GTTs : Tsy misy Fifidianana ekena raha tsy mody Ravalomanana

ratsirahonana

ratsirahonanaRatsirahonana est considéré par le GTTs comme celui qui a organisé et conduit le putsch de 2009. Il part aujourd’hui pour New York où il espère entraîner, avec Andry Rajoelina, Ban Ki Moon dans leur confiscation de la Nation.

 “Ce n’est pas moi, c’est les autres”…
Lors de son escale à Paris, Ratsirahonana  a passé un sale quart d’heure qu’il n’a pas du tout prévu dans son agenda. Les GTT se sont réunis en bas de son hôtel pour l’interpeller sur les blocages que le gouvernement putschiste continue d’imposer à la feuillle de route.
Ratsirahonana a répondu : “Ce n’est pas moi qui empêche le retour de Ravalomanana, c’est la SADEC”. Selon lui, il reste des conditions à remplir.
Pour le GTT, il n’y aura pas d’élection crédible tant que l’ensemble des points de la feuille de route ne seront pas appliqués. Y compris et surtout, le retour sans conditions, du président Ravalomanana.
 Libérez les prisonniers politiques
Interrogé sur les prisonniers politiques encore détenus, Ratsirahonana a encore nié toute implication. Sur le général Raoelina, il se défile à nouveau : “il est déjà jugé et condamné, c’est à la justice d’agir”…
Peut-on parler de justice lorsque les preuves sont fabriquées selon les bons vouloirs des putschistes. La feuille de route implique la libération de tous les prisonniers politiques sans exception.
Les élections acceptées par tous
Il n’y a pas d’opposition crédible sans une participation de tous. Tout le monde sait que Marc Ravalomanana est le seul prétendant sérieux à des élections à Madagascar. Rajoelina et la France veulent à tout pris empêcher son retour. Les institutions en place seraient “ouvertes à tous” selon Ratsirahonana.Ratsirahonana prétend que la présence de la mouvance Ravalomanana et de l’AREMA Pierrot Rajaonarivelo légitiment leur processus. Peu importe l’absence de la FFKM. Rester au pouvoir en bafouant toutes les règles de la démocratie semble être le mot d’ordre de Ratsirahonana.
Slogan du GTT:  Tsy misy Fifidianana ekena raha tsy mody Ravalomanana.
5-1

43 pensées sur “GTTs : Tsy misy Fifidianana ekena raha tsy mody Ravalomanana”

  1. Ireo olona mitolona aza tsy taitra, ka ianao indray ity no toa efa nanondraka silipo ?
    Enga anie ka mba ho rano fotsiny !
    Raha toa anao daholo ny olona, tsy mahagaga rahatoa ka tsy misy mihetsika ny malagasy !
    Sa fampitandremana, mifono zavatra hafa ny tianao ampitàna ?
    Aza adino fa efa ela ireo olona ireo no nangataka « fihaonana tamin’ny mpitondra fanjakàna frantsay », satria mbola sahy milaza fa tsy mahafantatra an’izay zava-niseho tany Madagasikara atramin’ny volana janoary 2009 !

    Izao fotsiny no tokony ho fantatr’ilay gaigilahy, ary anti-dahy fatritran’olona iny :
    Mbola hendry ny vahoaka malagasy mpiaro ny ara-dalàna, fa rahatoa ka nanana fomba fisainana toan’ny foza na ireo terroriste manerak’izao tontolo izao ry zareo, efa lasa razana hatry ny ela ireo devoly sy fahavalom-pirenena ireo !

    Mba vakio sy hianàro ny tantara, dia mba diniho fotsiny ny nanaovan’ny frantsay an’ireo mpiray tanindrazan’aminy, ireo izay namadika sy niray tsikombakomba tamin’ireo nazi, na lahy izany na vavy !

  2. 1000. MERCI!!!!!!!MOOUUAAHHH!!!!
    maromaroa ny ohatran’izao!!!MANKASITRAKA TOMPOKO ô!!!!
    TSY MAINTSY TONGA DADA ARY MILATSAKA HO FIDINA! LANY 100%.
    HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!!!!!AIZA ILAY LAMOKAN’ATODY e??????

  3. Mba tokony ho realista kosa ê ! 80 % kosa fa tsy 100 % izany ê ; raha tsy dia hoe nahantona na nogadraina daholo ny 20 % !

  4. Fisaorana mitafotafo hoan’ny GTT. Somary tampoka ihany ilay izy ka betsaka no tsy afaka tonga, nefa dia maro tokoa ny te ho avy.
    Ny tahak’izao no tokony hatao matetika. Ireo foza mantsy mandeha matetika any Frantsa ka izay manana info matotra dia hamparitaka. Ny manodidina ny relations exterieures no alehan’ny FAT.
    Fotoana ny firaisakiana izao, ka ireo rehetra izany any Frantsa, indrindra ny ao Paris dia aza misy avela handalo maina ao ireo mpanogam-pankajana ireo fa tena fahoriana anie no hapetraky ry zareo @ vahoaka Malagasy e ! Nefa izy ireo tsy mba tratran’izay fahoriana izany. Fahoriana inona moa fa tsy misy ny asa, ny fandriampalehamana, ny vola miditra, ny entana vidiana, ny fahafahana maneho hevitra, ny aino aman-jery malalaka, ny fivoahan’bnygadra politika, ny fiverenan’ny ireo sesitany… TSY MISY IREO eto Madagasikara.
    Izay afaka manorata any @ Ban Kin Moon dia tsara. Ary ireo GTT amerika avatra ve mba misy fikasana atao ? Fa lasa any aminareo any ilay mpamigavinga ny Vahoaka Malagasy.

  5. Tsy afaka miala izany io anti-dahy loza io !
    Teny Antanimena izy tamin’ny andro nanonganam-panjakana iny ary izy no nandrafitra ny « déclaration » nataon’ireo Jeneraly teny Capsat raha nanolotra ny fitondrana amin’ny Rajoelin-doza!
    Olona tena tsy vanona io !

  6. Mila firaisana ny hetsika mba ampisy danja ny tolona.Tokony ho betsaka ny olona tonga teny.
    Io firaisana io no efa nafaran’i Filoha Ravalomanana ary tsy misy maha ratsy an’izany.
    Tsar ve ny mifamingana ?

  7. Misaotra betsaka ny havana any dilam-bato, enga anie mba ho sahy hijoro tsikelikely ihany koa isika tafajanona eto Mada

  8. (dernière minute):ibis HOTEL,introduit une plainte pour intrusion et destruction de biens particuliers au parquet de paris

  9. Tant mieux ! Zavatra tahak’izany angamba no andrasan’ny mpiaro ny ara-dalàna ! Ho hita eo izay tsy mahatanty ny fofon-tay voalohany !
    Voatery ho atao eny amin’ny Parc des Princes ny Fitsaràna !

    I Henri Ratsimbazafy tropim-poza no asaina manokatr »azy !
    Fitsaràna !!!!!!!!!!!!!!

    Iza no Ratsirahonana dit Tsikirity ? Izaho Tompoko !!
    Inona no asanao ? Mpanolo-tsaina Tompoko !
    Mpanolon-tsaina an’iza ? An’i Rajoelina Tompoko !
    Izy izany olona izany ? Ilay nanongam-panjakàna Tompoko !
    …………………….

    Iza no GTT ???? Izahay rehetra Tompoko ?
    Firy marina ianareo ?? An-tapitrisany Tompoko ny gasy Tia Tanindrazana, fa raha tianareo ho hita dia andao ho any aminay !!
    Manao inona izany GTT izany ? Mitolona ho an’ny fiverenan’ny ara-dalàna, miaro ny vahoaka malagasy, miaro ny fiandranam-pirenena, miaro ny zo’ny vahoaka malagasy, manohitra ny fanjakan’ny baroa, manohitra ny atao hoe « fangalarana mora » izay misy any aminay, manohitra ny « famonoan’olona mora » izay misy any aminay, …Tompoko !

    Fa atramin’ny hoviana no misy an’izany any aminareo ? Ho efa-taona mahery izao Tompoko !
    Nahoana no tsy fantatray izany ? IRETO NY SARY SY NY SISA HO POROFO, DIA FANTATRAREO AMIN’IZAY NY FIJALIAN’NY VAHOAKA MALAGASY AMIN’IZAO FOTOANA IZAO !!!

  10. Ireny no fanao azy :tampoina tsy misy mahalala ny hanaovana an’io anti-dahy tsy misy saina io fa raha fantany hoe : ho avy ny GTT dia lasa mitsoaka miafina foana iny

  11. Misaotra sy mankasitraka ny GTTs aho. Tsy tokony ho tonga saina tamin’ny teny nataon’io rangahy io ve ireo mouvance Ravalomanana milamina tsara ao anatin’io rafitra io?

  12. Misoatra ny GTT nahasahy nitraka e!
    Dia aleo tohizan ny toa ireny mba tsy hiverenan’iny antimoly iny antanindrzan intsony sa ahoana re olona ô ?

  13. Ny mahagaga dia mitonona ho GTT nareo nefa tsy mody miady sy mihafy miaraka aminay aty fa any no mitabataba. Aleo marina mahantra any antanin’olona any toy izay mitolona sy miady isan’andro amin’ny fiainana aty antanindrazana toa anay. GTT hono sao dia GVTT Gasy Gazaha Tia Tanin’olona

  14. Marary fo @’izany eo ity Ralita!!!!
    an’inona hitangorona sahala @ parasy anelakela-pean’alika ao???
    samy manana ny anjara nomen’Andriamanitra azy fa aza miady vintana @ akoho ,
    izy rehefa mankeny an-tsena loloavina, tsy hitanao ve Ralita fa samy manao izay
    tandrifiny avy ny olona???ny ao efa tsy afa-mietsika dia ho izay azo babo ao izany?
    sao musy tianao tenenina ankoatra io voalazanao io avy dia tsory ny resaka?????

  15. ataovy mahita mintsy tavan’io,tetiteteo fa ratsy fanahy tavan-dRenin’io.Any @ MADAGATE ialahy no mahazo voninkazo fa ato ialahy mahazo ….faty.de hoe tokony hajaina ny olomaventy loha-pary ialahy e…tsy ialahy ihany no nampianatra ny sergent hibaiko colonel.vadin’ny …..ty .
    Mendrika ho an’ialahy ny RANGOLAHY ry ANDRIMANJATO II a!!!

  16. todio ny lasa ry lahy antitra tsy mahay mihaina ty e!!,nanao ahoana ny nanaovan’ialahy isany an’i MANANDAFY,PASTERA , LALAO Ravalomanana sns….ialahy marina aza mbola tsisy nisitona iny fatina cravaten’ialahy iny ,miandrasa fa mbola ho avy amin’ialahy ny valiny rhtra….

  17. Mahagaga ihany ry Malala sy ry Ralita miaraka @ foza orana itony ka ! Efa 4 taona aty aoriana ve rangahy mbola mankafy ny zavatra lelafiny (fofom-poza )ao @ Fitombenan-dRajoelina sy Ratsirahonana( ilay rangahy antitra tsy mahay miaina sy manaja tena io) sy ny frantsay ihany koa.
    Tena maneho fankasitrahana ny GTT mihitsy aho aloha ary mirary hatrany ny mba ho tohizanana sy hamafisina hatrany ny firaisankina ananan’izy ireo.
    Fa izaho dia milaza fa efa manakaiky ny fara-andron’ireo HATay ireo. De hiosona tokoa moa ireo rehefa tonga ilay fotoana.Ho hitantsika eo ry malala sy Ralita a! Sao ianareo mihevitra fa ho tafatsoaka miaraka @ rajoelina @ Jet Privé nareo . Tavela anie e!

  18. Fisaorana mitafotafo no atolotra ny GTT ! hita izao fa izy no tomponandraikitra voalohany ary mbola sahy mandany ny volambahoaka ihany amina hotely be ohatra ireny, na hitory aza ny ibis nahoana no navelany niditra ireo olona ireo afaka nitondra banderole! Eo dia mamorona fotsiny hoe nisy zavatra simba! f’angaha foza GTT ka tsy maintsy simba na ra latsaka
    Mahafinaritra eh!: mahatsiaro ilay toraka lafarine an’ilay ramatoa izay aho

  19. Raha ny re, dia tsy nisy zavatra simba na rà latsaka ! Ny hôtely koa, toa tsy nitory izany !

    Avelao koa ry zareo hitory, dia ho hitan’ny rehetra hoe IZA MARINA IREO OLONA IREO, ARY INONA AVY NY ZAVATRA NATAON-DRY ZAREO !!!

    Lany amin’apà ny vola satria tsy namokatra ny dian-dry zareo tany New-York, fa nahazo felaka indray aza ! Mbola hahazo koa rahampitso !

    Afa-baraka ny vahoaka malagasy, manana mpitondra maivan-doha sa maivana tsy fantatro !
    Lanilaniana ny volam-bahoaka, kanefa toa hoe 300 isan’andro ny ankizy matin’ny areti-kibo any an-tanindrazana ! Ny hôpitaly manara-penitra natao ho fihidiram-bola ho azy mianakavy fotsiny !

  20. Raha misaotra sy mankasitraka ny GTT isika eto nohon’ny hetsika nataony dia aza hadiko kosa fa nisy micro-action nataon’ny Pro-Ravalomanana teto Madagasikara. ERaha ny hetsika tahakan’izany no tena misy firaisakiana araka ilay voalza eo ambony dia tena handroso ny tolona. Ka dia Miandry ny MAGRO hihetsika izany fa isika rehetra dia maohina izay tratratsika sy tandrify antsika.

  21. Tonga soa indray aloha ê ! Efa lasa eritreritra ny akama hoe, nankaiza ?
    Fa ahoana ? Matahotra anga ianao ? Na tsy tany aza ny tenako fa tany…ho any, dia manohana an’ireo rehetra izay mitolona, ary manohitra mafy ny fanjakan’ny baroa ê !

  22. Itony mba diniho kely ô !

    http://www.tananews.com/asides/conseil-de-gouvernement-mardi-05-fevrier-2013/comment-page-1/#comment-131213
    Ankaotr’ireo Fankatoavana ankolaka ataon’ireo mpisolelaka :
    – Gestion des affaires courantes ve izany fanaovana sonia Accord de coopération miaraka amin’izany Groupe George V izany ?
    – Gestion des affaires courantes ve ity resaka miaramila ? Ny eo aza dakam-potsiny, tsy hita izay hilàn’azy, dia ampitomboana 1800 indray sa firy izy teo ?
    Ny karaman’ny mpampianatra tsy voaloha, ny marary tsy voakarakara dia resaka miaramila no atao vain-dohan-draharaha ?

    Ahoana ihany ny fandehan’ity raharaha ity r’Ingahy Rakotoarivelo â ??
    Tssssssssssss!!!!!

  23. ma-TAHOTRA inn r’isé fa tsy azk an? »

    Eto ihan ny tenako
    fa leo ny wawawa valse

    ny eo ihany no miverimberina
    ny fiainam-bahoaka efa tsisy manjary

    Miaramila internationaly no mba … reviko hitondra an’i dada8 eto

  24. Sao dia noheveriko hoe, ho hitan’ny olona ny sary re ê !

    Hahemotra indray izany fifidianana fa mbola tsy vonona tsara ny fangalarana manara-penitra !

    Hitombo be koa izany ny dôlara mihiditra ao am-paosin-dry béatirisy sy ny tariny, amin’ity 2013 ity !

  25. ny fanemorana ny ffidianana ve tsy mjdika ho fampitarazoana ny
    tetezamita???dia eto indray izany no ho raisina koa inona???

  26. Tena nitera-bokatsoa ny hetsiky ny GTT satria manakoako hatr@ izao ary earn-tany mihitsy. Nikoropaka ny AVIS hoe maninona hono no manao an’izany,. Ny jiolahimboto indray ity nomhilaza fa hitory, ny fitsarana moa dia efa lasa fitiavana politika. Ny hetsika miteraka resabe sy akony izao no tokony ampiana sy hamafisina, ary aha tonga ny olona , na eto an-toerana na any ivelany ahita fa hay ilay fanogam-panjakana no nitera ka izao olana Lalina izao.
    Maromaroa ny tahakan’izany.

  27. Inona no azo atao raha ny teninao no arahana ?

    HETSIKA ATAO AM-PILAMINANA, ARY MITAKY NY FIVERENAN’NY FILOHA RAVALOMANANA, ARY INDRINDRA INDRINDRA FANAJÀNA NY ZOAN’NY VAHOAKA MALAGASY !!

    Mahavita toy ny nataon’ny GTT ve ny Vahoaka malagasy, izay milaza ny tenany fa Vahoaka mitaky ny rariny sy ny hintsiny, Vahoaka mitaky ny ara-dalàna, Vahoaka mitaky fandriam-pahalemana, Vahoaka mitady fivoarana, Vahoaka mitady ny soa rehetra ho an’ny fara aman-dimbiny, ets ets…?

  28. Ny GTT izany ry zareo efa mba mihetsika fa isika eto an-toerana mba ahoana ?????
    Mankasitraka ny GTT ! Ny tsininy kely fotsiny dia tokony mba nifampilaza mba ho betsaka ny olona tonga @ hetsika toy ireny !

  29. Tena milay be ilay sary navoakanareo GTT eo ambony io: anti-dahy jiolahimboto mbol MItetika hanolana foana hatrany ==> pointé du doigt par dame à gauche…

    (taoko ‘ty de i km ilay bota mitondra caméra ao aorianan’ny pancarte io, de:)
    Nidoboka be ny foko
    falifaly

    Az de masiaka aminay vahôk eto an-toerana ranadahy : ry zareo mpomba ny ara-dalàna au pouvoir no asio ny karavash hatran

  30. Tena mlay b mints ny ataon G TT, NEFAN mbola ts afaka iané , WAIZ eo , D anin ??? firifiry zay fa tsssss EEEEEEE !!!tsis vokany fefa mahazatra ny mpijery ,oh vao2 reetraé ,

  31. Aza misy taitra fa fombany io HITORY! HITORY io, ny dikany dia
    FANAPENAM-BAVA, efa ela mihintsy no nanjakazakan’ilay TSIVALAHARA
    taranak’alika iny , fa sendra ny nahay azy izy izay, mitetika ny hiala menaka foana mantsy .
    Izay angaha vao tsapany ny nataony ka nahatsiaro NAHARARY???MANETSIKELOKA !!!
    ampahafirin’ny fahavoazana VOKATRY NY NATAONY IZAY HETSIKA KELY INY???mbola
    tsy nisy rà in-1 nitete latsaka akory???nanao azy tsy ho tratry ny aloka RATSIKIRITY koa
    tratry ny alok’akoho hihiiii ny manetsa be mbola ho avy .

  32. Iza izany hitory resahinao izany ? I Tsikirity sa ilay hoe filôzôfy tsy misy eritreritra iny ?

    Mbola hahazo ny anjarany koa iny !

    Conseiller du Conseiller spécial ???? Plus que responsable !!!!

    Raha sendra mandalo eto ilay iny, dia izao no mba teniko ho azy : Mba menatra, fa ny taolambalon’ny pastera Randriamisaina izay anisan’ny nitaiza an’ialahy ara-panahy aza angamba, hitsangana ho azy ao am-pasany ao raha mahita izao niafaràn’ialahy izao !
    maty pasipaoro any amin’iny faritra avaratra iny ialahy ! Mpanongam-panjakàna tsy misy hilàn’azy !
    Mpitarika tanora kristiana ve, dia izao no niafaràna ??

    Mbola manaja ny mpamaky ato, fa tssssssssssssssssss!!!!!!!!!!!!!

  33. Ô zareo a !

    Sô mba tsy mety ity mampiseo taren’olona amin’ny sary ity e ( le manondro an’i le ati-dà io ) ?!!

  34. Nentin’ny alahelony an-drainy izy ê, ary efa vonona ny hiatrika, ary ny mpiaro ny ara-dalàna vonona daholo ihany koa hiaro azy !

    Fanontaniana tsotra no napetrany, ary valin-teny tsy mitombona sy lainga no azony !! Iza no tsy ho tezitra ?

    Raha mba fantatrao mantsy, ny nanaovan’ireo mpanongam-panjakàna an’ny rainy !!

    Raha arabo palestiniana tropin’ny El Fatah aloha io kalakely io, efa tapaka ny lohan’i Tsikirity !
    Mbola sendra ny zaza notaizaina tamin’ny fahamarinana sy fivavahana ilay anti-dahy !

    Raha vao miresaka momban’ny rainy, dia latsaka foana ny ranomasony ! Hanody an’ny taranam-poza rehetra, ny alahelo sy ranomaso nalatsak’io zazavavy io !

    Aza kivy fa mahereza ry kala, raha sendra mandalo ato â !

  35. de nitodi-doha any Israël indray ireto zana-baratra
    f’anga hon nisy nanome toky ankolaka az ireo tany + arabia

    de hiala any ny zanaka lahitokako
    izay mbola tsy ampy taona akor t@ 2009 (nangataka homena gilet-fluo-VERT toa ny sécurité mpomba ny gouvernement an’i dada8 rehef tonga ireto NISALOTRA-orange nandrava ny teo anolohan’ny ambassade firantay)

    mandrovi-tsihy,
    ny zamérikana tsy hamela terroristes hamantsy ho fanapotehana an’i Gasikara ‘zany!!

  36. Ny tokony ataontsika eto an-toerana dia maro.HETSIKA MBA aha tonga an’izany tontolo izao hijery Antsika. MBA ahitan’izao tontolo izao fa I Rajoelina sy ny foana-mpanjakany no niteraka izao Krizy izao. Ary miantso ny filoha Marc RAVALOMANANA . Ny fiarahan’ny VAMI, VOT ary ny Pro-RAVALOMANANA @ hetsika manaraka izao no tokony haroso.

  37. Tohano ara-tsakafo eny an-kianjan’i Magro
    maninona raha manohana mahakasika izan nareo gtt?
    1 fois par semaine, ilain’ny mpitolona izany fa mazana ny ONJAN’I TGV notarihin-dRatsirahonana

    de AKARO TSARA NY FEONTSIKA – mila taritina hatrany ireo tanora
    fa io jiolahim-boto anti-dahy Norbert Lala Ratsirahonana l’avocat du diable
    TSY HIALA EO
    raha tsy botté au cul

    « Le Lt Colonel Charles Randrianasoavina pourrait intervenir en duplex au Magro demain pour faire des révélations sur le 7 février selon Feno Imanoela. »

  38. Ry maîtresse Hanitra nilaza fa ny vola azony ao amin’ny rafitra, dia tsy misy dikany raha oharina amin’ny vola azony amin’ny asany ! Tsy mba afaka manome ny atsasany akory ve izy rehetra, ry HoAiza ?

    Afaka manampy ny GTT, fa tsy dia tena solution loatra izany amiko, satria raha natao ny fandinihina, dia toa tsy azo hianteherana firy intsony ireo milaza azy ho mpitarika ireo ! Efa 18 volana izao no natao ny « sonia » fampiarana an’ilay lazaina fa « tena tondrozotra », mba nisy mangirana hitan’ny vahoaka ve ??
    Izay rehetra tena mitady vaha-olana dia sakanana ! Manan-tsofina ny rindrina ry Ny Tena ANdry tsy Domelina, fa sao ianao mihevitra !

    Raha tena tian’ny vahoaka ny hifarànan’izao krizy izao, dia ny fangatahana an’ireto eny an-dalambe ihany no any sisa fanafodiny :

    – Fitakiana ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana any an-tanindrazany, na hirotsaka izy na tsia !
    – Fanafoanana ny tondrozotra satria, tondrozotra sady tsy misy manaraka sy mampihatra an’ilay izy, no vaha-olana tsy mahomby ! Mahafaty lavitra noho ny aretina ilay fanafody nomena !
    – Takiana MAZAVA amin’ny Vondrona iraisam-pirenena ny tsy hitsabahan’ny fantsay INTSONY amin’ny fiainam-pirenena malagasy, indrindra eo amin’ny lafin’ny fitadiavana vaha-olana !!
    – Saziana daholo ireo izay nanota-fady, sy ireo mpanohan’azy !
    – TSY AMPIDIRINA AMIN’NY FITADIAVANA VAHA-OLANA INTSONY IZANY HOE MARIMARITRA HIRAISANA IZANY ! FAMPIARANA NY LALÀNA IHANY NO ADY EO ! IO HOE MARIMARITRA HIRAISANA IO NO TENA NITARIKA LOZA HATR’IZAY, SATRIA NAKIFIKA SY TSY NATAO LAHARAM-PAHAMEANA NY FANAJÀNA NY LALÀNA VELONA REHETRA !

    Mivoaha amin’izay eny an-dalambe ! Takio ny zo sy ny fampiarana ny Lalàna ! Ary aza miantehatra amin’iza na iza intsony !
    Atao am-pilaminana sy ao anatin’ny Firaisan-kina izany ! Ataovy ao an-tsaina fa ireo olona izay lazaina fa mpanelanelana, mpanampy amin’ny fitadiavana vaha-olana, CENIT, ….sns, dia mahazo vola be sy faly amin’ny fahorian’ny vahoaka malagasy fotsiny ! Tsy ny hoavin’ny vahoaka malagasy no masaka ao an-dohany fa ny vola mihiditra ao am-paosy !

    Raharaha lavitr’ezaka ny famerenana ny ara-dalàna, ARY TSY AZO MORAMORAINA TAHAK’IZAO ATAON’NY MALAGASY IZAO !
    Jereo ny mahazo ny ejipsiana sy ny toniziana ary ny lybiana ! Krizy tsy voavaha ihany koa, kanefa mba efa lalana hafa, izay azo lazaina fa mba « efa » demôkratika na misy sombin’na demôkrasia no noraisin-dry zareo !
    Ny antsika efa hita fa lalana hitondra any amin’ny fahaverezana, dia mbola noraisina ihany !

    Tompon’andraikitra amin’ny fiainany ny vahoaka malagasy, ary azy irery ihany ny teny farany ! Anjarany ny mandray ny adidy sy andraikitra !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *