Lalao RAVALOMANANA :Tsy havelan-dRajoelina hamangy ny reniny marary mafy

MyDago.com-14 fev 13 (5)

MyDago.com-14 fev 13 (12)Narary mafy nanomboka ny 12 febroary lasa teo Rtoa RAZAIARIVELO Helmine, renin-dRtoa Lalao Ravalomanana.Fantatra fa aretina vokatry ny alahelo (aretim-po sy tosi-dra) no mahazo azy.Tafakatra hatramin’ny 23 ny tosi-dràny ary dia tsy maintsy naiditra hopitaly izy ny andron’io ihany.Araka ny fitantaran’i Mme Hanitra, zanany vavy dia alahelo an-djanany vavy lasa sesin-tany atsy Afrika Atsimo no tena anton’izany.
Tonga namangy azy tetsy amin’ny klinika Ankadifotsy, hopitaly misy azy ny solontenan’ny Ankolafy Ravalomanana io atoandro io, nahitana ny Praiministra Lefitra Botozaza Pierrot, ny Minisitry ny Varotra Olga Ramalason ary Me Hanitra Razafimanantsoa Filoha Lefitry ny CST.Nitondra solon-dranom-boankazo izy ireo ary dia tamin-kafaliana tokoa no nandraisan’ny fianakaviana izany na dia ao anatin’ny aretina aza.
Araka ny nambaran’ny Praiminisitra Lefitra Botozaza dia efa nanao ezaka ny ministry ny Ankolafy Ravalomanan ao anatin’ny governemanta, omaly, nanao ny fifampiraharahana mba hampodiana haingana an’i Lalao Ravalomanana hitsabo sy hitsidika ny reniny, isan’ny fanafody mety afaka hanasitrana azy manko izany : « efa nanaiky izany ny praiministra lehiben’ny governemanta, efa nanaiky ihany koa ny ministry ny foloalindahy sy ny ministry ny fitanterana » saingy nilaza ihany kosa ireto farany fa tokony hierana ihany koa i Andry Rajoelina. Niantso azy noho izany ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita Mamy Rakotoarivelo ary dia nilaza Rajoelina fa « mbola eritreretina lalina ny momba izany ».Mbola nangataka fihaonana taminy ihany ny Ministra Olga Ramalason kanefa dia tsy noraisiny tamin’ny fotoana nomeny hihaonana,fantatra fa nanda mafy hatramin’ny farany ny tsy hampody azy mihitsy Rajoelina.
Mba natera-behivavy ve ity rangahy ity sa niseho tamin’ny vato aman-kazo ,sa olona tsy manana fo mitempo no tsy mandeha rà koa no dia manao toy izao? Tsy resaka politika no hodiany eto, eny fa na dia efa voasoratra ao anatin’ny tondrozotra aza fa mahazo mody tsy misy fepetra ny sesi-tany politika rehetra ary isan’izany Rtoa Lalao Ravalomanana koa dia izao anaovan-dRajoelina be marenina tsotra izao.Voaporofo fa tsy vonona ho amin’ny fitoniana velively ingahy Rajoelina amin’ity toe-draharaha ity satria dia fihetsika tsy mandala fihavanana izao ataony izao.Marihina fa tamin’ny famangiana azy io atoandro io dia tsy nahaloa-peo  « bebe » noho ny aretina mafy mahazo azy.

 

17 pensées sur “Lalao RAVALOMANANA :Tsy havelan-dRajoelina hamangy ny reniny marary mafy”

  1. Tsy dia tiako ilay artikla ! Tsara rahatoa ka haisorina teo ; mankarary fo olona fotsiny ! Miala tsiny ry MyDago !

  2. « efa nanaiky ihany koa ny ministry ny foloalindahy sy ny ministry ny fitanterana saingy nilaza ihany kosa ireto farany fa tokony hierana ihany koa i Andry Rajoelina. »

    Efa fanatatra fa ny hanao ratsy ihany no ao an-tsain’i Rajoelina. Tsy misy tokony hangatahina aminy izany fa tonga dia averina izy dia tsenaiana eny Ivato ka raha mbola manao ireny mandroaka ireny indray ny FAT dia hamdeha ny hetsi-bahoaka. Hoan’ny fahorianan’ny Malagasy @ ankapobeany dia ny fianjeranann’i Rajoelina no fanafody, ary ho @ krizy kosa dia ny miaramila no tokony saziana voalohany satria izy ireo no shafahan’ny mpanogam-panjakana hanjakazankana eto @ tany sy ny fanjakana.

  3. KM,
    Araka ny hevitro dia tokony tsy nomena ny adiresin’ilay toerana misy ny hopitaly hiajojan’ilay marary, mety ho foza no ho tonga any. Ary Somary mampiseho hambo-po bery ihany koa ilay izy satria hoe mbola hangataka any @ ilay mpanogam-panjakana

  4. Tsy malagasy intsony Ing. Andry Rajoelina, eny TSY OLOMBELONA INTSONY? FA NA DIA NY BIBY AZA TSY MANAO TOA AZY IZAO !

    Ô ry Mgr Odon Marie Ersène Razanakolona ô, itorio teny io zanakao ara-panahy io fa na dia mihevi-tena ho « mpianatr’i Kristy » aza izy dia mila fibebahana sy mla mba mieritreritra fa mba natera-behivavy koa ! Fantatra fa tsy hahatanteraka mihitsy ilay andalana hoe : « Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay » ao amin’ny hataky ny Tompo izy, kanefa na dia ny maha olombelona fotsiny aza, sa efa tsy olombelona intsony ? … Raha izay dia Andriamanitra sisa no mahalala !

  5. Ho fanampin’izay voalazanao koa ry LAZALAZAO, dia tsy olona mpanao pôlitika io olona io, ary manana ny « vie privée-ny », izay mba tokony hajaina ihany koa ê ! Somary diso kely i MyDago tamin’ity indray mitoraka ity !
    Tsy tokony afangaro na ampiasaina amin’ny tolom-bahoaka ny aretina mahazo azy !
    Na dia izany aza, dia mirary fahasalamàna haingana ho anao Ramatoa, ary aza dia be eritreritra ; tsy ho ela intsony ny fiverenan-dry zareo any an-tanindrazana ê !!

  6. Ka izay rehefa milelaka azy dia HITSAHANY an-tampon-doha tsara daholo.
    Tena mahonena ilay FISOLELAHANA an!!Gasy izy , gasy ray , Gasy reny
    koa inona no olana tsy hodiany????dia MIESONA DAHOLO KOA IRETO OLONA, fa inona ity???
    tsy mam-pIhino !!!!IZANY NO VOKATRY NY KISONIA eeeeeeeeeTOHIZO IHANY eeeeeeee

  7. Fa angaha tsy mafonja ilay info raha tsy naseho ny sarin’ilay olona marary (sur son lit d’hopital quand même!!). Latsaka ambany ianareo ry Mydago tamin’ity indray mitoraka ity fa azafady. Na iza na iza io olona io dia tsy tokony hatao ny toy izao, aiza ny « déontologie »?

  8. I rajoelina anie efa zana-baratra hatrizay ka aiza no ahafantarany izany fon-dreny sy fitiavan-dreny , ary mbola niteraka bibidia sy varatra ihany koa izy sy Mialy ka hanody azy izao zavatra ataony izao e !

    zank´i rajoelina, zaza nobeazina tamin´ny famonoan´olona ,halatra, habibiana, ary fanaovana tsinotsinona ny mahantra ka aiza no tsy ho varatra be daholo.

    ahita i mialy sy rajoelina

  9. Angaha mbola tsy fantatrareo fa i Rajoelina ange dia nivoaka avy any ivelany é, izany woe nivaoka avy any andafy, araka ilay fiteny ny mena sofina manao woe: PHENOMENE DE RARE ESPECE. Ary izany no tsy hamakiany loha na marary mafy aza io ray amandreny io ary izany mihitsy no nandehanany tany aminy ry zareo jiosy hanala ny fahotany mahafatiny, nefa dia izao miampy izao indray ny fahotàna mahafatiny

  10. Hamono olona aza ho hataony koh!!!fa mba nianarany taiza anefa
    izany fanajana olon-dehibe ???fa olona koa ve anefa ity resahana eto e!!
    mankaleo mihintsy fa saingy mbola maro moa ny misolelaka aminy nefa BE VAVA DAHOLO koa inona fa
    tsy avelao izy hanao izay tiany na ho TARITINY ANY ANATY LAVA-PIRINGY DAHOLO AZA NY GASY.
    EFA HITA MIARIARY IZAO FA ALIKALELINY daholo kay ireto izy. MAHONENA fa ireto mpikambana @’
    io fitondrana io izany dia VONGAn’INONA DAHOLO @’ity ilay VENDRAN-DAHY TSY FAKA TARANAKA??

  11. DIA HO HITANTSIKA EO NY HO TOHINY RE TOMPOKO FA MARINA AVOKOA IZAY VOALAZANAREO – AMIKO DIA TSY MAINTSY ASEHO NY SARY FA AMIN’IREO MPANDAINGA MANTSY DIA LAZAINY EO INDRAY HOE MPAMORONA – NY TOETRANY IHANY ANIE NO TENENINY E – TSY HITAKO IZAY ANAFENANA ZAVATRA HAFA EO NY MARINA FOANA ASEHO – TSY MATAHOTRA ISIKA E ! ny maizina tsy afaka hiaraka amin4ny mazava.

  12. Izany ny anareo ry zalahy sy zavavy, fa tezitra dia tezitra mafy dia mafy mihintsy ranavalona !

    Na dia eo aza izato fo kely tohina mafy, mba asio kely re-lecture ihany matetika vao mi-poster ô ! Eny, fantatra fa tsy nahy satria kinga loatra ireto ratsan-tànana, indrindra fa ity fanondro adala rehefa manoratra « tsy musy » !! Tsy misy « u » ny teny malagasy ranavalona â !!
    MDR !!!

    Raozy,
    Tsy dia hitako ny antony tena hoe tsy maintsy hanamarinana an’izany ! Efa fantatra fa olona faran’izay FAIKANY NO NANGALATRA NY FITONDRÀNA, ARY OLONA TSY MIHEVITRA AN’IZAY HANASOA NY FIRENENA AKORY FA NY FANDROBÀNA NY HARENAM-BAHOAKA NO MIARAKA AMIN’NY FAHAVALO NO MASAKA AO AN-DOHANY !
    Maninona no dia tsy maintsy hanaraka ny fanaony ?

    Ramalagasy be menomenona daholo fa tsy manao izay tokony ho atao ! Efa ho 18 volana izao no natao ilay fanaovan-tsonia, tsy misy tanteraka ny andinin’ilay tondrozotra, fa dia izy antsoina hoe Filoha fotsiny ! FILOU-N’NY TETEZAMITA !

  13. Filohan’i jolahy kosa e!
    Misaotra tsy misorona miteny lesy a!
    Na izaho koa aza nahatsapa io tato ho ato,ohatry ny miisatra be sahady ledala
    fa efa te hisolo angamba ilay fitaovana ampiasaiko ato hihiiiisady be ereana aho tato
    ho ato izay , misaritaka ny havanao.

  14. Ireo nanao ny sesitany ny tenany tenany very peupes malgaches tsy nanao ratsy teto @ firenena, ka nahatonga ady sy faty olona maro’ Sa hadinonao ny fahirano sy ny 29 taona nanjakan’i Ratsiraka. Ny @ Ravalomanana dia mba jereo ny zavatra-bitany toy ny sekoly sy hopitaly ary ny fisondrotan’ny hari-karena. Ary Mamy hoditra @ vahoaka izy . Manaporofo izany ireo hetsika sy fanehoan-kevitra etsy sy eroa. Tokony mba mijery kely aloha ianao vao mba milaza ireny havendranana ireny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *