ANKOLAFY RAVALOMANANA : HAMPISEHO NY HERINY RAHAMPITSO

IMG_0289Saika niompana amin’ny fanentanana ny hetsika rahampitso ny kabary teny amin’ny Magro Behoririka androany. Hotanterahina eny amin’ny Espace de l’amitié Amboanjobe ny lanonana fifampiarahabana noho ny asaramanitra ho an’ireo mpitarika ao anatin’ny Ankolafy Ravalomanana sy ny vahoaka mpomba azy. Araka ny  fanazavana teny an-toerana dia hetsika izay fanomanana sahady ny fitsenana ny filoha Ravalomanana Marc ity hetsika ity, ary fotoana ihany koa hampisehoana hery ho an’ny Ankolafy Ravalomanana. Efa tomombana antsakany sy andavany avokoa ny fikarakarana rehetra mikasika izany hoy izy ireo. Hatreto aloha dia efa mahatratra 3000 arivo ny isan’ny olona nisoratra anarana izay zakan’ny ho entimanana teo am-pelantanan’ny tomponandraikitra. Etsy amin’ny trano bokim-pirenena Ampefiloha no fotoana hiaingana ho an’ny rehetra manomboka amin’ny 7 ora maraina, avy eo moa dia hanao karavane hihazo eny Amboanjobe ny rehetra. Araka ny fanazavana ihany dia hisy ny hirahira isan-karazany ary arahiny vavaka izany. Vita izay dia miroso amin’ny kabary. Ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy ihany no hikabary eny an-toerana, ary andrasana ny fidiran’ny filoha Ravalomanana Marc mivantana amin’ny antso an-tariby. Noho izany dia nanentana ny rehetra ho tonga maro rahampitso ny mpitarika haneho izay firaisankina izay. Ankoatra izay  ny Ct Ignance Randriamamiarizafy dia nanambara fa mangataka ny lehibe ao Ambohitsorohitra ny tenako hoy izy hoe inona marina ny lalàna mifehy ny fihetsiketsehana , ary hatraiza ny fetra tsy azo anaovana izany far aha izao no ataonareo dia mitifitra ny miaramila. Rehefa mazava izay hoy Ignance dia azo ekena. Mangataka ny AV7 ihany koa hoy izy hilaza hoe azo hikarana ao Ambohitsorohitra. Rehefa tsy sahy ianareo dia ianareo no niakatra fahantany teny. Gaga ny tenako hoy Igance raha nilaza Rajoelina fa tsy misy tia tanindrazana ireo hirotsaka. Izy izany sisa hoy izy no tia tanindrazana. Mikasika ny hoe manao kajikajy politika ny fanemorana ny fifidianana dia nambarany f’angaha moa tsy kajikajy politika izany. Ny Ct Mamisoa kosa dia nilaza fa iny fanambarany Charles omaly iny dia mampatsiahy ny zavatra nataon’I Charles anay efadahy tamin’ny 2009. Izy no nampadohalika anay teny Ambanidia teo imason’ny fokonolona tamin’izany ary avy eo izahay nalefa teny Ambohibao. Raha nisy ny nijaly voalohany hoy izy dia ny tenako kanefa nahatsiaro izy fa diso dia namela azy ny tenako.

 

11 pensées sur “ANKOLAFY RAVALOMANANA : HAMPISEHO NY HERINY RAHAMPITSO”

  1. MILA MAMETRAKA FITORINA AN DRAJOELINA @ TRIBUNAL AKAIKY AZY INDRINDRA I KOLONELY CHARLES :PLAINTE POUR TENTATIVE D ASSASSINAT (AUPRES DU TRIBUNAL LE PLUS PRES DE LUI)

  2. REHEFA TSY HAMPIATRA NY FEUILLE DE ROUTE AO ANTY NY 15 JOURS I RAJOELINA DIA FAONA MIARAKA @ RAJOELINA NY FEUILLE DE ROUTE ;MIALA @ SYSYTEME NY LEADERS REHETRA,RAIKITRA FITOKONANANA LEHIBE .

  3. Momba an’i Goldblatt:

     » AVELAO ITSAOTSAONA IRERY EO FA AZA VALIANA INTSONY ! »

    Ny famerenan ‘ny ambassadeur goldblatt ny tsy fahazoan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC mody Antanindrazana dia mitory fa tsy telin’ny frantsay ny fanam-paha-kevitry ny SADC izay
    tompon’andrakitra notendren’ny Communauté Internationalt isahana ny famahana ny olana eto Madagasikara..
    Ny hihaotra ny fefy -SADC no nilofosan’ny frantsay arizao..Tsy hafaka hihaotra izany efy izany izy ary hahafaona ny fodian’ny Filoha RAVALOMANANA Marc..Fodiana izay tsy maintsy toavina sy tanterahana..ny fitondrana frantsay tsy hatohitra ny Firaisam-ben ‘ny Firenena rehetra..
    Fa io famerimbrenana ny tsy fahafahan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC mody dia fandrebirebena fotsiny : jereo fa io no lasa resaka mandeha amin’izao fotoana izao ,nefa tsy mitombona ilay izy..Fa Isika koa no aefa voazanaka hatrany amin’ny fisainana ,ka raisintsika ho zava-dehibe izay lazain’ity ambassadaora ity na tsy mitombona aza !
    Izay tapaky ny SADC noianteherantsika ! Ankoatr’izay dia lainga !
    koa avelao ity golblatt ity itsaontsaona irery eo fa aza valiana intsony !

  4. Marina fa efa ela izay nanantenaina izay § Nefa Isika tsy manana fahefana hampody ny Filoha RAVALOMANANA MARC..
    Napetraky ny Firaisambe ny Firenena amin’ny SADC izany fahefana izany ary eken’ny Filoha RAVALOMANANA MARC ny fahefan’ny SADC..
    Koa aza dia misehoseho ho mahay zavatra na mieboebo ho mafibe !
    Mahaiza miandry tantana !
    Nous ne maîtrisons pas le temps diplomatique..qui prend du temps !
    Mahareta sy mahereza !
    Amin’io fihaonam-be io dia mety hiteny amin’ny mpihaona ny Filoh RAVALOMANANA MARC !

  5. citation :
    michel dit :

    8 février 2013 à 20 h 10 min

    ► MILA MAMETRAKA FITORINA AN DRAJOELINA @ TRIBUNAL AKAIKY AZY INDRINDRA I KOLONELY CHARLES LAINTE POUR TENTATIVE D ASSASSINAT (AUPRES DU TRIBUNAL LE PLUS PRES DE LUI) ◄

    Efa andalana io voateninao io

  6. Deraina manokana ianao Ct Mamisoa fa mahay mamela
    dia ho maro ny ahatsapa ny zavatra tsapanao fa NIAIKY TOKOA i
    CHARLES ARY EFA MIBABY ARY MBOLA VONONA NY HANEFA NY TSY NETY NATAONY.
    MANKASITRAKA TOMPOKO!!!dia mahereza fa fandalovana ihany ity tany ity fa tsy hisy honina ety.

  7. Mahafinaritra Paris a!!!tena mihetsika mafy ianareo izany a!!
    mankasitraka e!tsy ho ela dia ho tafita ny tolona raha ohatra izao daholo
    no fandehany.
    Misy indro kely ry zareo fa i domelina toa nilaza fa izy no manampy an’i Charles dia NISAOTRA2 AZY
    ny fianakavian’i Charles rehetra sns …t@’ilay « invitė de zoma  » an!!!nefa dia gaga aho fa nilaza i Charles
    fa tsy msy manampy azy????tranon-dainga izany raha domelina a!!
    Tampina koa ny vavan’ireto zatra mpividy ny fahamarinana fa namafisin’i Charles tsara fa tsy mbola nisy
    mihintsy fifandraisany t@ dada na nanarama azy fa SITRAPONY IZAO.
    Dia ilay dokoterany izao koa efa VOAVIDY fa milaza azy ho marary saina ???tokony hiova dokotera izy.
    mbaTsetsatsetsa tsy haritra ny ahy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *