Me HANITRA RAZAFIMANATSOA : TSY FANTARY RAJOELINA IZANY ATAO HOE  » VIDIN’NY RENY  » IZANY

IMG_5764

IMG_5764Ny vehivavy no nikarakara ny hetsika androany teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Nisy ny dihy sy ny hira niarahan’ireo vehivavy nanao teny an-toerana niaraka tamin’ireo Cst sy Ct vehivavy. Vehivavy avokoa araka izany no nandray fitenenana tamin’izany. Anisan’izany ny filoha lefitry ny Cst ny Me Razafimanantsoa Hanitriniaina. Hindraminko hoy izy ny tenin’ilay manampahaizana iray hoe: « Ma femme est un homme pôlitique », toy izany hoy ny zanak’i dada, vehivavy mafy toto. Hitantsika tamin’ny gazety hoy Me Hanitra fa resabe ny mikasika ny Madame Lalao Ravalomanana momba ny reniny marary. Ireny isika vehivavy, fa sarobidy izany reny izany ary maharary. Misy tantara fantatra kely ihany hoy izy mahakasika an’i Zandrikely tany am-pianarana. Efa tamin’izany no nahafantarana ny toetrany ka tsy fantany izany vidin’ny reny izany. Raha toa moa hoy izy ka tamin’ny fotoana naharary ny rafozam-baviny ny hoe tsy nahazo mandevina izy , zakany ve izany. Fanintelony amin’izao hoy ity olomboantendry ity no narary ny renin’ny Madame Lalao Ravalomanana. Ny zavamisy hoy izy dia efa narary izy tamin’ny fotoana nodian’ny Madame Lalao Ravalomanana teto. Ny anton-diany tamin’izany dia ny hitsidika ny reniny tsy salama ary efa nifarahana tany Seychelle hoe raha mody any ianareo dia tsy sakanako hoy zandrikely.  Tamin’ny Tala hoy Me Hanitra no niditra hopitaly Bebe Razay fa izay no fiantsoana azy. Efa noresahiana tao amin’ny filankevitry ny governemanta hoe hody Madame Lalao Ravalomanana fa marary ny reniny. Nisy olona iray nilazafa fa aleo aloha tenenina ilaikely. Antony fahasalamana ity fa tsy antony politika, ary nangataka fihaonana nefa tsy noraisiny fa hoe antsoiko ianao. Aretina ve hoy Me Hanitra miandry anao. Niala nenina ny filohan’ny ct Mamy Rakotoarivelo hoy izy sao indray rehefa tonga eny Ivato Madame Lalao, izay azontsika ampidirina izy kanefa sao misy manao zavatra hafa. Namaly ilaikely hoe aleo dinihana lalina izany. Tsy fantany hoy ity renim-pianakaviana mpanao politika ity izany hoe vidin’ny reny izany. Tsy misy fitiavana novolena teto fa alahelo. Ianao hoy izy miseho mihanakendry dia hoe izahay no hiantoka ny aina sy ny zavamisy.Fahatahorana ilay vehivavy  » homme « politika izany. Madame Lalao no tsy nanao politika hatramin’izay hoy Me Hanitra fa ny vadiny. Azo eritreretina izany ny hanaovany politika, fa izay izany ny fahitan’izy ireo anao.
IMG_5762Nilaza ihany koa ity mpanao politika vehivavy ity fa Madame Lalao Ravalomanana dia saika hiditra mivantana teto androany fa feno dia feno ny fony, malahelo. Aleo hitan’ny havany eo ny ataon-dRajoelina. Izay ilay olona modely ary izy no nahatonga ny firenena toy izao. Raha manana olon-kendry isika hoy izy dia tsy ohatra izao ny firenena. Isika dia mivavaka ho an’ny Bebe Razay, fa faniriantsika dia mbola hihaona izy sy Madame Lalao Ravalomanana.  Isaorana an’Andriamanitra hoy Me Hanitra fa mbola afaka mamangy azy ny havany. Ny zavatra ataony amintsika dia mbola avalin’Andrimanitra amin-dRajoelina. Ankoatra izay dia nampahafantatra ny fivorian’ny Cps tamin’ny vahoaka ihany ny Me Hanitra. Nisy olona hoy tany ho any nangataka tamin’ny vondrona afrikana amin’ny anesorana ny sazy 109. Nivaly ny fivoriana tany niangavy ny kaomisiona izay manaramaso ny tondrozotra izy ireo hanao tatitra amin’ny Cps, momba ny fampiharana ny tondrozotra indrindra ny andininy faha 20. Dikan’izany hoy Me Hanitra dia tsy miala io sazy io raha tsy tonga i dada. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy tany Maputo tamin’ny herinandro, izay no hilazana fa afaka mivezivezy izy. Any amin’ny internet any dia mbola misy milaza fa tsy afaka mivezivezy izy. Efa nambara hoy izy fa na ny photocopie aza dia omena raha ilaina izany saingy tsy omenay. Alamino aloha ny ady nareo ao. Momba ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc dia nambarany  fa tany am-piadohana isika nanana ahiahy tamin’ny Ceni-t. Amin’izao fotoana izao izy ireo efa niezaka nindrikina tamin’llaikely. Isika hoy Me Hanitra efa miomana amin’izany fifidianana izany. Ny filoha Ravalomanana Marc rehefa tonga eto dia izy ihany no milaza ny hisolo azy. Raha sanatria hoy izy manao adalana izy ireo dia tsy misy mandray anjara amin’ny fifidianana sy mandatsaka olona. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy efa niteny fa rehefa tonga eto dia manao fifidianana isika. Noho izany dia tokony hisoratra anarana isika. Ataontsika vaidohan-draharaha io fa tadidio ny halambato manaram-penitra dia manaraka azy foana. Tsy maintsy misoratra anarana isika hoy izy ary eo koa ny fanarahamaso any amin’ny fokontany, kaomina satria ohatry ny tsy mandray andraikitra isika.

25 pensées sur “Me HANITRA RAZAFIMANATSOA : TSY FANTARY RAJOELINA IZANY ATAO HOE  » VIDIN’NY RENY  » IZANY”

  1. Aza atao Zandrikely izany maitre fa tsy manana zandry devoly lahy tahaka aanio izahay. Tsy manan-kavana alika tahaka an´i Andry rajoelina ny vahoakan´ny MAGRO sy ny Vahoaka Mlagasy nampahoriany

  2. Mbola averiko ihany fa i Rajoelina anie dia nivaoka avy any ivelany é ary izany mihitsy no mahatonga anazy haotranio;tsy ao intsony ny sainy fa efa tangoronan’ny DIAVOLY.Ny volony io foana no dilirany « GEL » fa raha izany fitiavana tanindrazana izany dia tsy misy mihitsy.Ity misy poezia kely.

    Tena marary tokoa ny reniny lalao
    Porofonizany io sary nalefany i my dago mahonena tokoa akory atao
    Indrisy, sendrany ny tovolahy, tsy misy fahaizana, be marenina, be loha miseho ho mpanjaka
    Nefa ange atsy ho atsy ary tsy ho ela intsony fa ho rava daholo ny fahefana nangalarina ilay akoholahy fataka

  3. fantan-dRajoelina Andry Nirina ny vidin-dreny, fa amin´ny lafiny hafa kah!

    I Madagasikara aza namidiny ambongadiny vao maika ve tsy ho vitany ny hivarotra ny reniny ambongadiny sy ny hivarotra ny anamabaviny Voahirana ambongadiny sy mivarotra an´ i Mialy ambongadiny, ary ny mivarotra zanany vavy ambongadiny, jiolahim-boto lohana afera sy matim-bola iny ka mivarotra ny hananany rehetra e!. izy ary mao pelak mpivarotra ihany koa.

  4. qu’ont apporté les sanctions depuis 2009?les gens de la transition sortent et entrent comme ils veulent partout dans ts les pays;les salaires sont normalement perçus;les manarapenitra fleurissent;etc sinon la page va êtr pleine!et les américains sont tombés malades car la vie continue de plus belle à mada;echec et mat maestro ra joeli
    BORSALINO
    gordon@yahoo.fr
    41.188.22.88

  5. Misaotra an’i Tahiry mampatsiahy an’i Danamona ;izany ka vehivavy gasy !
    Azo atao hoe tafita satria nahay nisafidy fomba fijery afa ankoatry ny francophonie!
    Firy na lahy na vavy no antenaina ahay hanaraka azy ô ????
    Mila aman’arivo anie vao azo atao hoe hisy namana tokoa ny filoha M.Ravalomanana e!!!

  6. Tena bao ranjo mahafatifaty tokoa Me HANITRA. Sady manan-tsaina no Tena Tia Tanidrazana ary atokisan’i Dada fatratra .
    Tsy misy toa azy aloha e ! 😉 ! Aoka re Madama o !Ianao no fitaratra sy reharehan’ny Firenena .

  7. Mifona be aho Me Hanitra fa ity misy Foza be ( Njakatiana io !), mihira ilay hira. Aza ilay mihira no jerena
    …………….fa ny tononkira re e !
    Ny hira manaraka moa dia mba hira mahafatifaty ahy kosa ! 😉

  8. Itony ilay atao hoe : »RAHA VAO MITENY dia tay no mivoaka ny vavany » 🙂

    Ary ireo ilay milaza hoe manohana an’i Dada ireo :
    Raha ity moa ka i Mamy Rakotoarivelo tokoa no fidian’i Dada hisolo azy, dia mba ahoana ny ho fihetsikareo ?
    Aza fenoina tay loatra ny ati-doha e ! Efa tafahoatra ka mitady handoto ny hafa ! Hisolelaka ny divon-dRatsikirity no hiafarànareo !

  9. RAHA IZAO SARY TAO @ mAGRO IZAO NO JERENA DIA HITA

    -Ho miamatotra tsara ny malagasy @ Fitiava-Tanindrazana.
    -Hita ihany koa fa efa manomboka mandalina ny rivotra politika mitondra ny fiainam-pirenena. Misy maha tsara azy ihany ny fahoriana indraindray mba hatsapàna izany.

    Ny fiarahana sy FAHATOKISANA ireo Mpitarika dia sarotra tokoa, anefa ny FIRAISAN-KINA tsy ho hita raha tsy mandalo amin’izany.

    Loza ho an’izay Mampisaraka

  10. Ny Mpanaratsy eo ! Ny mpaporisika ny adala eo ihany koa !
    Aiza re ianao ry FIRAISAN-KINA e ?
    Hoy i Dada izay :  » Mitandrema fa be ny te-hanakorontana sy hampisaraka,
    KA MAILO IANAREO  »
    Dia hoy aho hoe : « Ato an-trano ihany no maro mpanakorontana sy be fialonana ry Dada a ! » Ny foza efa be mpahalala, fa ireo mamely am-badika mi-wawawa no tsy vanona  »
    Soa ihany fa efa hitanao izany izao ry Me HANITRA .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *