MANOMANA GROS BRAS RAJOELINA HANAKORONTANA FIFIDIANANA

IMG_5917Ny zavatra homanin-dRajoelina hoy ny Ct Ralaimampisainarinony Manoela androany teny amin’ny Magro Behoririka dia ny hanakorontana an’i Madagasikara. Rehefa nivory hoy izy ireo kolonely dia nilaza fa hanomana “gros bras” hanakorontana ny fifidianana amin’ny 08 may. Ary avy eo  izy ireo hanome ny miaramila ny fahefana. Rehefa hanao ihany dia ny fihavanana malagasy atao hamahana ny krizy. Aza mangataka amin-dRajoelina hoy Manoela isika mpitarika hoe avereno ny filoha Ravalomanana Marc. Tantely hoy izy dia tsy hoe tsy nampidirin’ny filoha Ravalomanana Marc teto fa izy no tsy nety nody. Toy izany koa Maharante izay natahotra ny vahoaka tany Atsimo noho ny zavatra nataony teto. Izy hoy Manoela no nandroaka Merina sy nizara basy tamin’izany izay izy no governora nanitsakitsaka olona. Nandositra izy avy eo satria natahotra dia tsy sahy nody teto. Ny Cst Rakotoarivony Jean Pierre kosa dia nitondra fanazavana momba ny voalazan’ny ministry ny raharaham-bahiny tanzaniana omaly.  Misy « principe de subsidiarité » hoy izy ao amin’ny systeme ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikana, Vondrona Eoropeana. MIsy vondrona maromaro miaramiasa manapankevitra ary misy zanany iray ao ambany. Io principe io hoy Rakotarivony dia milaza fa ny vondrona aty ambany dia tsy manapankevitra irery fa mila ny vondrona any ambony. Vondrona Afrikana hoy izy dia efa nilaza tamin’izany fa ahantona tsy  ho mpikambana amin’ny Vondrona Afrikana isika ary mahazo sazy ireo 109 ka anisan’izany Rajoelina. Sazy iraisam-pirenena io hoy izy ary tsy afaka ho fidiana Rajoelina. Ny fanapahankevitry ny Cps dia mitovy amin’ny filankevitry ny filaminana ao amin’ny firenena mikambana.Ny 13 febroary teo hoy Rakotoarivony dia nanapankevitra izy ireo hoe ianareo Sadc manaova tatitra alohan’ny 1 aprily milaza hoe aiza ho aiza ny fanatanterahana ny andininy rehetra ao amin’ny tondrozotra. Ny antony hoy izy dia ahafahana mijery ny fepetra ho raisiny. Amin’ny maha ministra azy hoy izy dia afaka mamangy an-dRajoelina io ministry ny raharaham-bahiny tanzaniana io. Tsy mila adika fanidroany io tondrozotra io fa raha tsy tafaverina eto ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy vita tanteraka ny tondrozotra. Vita izay hoy izy izay vao manao fifidianana isika. Misy lalan-kizorana isika hatrany am-boalohany hoy ity mpanao politika ity dia ny hoe rehefa tonga i Dada dia izao no atao. Arafeto indray ary mamorona ho an’ireo tsy manana  ny rafitra. Misy antoko maromaro hoy izy ato amintsika ka hiara hiasa hanomana ny fifidianana. Araho maso indray mandeha ny lisim-pifidianana, ary miomana , aza misalasala fa tsy maintsy tonga i Dada.

39 réflexions sur « MANOMANA GROS BRAS RAJOELINA HANAKORONTANA FIFIDIANANA »

  1. Iza moa no ahasakana azy eo??manao izay tiany hatao anie izy e!!
    F’ angaha koa moa nisy filaminana mba noentiny teo no hoe: HANAKORONTANA????
    Ka hanakorontana no nametrahana azy eo , f’inona ary ity?? mba mody gisa daholo indray fa hoe: HANAKORONTANA???
    raha tsy mikorontana toy izao ny tany sy ny fanjakana tsy misy HANDROBANA sy HAMONOANA ny GASY mba hanomezana
    VAHANA ny MPANJANAKA.
    MAHONENA!!!!!

  2. ……na izany aza aza variana isika fa vazaha mody miady ireo
    fa samy olon’i frantsay daholo.Izaho indray dia tsy ahatoky ireo CENIT ireo aloha e!
    Tadidiko tsara domelina ilay nilaza ny tsy hanontaniana fa hoe: « mahaleotena ny CENIT. »
    ohatra ilay hoe » FITSARANA MAHAEFA NY FITSARAN’i zanakisoa ».
    Amiko dia midika zavatra be dia be ilay filazany azy io, mitonon-tena nefa efa fantatra fa TRANON-DAINGA.

  3. Ary fa mba inona hono r’Ingahy Manoela no ho ataon’Ingahy isany Rakotoarivelo sy Raharinaivo any « ivelany » ? Hiaraka hisaogany sy hitafatafa, sy hiomehy eny rehetra eny izany ry zalahy ? Kôpan-kôpan, bras dessous- bras dessus ?
    Nahazo fanasàna Ingahy Raharinaivo dia tsy maintsy nandeha, satria ve hoe eny aminy ny resypisse ?

  4. Inona no iray olana sisa ????
    F’inona no hidiran’i Manoela @ Volon’i Bėrta Tapaka lesy??? ( MDR)
    Hanontanio an’i Tahiry fa izy mahalala bebe kokoa ny momba an’i Mangidy ( Rakotoarivelo) tsy telin’ny
    vahoaka intsony.

  5. Tsy hoe amin’ny faran’ny volana mars ve no fetra farany nohomen’ny CPS ê ? MDR !!
    Izaho aloha dia mitovy amin’i Masindahy Petera ê ! Dia ho hita eo izay ho lazain-dry zareo, fa dia ho terena ho atao angamba ny fifidianana na dia tsy misy mpifanandrina aza !
    Raha misy candidats, dia tsy iza fa ireo mpanongana sy ireo « rehetra faly » tamin’izany fanonganam-panjakàna izany ihany ! Naman’ny mpanongana ihany koa izany ireo !

  6. Mahamenatra ity zavatra mitranga eto Madagasikara sady mampalahelo aleo mangina dia aleo samy hofaty any daholo!!!!na ny niveau intellectuel ny milaza azy avarapianarana rehetra dia NUL na NEGATIF!! ny vahoaka dia ZERO daholo satria manaiky fitondrana tarihan’ny zaza iray tsy manana bacc akory!!!RAHA IZAHO DIA TSY BAIKON’IO vendrana io,fa ianareo rehetra maneke!!!azy eo!!! VELOMA e!!!

  7. Aiza kosa e???aza mba manao an’izany na dia manao an’izany aza ny hafa!
    foza aiza ???mba matsintsiana fa sao dia tezitra eo Solo Razafy ka tsy ahazo vao2 tsara intsony.

    Aiza no tsy hihomehy Kintana a!

    Ahoana no dia mifandao sahady ry Masiteny a! hifonana re e! miverena fa dada aza efa tsy fidiny.

  8. Izaho manahy fa ho voavidy volaben ´ny frantsay i mamy rakotoarivelo ary ho lasa mpibaiko azy i raharinaivo.
    mijijy baolina mafy ny frantsay izao.

    Tsy gros bras hanakorontana ny fifidianana no atahorana fa ireo vazha 30 lahy ao faravohitra, mety ho miaramila izy ireo fa manao planina ny tranon´i Dada ao faravohitra,
    Ireo miaramila frantsay feno tanana, ary ny Israeliana, mety handray ny securité ao amin´ny seranam-piaramanidina Ivato.

    mampatahotra , sao planina ny hamonona ana´iDADa daholo izany. Rah hiaro an´i Dada aza ny vahoka , ny tireur d´elite miafaina no atahorana mafy .

    Sao izay sisa planin´ny frantsay, ampidirina mody i DADA fa ho taperina ny Ainy.

    mampatahotra, inona no ataontsika vahoka.

    Tsy misy afatsy ny fidinana an-dalambe ary fanonganana an´i rajoleina sy ny tariny no mety, rehefa miala ireo Foza rehetra ireo, izay vao miditra ia DADA.

    Ny fifidianana moa dia i Vital no mety efa voa-planin´ny frantsay.

    Tena mbola ny frantsay no mitantana ny fianam-pirenena , inona ny hevitra ??????? lany fanahy mbola velona ny vahoaka tompon´ny safidy sy tompon´i madagasikara

  9. Ary hitako no tena mamoifo ny sasany , hay raharaha maloto!!!
    atao ahoana fa izay izany!!!azy ny tanana, nefa ataoko fa misy tompon’andraikitra
    tsara ao fa dia tsy mietsika satria miandry SEZA, MAHONENA!!!
    Mangidy efa ela no efa tsy izy e!! mbola talohan’iny fanaovan-tsonia iny fa voan’ny RAIKIRAIKY i dada.
    Amiko tsy misy azo atao fa miandry ny sitrapon’i jiolahy politika, tsy maintsy hiariary anefa ny marina.
    Tansanie ve no mba hantenaina hitondra inona koa ny any aminy aza loza lavitra.

  10. Misajaona dit :

    – Aza mangataka amin-dRajoelina hoy Manoela isika mpitarika hoe avereno ny filoha Ravalomanana Marc. Tantely

    – Tsy misy afatsy ny fidinana an-dalambe ary fanonganana an´i rajoleina sy ny tariny no mety, rehefa miala ireo Foza rehetra ireo, izay vao miditra ia DADA.

    VOAVAKY SY EKENA

  11. ry vahoaka malagasy! raha sitrakareo! dia hilatsaka filoha hisolo an’i Andriamatoa marc ravalomanana ny tenako,handroso tokoa ianareo raha izaho ny filoha satria somary ngezangeza ihany aho, dia ataoko praiminisitra ny filoha Andry Rajoelina,ho tombotsoa ambonin’ny firenena no aoka hojeren-tsika,efa nifanaraka izahay sy andriamatoa ravalomanana ary nanaiky ny teniko izy fa tsy hirotsaka intsony satria efa antitra,tsy maintsy hakambana ny tim rehetra satria io no antokon’i dada na i raharinaivo sy ry meme ary, dia ho firana ny mfm sy ny teza ary ny association samihafa ary ny majorité silencieuse:koa raha sitrakareo dia alefaso amin’ny 0000000 pp-anarana sy toerana: Misaotra anareo vahoaka dondrona

  12. TSY MILA RESAKA MIODIKODINA INTSONY ,TSY MILA KABARY BE MAGRO NY VAHOAKA,

    FA RAJOELINA MIDABOKA NO HILAINY .

    ct ,cstt, leo ny kabarinareo izahay .

  13. MAZAVA!!!!!tonga dia ataovy koa hoe  » dada » fa tsy  » mama » dia
    mbola mazavazava kokoa, dia ho feno2 kokoa ilay FISANDOHANA.
    Tadidinareo tsara ilay izy nikabary teo @ Magro namiravira an’i Mėmė sy Raharinaivo???
    hay mifampisolelaka any ambadika any @’izao fotoana an????dia efa famonon-tena ny an’i
    Dada raha mbola ahatoky olona efa hita fa tsy hamokatra fa tsy sasatra ny MISOLELAKA.

  14. Misajaona! ry mpiara-mitolona !
    Aza matahotra!!!!Andriamanitra tsy manary ny olony,
    Matoa ireo MIZIRIZIRY sy MATAHOTRA MAFY ny hiavian’i dada dia fantany tsara fa
    TSY IZY IREO NO TOMPONY, fantany tsara ny HERIn’IZANY DADA IZANY fa matanjaka
    ny ANDRIAMANITRA MIAHY AZY.
    Vonovorona sady fomban’i frantsay io ilay manao tsindrio fa lavo io, FANDEMENA DAHOLO
    NO TETIKA @’IZANY, fa TSY HIKITIKA NY SINGAM-BOLON’I DADA IRAY EO IREO.
    ARAKARAKA NY HAGEGENA HASEHON’IREO ALIKA DIA IREO NO TOKONY ISIKA MBA
    HANAMAFY NY FINOANA FA TSY MAINTSY HANDRESY NY MARINA.
    KOA MITRAKÁ ZALAH a!!!TOHANO DADA FA ANY AMINY NY HERY VELONA SY MASINA
    AHAFAHANTSIKA MIALA @’IZAO FAHAVOAZANA IZAO.
    HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!!!TSY MAINTSY MANDRESY NY TOLONA!!!!AMEN!!!

  15. Anga re vitany hoe « Hadaboy i domelina »???
    Ka ny frantsay no mampiasa an’i domelina = rehefa tsy ny fotony no tapahana dia handrombona eny ihany ny sampany sa???
    Izany hoe rehefa mbola hisaina toy ny nitaizana antsika, « à la franco-française » dia tsy hisy fiovana e!
    Antsika aloha no manatanjan-tena aingana dia indrindra koa mikaroka izay firenena manimpy tady hihantsapazantsika satria tsy vitantsika irery ny hifanohitra @ frantsay.
    Drafitra efa voalamina ela ny fanapotehana tanteraka ny filohantsika fa ny dingana hisehoany zava mitranga no miovahova kely etsy ho etsy.
    Dia izao franstay naka fanampinana any @ jiosy mba hanoherana izay firenena miseho hasahy hanohana ny filohantsika….domelina hampitsangatsanganana, manao « cinéma » @ izato « khipa » (asa rah izoa moa no fanoratra io)…dia ny malagasy lany fotoan mifanaretsak hoe mpivavaka domelina sa tsia!!!!
    Ka rehefa tsy hisy vonona hiova dia aoka re tsy hanimbazimba ny hajan’ny filohantsika ka hitaky aminy irery hanavotra ny firenena e! Tsy vitany irery kosa e!Efa izy irery vonona niasa, tsy ampy mpanohana mahatoky, nanomboka 2002 ka hatr@ 2008 no nahafahany frantsay nanaisotra azy. Efa 4 taona izao nahafahna naka lesona anie e!
    Efa ampy mihintsy kosa ny fanapotehana ataony frantsay sy ny voavidiny an’ny filohantsika.
    Raha mba nisy mantsy mpitolona afaka nandefa « drônes », eny Faravohitra fa tena tsy misy iray manao drafitra fiadina ( « stratégie »)
    Paika… rora, rora… vazana, vazan’omby…. paika tsy misy fotsiny afa tsy serasera sy vavaka dia izao……mazotoa ….

  16. Aza manao an’izany ianao Balita fa misy miasa mangina any,
    ary tsy hainao fa dada anie iny e!!!izy anie manana ny matanjaka e!!
    Aoka isika tsy ho KIVY oah!!!!!MATOKISA fa isika TSY MAINTSY MANDRESY!!!EFA FANTATRA IO raha VAO
    NIANDOHA FOTSINY NY TANTARA, « AZA MANARY TOKY ». HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA!!!!AMEN!!

  17. nathalie,
    niforona tokoa ny MATITA matotra ary marina ihany koa fa i..ilay voalazanao dia namadika azy ho antoko politika. Izy koa no an’isan’ny mpamorona io fikambanana io. Maro no niala tao @ MATITA na ny marimarina kokoa miditra ao @ ilay MATITA vaovao fa tsy nanaraka an’i..ilay voalazanao.
    Marihiko eto fotsiny fa ilay bandy kely iny dia nanaraka an’i Yves aimes, ary tena nihevitra ny haka fahefana mihitsy. Izay koa an’isan’ireo nanenina ka te hiverina saingy hanahirana ilay fandraisana azy ao @ Magro. Teny Ivato izy phatra nitsena an’i Dada sy Lalao Ravalomanana.
    Mbola tanora loatra angamba dia solafaka etsy sy ero.. fa mbola manohana an’i Dada izy.

  18. Efa zava-dehibe izay fanoanana an’i dada izay sa ahoana hoy ianareo???
    Izay tsy nanonta no aoka hitora-bato, tsy dia harako loatra ilay resaka fa
    MATITA dia efa nivadika no fahafantarako azy , nefa dia mba azo nolazaina ho mafana fo ihany,
    eny e! fa soa lavo ahay hamindra, ary mbola tsy tara, MIVERENA DIA RAISO NY ANDRAIKITRA
    ZALAH a!!aza mamerina intsony, ataovy afo nandoro ny lamba.

  19. TSY MPAMADIKA VELIVELY NY MATITA FA VOAFITAKA,RAHA TENA MPAMADIKA I AINA TSY NANANGANA NY MATITA HO ANTOKO FA NIDITRA ANTOKO GMMR ARY EFA MBA HITANTSIKA TENY AN-DAMOSIN’I MEME FOANA RAHA TENA MPAMADIKA,TOKONY AHAY HANDANJALANJA ISIKA FA MISY TENA MANISY SIRA TROP LOATRA,ARY NY MATITA MATOTRA DIA EXTREMISTE TSY MAHALALA AKORY IZAY FIFANDRAISAN’NY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA ,TANDREMO FA METY NY OLONA OHATRAN’I AINA INY NO METY HO LASA FILOHA AORIANA KELY FA AZA DIA ZATRA MISINTONA OLONA MIDINA ISIKA SURTOUT MBOLA TANORA KELY IRENY VE DIA EFA ENJEHINA MAFY OHATR’IZANY? ALEO MBA MANDINIKA LALINA ISIKA FA MANJARY MANIMBA ZAVATRA,MBA FANTARO IHANY NY HOE MPAMADIKA SY TSY MPAMADIKA FA NDRAO ILAY MIARA MISAKAFO AMIN’NY RAJOELINA AO IREO NO LASA TSY MPAMADIKA,

  20. ‘nga hay intsony eto iza no marina sy diso fa mila MAILO FOANA!
    Dia ahoana koa no hoe: Presidà sahady ???izany ve no lazaina fa mba FAHAMATORANA??
    Dia haveriko aminao ihany ny teninao ry Z D 100% fa mba  » tokony handanjalanja isika rehefa
    miteny ……. » manjary manaratsy zavatra na tsara aza no lazainao.

  21. Satrobory koa dia anisan’ny efa namadika nefa dia io izy io
    tsy menatra ny mikabary ao @ Magro nefa izy mihintsy no nanenjika
    an’i Magro t@ izy nivadika tany @ foza tany ( mbola voarakitry ny video any izany)koa maika fa i Aina???
    sady izaho koa mahalala fa mbola maro ny olona Tia azy ary RAHA TENA VONONA ny HANARINA izy
    ataoko fa tsy HITAKO IZAY OLANA fa i Charles aza anie navelan’ny olona ny helony e!!FA KOSA……..
    TSY MAINTSY AO ILAY FINIAVANA ho hita maso. Amiko aloha an!!!

  22. Zanak’i dada100/100 ?
    Antoko vaovao anefa amin’izao fotoana izao, atao inona ê ? Satria hitam-poko ary hitam-pirenena fa tsy mamokatra ary tsy manao ny asany ary tsy mandray ny andraikiny ry zareo ao amin’ny TIM ?
    Mety misy fahamarinany ny anao fa….amarino !
    Amiko manokana, fikambanana na vondrona miaro ny ara-dalàna, manohitra ary tsy manaiky ny fanamaivanana izany hoe fanonganam-panjakàna izany, ary indrindra mitaky ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana NO TENA ILAINA FA TSY ANTOKO VAOVAO !

    Averiko eto, fa amin’ny rariny sy ny hitsiny, IZAY OLONA REHETRA MIROTSAKA HO CANDIDAT, ARY INDRINDRA TSY MANAIKY NY FANDRAISAN’NY FILOHA RAVALOMANANA ANJARA AMIN’NY FIFIDIANANA, DIA MPAMADIKA SY MPIVAROTRA TANINDRAZANA DAHOLO ARY MPISOLELAKA FRANTSAY, IZAY MISEHO HO TENA FAHAVALO AMIN’IZAO FOTOANA !!

    Tsy mila fanazavàna firy izany ho an’ny olona mieritreritra, ary malagasy mitsinjo ny hoavin’ny taranaka sy fara aman-dimby !
    Raha mirotsaka ny ekipan’i domelina, dia tsy mahagaga satria fahavalom-bahoaka, anisan’ny mpanongana !
    Ary averina eto fa ireo TGV ireo, dia ANISAN’IREO MPANONGANA ( izany hoe tsy ireo irery no nanota-fady ) !

  23. Fanampiny ! Tolona amin’izao fotoana izao no tena tokony jerena sy atao, fa tsy fitadiavan-tseza ! Tsy misy seza ho azo eo, raha ny devoly no hanjàka lava eo !!!
    Tonga ho azy eny foana ny valin-kasasarana, ary ho hita eny foana ny tena miasa sy ny mpanao TAY-KAFE (Izay efa miampy sigara any amin’ny toeran-kafa ) !!

  24. Ho an’i Masyteny !

    Marina dia marina daholo ny voalazanao, ary indraindray dia mahakivy marina ny zava-miseho indrindra indrindra ny fihetsikin’ny malagasy manoloana an’izao fahavoazana, sy loza amin’atambo izao !

    MISY DIA SAHY MODY MISEHO HO DONDRONA MIHINTSY AZA, NA MIAFINA AO AMBADIK’ILAY HOE TSY MPANAO PÔLITIKA, MBA HANAFENANA NY ANKANOSÀNA !
    AHIANA HO MPISOLELAKA AZA, ARY EO KOA IREO MISEHO HO « PLUS ROYALISTE QUE LE ROI » !

    Tohizo ny tolona « ranamana », ny hakiviana dia tsy inona akory fa fandresen’ny devoly sy ny fahavalom-bahoaka !

    Ho an’ny daholo-be ! Tsy dia nankasitraka an-dry zareo sôvietika ny tenako tamin’izany androny, fa mba misy zavatra iray hitako tena mitombona voalazan-dry zareo taloha : LA RELIGION EST L’OPIUM DU PEUPLE !

    Amiko dia izao : mangataka ny rehetra MBA TSY ANDANY ANDRO AMIN’NY FIVAVAHANA, NA KOA HOE NY FIVAVAHANA NO ENTINA MANOHITRA AN’IREO MPANONGANA, NA KOA HITAKIANA NY ARA-DALÀNA !!!

    Mijaly ny vahoaka, noho izany dia tolona mazava sy hita maso atrehina fa tsy azo atao no miantehatra amin’Andriamanitra IZAY TSY HITSARA RAHA TSY AMIN’NY ANDRO FARANY !!
    HO FAKY KOKOA IZY raha mahita anareo tena manao zavatra TSARA, ho an’ireo mpiray tanindrazana aminareo !

  25. Un soldat doit être un homme digne de ce nom ! Oui mais comme dirait l’autre, dans les casernes et surtout lors de campagnes militaires, malheureusement il y a ceux qui mordent la poussière. Mais il y a aussi ceux qui mordent la paillasse en bonne femmelette, puisque le cou est réservé uniquement aux plus forts !
    Aussi, afin de mettre tous les soldats à peu près sur le même pied d’égalité, et pour qu’ils soient plus efficaces, la panoplie du soldat ( même du temps des romains ) devait et doit être la même pour tous ! Une paire de bottes, une belle tenue, un fusil, et….une poupée non gonflable de préférence (invention récente) !
    Paraît-il que même cette vénérable institution qu’est l’ONU, ne s’était pas gênée pour jouer à la mère maquerelle, afin de satisfaire les besoins de ses valeureuses troupes !
    Nul n’ignore que des militaires sont en mission dans l’Océan Indien, et plus exactement au Nord de Madagascar, et que ces gars-là en bons militaires, ont des besoins aussi grands que leurs désirs d’en découdre avec les pirates somaliens !
    Toujours est-il que ce ne sera pas du côté de la Somalie qu’ils trouveront ce qu’il faut, pour tromper copines, femmes ou ennuis ! Mais où alors ??
    Et ces jeunes filles ou femmes malgaches, recrutées à tour de bras pour des contrats mirobolants, à destination de tel ou tel pays ? Est-ce que l’on nous dit toute la vérité ?
    Le nord malgache, ou des quartiers comme Soanierana ou Ambohitrakely ou Avaradoha (quartier d’un illustre PT) demeurent inoubliables pour certains ! A défaut du pied, prenez votre temps !

    Documentation très instructive : « Putains de guerre » !

    http://www.france3.fr/videos/77488410

  26. Fehiny, rahatoa ka afaka nanaraka tsara an’izay voatantara sy voalaza tao anatin’io horonan-tsary io dia :

    – Fisaorana manokana no atolotra ho an’ny Filoha Ravalomanana, mbola nisakana ny miaramila avy ao amin’ny SADC, na miaramila avy any amin’ny firenen-kafa, « hanatitr’azy » ! Raha tsy nanao izany izy dia efa… lasa 24 millions no isan’ny mponina, na koa 18 millions satria matin’ny SIDA daholo !

    Miaiky anao aho Andriamatoa Filoha, fa tena hita fa mitsinjo lavitra ny hoavin’ny vahoaka malagasy ny sainao !!

    – Raha mbola tia tanindrazana ianao ramalagasy, dia raiso ny adidy lehibe izay niandry anao, efa efa-taona izao !

  27. Eny oah! tsisy miala eto! aza mandeha izany ry Masiteny a!!
    Hay nisy izany vao2 izany ve ry zareo??tsy nanaiky dada ny hanateran’ny
    miaramila vahiny azy???hnnnnnn……dada a!!!lahitokana ny aina e!!SADC ekeko fa mba hafa
    kosa e!!tena miaiky anao aho dada a!!izaho koa mahatoky ilay hitokianao!! »Sambatra hono izay
    MINO NEFA TSY MAHITA ».dia misitri-belona aho raha izaho ireto foza maheno izany.

  28. fehiny hadaboka radomelina henjehana ny frantay rhtra eto mada de foana ny fotony sy ny ratsamanjaikany e,ny ambiny mora ny mamono azy

  29. efa samy resy lahatra dhl isika fa tsy fotoanan’ny kbr intsony zao fa fotoanan’ny asa hoy DADA izay ka alao hery ary ry namako o!!!ny mora kivy tsy mba namako an….tairo ny sera fa zahay koa mba efa leo an…te hahita foza mitsaoka izahay an

  30. Fa misy inona Beloha a???mandamina fotsiny fa tssssss
    inona ary ity????tsarovy fa isaky ny manao zavatra tsy ambina
    ireny ireo dia efa MIADY LAVAKA LALIN-DALINA KOKOA HATRANY HILEVENANY hatrany @ fara-HAIZINA
    SAHAZA AZY indrindra.Misy fotoany ny zavatra rehetra ary mino aho fa efa tsy ho ela intsony matoa ireo
    MIAKAPOKAPOKA toy izao.

  31. FANONTANIANA: IZA NO MPAMADIKA ZAO, ILAY AO ANATY FITONDRANA, NA TIM IO NA MFM IO NA MF3FM IO NA TEZA SA NY ETY IVELAN’NY FITONDRANA,NY VAHOAKA,NY MAMIFI,NY VAMI,NY MATITA,NY VOT,SA IREO GADRA POLITIKA MAHERY FO? valio ary alefaso sms haingana fa maro no te ahalala ny hevitr’isika malagasy

  32. FANONTANIANA: IZA NO MPAMADIKA ZAO, ILAY AO ANATY FITONDRANA, NA TIM IO NA MFM IO NA MF3FM IO NA TEZA SA NY ETY IVELAN’NY FITONDRANA,NY VAHOAKA,NY MAMIFI,NY VAMI,NY MATITA,NY VOT,SA IREO GADRA POLITIKA MAHERY FO? valio ary alefaso sms haingana fa maro no te ahalala ny hevitr’isika malagasy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *