Manao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fianakaviana Lalao Ravalomanana

IMG_5551

IMG_5551« Fanambarana avy amin’ny fianakaviana Lalao Ravalomanana (18/02/2013)

Mitodika amin’ireo Malagasy izay nahafantatra an’i Neny, manana izany hoe Reny, ary indrindra fa izany Bebe izany.
Tiavo izy ary kolokoloy tahaka ny anakandriamaso ary arovy araka izay azonareo atao, fa tsy misy tahaka ny Reny, ary tsy voavidim-bola izany fitiavana izany.
Marary mafy i Bebe Razay.
Namerina ny fangatahiny i Bebe Razay mba hifankahita amin’ny zanany vavy Lalao Ravalomanana mialoha ny nidirany ao amin’ny Réanimation ny alahady maraina teo
Mafy, tena mafy amin’ny zanaka lahy Malagasy izany tsy mahazo manantanteraka valim-babena izany, ary dia ny fitondram-panjakana malagasy ihany no vato misakana, kanefa ny adidy tsy an’olon-dratsy.
Manao antso avo amin’ny Fianakaviam-be Iraisam-Pirenena ny Firenena Malagasy mba hijery haingana ny vahaolana hoan’i Madagasikara, ary miarahaba azy amin’ny ezaka izay efa ataony.
Hisoratra ny tantara ary tsy mbola tara loatra ny fifampihavanana, tsy mbola tara loatra ny fifamelànana ary ho vokatr’izany dia hiverina indray ny Fahafahana sy ny Fahamasinana eto amin’ny Firenena.
« Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra »

12 pensées sur “Manao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fianakaviana Lalao Ravalomanana”

  1. Mba te hamaly ny site http://www.tim-madagascar.org aho momba ny fanaratsiana an’i mydago, miafina ao ambadiky ny forum ny webmaster sy ny tompon’andraikitr’io site io, faly manenjika ny mpiaramitolona, ny site namana toy ny mydago, ny mpitarika ao anatin’ny mouvance ra8,lasa ny foza no be mpiditra ao ary tsy mba esoriny mihitsy na miteny ratsy ny filoha ra8 aza. raha tena mpitolona ianareo mba manaova mafimafy e! aza varimbariana toy io,hitako ilay teny amboanjobe farany teo tsy mba namoaka sary miitsy ny site http://www.tim-madagascar.org kanefa de ny Tim no mikarakara ilay hetsika, impiry misy hetsika lehibe tsy dia maharaka vaovao toa ny mydago ry zareo.Resaka hafa koa nanakiana mafy ity artikla sy sary ity ry zareo ao, raha jerena @ artkla kosa aloha dia mifanaraka ilay sary, tena asan-gazety no toy izao. Mba mitady style mifanaraka @ artikla fa tsy hoe manivaiva an’i bebe razay akory, resaka art no toy izao e ! tsy hain’ny hafa dia aratsiany.Nenareo aza impiry namoaka fanambarana ny famille Ravalomanana tsy mba avoakanareo ?aza variana manakiana fa mba manaova ho kianina koa e!

  2. rajoelina s’accroche mordicue et farouchement à ce qu’il croit ^yre de sa prérogative : décider du sort de chaque Malgache..

    cette prérogative n’appartient à aucun chef d’état quand il s’agit d’un citoyen ou d’une citoyenne jouissant de ses droits civiques..
    Il est inhoumain et sauvage de faire un amalgame dans de telle situation entre la politique pure et la décision simple , gratuite de permettre à une mère souffrante de voir sa fille…
    Si rajoelina persiste dans son refus , ce n’est de la politique qui le conseille mais c’est la haine qui l’habite et le guide…
    Et je pense que cette situation née de la souffrance d’une mère est fortuite..

    Cette situation constitue ,il va sans dire , une épreuve douluoreuse à la famille et ses proches mais elle représente un test , non pas de la solidarité seulementpour les Malgaches ,mais surtout l’occasion de démontrer à la Communauté internationale détermination de porter un coup d’arrêt au pouvoir nocif de rajoelina qui représente un danger pour la société malgache .

    HARRO SUR LE BAUDET ! AARRETEZ RAJOELINAI9LLICO PRESTO , ICI ET MAINTENANT..
    ! CAR IL A MONTRE DANS CETTE SITUATION SA DANGEROSITE ET SA NOIRCEUR !
    NOUS SOMMES FAUTIS ET RESPONSABLE DEVANT LE MONDE ENTIER SI RAJOELINA RESTE A CE POUVOIR USURPE !

  3. Izaho aloha raha vao nahita anity antso avo ity dia lasa mihitsy ny fisainako woe fa inona marina no tadiavinireto troupe ireto Rajoelina indrindraindrindra i Rajoelina tadiavina?Manarakizany koa anjarantsika mpitarika ao aminy TIM sy ny vahoaka malagasy no manapa-kevitra voalohany indrindra satria isika izao no manana ny reny marary, ary ilay izy dia misy dikany matoa te-ahita mafy anilay zanany ilay reniny ka sao sanatriaviny tara loatra vao hanenenana.Ka izaho RASAMY koa dia mba mandefa antso ho antsika rehetra mpanohana any i Ravalomanana: handao ré ARODANA aminizay ity fitondràna tsy VANONA ity fa efa mitobaka ny rano ary tsy lasa intsony, lazaiko aminareo fa raha vao miaraka miray hiana daholo isika rehetra, MIDABOKA io, tsy misy afa tsy izay sisa, aoka izay ny vava fa tonga dia lasa izao; ry zareo ireo ange mihevitra woe: ao ireo miaramila, fa lazaiko anareo fa tsy mbola haiotrany taminy 1972, fa rava ihany ny FRS.Ka andao ré fa efa marary mafy i BEBE RAZAY.

  4. mahagaga ny ataony andry sus ny olona tsy voafidy anie izy ééé fa olona nanao coup d?etat fa maninona no manao oatrinio oanenenany @ farany

  5. Ny drafitra narindran’ny frantsay,(vao voafidy ny filohantsika t@ 2002) dia izay ahapotika ny firenena mba ho mora tatazandry zareo indray: ka nataon dry zareo ny coup d’état, via domelina sy ny tariny, mba hanalavitana an’i M.Ravalomanana, ilay malagasy tokana nasahy nanohitra.
    Ka na antitra aza ny rafozan’ny filohantsika dia tsy tafiditra kaonty @ frantsay izany ary ny C.I izay sehatra mampihantra izay tiany frantsay atao any M/scar, dia tsy hisahirana loatra hihaino ny malagasy mbola mihesona be!
    Be fihetsem-po sy milasilasy loatra ny gasy izay hiangaviana ho taitra ô!
    Iza no firenena asahy hanampy olona donton’ny « francophonite » hatrizao anefa anie efa mba 2013 izao isika e!
    Mendrim-piderana mihintsy ny filohantsika satria vonona hatrany hiasa ho any vahoaka izay mbola tsy maharaka ihany ny tena fomba fijeriny sy fiasany anefa efa nisy 4 taona mba tokony nandalinana .

  6. Sasanangy samihafa no mba tanisaina eto,
    Nahavita inona teto @ tany sy ny fanjakana aloha ireto
    fatin’olona mba tanisaina eto????TANISAO!!!izao rajakom-bazaha rehetra izao no asiana
    sira eto, izay mpivarotra tanindrazana rehetra izao no mba hirahiraina eto????aza mampiady
    biby tsy miady fa mapmė be! izahay koa mahatanty fa alefaso ihany.Aza malaky mipararetra
    raha vao manambana fotsiny fa MODY DADA,IZAHAY MAHATANTY e!!!
    Ireto MPISOLELAKA ve dia mba hoe?????????MAHONENA!!!!

  7. Dr CELESTIN Robin dit :

    19/02/2013 à 01:13

    C’EST L’ACCELERATION DU RETOUR DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ET DE SA FAMILLE CONSTITUE LA SOLUTION ADEQUATE ..ET APPORTE UN COUP D’ARRET AUX NUISANCES POUR LE FIARAHA-MONINA DES MALGACHES VENANT DE RAJOELINA..

    Il est naturel que les Malgaches éxigent la rentrée immédiate de Madame RAVALOMANANA LALAO Pays pour être auprès de sa mère souffrante ..!
    Mais attention ! Il ne faut pas négliger notre intransigeance du retour du Président RAVAOMANANA MARC au Pays…
    Notre intransigeance ,s’appuyant sur celle de la Présidente de l’UA ,doit encore et toujours obliger le CPS-UA et la TROIKA : SADC à accélérer ce retour pour permettre le retour rapide de toute la famille RAVALOMANANA MARC afin d’être auprès de la Grand’mère RAZAY : cette décision dépend du tandem CPS-UA et de la TROIKA :SADC..
    OUI IL FAUT ACCELERER LE RETOUR DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ET DE SA FAMILLE !

  8. I RAJOELINA ANIE TSY MISY FAHENDRENA SY IZAY OLONA REHETRA MIARAKA AMINY E – EO ALOHA RIZAREO DIA HITARINY EO DAHOLO IZAY RATSY REHETRA METY ATAONY. NEFA TSY FANTANY FA ANDRIAMANITRA ANIE MANANA NY FOTOANANY E KA SAO LAHY KA TARA LOATRA EO. MBOLA MISY NY FAMINDRAMPO RAHA TONGA SAINA HAINGANA FA REHEFA AVY EO DIA HO DISO TARA LOATRA KA TONGA AMIN’ILAY FITENENANA HOE : TAHAKA IZAY………..RE REY OLONA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *