Communiqué de presse Famille Lalao Ravalomanana

IMG_5658

IMG_5658« Lazaina fa misy ny fitiavana ary milaza fa namana, kanefa dia haratsiam-panahy ny fisehoan’izany. Ny tena namana dia tsy mangetaheta izay hampalahelo ny manodidina azy, fa fanampiana aza no atao. Samy mba natera-behivavy avokoa ny Malagasy rehetra ary samy mahatsapa ny lanjan’izany atao hoe « Reny » izany. Ontsa ny fon’ny fianakaviana, indrindra fa i Bebe Razay, izay efa 83 taona ihany, raha maniry ny hahita ny zanany Lalao Ravalomanana mba hamangy azy aty amin’ny hopitaly satria tsy misy ny tompon’ny ampitso fa an’Andriamanitra irery ihany no tompon’ny lahatra.
Mino sy manantena izahay fa mbola tsy maty ao amintsika ny Fahendrena Malagasy ary hanome ohatra tsara ho an’ny taranaka faramandimby
« .

Fianakaviana Ravalomanana

6 pensées sur “Communiqué de presse Famille Lalao Ravalomanana”

  1. Efa miteny anareo izaho fa i Rajoelina dia nivaoka avy any ivelany ary tsy misy raharahiany izany nefa jerevo tsara ireny paoziny taminizy tany any aminy jiosy ireny, mitalaho ery izy eo aminy rindrina bé iny.Hita

  2. Efa miteny anareo izaho fa tsy misy raharahiany Rajoelina any i ren iny lalao izany satria ny rafozany efa tsy ao intsony ary izy koa nivaoka avy any ivelany.Raha izy nandeha tany any aminy Jiosy ireny (mur de lamentation), hajejohana fotsiny fa raha ao anatiny fanahy dia haotra.I Rajoelina anie ka madio ivelany fotsiny fa ny ao anatiny ao dia tena LOA mitovy aminy ireny paiso LOA ireny.Ny tena tadiaviny dia ny prezidà Ravalomanana mihitsy no hiandrasany hiangavy azy.Araka ilay fiteninay taloha manao woe:UN JOUR VA VIENDRE

  3. F’iza koa anefa ity taranak’alika no hiangaviana ahoana??
    Ny tahotrany no mahafaty azy fa inona koa no hirarahiany an’izany e?
    hivondrona tampoka eo indray ireto vahoaka efa NOSAMASAMAHANY nandritra izay 4 taona mahery izay
    raha vao tonga eo i Neny, dia izay no mampidongizina azy io, TAHOTRA!!!!KA MANAO RATSY KAH!!
    MAHONENA ITY TARANAKA ALIKA DIA TSY SASATRA NY MAMPISEHO NY MAHA FAKO AZY.

  4. Sarotra ihany ny hanaiky hoe misy namana na reny izany ao @ zanak’i Dada eo imason’i Rajoelina, ka raha hangataka fanampiana avy any @ Rajoelina hoan’ny fianakaviana ravalomanana dia ady efa very hatrany am-boalohany. Tanterahina 100% ny tondrozotra na manaiky bitro-voalao na tsia ary tsy misy tokony hangatahina aminy intsony fa terena na hahogana no mety aminy.

  5. Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina! tadidio Tantely Andrianarivo, Didier Ratsiraka… maty fianakaviana akaiky fa tsy navelan-dravalomandrana nody!!!!!

  6. Mampanontany tena ny zava-misy: tena tsy manana olon-kendry mihitsy ve ny malagasy e? Nitsangana ho tanana mpamaly faty ny fitondrana ankehitriny, satria hono izany koa no nataon’ny filoha teo aloha: tsy navela hody ingahy Ratsiraka tamin’ny namohizany ny rahalahany sy ny sisa tsy tadidy raha nisy.
    Fa angaha moa voatery tsy maintsy hamaly faty e. Fa angaha tsy mba misy Mandela, Gandhi, Roosevelt, Washington eto amintsika. Ireo olona ireo dia nikoizana tamin’ny fahendrena nananany. Sa ve dia ny mponina mihitsy no diso na tsy manana fijery lavitra ka nampiakatra ireo mpitondra ireo tamin’ny toerana?
    Raha mahatsikaritra ianareo dia ireto matetika ny mason-tsivana hisafidiananan’ny malagasy ny mpitondra azy:
    – Fantratr’olona (DJ malaza ohatra)
    – Manambola (Mpandraharaha be vola)
    – Mahay miresaka.

    Tsy hita ao anatin’ireo critère ireo ny fahendrena. Ka tsy gaga isika raha tsy ho tafita toy izao

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *