MILALAO AFO RAJOELINA

IMG_5170

IMG_5170Nentina nandrebirebena vahoaka teto hoy ny Ct Hilarion Rarison androany teny amin’ny Magro Behoririka dia ny fanovana, izay lazaina fa 500Ar ny kilao amin’ny vary, 5000Ar ny litatra amin’ny menaka. Fanovana mankany amin’ny ratsy nno nisy satria tsy tanteraka ireo rehetra ireo. Raha jerena ny toekanrentsika hoy izy dia miiba raha ampitahaina tamin’ny 2008. Fandrebirebena vahoaka ihany koa no isy ao amin’ny lalàm-panorenana, izay lazaina fa 35 taona dia afaka milatsaka ho filoha. Tsy tody anefa izany hevitra izany. Rehefa natao ny etti-bola hoy Hilariona dia mbola hita tao ny eritreritry Rajoelina hilatsaka satria navangogo tany amin’ny Hajo ny vola rehetra. Rehefa noteren’ny fikambanana iraisam-pirenena Rajoelina tsy hilatsaka dia nilaza fa ny depioté no atao. Izany hoy izy no nahatonga ny ministera rehetra ho sahirana satria nahena ny teti-bola. Nanana eritreritra Rajoelina tamin’ny fifampiarabana teny Iavoloha fa mbola hilatsaka fa tsy tafa.Ireo mpitaty rà kena sisa hoy izy no mbola mandainga foana. Ny Ankolafy Ravalomanana  tsy mandainga izany satria ny filoha Ravalomanana Marc dia afaka mivezivezy na aiza na aiza. Momba ny fampianarana dia nambarany fa ny ministry ny serasera dia manana zaza 5 mianatra any Maroc, fa tsy nampoizin-dry zalahy hoe tsy misy vola. Ankoatra izay dia nampita vaovao ho an’ny vahoaka ihany koa ny tenany. Tamin’ny 2ora sy ssany hoy Hilarion dia nisy fiaramanidina tonga eny Ivato mitondra miaramilan’ny Sadc. Tsy te hilaza zavatra betsaka aho hoy izy fa misy antony ao.  Nahoana hoy izy no tsy sakanan’ny jeneraly Richard Ravalomanana, asiana Notam na hanaovana fanazaran-tena. Izany miaramila frantsay izay mivezivezy eto iznay dia tsy misy dikany amin’ny miaramilan’ny Sadc. Ny solontenan’ny Tim Antananarivo Renivohitra Raguy kosa dia nitodika tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Nanoem fe-potoana ianareo hoy izy hatrami’nny faran’ny volana Martsa. Izahay hoy Raguy tsy mila sazy fa miangavy anareo hanala an-dRajoelina. « Ampiharo ny force excutoire » fa miandry ny hetsika ataonareo izahay. Rehefa tsy misy dia tsy maintsy hitroatra isika. Ny Ct  Lova nantenaina dia nanambara fa milalao afo Rajoelina amin’izao fotoana izao. Izany reny izany hoy izy dia zavadehibe amintsika malagasy. Raha reny no atao izao dia milalao afo izy. Mitetika ny hanala ny Praiminsitra indray izy izao ka andrasana amin’ny resaka andramena. Milalao afo ihany koa izy hoy Lova fa ny sehatra iraisam-pirenena miandry azy.

22 pensées sur “MILALAO AFO RAJOELINA”

  1. LOZA ITY FIALAZAN I MAMY AO @ EXPRESS:

    Je suis étonné que la communauté internationale n’arrive pas à infléchir le président de la Transition sur le sujet. Que pouvons-nous faire d’autre »

    O!r i Mamy o ! aza miteniteny faona ,

    Miala tsy ho ao @ systeme daholo ianareo ?tariho ny vahoaka hitokona ,
    Dia Rajoelina hadaboka @ izay . hataoko fa mazava izany .

  2. Ha de mbola mandainga fôna nareo ato @ Magro ato a, de lazaina indray fa miaramilan’ny sadec no tonga kay SADEC nanome felaka tay maina anareo, Nanao ahoana izany voa,

  3. Hidaboka rahoviana i domelina, raha ny sasany variana mamerimberina ary mitantatra zavatra efa fanta-bahoaka ? Ny movansa indray ity no lasa manao dj, ary ho goaka ny diska amin’ny farany !

    Force éxecutoire inona no angatahana, satria ny an’ny mpanongana efa ho haisorina daholo ny sazy rehetra ? Ny tondrozotra hono efa tanteraka antsakany sy handavany, efa milamina ny tany sy ny fanjakàna ; ny Filoha Ravalomanana efa tsy misy mahafantatra sy mpiaro intsony ; ny fifidianana efa eo ampikarakaran’azy ny fanjakàna ary ny vahoaka efa vonona ny hifidy !

    http://www.tananews.com/asides/mae-tanzanien-a-iavoloha-les-conditions-sont-remplies-pour-la-levee-des-sanctions/

    Match FC Foza vs AS Bonobos : 10 buts à 0 !!! Cri de victoire des Bonobos, même s’ils n’ont marqué un seul but !! Même pas un seul tir cadré ! Rien d’étonnant, puisque les joueurs Bonobenêts avaient accepté de jouer avec des « godasses » pesant 60 kg la paire ! Et pire, le gardien de but s’était vanté de pouvoir jouer…avec les deux bras attachés, sans parler des 60 kg de paire de…godasses ! !

  4. Ra-x kay efa latsaka izay tsy ho latsaka atsy hihihiiiiiiiii
    F’inona indray ity vao2 ho entinao ity Kintana????izaho efa leo ny vao2 ao @
    Tananews ao lesy a! tsy mba misy vao2 mba mahafa-po fa resaka Fandemena sy fahakiviana foana
    tsy izany izao no hilaina fa FAHAFAHANA sy HERY MBA HITRAKANA.

  5. Ato ary, ny vaovao mety hahfaly anao ê !

    htt://www.lexpressmada.com/sortie-de-crise-madagascar/41093-la-sadc-se-demarque-de-l-union-africaine.html

  6. Dia mba mahagaga ihany itony fisainam-poza itony !

    Tao amin’ilay article voasoratra tao amin’ny lexpressmada :

    « Nous constatons que le CPS s’empresse de favoriser Marc Ravalomanana. Sa décision confirme les soupçons de partialité de sa part en faveur de l’ancien président », dixit une « source » proche du président de la Transition.

    Tonga dia « source de malheur » aloha no fahitàn’azy ê !

    Ary mbola hilàza koa io olona io indray andro any, fa mitanila ny Tribonaly rahatoa ka TSY MANOME RARINY AN’IZAY OLONA TSARAIANA, OLONA TRATRA AMBODI-OMBY NANAO HELOKA BE VAVA. NAMONO OLONA, OHATRA !!!

  7. Iza hono no tena manampy ny filohantsika e?
    Toa mavesatry ny tavy izany mantsy ireo na ny mislo vava azy na ny mitonona ho mpanohana azy akaiky indrindra sa diso fijery aho ?
    Afahafa loatra ity hiraka tampoka ity izay masahy miteny io « phrase » afakely mamarana ny « article »/l’express….
    misaotra an’i KintanaM manazava ny fika …

  8. dia tonga indray ny mpandrebireby hafa, ct … mba valio a raha nanome fanohanana an la s n fianakms ela i … n io
    mba fantatr ela ny vola raisin ct, aza mihaino izay lazain n olona fa jereo
    ny lohahevitra misy ho rohitina foana, ary ny fisian’ity lazaina fa reny ity no azony
    maninona raha mandrotska ela raha intelligent, saingy ela hoa de fitaovana, ary mbola fitaovana ela rapitso
    tohatra fiakarana rehefa te hahazo seza saingy le fika hanaovana an la totohatra tsy ho tafita fa dia « faire valoir » ela hatreto
    tsy maintsy tazomina eo amin’ny magro foana

  9. raha te hanomana seza (fifidianana), tokony efa niroboka tamina projet fikarakarana ny vahoaka izay hain’ialah foana ny tsy manadino azy rehefa manao kabary politika.
    mijaly ny vahoaka e, mahantra e (fa angaha vao izao reo no mahatra sy mijaly.

    ny tombon-tsoan’ialahy dia ny hiveren zay efa halan’ny olona hampanakarena an’ialahy misimisy kokoa. Dia rehefa ao elà sy n ekipan là dia mangina elà, mody manome zavatra kely etsy sy eroa fa mila misongadina.

  10. Tonga indray rajosefa, kapôralin’ny foza ! Nitsahan’ny foza atrany an-tampodoha, nataon’ny foza tohatra fiakarana, dia mbola miseho be kritika !
    Nandritry ny 38 taona, 5 taona fotsiny (2003-2008) ny vahoaka malagasy no nahita mangirana tamin’ny fiainana !
    Satria tsy tantinareo foza izany fahazavàna mba hitan’ny vahoaka izany, dia natao izay rehetra mety ho vita hiverenana any amin’ny haizina ! Na radio nitondra anarana hoe Fahazavàna aza dia nankatona !
    Misy antony matoa izahay mba miteny an’izay hevitray momba an’ireo hoe mpitarika ireo, fa aza dia manararao-mpoza !

    Ianareo foza no tena sampiô amin’ny fanaovana resake, resaka ê !!!

    Vakio fotsiny ny lahan-tsoratra nataon’ny gazety La Nation androany !

    Lohan-teny : MITENITENY FOANA TOKOA !!! Olona tsy misy apoaka kanefa dia be taim-bava etsy sy eroa !!

    Raha tsy ampy, dia ampio amin’izay voasoratra ao amin’ny gazety Basyvava !! Ny mandrava ihany no zavatra tena kapoakanareo foza, noho ny tsy fahaizana sy fialonana !!
    Moramoraina daholo na dia ny fankàna fitondràna aza, any ka hitsakitsahana atramin’ny safidim-bahoaka !!

  11. Nivezivezy tany Frantsa ity tanzanian
    tanzanian nahazo baiko…
    dia tonga eto indray mampita hafatra!?

    aiza no tsy antsoin’ny olona hoe: gena

  12. Taiza i HoAiza no izao indray vao hita ?

    « Ireo » tanzaniana, fa tsy « ity » ! Misy faly mandrebireby saim-bahoaka satria…..
    Izao fotsiny ry HoAiza â ! Dans tous conflits, armés ou non, le malheur des uns fait le bonheur des autres !
    Ireo lazaina fa mpanelanelana ireo, dia mahazo vola be, na iza izy na iza ! Eny fa na ry zareo ao amin’io atao hoe CENIT io aza ; misy milaza fa 2500 $ isam-bolana no raisin-dry zareo ao ! Ry zareo ao amin’ny SADC dia tsy lazaina intsony !
    Mbola ato an-tsaiko ireo izay lazaina fa Ray aman-dreny mijoro, nisakafo ary nitalapetraka teny amin’ny parking, tsy menatra intsony ! Asa raha tadidinao ?

    Ny CT sy CST moa efa hiara-mahalala fa dia faly ery ireo notsiponina avy any amin’ny tsy fantatro, nahazo titra sy karama be ! Tsy dia ireo olom-boafidy taloha no resahiko eto, fa ireo « niangaran’ny vintana sy ny fanonganam-panjakàna » !

    Dia mihevitra ve ianao fa misy maika amin’izay hahitàna vahaolana ry zareo ?
    Raha i domelina no resahina, dia satriny aza mbola hitohy zato taona izao krizy izao !

    Efa nolazaiko teto fa tsy tokony ny frantsay no omena tsiny voalohany, fa ny malagasy mpiray tanindrazana amin’ny tena !
    Ao anatin’ny krizy mafy izao ny frantsay, ary manao izay azony atao rehetra mba tsy ho latsaka any anaty lavaka ! Miaro sy mitady izay mety ho tombon-tsoany ry zareo, ary dia faly rehefa sendra an’izay vahoaka dondrona, manaiky hanao an’izay tian-dry zareo ho atao !

    Anjaran’ny vahoaka malagasy no manokatra maso sy saina, miaro ny fananany ary ny Tanindrazany !

    Gena hoy ianao ! Ny mampalahelo dia betsaka ny « malagena », ary ny tena tsy laitra dia ireo izay tsy vitan’ny hoe manantanteraka baiko fotsiny, fa ireo izay tena mpamadika tanindrazana, mpamosavy ; ry zareo indray aza no mikaroka izay hevitra ratsy rehetra, entina hanampiana an’ireo mpanitsakitsaka rehetra !

    Ny fanontaniana dia ny hoe : Mbola tena mitoetra ao ampo-ndramalagasy ve izany hoe fitiavan-tanindrazana izany, sa dia efa nivadika ho fitiavam-bola sisa ?

    Misy ireo mpivaro-tena izay indraindray mampalahelo satria sendra ny tsy fidiny, fa eo ireo izay tena faly ary tsy menatra satria vola be !
    Na izany aza, tsy mety ny mivaro-tena, ary tokony fomba hafa no tsara hitadiavam-bola !
    Dia mitovy amin’ny kôksa mihintsy ireto mpanimba firenena ireto !

    Mahatoky anao aho ! Taizao ary ampianaro tsara ny ankizy ê, mba hitoetra ao aminy izany hoe fahaizana sy fahendrena, ary fisainana mahitsy izany !

  13. Ka ilay toe-tsaina mihinsy no maha-gena fa tsy fanavakavahana akory.
    Efa nolazaiko teto koa io fa vola matoa ireo mitady fivoriana lava eo foana
    fa tsy msy zavatra mba ENTITRA raisiny.

  14. Ahoana indray izany frantsay lahy miisa telopolo ,manofa trano iray eo faravohitra eo akaikin´ny Jirama faravohitra, ary izy ireo dia mivezivezy foana eo amin´ny tranon´ny Filoha ravalomanana, Izany nyo hitan´ny vahoaka Faravohitra ka matahotra sy gaga izy ireo sao mercenera indray..

    Amiko, dia misy dikany ny fiovan-kevitra tampok´i Golgblatt . nilaza fa avereno mody ny sesitany rehetra ary ampiharo antsakany sy andavany ny FDR.

    Izao lazaina fa foana indray ilay fahazaran-tena saika nataon´ny miaramila malagasy 400 sy miaramila frantsay 400.

    Betsaka ny fanodikodinana ny lohan´ny Malagasy ataony frantsay.

    mampanahy tokoa ireo frantsay 30 lahy eny faravohitra, ary mety manamboatra tetika sy planina izy ireo eo amin´ny tranon´ny Filoha ravalomanana . ary tena efa akaiky ny fodian´ny Dada dia mety izay no mahatonga azy ireo eny faravohitra, Ka sao hanao planina hamono an´i DADA, Ary matoky aho fa miaramila Frantsay izy ireo fa tsy mano fanamiana.
    Tokony misy amin´ny mpiraika eny amin´ny Magro na vahoakan´ny Magro, mandamina ny momba ny andrimasom-pokonolona eny.

    manarak, Tokony miova fonenanan i Dada raha tonga fa tsy eny faravhitra mba ahafaty planina ny Frantsay izay miketrika zavatra hafahafa.

    Io fa mibaribary ny tanzaniana sy ny SADC efa voavidin´ny frantsay rehefa avy natsoiny tan Paris tahaka an´i chissano.

    Tena mahonena ary mampatahotra mihitsy fa tena tsy eken´ny frantsay ny fiverenan´i dada ho filoham-pirenena, sy hiverenan´ny fiainana´ny mlagasy amin´ny fahamarinana sy amin´ny tokony ho izy.

    Izao ny fanazaran-tena´ny tafika tsy nisy fa efa tafiditra ny miaramila frantsay betsaka, dia ireo koa ny miaramila Malagasy fa hanao hoe Oui Mose!!!!! Dia hanaiky hamadika ny vahoka sy hamono vahoaka raha izay no mety hamonoana ny afo raha misy ny rotaka sy filaharana.

    Ny Ameriana ssisa fanatenatsika, dia tsy mba afaka miteny sy mampitandina ny frantsay ve ny amerikana fa tena lalaovin´ny frantsay ny fiainam-pirenetsika sy ny hoavintsika, noho ny fitiavana hangalatra ny harentsika fotsiny,

  15. Inona ary ity???avelao hanao izay hataon any fa efa tsy misy hietsika.
    Manara-po ohatra ny banga mihomehy alina anie ry zareo fa efa MIBANAKA e!!
    misy miihaiinoooo???fampioroorona daholo izany mba tsy ahatongavan’i dada ka antsika no misaina .
    Ka rehefa miesona dia manana fotoana tsara izy anaovany izay tiany hatao sady malala tsara tsy misy
    mpanakana.Mody tsy miditra fa ny kobay an-kelika ihany ireto renikely, ka io ambasadaoro vao2 io
    mihinsy no tena mila ROAHANA raha msy hietsika fa rehefa tsy izay dia ……izay izany!!!

  16. Miaramila « Haut gradé » be no nanimpy resaka/boky nivoaka efa ela 4-5 taona izay; « infiltré » ny frantsay ny SADC, efa t@ izany fotoana.
    Documentaire efa ela koa niresaka fanohanany frantsya ny kandidat J.Zuma via Total.
    Sarko,nanasa ny filoha J.Zuma ho aty france ary nampandefa publicité momba SADC/TV frantsay.
    Sarko foana ihany, nandray ilay mauricien izay napetraka ho lehibe organisme hi-« contrer » ny SADC sao mibolila ary manamafy ny U.A
    Mbola fony Sarko ihany: Korean kely maso efa notambazany frantsay ka nahazo « 2ème mandat » fa kosa manaiky ny drafitry ny frantsay: dia iny sariny mifandray tanana @ bitrodomelina!!!
    Dia tohizan’i Flanby ny resaka ary hamafisin’ilai jiosy lahy Fabius: aFarany teo mody nalefa tany ONU indray domelina mba handrangitany frantsay ny bekintana manohina ny malagasy satria mifanandrina matetika ihany ny mpitondra jiosy sy bekintana.
    Mitoetra foan ny fototry ny fihetsika iraisam-pirenena mba hifangalarana ny tany manankarena nampahantrana aingan mba ho mora volosana: « guerre entre grandes puissances par pays interposé ». Asaivo hazavainy’ingahy G.Rabearimanana lalina kokoa io ho an’izay tsy naharay resaka toy izany avy t@ mpampiantra « histo-géo » tany @ « lycée »!
    Ary izao efa misy ity « z.internet » dia vao maika ahasoa ny tsirairay raha mba mikarokaroka ny zavaa-misy sy mamadibadika ny fijery ary indrindra mihezak mampita aizany ho an’ireo vahoka maro,tsy ampy fitaovana sy fotoana intsony handalinana fa sahiran à 1 kapoka vary hohanina.

  17. Efa miarihary be izao ilay fahakanosan’ny malagasy, mihesona be rehefa tsy varian mivavaka, KA dia izao mazava be izao koa ny fikan’ny frantsya:
    1- Sao tsy tody ny fika hanapotehana ny filohantsika via « crimes contre l’humanité »/ Cour Européenne, (toy ny nanaoavandry zareo an’i G’Bagbo)
    2- Dia mody miverina @ nolazain’ilay « mercenaire-ambassadeur ».
    3- Mody hoe « sécuriser »-ny frantsay ny fodiany mba ho madio imason’ny C.I + malagasy mora pepoina, ka hoe miara miasa @ SADC ry zareo.
    4- Mino aho fa efa feno « caméra-micro » sy izay fitaovana matanjaka ny fonenan’ny filohantsika izay tokony  » propriété privée » anie, sa tsy izay moa ry Me Hanitra?
    ** sady hitsikilovana ny filohantsika
    ** no ahafahandry zareo manoman drafitra afa toy ny famonona mihintsy.
    AZA ADINO fa ny frantsay no nandefa fitaovana matajanka ho an’i Khadafi mba hitsikilovany ny mpanohitra azy ary ireo fitaovaa ireo ihany no nampiasainy frantsay namonona azy.Asa inona moa ny anaran’ilay « société » frantsay io.
    Kilalaon-jaza ho any frantsay anie fa ny malagasy no variana lalandava.
    Ny fitaovan momba ny fifidianna sy ny olona voakarama manodidina, ohatra CENIT,(araky voalaza KintanaM eo ambony), dia efa voalamina vao tafala ny filohantsika…
    Tara e…Tara loatra e…ny fifohazany malagasy… dia hitsako tsy misy tanteraka …
    Tsy nisy nanao fianarana fitsikilovan bekintana na rainiboto na anglisy M5 sa firy izao moa, fa ndao isika mba hanova fisainana aingana ka hihatrika fomba fiasa vaovao raha tsy izay dia handihizany frantsay antam-pondoha foana… ary tsy hisy malagasy intsony
    Mbola hovan’ny frantsay indray ny anarana hiantsony antsika raha izao no mitohy an!
    Efa ry zareo no nandany fa malgache hono no tokony hiantsona antsika .

  18. ……sady aiza ilay ORDI ry Balita???
    Efa mba maromaro kosa aloha ny olona hitako manana ORDI
    any an-trano ao @ tanana ao fa saingy ohatra ilay varin’apango ihany io e?tsitsina fa tsy dia afaka
    mivalapatra , sady raha misy fotoana ireo olona dia ny lalao no andaniany andro eo na itony FB.
    Ny ahy aloha tena HIRIKO MAFY mba hisy hifanandrina aminy ireto frantsay fa tena MANJAKAZAKA
    manao ts’inontsinona olona nefa dia tsy dia MAKAIZA anie fa soavaly maty e!!ny tany mahantra no
    mba atao TOHATRA HIAKARANA FA VIZANA.MANKALEO!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *