MANOMBOKA MARARY SAINA RAJOELINA

IMG_6554Miandry ny fandaminana avy amin’ny mpitarika sy ny fianakaviana isika hoy ny Ct Ravelonanosy Mamitiana androany teny amin’ny Magro Behoririka momba ny fitsenana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana. Miomana isika zanak’i Dada hoy izy fa tsy maintsy raikitra ihany ny sms sy sioka tokana. Raha mbola tsy vita ny tolona hoy izy dia tsy hijanona, ny Magro. Tsy nisy didy fampisamborana hoy Mamitiana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ka ahoana ity andininy faha 20 ity hoe retour sans condition. Raha izany tsy misy fepetra izany hoy izy dia miditra toy ireny olona . Manomboka marary saina Rajoelina ary eo no manahirana satria manomboka hiady amin’ny adala . Vonona mandrakariva isika hoy izy fa miomana fa kely sisa ny tolona. Raha tonga i Neny hoy ity olomboantendry avy any Ankazobe ity dia tsy hanaiky isika raha tsy tonga i Dada. Namafiisiny fa tsy misy fifidianana eto raha tsy tonga i Dada. Ankoatra izay dia nanafatra ny mitolona ihany koa ny tenany  fa fitiavan-tanindrazana no nanatanterahana ny tolona eto. Noho izany isika hoy izy dia tsy mandà ny tolona rehetra izay mandeha fa samy manana ny andraikitrany fa I dada miverina ihany ny antsika.

9 pensées sur “MANOMBOKA MARARY SAINA RAJOELINA”

  1. Fa efa ao ve neny sa tsa mbola e???
    Adala aiza e??mody adala ! hainy tsara ny mody mitapy
    rehefa misy TETIKA RATSY KOTREHINY dia avy eo rehefa azony izay tadiaviny
    dia mody Gisa.

  2. Tena mba nihetsiketsikka araka ny tokony ho izy ny ankolafy Ra8 t@ ity volana ity. Mila tohanana sy hamafisina izany. Izay kely vita aloha atao fa ny manetsabe mbola ho avy. Manetsa be ? ny fiverenanan’ny Dada, ny fianjeran’i Rajoelina, ny fivoahana @ Krizy, ny fandrsen’ny tolona.. manetsa be mbola ho avy e. Aleo aloa atao arifomba ity fitsenana an’i Lala Ravalomanana ity. i Bitro-voalavo mpandainga mantsy nametraka fepetra ka izany no mila toherina hatre@ farany. Hatreo aloha isika izay..4
    Samy tokony hiomana isika, handresy lahatra ny manodidina, hitondra ny faka-tsaray sy ny oronan-tsaray izay manana, ny filanjana soratra be, ny ankanjo sns… Manantena aho fa ho matotra ny fikarakaran’ny mpitarika.

  3. Aleo koa tonga dia lazaiko eto ity fanakianana ity na dia mandeha mialoha aza,dia fantatra fa hitranga. Ho avy indray izao ny sasany, ary mety i Neny mihitsy aza hanao hoe : « Andriamanitra no nahatonga azy….. »
    Isika Malagasy dia tokony hihezaka hiala @ ity fadraisana an-tendrony sy fanarahana ara-bakiteny ny fivavahana ity. Aleo hoan’i Kaisara izay an’i Kasaira ary hoan’ny fivavahana izay hoan’ny fivavahana e…
    Tsy izany mantsy fa eo am-pikarakana izao, dia mandeha be sahady ny hoe valim-bavaka e, fitahian’A/tra e…. ka nahatonga fifandirana mihitsy…. sainy tsy izany no zava-dehibe fa ny tolona, ka dia aleo mifandefitra ihany sady mitovy koa ny tanjona..

    Basy hatifi-kavana iny (fa izay no tranga omaly,mahafantatra ny tenany ny voakasika @ izany)

  4. Miala tsiny rahatoa ka ato no atao ny fanehoan-kevitra, satria tsy afaka manao an’izany ao amin’ilay « tena sujet » !

    « Me Hanitra Razafimanantsoa : Fampiarana ny andininy 20 ny fodian’NY Lalao Ravalomanana ».

    Ho anareo rehetra « Mpahay Lalàna » ! Niaran’ny sazy angaha moa izany i Ramatoa Lalao Ravalomanana ? Inona no hidiran’ilay andininy 20 amin’izay fiverenany na tsia ???

    Firenena iza na aiza no « managadra olona mpivady », rahatoa ka HITA POROFO MARINA fa meloka, ary hiaran’ny sazy ny iray amin’izy roa ?
    Tokony ho any am-ponja daholo koa izany ny vadin’izay rehetra nogadraina, ireo izay lazaina fa noho ny antony pôlitika, na koa ireo rehetra izay nanao heloka be-vava ?

    Mba lazao kely, fa dia tena very amin’ity tsy fahaizana ity izahay, indrindra fa ny tenako !!!

  5. MILA MANALA AN’I MAMY RAKOTOARIVELO SY NY TARINY AO AMIN’NY FITONDRANA IANAREO ZANAK’I DADA IZAY VAO TAFODY ETO DADA,SATRIA IREO NO TENA SAKANA FA TSY I RAJOELINA IRERY IHANY,AMPITAPITAO FA NA IVAZAVAZA MANDRITRA NY FOLO TAONA EO ISIKA,RAHA MBOLA MIARA MIHOSONA AMIN’NY MPANONGAMPANJAKANA AO IREO MVC R8 SARITSARINY IREO,DIA ETO FOANA ISIKA,AMPITAPITAO E

  6. samia mivavaka ho an’i Lalao Ravalomanana isika mba atongavany soamantsara eto Madagasikara e,
    Za mino fa tsy ho ela intsony dia lany henatra ireo foza ireo,
    kely sisa ny no andron’ireo eo amin’ny fitondrana e,

     »MILA MANALA AN’I MAMY RAKOTOARIVELO SY NY TARINY AO AMIN’NY FITONDRANA IANAREO ZANAK’I DADA IZAY VAO TAFODY ETO DADA,SATRIA IREO NO TENA SAKANA FA TSY I RAJOELINA IRERY IHANY,AMPITAPITAO FA NA IVAZAVAZA MANDRITRA NY FOLO TAONA EO ISIKA,RAHA MBOLA MIARA MIHOSONA AMIN’NY MPANONGAMPANJAKANA AO IREO MVC R8 SARITSARINY IREO,DIA ETO FOANA ISIKA,AMPITAPITAO E  »

    mety hisy fahamarinanay ihany ny teninao fa tsy ireo akory no manao anzany fa ny ekipan’ny foza.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *