AMPODIO RAHAMPITSO LALAO RAVALOMANANA RAHA MITANA NY TENINY RAJOELINA

IMG_6413

IMG_6413Nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lahateny niandimbiasana teny an-toerana. Anisan’ny nandray anjara fitenenana tamin’izany ny Ct Solahimena. Nambarany fa efa nalefany any amin’ireo tomponandraikitra miaramila ny raki-tsary nataon’ny kolonely Charles. Io no ahafatarantsika hoy izy raha marina ny tribonaly na tsia. Io hoy izy ny zavamisy ka miangavy anareo izahay hisambotra an-dRajoleina fa mpanongam-panjakana. Momba ny famotsoran-keloka dia nilaza ity olomboantendry avy any Toamasina ity fa raha mandalo ao amin’ny Ct io fomotsoran-keloka io dia tsy hanaiky izahay raha tsy mibebaka amin’ny vahoaka ary tanisainy ny fahotan-dRajoelina. Efa mazava ny tenin’i Charles hoy izy fa nikonokonona tao Ambatobe izy. Ny Cst Fanatera Longin kosa dia nanambara fa namely mafy ny rivodoza tany Atsimo. Mbola ho hamarininay hoy izy ny isa navoaka tamin’ny haino amanjery ireny fa diso. Mampatsiahy ny tenako hoy Login fa Camille Vitale tamin’ny 2010 izay nisy rivodoza tany Atsimo. Tonga tany izy niteny hoe omena lakana mandeha maotera ny vahoaka. Hatramin’izao anefa izany tsy tanteraka. Ny Ct Hilarion Rarison dia nilaza fa fa milala ain’olona Rajoelina satria efa ho tapa-bolana i mamabentsika no narary tao amin’ny hopitaly. Tsy nisy tsy nahatsapa ny vahoaka fa tokony hamangy azy ny zanany tsy eto an-toerana.Ny ampitso anefa Rajoelina hoy izy nilaza fa tsy mahazo mody. Efa namoizana aina maro ny rivo-doza tany Toliary , any izy vao manao fanambarana ofisialy . Ho anay tsotra ihany hoy Hilarion fa na mampody na tsia an’dRamatoa Lalao Ravalomanana dia tsy maintsy tonga eto izy. Mazava ny tondrozotra. Alefaso mody rahampitso aloha  izy hitsidika ny reniny raha mitana ny teniny Rajoelina. Ny Ct Ernest avy any Lalangina dia nilaza fa tamin’ny 2012 Rajoelina  nilaza fa sakantsika ny rivodoza. Ny taona 2013 izy milaza fa tsy mila ny fikambanana iraisam-pirenena.  Vao alina indray anefa dia miantso ny fianakaviam-be iraisam-pirenena hamonjy ny traboina.

1 pensée sur “AMPODIO RAHAMPITSO LALAO RAVALOMANANA RAHA MITANA NY TENINY RAJOELINA”

  1. Dia gaga ialah!!
    Tsara ny ezaka nitondra ilay taratasin’i Charles @’ireo miaramila .
    Mety hanintona azy ireo koa e!!efa voky lainga mantsy izy ireo koa hilaina ny fampahalala ny MARINA
    toy izao.Mino aho fa misy hiova famindra ny @’izany fanambarana izany izy ireo satria nisy nianatra
    ihany ao.
    Io i VITALY fa hilatsaka koa tsy tonga dia lazao azy izany FAMPANANTENANA POAKATY NATAONY
    IZANY????Tsara ho fantatra dia ny mialoha fa JIOLAHIM-BOTO ANTITRA mbola FAKO NOHO NY
    FAKO KOA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *