VOT : TSY MBOLA FIFIDIANANA ALOHA IZAO NY RESAKA

IMG_4042

IMG_4042Vory lanona teny amin’ny Epp 67ha ny faran’ny herinandro teo ireo mpikambana ao anatin’ny Vondron’Olon-Tsotra na VOT. Noho ny asaramanitra fahatratrarana ny taona vaovao 2013  dia nisy ny fifampiarabana teo amin’ireo mpikambana teto an-toerana sy avy any amin’ny faritra manerana ny Nosy. Io fotoana io ihany koa no nanaovana ny jery todika sy ny ezaka mbola hotratrarina teo amin’ny Vot. Ankoatra izay dia nambaran’ny filohan’ny Vot ramatoa Zoé Sarah fa manomboka amin’ity taona vaovao ity dia misy ny tetika hafa hitondrana ny hetsika ataon’izy ireo amin’ny famerenana ny filoha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazany. Asa avy hatrany hoy izy no atao fa tsy kabary etsy sy eroa fa mila mody ao anatin’ny fotoana fohy i Dada.Momba ny resaka fifidianana dia nambarany fa tsy mbola any aloha ny resaka amin’izao fotoana izao fa na ny mpanao politika aza misavoritaka amin’ny kajikajy. Ho anay hoy Sarah dia miandry ny filoha Ravalomanana Marc hiverina eto.

5 pensées sur “VOT : TSY MBOLA FIFIDIANANA ALOHA IZAO NY RESAKA”

  1. Ilay fifidianana aloha dia angamba dia tsy hisy satria araka ny hevitro, tsy tokony atao maimaika izy io mba tsy iverenan’ny teo aloha intsony . mody président RAVALOMANANA, manao ny conciliation nationale miaraka amin’ny FFKM, avotsitra ny gadra politika, miverina ny radio rehetra izay nohidiana, miaraka daholo manao lalam-panorenana vaovao tsy ovàna intsony, raha azo atao izany satria ny olon-drehetra ao avokoa – izay vao fifidianana Filoham-pirenena ; izay vao solombavam-bahoaka.

    Raha tsy izany dia peta-toko daholo fa tsy hisy ny filaminana. tsy matotra tsara – mampilendalenda ny volany ny « communauté internationale » mba hahavitan’izany haingana dia haingana.

  2. Midera anareo manokana aho ary mankasitraka fa ianareo no
    tena azo lazaina fa TIA TANINDRAZANA izay hita mivaingana
    aloha hatreto fa ny sisa tsy hay be ihany .Mankasitraka ny ezaka sy ny asa ary ny FITAKIANA
    hataonareo izay TSY SASATRA ny MITADY ny HIRIKA REHETRA @ fahatongavan’i dada izay
    tsy dia hita FIRY AKORY ao @ ANKOLAFY DADA ANEFA IZANY EZAKA LEHIBE HATAONAREO
    izany , ary mbola harahanareo asa anefa izany fa tsy mipetra-potsiny ianareo, HOMBA SY HANAMPY
    NY EZAKA REHETRA HATAONAREO ANIE ANDRIAMANITRA!!MANKASITRAKA TOMPOKO ô!!!
    IZANY NY VEHIVAVY REHEFA MITARIKA NY LOHANY!!!HAFA NY LAHIM-BOMANGA ! TSY MAMELY!!!

  3. RESABE ZANY ELECTIONS ZANY hatreto: efa-bolana anie sisa dia migadona ny volana MAI ê!

    Nefa ny toe-draharaha eto an-toerana tsy misy mangirana na ny pitiny aza!!

    Miomehy be aho mahita ny sarin’ilay « Chef Armée PUTSHISTE: Général Ranto Rabarisoa »
    any @ takelaky ny tnn: kay va re ka VA ka NJOLA-MASO lay ingahy io ê!

    i Amiral Rouge&Blind koa toa manatosaka foana? (du moins par le biais de ses supporters)…

  4. Ho Aiza ??? < nareo mvc dadaé !!!tadidio fa general fn iny sad enjana , nga mis azo ataonw ninin in eoé !!! dada nge mbola any afriqueé ,aleo refa mis ftn zay d azo ampodina @ zay dada ,fa tsis ilaina anin ku nge atyé ,anw in, ,ary Manin mu ra tena vahoka nareo marn" ren teny ivato ren ra entina enty @ ville ra tena saha ,Oln bdbd ren ???? hahahahahahahahahahahah ,tena mbola ts tia an dada nareo ,raintetaka b , sa mataotra basy ndray we ,nga ts we na hanw vy very ny aina ary??? mbola ts tia tanindrazana oh foza tamn 2009 ,mtaky fiovana reto Ronono antavy reto tsssssssss bombna b

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *