Nanaiky resy sa manao saka manafin-koho Norbert Lala Ratsirahonana ?

norbert-lala-ratsirahona1

norbert-lala-ratsirahona1Nanaiky resy sa manao saka manafin-koho ingahy Norbert Lala Ratsirahonana? :  aleo hivalona any ny resabe momba ny fihemoran’ny fifidianana, aleo ekena ny tetiandrom-pifidianana nofaritan’ny CENI-T hoy izy.Inona indray no teti-dratsin’ny FAT? Efa mikoropaka ka tsy mahita izay hatao intsony ve ry zalahy hoy ny mpanara-baovao? Nanomboka teny Iavoloha tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona no tsikaritry ny mpanara-baovao fa nanenjika mafy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ingahy Rajoelina, andro vitsivitsy taorian’izay dia nandadilady tany amin’SADC nangataka famontsorankeloka.Taorian’io indray dia nandrangaranga koronta fa tsy ekeny ny fanovana ny tetiandrom-pifidianana,  nanenjika ny filohan’ny CENI-T an-gazety, radio, télé  ary nilaza fa nahazo taratasy avy any  sekretera jeneraly ny firenena mikambana mihitsy aza ny sasany mba hanakianana ny daty sy ny fifidianana karakarain’ny CENI-T izay nolazaina fa bolokim-bazaha, izay nodisoin’ny solontena maharitry ny firenena mikambana Rtoa Fatma Samura fa efa neken’ny SG ONU ny fanapahan-keviny.Nivadi-dela indray anefa ry FAT nanomboka omaly dia milaza indray fa dodona amin’ny famaranana ny Tetezamitatra ka tokony avoaka haingana ny didim-panjakana zao sy zatsy, raha maika inareo koa naninona no mbola nila vaniny hanao fifidianana solombavam-bahoaka nefa fantatrareo tsara fa ny fifidianana Filoha no mamarana tetezamita ary raha resaka didim-panjakana indray, fa iza kay no mitondra amin’izao fotoana izao ka manana ny fahefana hamoaka izany faran’izay haingana?

4 pensées sur “Nanaiky resy sa manao saka manafin-koho Norbert Lala Ratsirahonana ?”

  1. Tsy hainareo fa dia ny mbola azy ny laka fa efa fantany
    fa efa miatakataka aminy daholo ny olony dia izay no MAHAMAIKA
    azy ireo indray,sady izay koa no mahaboloky azy e!!Ratsikirity ratsikirity ihany fa aza manantena
    fa HILEFITRA INONA????MANONOFY!!!olona tsy mena mivadika iny ,SADIKA ????sao mbola
    misy manantena zavatra @’ireto alika ary e!!afatsy ny KAIKITRA.Dia vazaha mody miady ireo ary
    tetika frantsay io CENIT izany raha tsy misilo hatrany @’lohany ireo tsy azo hekena fa FOZA IREO.
    MODY IDIAN’iZY MIANAKAVY MITAPY DIA MIESONA EO DAHOLO, amiko raha
    MIVOAKA NY GADRA
    MIVOHA NY RADIO SNS dia izay no FANDEFERANA HITAKO! na TONGA DADA, fa rehefa tsy izay
    TOMPOKO ISANY ô!!….DIA MBOLA PAIK’ADY VAOVAO VOLENA FOANA NO EO e!!!
    NY KIHOn’i ratsikirity ho takona mandrakizay nna ho fonosina lamba firy Metatra aza???ny tandrony
    aza no efa hitsiry atsy ho atsy , avelao any……..

  2. quel esprit subversif!!

    au : PEUPLES DES AUTRES PAYS
    les hallucinés voient : LES PARTIES PRENANTES

    ______

    Ban Ki Moon :
    « Il appartient aux peuples des autres pays de décider comment résoudre les mêmes types de problèmes lorsqu’ils surviennent. Pourvu que les parties puissent trouver une solution consensuelle, sans recourir à la violence. »

    Ratsirahonana par le biais d’Andry RADOMELINA qui lisait :
    « le Secrétariat général des Nations unies a DONC dit qu’on doit consulter toutes les parties prenantes au sujet de la séquence et du calendrier électoral »

  3. Be hevi-dratsy mihitsy ireo. Voatery nanaiky satria voatsindrin’ny maro an’isa sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nefa mino tena mino aho fa manomana fingana insakarany indray , ary koa tsy hanantateraka ny tondrozaotra article 16, 17 et 20.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *