Ireo mpamadika palitao

Mba jerijereo ihany ity video ity, fa sao dia misy olona fanatrao ao. Ra ny ahy aloha dia misy tena fanatro ireo e ! Misaotra an’Andriamanitra koa aho fa tsy voatonona anarana amin’io. Raha efa ho tafaverina izao i Marc Ravalomanana, tsy tokony hiomana hamadika palitao amin’izay indray ve. Aiza mitaingina soavaly efa maty, na dia soavaly zandri-kely aza io e ! Hivadika indray izao ny rasa… 😉

Ary raha sendra ka mbola hakaikin’iray amin’ireo olona ireo ianao, mandosira ! Mandosira haigana, fa sao dia « trop tard » e !

 

14 pensées sur “Ireo mpamadika palitao”

  1. Ndryyyyyyy !!!!!!!!!Hisy horohoron-tany marina ve ? Toa mivoaka daholo ny biby avy any anaty lavaka, hitsaoka !

    Mbola betsaka ireo tsy tafiditra ao anatin’ilay lisitra ê ! Sa atao amin’ny manaraka ?

    Alefaso ihany koa ireo miaramila milaza fa tsy mpanao pôlitika, KANEFA MPAMADIKA GAIGY LAHY, ary voavadibadika atramin’ny silipony aza HONO !!! « Tenue de camouflage » manara-penitra !!

    IREO NO TENA FANETRY BE-N’NY TANY SY NY FANJAKÀNA !

    Ary aiza ireo avy ao amin’ny Lidera, indrindra fa ireo « mpanetsiketsika » ?? Tsy sahin-dramatoa tononina ny anarany angaha ?

    MDR !!!!
    Amparitao ê !

  2. Tokony ho toy ny fanambadiana anie ny fiarahana ary fanaovana pôlitika ê ! Iza no mpivady tsy mba niadiady kely ? Tsy misy fiainana ho vanona rahatoa ka isaky ny misy tsy fitovian-kevitra, dia hamadika sy miafara amin’ny fisarahana mihintsy ! Tsy mba afaka mifanazàva ve ?

    Matoa ny mpanao pôlitika tsy mitsahatra mamadika, dia voalohany tsy misaina firy any ka tsy manana hazon-damosina, ary tsy manana foton-kevitra mitombona sy tohanana ! Dia faly mijapy fotsiny, mitady fihinanana vaovao ! Moa ve tsy toa ireo lehilahy tsy mba mahay mifehi-tena, fa vao hita reradreraka ramatoa, dia iny lasa mitady « rivo-baovao » ?

    Loza ihany ity fiainana ity, fa dia manze manze lava no ao an-doha !

    Amin’izao andron’ny mpifankatia izao, dia iny mba misy hira kely atolotra ho an’ireo TENA TIA !!

  3. Jereo aloha fa tsy mandeha ity vidaka RAMS a!!!
    latsaka vao mRaina koa aho aminareo marina!
    Ary mba mahandrasa tantana fa ireo aloha no masaka dia ireo no haroso Kintana a!
    Mbola tsy azo avoaka daholo miaraka fa sao manapaka lala-kozatra hihihiiiiii

  4. Ary miasa mafy mihintsy ny ao anaty lohanao aoa an!
    mankasitraka e!!!moouuaahhh!!!ho an’ny Mpifankatia rehetra koa,
    Dia aza mamadika Silipo hoy zalahy ambony io fa palitao ihany no famadika e!!MDR

  5. Ary toa hadino ny Ex-Minisitra ny jeneraly rabotoson izay efa minisitra t@ andron´i ratsiraka foana, dia t@ andrn´i zafy albert dia mbola tq andron-Dratsiraka, dia t@ andron-Ravalomanana . dia lasa retraite iny.

  6. K’efa lasa nisotro ronono izany koa inona fa vita ny azy ,
    Sady mbola misy , mbola ho avy raha tsy diso aho an!
    Inaila mihintsy ny mampahalala ny vahoka toy itony hoe: iza no tena FANETRY BE
    eto @ tany sy ny fanjakana atr’ izay mantsy voasarotsarona foana.
    Mankasitraka ny TV-plus!

  7. Izay tsy namadika taminareo no aoka hitora-bato azy ireo vonalohany!!!!

    Talentan-drazana malagasy ve ho adinoina kosa e!

  8. TAFA SY DINIKA AVO LENTA

    – Do! do! Do!
    + Iza izao?
    – Mba mitady seza raha misy ao?
    (…)
    + Raha mifanaraka, azo atao.
    – Mifanaraka ahoana ary? Mba lazao.
    + Tsotra dia tsotra tahak’izao:
    >Ilazao daholo ny akamanao
    hoe « Samia mivadika Palitao;
    Hipetrao ny seza finidinao »
    Fa ny setrin’izay dia tsy kilalao:
    >Sakano tsy hody ny Dadanao.
    >Ireo ao am-bala, hidio ao
    dia manaova film vaovao
    manara-penitra/ kalitao;
    ka ny tena kabary ao am-bavanao
    atao mampiesona tsotr’izao
    >Izaho no ataovy filohanao
    ary izay tiako tsy maintsy hatao
    dia hifanohana isika tsy hifandao;
    fa raha tsy izany gadraiko ianao!
    ka hilavo lefona sa hanao?
    – Ka raha silaka be dia akory atao?
    + Tsotra, lazao hoe: « MPANELY TSAHO »
    – TENA METY AMINAY ilay fikanao.
    Ekenay ry Jô a!
    Bizo, bizo, Let’s Go!

    Tantara nosoratan’i Anti-fat(y)
    Ireo namelona ny tantara:
    {-}= ireo avolenta
    {+}= ny zanaky ny reniny
    Mpanatontosa: Imbolahitohy

  9. JEREO TSARA ANIE ONITIANA REALY FA IANAO RAHA MILAZA HOE : MPAMADIKA PALITAO RANJEVA MARCEL dia tsy dia araka izay voalazanao izay no ahafantarako azy satria ny miaramila dia tsy maintsy manaiky izay gouvernement eo izay misy na inona na inona firehan’izay eo.

  10. Aza dia atao mahataitra re ray olona fa mihinam-bary aza misy laoka a!
    sady tsy mora ny mamoaka zavatra toy itony fa tsy maintsy mba somary
    hafangaro ny akoho sy ny vorona mba hoe…..tsy mtanila hono e!!!amiko tsy ilay famadiana palitao
    no olana RAHA HO ENTINA HANASOAVANA ny tanindrazana ilay izy fa raha fitadiavana SEZA sy
    VONINAHITRA ary FISOLELAHANA dia tsy mety.Mbola misy azo sivanina ihany amin’ireo lisitra fa
    tsy azo atao kosa ny manafangaro BIBY TSY MITOVY e!!!nefa na izany aza dia MANKASITRAKA
    an’izay nikarakara fa tena ilaina tokoa ny FAMOAHANA itony bibidia fanetry be an’i firenena itony,
    ataoko fa ny olona tsy adala fa fantany ny tena IZY SY TSY IZY.

  11. Misaotra an’i Lazalazao, artista tokoa!
    Mbola mety ho lava ny listra ahitana palitao « orange » satria nanaraka bitro domelina….
    Indrindra raha ny feo re any ho any hoe: « mba afakely ny « légalistes » sy mitonona ho mpomba ny filoha M. Ravalomanana? anefa nanaiky hiara hiasa @  » domelina putschiste izay « super super illégal »!!!!
    Ka ho lokony inona indray izao no havoakan’ny frantsay atsy ho atsy e???
    Sa hotoy ny lokony tanalà= « caméléon », biby mampalaza ny firenena ?????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *