ME RAZAFIMANATSOA HANITRA : ANY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY PASSEPORT- NY

IMG_5232

IMG_5232Nifamotoana teny amin’ny toerana malalaka teny Amboanjobe androany ny Ankolafy Ravalomanana, nanatanteraka ny fifampiarabana tratry ny taona. Vahoaka marobe no nanohina ny antso tonga teny an-toerana, izay niainga tetsy Anosy ny fiara niraisaina ho an’ireo tsy nanana fiara manokana. Tao anatin’ny filaminana sy fifankatiavana tanteraka no nentina nanafanana ny lanonana teny an-toerana. Tazana teny avokoa ireo mpitarika toa ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, niaraka amin’ireo Ct. Ny filoha lefitry ny Cst Me Razafimanantsoa Hanitra, niaraka amin’ireo Cst. Ny Praiministra lefitra miasahana ny toekarena sy ny Indostria Botozaza Pierrot, sy ireo ministra Ankolafy Ravalomanana. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany ny Me Hanitra. Nampita ny fiarabana avy amin’ny filoha Ravalomanana Marc avy any Maputo ny tenako hoy izy. Misy milaza fa nalaina ny passeport ny, voaporofo anefa hoy izy fa ao Maputo izy ka iza no miteny ny marina amin’ity tany ity.  Hoy ny filoha Ravalomanana Marc, hoy ny Me Hanitra raha misy mitady ny passé port-ko dia omeko izy. Ny firaisantsika rehetra dia porofointsika izany ary atombontsika aty Atsimondrano io satria manomboka ny “compte à rébour”.

IMG_5231Misy mena sofina hoy Me Hanitra miteniteny foana hoe tsy mody ny filoha Ravalomanana Marc raha tsy vita ny fiidianana. Ampisehoantsika azy ny hery ary tsy misangisangy izany ny Ankolafy Ravalomanana. Efataona hoy izy izahay niandry azy ka izao ianao miteniteny foana tahaka izany any amin’ny biraon’ny filohan’ny Ct Mamy. Matoa hoy ity olomboantendry ity ny filoha Ravalomanana Marc any Maputo dia ny fodiany no laharam-pahamehana. Avelao ho lany roar any ireo. Aleo ny fifampitokisantsika no apetraka na eto na eny amin’ny Magro. Aleo samy ho hitan’ny havany eto. Misy milaza hoy ity mpisolovava mpanao politika ity fa tsy nahomby ny diplaomatika nataontsika. Avelao hoy izy ho hitantsika eo fa aza mitebiteby isika amin’ireny zavatra ireny. Ny hery dia tsy tenitenenina fa hamafisintsika izany.

12 pensées sur “ME RAZAFIMANATSOA HANITRA : ANY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NY PASSEPORT- NY”

  1. Dia mba malazolazo kely koa izany balôma izany , ngaha dia tsy voatsoka intsony???
    Dia mankasitraka daholo fa nahomby indray ity indray mitoraka ity ary betsaka ny tonga saina
    Tohizo fa mahafinaritra RY VAHOAKA MALAGASY a!!mankasitraka daholo tompoko isany .
    Homba antsika Adriamanaitra ! ho avy tsy ho ela ilay fahafahana.

  2. Hisaorana mitafitafi ny vahoaka fa raha mba halalinina sy hazaina kely ity feheza-teny ity.
    « Ampisehoantsika azy ny hery ary tsy misangisangy izany ny Ankolafy Ravalomanana. »

    Raha vao milaza fotsiny i Dada ny daty ny hiverenany dia hikorotana ny foza ka dia handrasana mafy izany.

  3. Fanitsiana:

    Hisaorana mitafotafo ny vahoaka fa raha mba halalinina sy hazavaina kely ity feheza-teny ity.
    « Ampisehoantsika azy ny hery ary tsy misangisangy izany ny Ankolafy Ravalomanana. »

    Raha vao milaza fotsiny i Dada ny daty ny hiverenany dia hikorotana ny foza ka dia handrasana mafy izany.

  4. Faly aho aloha fa mba tsy niteny ratsy ny mpitarika indray ny zanak’i Dada mpisera mavitrika eto amin’ny mydago fa mba nankasitraka azireo izay isan’ny mpanomana ny hetsika. Tohizo amin’izay ny firaisan-kina e, dia mankasitraka anareo koa; Aleo ihany ho aho manambatra.

  5. Hoa izay tsy mahalala aloha dia tany Amboanjobe koa ny Pro-Ravalomanana. Ary ny hafatry ny filoha izay tena natao mihitsy hoan’ireo mpitarika, fa tsy izy iery ihany, dia ny hoe, »Atambaro ny hery, izay mitambatra vato.. » mino aho fa tsy hisy intsony ny fanilikiliana. Na samy mpitarika aza anie misy manaiky ireny faniliana ireny.
    Ny fahatogavan’i Dada dia tena hitambaran’ny maro, satria ny Zanak’i Dada dia ny maro @ Malagasy. Mandeha sahady mantsy izao ny tsaho hoe ilay jeneraly mpanao politika hono vono ny hisambotra an’i Dada raha vao tonga eny Ivato izy. Ajarantsika mpanohana no miatrika izany. Dia ho avelantsika hanao izany ve ily ragidro mitambasy io ? Tsy @ andro ahatogavan’i dada vao miomana va alohan’izany.

  6. citation :Ny Tena Andry tsy Domelina dit :

    10 février 2013 à 12 h 52 min

    ► Inona ilay tsaho ry Paris se déchaîne ? ◄

    ———
    Soa ihany fa nisy an’ireo namana mpitolona ao La Reunion ni_rassurer an’i Filoha Ravalomanana sy ny ankolafy Ravalomanana ( aingana tao Amboanjobe omaly iny)

  7. LAZALAZAO
    [QUOTE]Hoa izay tsy mahalala aloha dia tany Amboanjobe koa ny Pro-Ravalomanana.[/QUOTE]
    Toa tsy tonga tany Lili sy Botozaza koo !

  8. Bloemfontein, 5 February 2013 – South Africa’s highest court has rejected a final appeal by ousted Madagascan president Marc Ravalomanana to have his passport returned, it said in a statement.

    “The Constitutional Court has considered the application for leave to appeal. It has concluded that it is not in the interest of justice to hear the matter at this stage”, the court said in an order issued on Monday. “The application for leave to appeal is dismissed”. Ravalomanana’s passport was confiscated in September by South African prosecutors. A High Court ruled he would only be allowed to leave the country when he is invited to attend regional meetings. (Africa News)

    Dika amin’ny teny frantsay:

    Bloemfontein, 5 février 2013. Dans une déclaration, la Haute Cour de justice d’Afrique du Sud a rejeté la requête en appel du président malgache évincé, Marc Ravalomanana, à propos de la restitution de son passeport.

    Selon une déclaration faite lundi, la Cour Constitutionnelle a pris en considération la requête en appel. Elle a conclu que cette restitution n’était pas dans l’intérêt de justice, à cette étape de l’enquête. « La demande est rejetée ». Le passeport de Ravalomanana a été confisqué en septembre (2012) par la justice sud-africaine. La Haute Cour lui permet de quitter le pays (Afrique du sud) uniquement pour assister à des réunions régionales.
    Dika amin’ny teny malagasy :

    Bloemfontein, 5 Febroary 2013. Araka ny fanambarana nataony ny alatsinainy dia nolavin’ny Fitsarana Avo ao Afrika atsimo ny fangahatana ny hamerenana ny pasipaoron’i Marc Ravalomanana, ilay filoha Malagasy teo aloha.

    Hoy io Fitsarana Avo io: “tsy mbola ho tombontsoan’ny fitsarana io famerenana io pasipaoro io, amin’izao fotoana izoran’ny fanadiadiana”. “Tsy raisina io fangatahina io”. Tamin’ny volana septambra (2012) no nalain’ny fitsarana afrikana atsimo io pasipaoro io. Nilaza ny Fitsarana Avo fa tsy mahazo miala ao Afrika atsimo izy (Marc Ravalomanana) fa kosa mahazo mamonjy fivoriana izay karakaraina eny amin’ny faritra ihany.

    Averina eto izany fa fivoriana karakarain’ny SADC ireo fivoriam-paritra ireo. Izay no nafahan’i Ravalomanana mankany Maputo.
    Ka inona indray no mbola hambara amin’izao?????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *