FIKAMBANAN’NY MPIVAROTRA BEHORIRIKA, MALACAM, PETITE VITESSE : NANATANTERAKA FITOKONANA

IMG_6318

IMG_6321Nanatanteraka fitokonana androany tetsy amin’ny Malacam ireo fikambanan’ny mpivarotra eny Behoririka, petite vitesse, Malacam, niampy ihany koa ireo rava trano teny Soamanandrariny. Nisy ny sora-baventy izay mirakitra ny hetahetan’izy ireo tamin’izany nentina teny an-toerana. Araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo dia tsy hanaiky ny antsonjay ataon’ny mpitondra izy ireo. Ho an’ny mpivarotra etsy amin’ny Malacam dia nilaza ny solontenany fa efa an-taonany maro no nipetraka teo izy ireo kanefa esorina. Efa nandoa hetra sy patanty any amin’ny fokontany ihany koa. Tsy mandà ny fandaminana izahay hoy izy ireo fa tokony hisy ny fifampiresahana. Anisan’ny nanenjehana ny filoha Ravalomanana Marc ny famarotana ny tany amin’ny vahiny nataon’ny fat. Ankehitriny anefa dia hita mibaribary fa izy ireo no mivarotra izany amin’ny vahiny ka mampijaly ny vahoaka madinika. Fantatra mantsy fa lasan’ny teratany vahiny sy Ravatomanga Mamy ny toerana fanaovana baolina lavalava. Izay rahateo no nahamaika ny mpanongam-panjakana hanao toerana filalaovana baolina lavalava eny Andohatapenaka izay lazaina fa saika amidiny fitondrana teo aloha tamin’ny vahiny.. Nandritra izay efa taona mahery nandraisan’ny mpanongam-panjakana ny fahefana izay dia nirongatra izay tsy izy ny fangalarana tany teto Madagasikara, ka lasibatra amin’izany ny vahoaka madinika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *