NAIKA ELIANA : TSY MAHAZO MANOLOTRA SY MANDATSAKA KANDIDA RAJOELINA

NAIKA ELIANA

NAIKA ELIANAEfa fantantsika fa nisy ny fivorian’ny Cps eo anivon’ny vondrona afrika hoy Naika Eliana androany teny amin’ny Magro Behoririka, izay nifarana afak’omaly. Nisy ny fanambarana navaokan’izy ireo tamin’izany. Ny Hat hoy izy dia nandefa an’i Annick Rajaona nanao « lobbing » tany nisisika sy nangataka hanalana ny sazy nahazo azy ireo. Roa ny sazy nahazo an’i Madagasikara hoy Naika. Ny voalohan’ny dia ny tamin’ny 20 martsa 2009 izay nampiatoan’ny Vondrona Afrikana antsika tsy ho mpikambana. Ny faharoa dia ny sazy ho an’ireo 109. Ireo olona ieo hoy izy dia mitady hanao kandida amin’ny ho avy nefa tsy afaka manao izany satria tsy manaiky azy ireo ny fikambanana iraisam-pirenena, fa tokony hadio ireo olona ireo. Noho izany hoy ity olomboantendry ity dia mahatsapa ireo ka hoe esorina ireo sazy ireo. Namafisin’ny Vondrona Afrikana hoy izy fa raha tsy tanterahina ny tondrozotra tsy esorina izan. Nanome fepotoana hoy Naika ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny HAT ka hatramon’ny 01 avrily dia tsy maintsy tanterahina ny tondrozotra. Midika izany hoy izy fa tsymaintsy tafody ny filoha Ravalomanana Marc alohan’ny 1avrily. Nisy namaly hoy Naika tao amin’ny gazety Expresse androany dia Benja Urbain nilaza fa tsy manaiky ny fodiann’y filoha Ravalomanana Marc raha tsy aorian’ny fifidianana fa hanakorontana. Tsy manaiky izany izahay hoy izy fa alohan’ny fifidianana no mody izy. Ny fikambanana iraisam-pirenena ihany koa tsy manaiky izany fa raha tsy tafody eto izy tsy misy fifidianana izany. Torianay any ami’ny Sadc hoy Naika ianao Benja Urbain fa tsy manaja ny tondrozotra fa tsy anao i Madagasikara. Ohatra izany koa hoy izy i Lanto Rakotomavo, izay milaza fa manao takalonaina ny fikambanana iraisam-pirenena. Tsy manao izany izy ireo hoy Naika fa mitaky ny zavatra takianay.  Matokisa isika hoy izy fa fepotoana farany ny 1 avrily. Tsy maintsy miverina alohan’izay  ny filohaRavalomanana Marc arytsy maintsy tafapetraka ny aministia. Misy ny vaovao renay hoy Naika fa hoe iza no kandida alatsaky Rajoelina. Mazava ny voalazan’ny andininy faha 15 fa tsy mahazo milatsaka kandida Rajoelina raha tsy misintaka 60 andro mialoha. Raha ny filohan’ny tetezamita Rajoelina hoy izy dia ny andininy faha 15 misakana fa tsy mahazo manolotra sy mandatsaka olona izy. Androany hoy Naika no avoakan’izy ireo ny kandidany, izay tsy iza fa Camille Vital. Anisan’ny nahazo sazy izy tamin’ny lalam-panorenana napetrak’izy ireo. Ny andininy faha 46 ihany hoy Naika dia milaza fa ny kandida rehetra dia tokony hipetraka eto Madagasikara. Camille Vital anefa dia ambasadaoro any ivelany. Mbola hanao an-terisetra sy handika lalàna izy ireo. Tsy manaiky izany isika fa ao anatin’ireo mahazo sazy izy.

6 pensées sur “NAIKA ELIANA : TSY MAHAZO MANOLOTRA SY MANDATSAKA KANDIDA RAJOELINA”

  1. Ambasadaoro aiza ilay tsivanona iny???
    Io ary fa ny alika tsy misy fehi vozona rehetra izao hitondra io tanintsika io dôldôly.
    Aza hitako aza mahita ahy ray lanitra ô!!VITALY!!!!!mamako anao ô!!fa loza inona ity e!!
    Very ny fireneko! VONJEO!!!!!!!

  2. Dia gaga ianao!!!!leo be za marina e!!ila ho tofoka indraindray!
    Andeha hanadala n’ilay namako ao Suisse ao izany aho aloha.

  3. I Camille Vital ? Cousin-i Naika Eliane izy iny ary izao vaky izao ny ady. Izaho kosa aloha tsy mino hoe tsy handatsaka kandida i bitro-voalavo. Megty izy mihitsy aza no hilatsaka. Ary na iza na izao avy @ FAT dia ho resy daholo. Tadidio tsara fa @ fahatongavan’i Ravalomanana , Raha maro be mihoatra ny teo aloha ny olona ,na hoe kosa misy hetsikalehibe handrodana ny FAT, na hoe koa hilatsaka tampoka i Rajoelina, na hoe koa tsy tanterahina ny tondro zotra andininy rehetra (16, 17, na koa 20 raha toa ka mbola tsy miverina Ra8 ) dia mety mbola afaka hilatsaka Ra8 ka aleo hanao eo fa ny ny SADC aza tsy hitsivalana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *