NAIDITRA REANIMATION I BEBE RAZAY

bebe razay

bebe razayNiharatsy ny toe-pahasalaman-dRtoa RAZAIARIVELO Helmine na i Bébé Razay. Renin’ny Rtoa Lalao Ravalomanana, vadin’ny filoha RAVALOMANANA. »Tokony ho tamin’ny telo ora maraina teo no niova hafahafa ny toe-pahasalamany, misy zavatra tiany lazaina nefa tsy misy azo izay teneniny, lasa nivilana kely koa aza ny vavany » hoy ny zananany lahy, Atoa Faly tamin’ny resaka nifanaovanay taminy teny an-toerana.Voatery naiditra tao amin’ny réanimation izy vokatry izay , niezaka hijery azy izahay fa tsy nahazo niditra io efitrano famelomanaina io noho ny maha saro-pady ny toerana .Mihamarefo ny toe-batany na dia somary efa mba tsaratsara ihany izy omaly, hoy hatrany ity zanany ity.Manaraka akaiky ity vaovao ity izahay eto amin’ny MyDago.com ary dia mampanantena anao mpamaky fa hanome vaovao tsy tapaka hatrany.Mirary fahasalamana feno ho azy.

34 pensées sur “NAIDITRA REANIMATION I BEBE RAZAY”

  1. Mivavaka ho an’i Bebe izahay ary tokony mba hanao fotoampivavahana lehibe isika ao amin’i MAGRO ho fangatahampitahiana ho azy fa Reny hikambanana izy io ary tsy resaka politika na kely aza!

  2. Mirary fahasalamana tanteraka, ary mitrotro ambavaka, Andriamanitra anie homba anao ary hamerina indray ny fahasalamanao ! Ary matoky an´Andriamanitra lalandava isika , fa izy no tompontsika.

    Dia mbola tsy mbola nanome valin-teny ilay rajoelina tsy mataho-tody iny an ! Na ilay Mialy rajoelina miseho ho mpanao asa soa aza ,toa miara miziriziry amin´ny jiolahy vadiny io koa. Fiantsaram-belatsihy no betsaka fa mitetika ny hampanakarena fotsiny.

    Fialonanan sy fankahalana etsy an-daniny tsy laitra, mihevitra ny hanapotika ny fianakaviana Ravlomanana izy nefa ,andriamanitra tsy manaiky izany ka i rajoelina sy ny fianakaviany ary ny taranany efa voahozona no ho potika.

  3. Ny mahagaga dia hatr’izay mivavaka lava izao ! Mivavaka ho an’ny tanindrazana ê, mivavaka mba hivoahana amin’ny krizy ê, sns….!!!
    Mba nisy vavaka ve mba natao ho an’i Bebe Razay omaly, sa izaho no tsy nandre ? Miala tsiny aho rahatoa ka diso, na dia izany aza…. ! Ny fantatro dia toa nahazo ohatra, ka kilalaka sisa no tsy natao omaly, fa dia ireny hita ireny !
    Tsinjaka manara-penitra ! Faly tamin’ny inona anefa ? Vita ny krizy ???

    Mivavaka ho anao izahay, ary Andriamanitra hitahy sy homba anao, ary koa ireo malagasy rehetra izay hiaran’ny aretina, na aiza misy azy na aiza !
    Tsaroina amin’izany ireo gadra pôlitika tsy salama, kanefa dia tsy mahazo fitsaboina araky ny Lalàna velona iraisam-pirenena !

  4. mbola tsy hiady ve ilay malagasy amin’izao teo-dratsi-poza izao e ? ilay jolely tera- tsaka ( ho an-i Ranavalona, tena navoakan’ny vodi-tsaka i rajolely satria teraka kely loha sy soroka, samia mandinika ny sariny);
    tadidio fa i jolely nanao sonia fa contra ny peine de mort; izao kanefa rajolely mamono olona ray aman-dreny mivantana eo anatrehan’izao tontolo izao.
    mangataka ny GTT hanotratra ao amin’ny ligue de droit de l’homme, amnesty international sy ny fahefana rehetra UE, UA, ONU, UN, USA, …
    Enga anie mba hihatsara ny fahasalaman’i Bebe Razay. Mahereza tompoko.
    farany, MPAMONO OLONA I JOLELY BE DIA BE NY POROFO.
    raiso ny ampinga ry vahoaka malagasy fa ampy izay ny fatin’olona a!!!!!!!!!!!!!

  5. Dia mirary Fahasalamna feno ho an’i Bebe RAZAIARIVELO ny tenanay!
    Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha!

  6. Raha misy ny vavaka tena vavaka dia am-pahanginana. Fa Andriamanitra tsy any an-danitra araky ny resaky ny mpanao resabe fa ao am-pon’ny tsirairay. Hoy Jesosy, Andriamanitra ianareo satria Andriamanitra aho… ary izaho sy ny iray dia iray ihany sns… sao lasa resaka teolojia ilay izy fa ny tiako ahatongavana dia mba lanjao tsara ity resaka fivavahana ity foa lasa kabary ilay izy.
    Manarak’izany dia ny mihamamfy ny aretin’i « bebe » nohon’ny FAT ary efa marokoa ireo zanak’i dada tratran’izany , ary mihitsy aza no efa « nandao ». ka aoka hazava @ izay, fa tsy hanome na inona na inona i rajoelina ary tsy tokony hangatahina na inona na inona fa isika Malagasy no tokony hihetsika, sao maty tsirairay eto. Mila ahongana io jiolam-boto mpandainga io ary mila hetsika lehibe ny vahoaka.
    Efa fanatatra fa mpamono olona io ka tsy maintsy handalo eo anatrahan’ny vahoaka izany na @ alalan’ny fifidianana na @ daroka tsotra izao, na @ lalàna na @inona na @ inona fa ny tody tsy misy ka tsy maintsy haverina aminy sy ireo mpomba azy tahakan-dry Haja Resampona sy Rakrisy Mpams izany rehetra izany. Aoka isika samy hanao izay tandrifintsika ny @ fanoherana ireo mpandroba ireo.

  7. dia mivavaka ho an i bebe,mampahery ny fianakaviany,tsy irery ianareo fa tsaroanay am bavaka koa;ho an tsika rehetra manolo tena hivavaka ho azy ,dia aoka hadio ny fo,satria tsy hahita ny tavan’ny Tompo izay tsy madio am po.Avelao i domelina ho problemen’Atra ,fa fantany tsara izao habibian domelina izao,ary fantany tsara koa ny fitsarana hampihariny aminy .Mazotoa daolo,ary mahereza!

  8. AN’ANDRIAMANITRA NY AINA – FANTATRA ERAN-TANY ERAN-DANITRA IZAO IZA NO MPAMONO OLONA ! SOA IHANY FA MISY NY FARANY FA TSY ETO AN-TANY AKORY – SAMY HO FATY AVOKOA ARY NY TSY MAHALALA IZANY NO MAMPALAHELO INDRINDRA NY HIAFARANY.

    MAMPAHERY NY FIANAKAVIANA LALAO RAVALOMANANA IZAHAY REHETRA

  9. Mirary fahasalamana ho azy izahay vahoaka satria gasy mitovy aminay izy! izao lé tonga amin’ny fiteny hoe: Ny kary no nanao ny nataony ka ny saka no voatapa-drambo!!!

  10. « Efa fanatatra fa mpamono olona io ka tsy maintsy handalo eo anatrahan’ny vahoaka izany na @ alalan’ny fifidianana na @ daroka tsotra izao, na @ lalàna na @inona na @ inona fa ny tody tsy misy ka tsy maintsy haverina aminy sy ireo mpomba azy tahakan-dry Haja Resampona sy Rakrisy Mpams izany rehetra izany. Aoka isika samy hanao izay tandrifintsika ny @ fanoherana ireo mpandroba ireo. »
    Tena marina izany fa…..
    Ho avy indray ny « sasany » hoe : Madio ny foko e ! Efa nangataka fifonana izy e !
    Dia mba eritrereto izao ataon’i Domelina izao ! Na i Sarla aza, mampadio ny fo ny sasany, ka maika fa i Domelina ? Domelina anie ka NIBAIKO FOTSINY, fa ny mpanatanateraka no tsy nisy saina sy matim-bola sy voninahitra e !
    Ho ela velona ianao ry Bebe Razay, raha izao no mitohy, na iza hanao ratsy na iza dia HADIO FOANA NY FON’NY GASY ! Tsy misy dikany izany lalàna izany eto Dago.

    Mazava anie ny dikan’ilay hoe « Ni….ni. ». e = NI FOI – NI LOI .
    Izany no hiaretan’ny gasy tsy mety mitraotra , fa MANATANTERAKA NY BAIKON’i TGV, dia rehefa avy eo mimenomenona, manao lamentations eto.

  11. Ity nisy VAOVAO navaokany i ORANGE ka managataka antsika rehetra hamaky tsara tsy misy tezitra fa tony tsara daholo dia rehefa samy mandefa ny heviny.

    19h00 – LALAO RAVALOMANANA: face à la demande de l’ancienne première dame de rentrer au pays pour être au chevet de sa mère malade, les partisans d’Andry Rajoelina disent non en évoquant des éventuels troubles, comme a avancé Tsiebo Mahaleo aux journalistes de la RFI. En réplique, Mamy Rakotoarivelo, chef de la délégation de la mouvance Ravalomanana a déclaré « Si troubles il y a, ce sera des troubles qui seront manipulés.Madame Lalao Ravalomanana n’a aucune intention politique (…)Donc ne faisons pas rentrer des choses sur un autre terrain, ne polémiquons pas ».

    Date : 17/02/13

  12. n zanak’i rajolely nateraky ny vodi-tsaka ve io mandray anjara io ? tsy mino aho hoe olon-dehibe fa zaza mbola mila miatra miaina

  13. Iza koa ty marty sy rafa toa mirediredy, efa marary saina tsy andana mitsabo tena. Koaangaha i lalao irery ny zanany, no maninona no alefa any afrique du sud izy? efa firy taona koa ilay marary mbola avezivezy aiza indray, mba misaina ry vendrana âizay vehivavy iray te hijery ny mamany marary ve dia mampatahotra anareo, tena tssss….

  14. maimbo foza lo indray eto izany, maharikoriko
    Poa ! poa! mivoaka ny foza peuples malgaches_ Marty_ Rafa .

    efa mirediredy izato izy , efa tampona mody fanina fa hitampoko hitam-pirenena fa ny FATn álika ary i rajoleina no mpamono olona, ny valala tsy resy dia ny olon any atsimo ato fati-moka, naripaka tahaka ny nakana sorona teo ambohitsirohitra ny / fev 2009.

    fisaorana mitafotafo ny omena an´i Charles Andrianasoavna, namoaka ny marina, tahaka izany ireo TGV miady antranao, mbola be ny hivaralila hamosaka ny nafenina

  15. Tahotra re izao ray olona ka dia serena fotsiny ilay olona haka azy
    hiala eto @ tanindrazany @ mahatery ny sainy hihihiiiiii aza mba ihany oah eeeeeeee
    Dia milaza ny tsy hanontaniana fotsiny izao ity foza vao mafana hahaha
    Raha misy mahazo an’io olona io mantsy eo………..mety ho sarotra ihany ny raharaha marina!
    aza hitako aza mahita ahy!!!ENGA ANIE ka hitondra fihovana eto@ tany sy ny fanjakana izao
    tsy fiheverna kely izao.

    Mirary soa sy fahasalamana ho anao Ramatoa havana fa mino aho fa tsy ho vit mora izao .

  16. soapeta dit :
    « Avelao i domelina ho problemen’Atra  »
    Sao dia diso toerana na diso fijery kosaizany. Ny zava-misy ny niaianana nadritra ny efa-taona ary mbola mety hitombo aza, dia fisamborsna, fanampenam-bava, fampihorohoroana, famononana, famoretana, fahanatrana, fijalina ary aslahelo… Dia tena mino ao anaty fo lalinao tokoa ve ianao fa avela hoan’A/tra i domelina ? Izay mantsy ilay fivavahana manakana ny olona tsy hihetsika izay. Ny any amerika atsimo ohatra dia ny fivavahana mihitsy no manosika an-dry zareo hihetsika. Izany no antony iray tena hanohanako ny HMF. Satria anjaran’izy ireo ny resaka fivavahana. Isika kosa dia tokony ho olom-pirenena tsy maianky lembenana, ary ny vahoaka no tena tompon’ny fahefana ka izay mahazo hasim-bahoaka irery ihany no mitondra. Izay no atao hoe feom-bahoaka tenin’A/tra.

  17. Izao ihany ry MyDago no tsara hanaovana an’ireo foza fahavalom-pirenena ireo â !
    Hi hi hi !!

    mampjouirb hono ramartin be fitia alias rafamine mamba noana !!! MDR !!!
    Inona no mendrika an’itony foza 109.29.25.100 itony ???? Lambo sa kisoa ?
    Ho maty hasina anefa ny kisoa !

    LAZALAZAO dit : « olom-pirenena tsy manaiky lembenana »
    Ampiana kely hoe : Olom-pirenena tompon’andraikitra, miaro ny ara-dalàna, ary VONONA MARINA HITAKY NY ZOANY REHETRA ARY NY FIANDRIANAM-PIRENENA !!!

  18. Mirary soa anao Bebe Razay ô!Mba ahita ny zanakao vavy anie ianao sady mba hitombo fahasalamana ihany koa.Tsy ny evacuation akory no olana fa ny toe-pahasalaman’i Bebe mihintsy no tsy ahazaka ny Déplacement atao aminy.Sady I Lalao koa ve de atahorana e!De lazao koa fa nohon’ny fitandroana ny ainy koa no tsy hampidirana azy eto?Tena boay kely kanosa be kay?

  19. Tratra daholo ireto ny foza fahavalom-pirenena ! Izao ka mety ry MyDago â !

    Amin’izao fahoriana mahazo ny vahoaka malagasy izao, tsara fantarina mihintsy hoe iza avy ireo manao an-tsirambina ny hoavin’ny Firenena !

    Asa dia inona loatra no ao anatin’ny ati-dohan’itony avy any Kebeka sy Alzeria itony ?
    Malahelo ny hena-kisoa angamba, kanefa ny fisainana dia azo oharina amin’ny tai-kisoa !

    Marina mihintsy ny voalazan’i antananampoza, fa itony « peuples malgaches » sy « rajô » itony no azo lazaina hoe « déchets malgaches » na « rebuts de la société malgache » !

    Ny malagasy koa raha tsy mieritreritra sy mandinika tsara, dia ny loham-poza no hanjaka ao amin’ny tanàna ! Mba somary gaga ihany ny tena raha nahita an’ity lahan-tsoratra tao amin’ny Gazetiko ity, androany.

    Izao no hita tao :
    ….
    « Niaraha-nalala tokoa fa mba nanakana sy nisakana olona tsy hiditra teto Ravalomanana tamin’ny « fotoan’androany » nitondrany, dia mila valiana faty koa ve izy ? Ka samy hanao izany daholo izay olona tonga eo amin’ny fitondràna, dia ho valy faty foana izany no hitranga amin’ny tontolon’ny pôlitika eto ? Dia ho tahaka izany koa no hahazo ireo mpitondra ireo rehefa tsy ho eo amin’ny fitondrana intsony. Ny zava-misy dia efa vonona ny hifamela amin’izay manana disadisa aminy ny filoha teo aloha, ary vao ela fa tamin’ny asabotsy 10 febroary teo Ravalomanana no niantso fifamelàna sy fifampihavanana ary firaisankin’ny samy malagasy ».

    Tsara ho fantatr’izay nanoratra an’io, fa zavatra tahak’izao no maha tonga ny marivo salosana tsy hieritreritra !

    Nahoana no dia ampitoviana ny zava-niseho tamin’ny 2002 sy 2009 ?? Fa iza no nanapotika ny Firenena tamin’ny 2002 ARY MBOLA NANOHY AN’IZANY TAMIN’NY 2009 KA MBOLA MANOHY ATRAMIN’IZAO ???
    Rahatoa ka nanakana ny fiverenan’ireo jiolahy tamin’ny 2002 ireo ny Filoha Ravalomanana, dia nisy antony tena mazava izany ary mila tsiahivina amin’ny mpamaky !

    Ny Filoha Ravalomanana mivady angaha no nanongam-panjakàna tamin’ny 2009, dia izy mivady koa no lazaina fa hitondra korontana ny fiverenany ?

    Tompon’andraikitra amin’izay zava-misy ao amin’ny Firenena daholo ny malagasy tsirairay avy, ka tokony mba hivohy ny tena marina hatrany mba hahafahin’izay tsy mahafantatra mandanjalanja sy mandinika, ary indrindra ho sahy hanohitra ny tsy mety !

    Tsy dia ny fifamelàna ihany koa no hitondra ny fandriampahalemana, sy hanatsara ny hoavin’ny Firenena, fa ny fanajàn’ny tsirairay avy ny Lalàna rehetra velona na manan-kery !

    SANS RESPECT DE LA LOI OU DES LOIS, POINT DE SALUT POUR CE PAYS ! LE PARDON N’EXISTE QUE DANS L’ESPRIT DES ILLUMINES, OU DES NAÏFS !!!

    Tsy fantatro izay fahamarinan’itony, fa matoa nisy namoaka dia eo ilay fitenenana hoe « ny hitsikitsika tsy mandihindia foana fa ao raha ». Fa dia ho tahak’izao foana ve no hiainan’ny vahoaka malagasy ??

    Ho alefa « moramora » ( efa malaza ny mora) any amin’ny compte-n’ny « Pertes et Profits » daholo fotsiny ve ny ota-fady nataon’ny sasany rehetra ? Sao dia mba tsy mety ry zareo â ? Hisy fiainana vanona intsony ??

    Tout le monde est beau, tout le monde est gentil, tout le monde est con !!

    http://forum.lixium.fr/d-6571083.htm

  20. Misaotra @ fanampim-pahazavana fa efa voalazako teto io Kintana.
    SASAN’ANGY TSY MITOVY mihintsy ary mba inona no mba zava-bitan’ireo
    olona LAZAINA FA NOSAKANANA teto @ tany sy ny fanjakana????MPISOLELAKA ary fantany tsara ny
    antony fa mba MODY MITAPY fa mba tė hisolelaka @ domelina e!hanafenana ny RATSY VITA.
    Izay marivo salosana koa no mora lambolamboina @’izany fa tsy izaho mihintsy, efa zatra mihevitra olona
    fa paiso sy doma toa azy mianakavy ao daholo ny olona ka AMBOAMBOARINA TOY IZAO ILAY RESAKA.
    MISY NY ANTONY MATOA IZIREO TSY NODY ARY TSY NISY TONDROZOTRA KOA VITA KISONIA
    NANAMARINA FA MODY IREO JIOLAHY POLITIKA IREO indrindra ity mba ROSSY hihihiiiimapmė be,
    olona tsy musy hazon-damosina tsy sasatra ny MISOLELAKA!!!!!MAIVAN-DOHA IZAY NANORATRA IO
    ary anisan’i fahavalom-pirenena.

  21. Izaho aza mba gaga hoy i Radaoro ! De gaga elà hoy ny tanora ankehitrio !

    Maro loatra ranavalona ireto olona, manao pôlitikan’ny ôtrisy ireto â ! Dia mba faly mihaina ao anatin’izao bôridelina be izao ve ry zareo ?

    Miala tsiny amin’ny rehetra, indrindra fa amin’Ingahy Filoha Ravalomanana, fa tena efa lasa mankaleo be ny mihaino an’ity firaisan-kina, fihavanana sy ny sisa ity ! Izao dia ireo nandrava indray, no lazaina fa handravona an’izany hoe fihavanam-pirenena ! Tsss !!!

    Na firaisan-kina na fihavanana dia samy misy karazany roa !

    Eo ny firaisan-kina sy fihavanan’ny olo-marina sy hendry, izay tsy dia mbola hita atramin’izao !

    Eo koa ny firaisan-kina sy ny fihavanan’ireo andian-jiolahy, izay nahavita namotika ny Firenena mihintsy, ary mampitondra faisana ny vahoaka miisa 20 000 000 !

    Amin’ny fomba ahoana na noho ny antony inona no tsy maintsy hiray hina amin’ny jiolahy sy mpamono olona ny olon-tsotra, izay vonona hiaro ny ara-dalàna atramin’ny farany ???

    Tsy miresaka ny pôlisy any amin’ny tanàna aho, fa mba tany aiza no terena tsy maintsy hiaraka anavotra ny fiainam-bahoaka ny mpamono olona sy ny mpitandro filaminana ?
    Iza no sahy hiara-kisakafo amin’ny olona izay efa hita sy malaza fa mpamosavy, ary amin’izay efa fantatra fa mankahala an’ny tena ?

    Na vary sy loaka mafilotra sy mitetehy menaka aza, dia miala tsiny miala fondro, fa dia asakasak’izay sahy ! Tsy afaka hanontany intsony hoe « fa ahoana ? » rehefa dangy !

    Aza misorona ranavalona, fa mba lazao ihany rahatoa ka diso izany eritreritro izany â !

  22. Sao izao ny toy ny fanaon’ny siciliens, calabrais…mafia rehetra e!!!
    Tairina tapany handoha erany daholo ireto foza ka rehefa dinihana toa tsy ampy tapany akory ny vola nividianany frantsay ireo nanongam-panjakana, dia nirotsaka daholo ireo mpamadika tanindrazana efa voahozona.
    Dia mbola misy anie milaza fa tsy « coup d’état » hono ny t@ 2009 iny: heveriny foza fa vendrana daholo ny olona anga?(Jereo anie commentaires-n’olona ao resaka danamona e!)
    ‘Article »/gazety jeune afrique (ilay gazety coloniale), dia nanoratra hoe Na efa any Afrika Atsimo aza hono ny i M.Ravalomanana, dia mitohy ihany ny « nuisances »-ny
    Tena fanaratsina, mitory fa voageza saina foana ny ao @ io gazety io hatrizao 2013.
    Ka antsika no mihezaka mafy handrava ny drafitra nalamin’i sarko rapohy ary tohizan’i flamby: atao toa G’Bagbo,torina hatrany @ Tribunal International ny filohantsika, dia afaka hametraka « colonisation version 2013.00 » ny frantsay ary dia izany no efa asahin’i domelina hiteny fa hilatsaka ho fidina izy @ 2018!!!
    Araky ny sosokevitr’i KintanaM dia aleo isika hanoratra ny tantarantsika,marina fa tsy frantsay sy ny voavidiny no handidy izay tokony lazaintsika.
    Jereo anie ny nanodinany firenena ngezalahy ny niseho Paraguay e: coup d’état izao dia navadika zavatra afa.: « schéma directeur » efa nandaitra foana anie fa ny vahoaka mbola mihesona dia taralava izao .
    Dia ireo mpitondra fivavahan, mpanohy ny asa nampidiriny « colons » nandrava ny fomban-drazana, no lazaina fa handravina fihavanana !!!!mampitomany tanteraka anefa dia mihiano foana ihany ramalagasy

  23. Miala tsiny aloha Kintana fa  » Fanampim-panazavana « no tiako soratana,
    Misy zavatra azo handeferana fa kosa mba asiana FETRANY ihany,
    Mbola lalana lavitra be vao ho tonga @’izany FIHAVANANA izany, ary sarotra hinoana @’ireto toe-tsaina
    LOMORINA efa VOAHOZONA (hoy Balita) no fiavanana. Mbola tsy maty voalavo an-kibo mantsy izy ireo
    ary efa hita ny HARATSIANY ka aleo MISOROKA TOY IZAY MITSABO.Hitondra inona koa moa ilay fihavanana
    @’izao efa fahavoazana izao??? »?asa aloha an???amiko dia FIVALOZANA NO HILAINA FA TSY FIHAVANANA.
    Olona maty heritreritra no hiavananao koa tsy ianao indray no ho LASIBATRA eo????amiko aloha an!,

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *