NAIKA ELIANA : TSY MIERITRERITRA FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA, FILOHAM-PIRENENA IZANY IZAHAY FA DADA MODY IHANY

IMG_5013

IMG_5013Nandeha nankany New York nangataka fihemorana amin’ny Ban ki moon Sg ny Onu,hoy ny Cst Naika Eliana androany teny amin’ny Magro Behoririka Rajoelina ary nitodnra ny kalendrie izay mety aminy. Toy izao izany kalendrier izany. Ny fifidianana solombavam-bahoaka amin’ny 08 May, ary amin’ny 3 jona ny ben’ny tanana ary any ho any ny fifidianana  filoham-pirenena. Mahagaga hoy izy fa jamba ireo olona ireo ary mieritreritra ny olona ho sanana. Izany firenena mikambana izany dia efa mikambana ao ny Sadc, Vondrona Afrikana, firenena eran’izao tontolo izao izay mikarakara ny krizy Malagasy. Efa niteny ireo hoy Naika fa tsy azo ovana ny fifidianana fa tsy maintsy haroso aloha ny filoham-pirenena. Raha tsy mody eto ny filoha Ravalomanana Marc dia tsy misy fifidianana. Ny anay hoy izy dia tsy misy mieritreritra izany solombavam-bahoaka izany, filoham-pirenena izany fa miverina aloha I Dada izay sefonay. Izy no mandidy sy mibaiko anay fa ankoatra izay dia zero. Mikasika ny voalazan’ny jeneraly Ranto dia nambarany fara ha nahatadidy isika dia volana vitsvitsy izy dia nampiantso mpanao gazety ary nilaza fa tsy manao politika ny miaramila. Tao anatin’ny andro vitsvitsy indray anefa dia milaza fa tsy mahazo miditra eto ny filoah Ravalomanana Marc aohan’ny fifidianana. F’angaha hoy Naika raha aorian’ny fifidianana izy dia tsy hisy korontana , izay ianareo ihany no manao azy. Ny vahoaka aza faly hoy izy rehefa tonga izy. Rehefa tsy mahay ianareo dia mametraha fialana fa maro ireo miaramila no afaka miaro ny vahoaka. Inareo efa tsy manara-dalàna mihitsy. Isika hoy ity olomboantendry ity rehefa mamaky ny tondrozotra dia ny andininy faha 20 kanefa misy tohiny iny hoe mody izy ary arovana. Efa lasa lalàna io ka tokony hotanterahina. Ny anidniny faha 15 hoy izy  izay efa novakian’ny namana Constant teo izya tokony hampiharina. Naheno ianareo fa miady ireo rehefa naheno fa hirontsaka Lahiniriko. Tsy eken’izy ireo raha tsy kandida atolotry Rajoelina. Noho izany hoy Naika dia tokony hiala izao Rajoelina satria tsy afaka manolotra kandida.Momba ny ambasadaoro frantsay dia nambarany raha nihaona tamin’ny mpanao gazety Goldblatt dia nilaza fa izay eken’ny Sadc dia eken’ny frantsa, ary nampiany hoe misy amin’ireo mpiaradia amin’ny Ankolafy Ravalomanana no nilaza fa tsy manaiky ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc alohan’ny fifidianana. Raha marina izany hoy Naika fa misy olona avy aty amiany nitenyizany dia avoahy ny anarany. Raha tsy avoakanareo kosa dia ianao mpandainga ary mpanodinkodina sain’olona Goldblatt. Tsy misy ilaina anao aty fa mody.

14 pensées sur “NAIKA ELIANA : TSY MIERITRERITRA FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA, FILOHAM-PIRENENA IZANY IZAHAY FA DADA MODY IHANY”

  1. Raha mba sendra tafaresaka taman’olona izay aho ry Madama Naika dia izao no mba nolazainy tamiko : Efa milamina ny any aminareo hoy izy, ary efa mandroso tsara ny fikarakaràna ny fifidianana !
    Ny tsara tokony ataonareo tena faran’izay maika, dia ny manoratra, ary manazàva ny tena fandehan-javatra, atramin’ny fanaovan-tsonia tamin’ny septembre 2011 !
    Atao mazava tsara ao anatin’io taratasy io, izay andininy rehetra notanterahan’ilay domelina ! Aminay mantsy dia iray ihany, dia tsy inona izany fa NY MAHA FILOHAN’NY TETEZAMITA NY TENANY ! Ny andefasan’azy, ho lazaina aminareo ihany rehefa vitanareo tsara io !
    Ankaotr’izay dia tsy misy tena hita hoe notanterahina ! Miala tsiny fa raha diso ny tenako dia tsy maninona fa ahitsio !
    Dia mba soniavinareo rehetra izay mbola mahatsapa fa miaro ny tena ara-dalàna, ary mitaky dia mitaky ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana, izay azo lazaina fa antokin’ny fandriampahalemana !
    Anarchie na fanjakan’ny baroa no misy ao Madagasikara atramin’ny volana janoary 2009 ary atramin’izao !
    Asa filaminam-piainana angamba izany ho an’ny mpanongam-panjakàna fa tsy ho an’ny vahoaka !
    Raha momban’ny korontana dia ekena koa fa tena misy korontana amin’izao fotoana izao, fa saingy ao an-tsain’ireo mpanongana ihany koa izany !
    Mikorontan-tsaina mafy ry zareo fa tsy ho ela dia ho avy ny fampiarana ny tena sazy !
    Fantatr’izy ireo koa mantsy, fa ny sazy « fampitandremana » ho an’ireo 109 ( na ireo tsy mbola tafiditra ao anatiny ), dia mbola tsy norovitin’ny UA, fa mbola ao anaty tiroara !

  2. Misaotra fa tena afa-po mihinsy aho androany izany lesy,
    efa saika ketraka ihany aho fa saingy soa fa teo ny akama.
    Io efa volazako ary mbadika ary tsara fa : « efa manala ny tenany izay milaza ho zanaky
    dada nefa tsy manaiky ny hiverenany,DIA TOKONY KOA HOMEN’ILAY VAZAHA BORAMENA
    ilay ANARANY HIFANKAHITANA eto fa tsy MAVANDIVANDY any rehefa kendaroroka vao miteniteny
    foana mamorona zavatra tsy misy ,tratry ny VIRUS-n’i domelina @’ity lainga sahady koa ranamana .

    Na izany kosa aza dia i Satrobory tsssssss mbola tsy matikilolo …..asa aloha e……tsy hatokisako!!!

  3. omena ny zankidada ny fitondrana;gadraina doly ny olona ;mody dada ;hanatrika ny 7fevrier izy;miala doly ny miaramila fa ry kosta be resaka no pm;dada no mpitondra;velomina doly ny magro;terena hody any aminy doly ny frantsay fa zamerika miditra;anglisy no fiteny ianarana;hiala ao @hat ny zanakidada;azafady an!tsy miala zahay fa sosy io;atao zato taona ny tetezana;izany no resaky ny matahotra fifidiana satria zatra mamahandalitra ny mpiray tampo aminy

  4. Raha ny tena ara_dalàna dia tsy maintsy tanteraka ny Feuille de route vao mandroso @ fifidianana isika.
    1_Efa nivoaka ve ireo Gadra Politika ?
    2_Efa tafaverina tsy misy fepetrany ireo éxilés politika ?
    3_Efa malalaka afaka miasa ve ireo Media nosakanana hatrizay ?
    4_ etc
    KOA INONA NO RESAHINA FIFIDIANANA ,?

  5. Marina dia marina tokoa !! Ary tokony mitolona atramin’ny farany fa ho lasa toa ilay referendum fôpla io !
    Ry Mamy Rakotoarivelo aza tsy menatra manao sonia taratasy manamafy ny fisian’izany atao hoe Repoblika faha-efatra izany, ary izay ho hankalazaina amin’ny 11 desambra ny tsingerin-taonan’ny NANEKEN’NY VAHOAKA AZY !

    Aiza ny lazaina fa « gestion des affaires courantes » ? Gestion des affaires courantes ve ohatra ny fandravàna ny totohobaton’Ambondrona, ka amboarina atao betô hono, ho solon’ireto vato be tamin’ny andron’ny Mpanjaka !

    Mba nanontaniana ve aloha ny hevitry ny mponina ?

    Ho ataon’i Colas maimaimpoana ny asa, ary ny simà sy « vato kely » dia kado avy any amin’ilay vendrana hono hoe !

    Ho vidian’ilay domelina amin’ny vato kely izany, ny vaton’ny mpifidy !

    Ny lavaka be maneraky ny arabe aza tsy voakarakara, ka zavatra manan-tantara ery no ho ravàna !

    Tandremo fa ny domelinaozy, dia areti-mifindra manarapenitra !

  6. Mba leo am ty resabe ataonareo ity kosa ry zareo a;zavatra hampitrotra sy hampiseho ny tsy fanekenareo fahatany an’i domelina atao, fa ela fikenina be nareo na mampody ny PRM,na mandaka an’i domelina miala teo mba hisian ‘ny transition neutre!

  7. Aleo aho tsy hiteny fa mandreraka be ity resaka KISONIA tsy mamokatra
    lava fa mamantsika ny sezan’i domelina fotsiny. MANKALEO!!!!!

  8. wawawawawawawawawawawa! blablablablablablabla!!! izany foana isan’andro!!!mampme! Vahoaka ré zany ao @ magro izany eto amin’ny sary an!!!! hi!hi!hi!

  9. Ary mahita zavtra mihintsy ianao ity Kintana a!!
    Io indray ilay « FITIAVANA » tonga dia tsy mamely e!
    dia mbola tsy reko ary tsy mbola hitako zalahy io an!!nefa ve dia hilatsaka koa ???
    raha i domelina aza ve ho resin’io??domelina aza mbola malaza na dia malaza
    @ ratsy aza????asa aloha???Izaho aloha dia tsy afaka ny hanohany olona tsy
    haiko avy aiza ka ho aiza????hanao inona @ tanana???mbola tsy teraka ilay hisolo
    an’i dada aloha no FANTATRO e!!!!ankoatra izay dia 000000000 manatody.

  10. Izany tokoa ny adin’ny Frantsay, te hampizarazara olona, toa an-dry « peuple malgaches » itony izy. Dia isika malagasy ihany avy eo no manao ny asa ratsy tiany atao.
    Arka ny feo mandeha dia ry Yves -aimes sy Raharinaivo no antsoin’ny i Goldblatt hoe « mouvance Ravalomanana ». Raha mitombony izany dia sady tsy mahay iny olona iny no tsy menatra.
    Isika Malagasy kosa tsy tokony hialona @ izao fa hihetsika mihitsy tahakan’ny nataon’ny GTT tany frantsa na ny pro-Ravalomanana teny @ ambassady amerikanina sy frantsay. Raha mbola sakatsakanana foana isika dia ho very taranaka,nefa ireo manakana antsika dia manana ny ampy . ka dinihana tsara. I Dada tsy ho tafaverina eo raha tsy miazaka ny zanak’i Dada mana hetsika isan-karazany ary any @ farany ny fididina an-dalambe.

  11. Efa nahiako io ry Lazalazao fa ry mėmė, dia matoa koa tsy nahasahy nilaza ny
    anarany, gaga aho mantsy raha tsy nahasahy NIDRADRADRADRA ny anarany teo
    raha tena ZANAK’i DADA MARINA no nitsipaka ny fahatongavany?????MAHONENA!!!!
    Ilay fanazavany fa fantany TSARA i dada sns dia tė hiteny mafy lery hoe:  » tandremo ilay valifaty ry foza akama an »
    aza matahotra ry foza fa ny an’i dada manara-dalana ihany a!!ny lalana ihany fa tsy mivoana @’izay!!!ka akory hatao???
    te hanao aminy eo koh!!namono biby tsy nahafaty ka……….kenda vao hoe…..domy aho ranaotra ??efa TARA ! dia mba
    hanaro mafy ny taranaka faramandimby @ sisa tsy hamerina ny HAGEGENAREO INTSONY RY FOZA ORANA.

  12. diavolandava
    ampitahao i Haiti frantsay sy Haiti amerikana. Izay Firenena afaka hiara miasa amintsika Malagasy ka ampandroso antsika ihany no hilaina.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *