FAMBOLENKAZO : NANDRAYANJARA MAVITRIKA NY FAM

IMG_6003

IMG_6003Nandary anjara mavitrika tamin’ny fambolen-kazo teny amin’ny Rovan’Ilafy androany maraina ireo vehivavy mivondrona ao amin’ny fikambanana Firaisankinan’ny Andriambavilanitra Malagasy na FAM. Ny ministry ny fiompiana sady filoha mpitarika ny FAM Ramatoa Randriamandranto Ihanta no nitarika izany teny an-toerana.  Zanakazo miisa 100 no novolena tamin’izany ka nahitana aviavy 5, amontana 5, ravintsara, zakaranda ary nohodidinina Ankasia  izany.Nisy ny toromarika nomen’ireo teknisiana ary nanaraka ny fomba teny an-toerana amin’ny fambolena ireto zanakazo ireto. Nambaran-dRamatoa Ihanta fa nandray anjara amin’ny fambolen-kazo ny FAM mba ho tonga ho Nosy maintso i Madagasikara ary ho fitaizana ny taranaka faramandimby. Nosafidiana ny Rovan’Ilafy hoy izy satria toerana manantantana ka somary adinodino. Toerana akaiky ihany koa ka mora hikarakara sy hikolokoloana ny hazo nambolena. Asiana toerana ho an’ny vehivavy hoyizy ahafahana manao izany satria tsy indray mandeha ihany no hikarakarana izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *