TVM hono i TGV androany ny aminy hilatsahany na ny tsy hilatsahany.Tsy misy miraharahanialahy eo na hilatsaka ialahy na tsy hilatsaka, ny tena mampiomehy anialahy dia fa angaha tsy aminy volana Mars indray ilay fanapahana, midika izao fa tsy matotra mihitsy ialahy.Raha izaho manokana aloha dia tsy hiantso anialahy PREZIDÁ

    Communiqué: Déclaration à la Nation du Président RAJOELINA

    15/01/2013 à 12:10 38 commentairesComme il l’a promis, le Président de la Transition, SEM Andry Nirina RAJOELINA, va donner la primeur au Peuple Malagasy quant à la décision qu’il a prise sur les élections présidentielles devant être tenues ce 08 Mai 2013.Ainsi, le Chef de l’Etat va prononcer une Déclaration à la Nation sur les médias publics (TVM et RNM), ce Mardi 15 Janvier 2013 à 20h, honorant cette promesse qu’il a faite.Antananarivo, le 15 Janvier 2013Le Chargé de la Communicationauprès de la Présidence de la Transition

    A lire dans la même rubrique

  9. Iny lalany iny……….
    aza miasa loha oah fa ave lao any izay adala tsy faka taranaka iny.
    Taitra eo indray izy rahampitso fa hilatsaka dia ahona indray???
    malahelo ilay tapy mena hono izy, sady matahotra ny hifoteran’ny rambony.
    efa fantany mantsy fa tsy ho afa-maina eo izy na ho ela na ho aingana.
    Matatesà ny Gavo manta joela kely a!!!sao dia mitetika ny ho afa-bela eo ary ity izy???

  10. Io fa nihoron-koditra i joel kely fa miseho ho henjana kay manaiky vahiny avy any ivelany hiany! Marina mihintsy ny voalazan’ilay gazety mpiseho isan’andro izay hoe « milaza tsy tia vary soa anefa miletra vary moaka »! Dia mila mailo tsara sy mihezaka amin’izay isika ry zanak’i Dada fa hanomboka eto amizay ity raharaha ity! Mila sady tsimaintsy mody eto Dago i Dada nainona hidona na inona hitranga ary mila mody haingana sy alohan’ny fifidianana izy! Tsy heken-tsika izany hoe eo aorianan’ny fifidianana izany vao mahazo mody eto izy, fa raha tseto antoerana i Dada dia hanao izay danin’ny kibony eo indray ireo mpanongam-panjakana sy ny forongony ireo, sady mila an’i Dada hiany koa na dia ireto lazaina fa mpitari-tolona ireto aza, fa sao dia hisy hamadika palitao sy hitsambikimikipy eo indray! Mahereza ry vahoaka Malagasy fa hanomboka ny mamaivay e! Dia aza hadino ny manankimpo amin’Atra Ray sy Zanaka ary fanahy masina e!

  11. Hainy tsara ity mody manjoko ity rehefa hanatanteraka ny
    tetika ratsiny, dia eo dia mivaralila daholo koa ny akoho sy ny vorona
    tsipazany kely an’ilay « aza manody ».Mba mifoaza rė Tompoko isany fa ampy izay a!!
    avelao any izy na ho hajenjin’ny namany any anaty tatatra any aza ny fatiny a!!dada hatrehana
    aiza ny FAHATONGAVANY sns?????aza manaiky halatsany lava anaty vovo Zalah a!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *