26 réflexions sur « Omer Beriziky donne son feu vert pour le retour du Mme Lalao RAVALOMANANA »

  1. mazava tsara angamba io paragraohe farany io an!!!!! raha tsy hoe tsy mahay mamaky teny (ôtran’ny famakiana ny feuille de route ihany Art. 20 sy 45) ny lalimanga!!!!

  2. Ary aiza ilay hoe : misy ny hifanarahana fa dia tsy mandainga marina ny ohabolana gasy manao hoe : NY MPANAO RATSY IHANY NO MAHINA o !

  3. Manana ny zo-pirenena Malagasy i Ramatoa Ravalomanana ka tsy tokony hila taratasy toy izao akory ny fivezivezeny mivoaka sy miditra ny tanindrazany.
    Dia mbola nampiana koa ny hoe « voafaritra ho raharaham-pianakaviana » ihany no anton-diany eto, mipetraka ny fanotaniana hoe: inona no antony ho nahavery zo an’io Ramatoa io?
    Kodiaran-tsarety ny fiananana hoy ny fitenenana ka dia ho hiaraha-mahita eo ny tohiny!

  4. Tena gaga be izahay aty Morondava fa aty izao ny Praiministra nefa aty Morondava dia tsy nisy sinistré t@ le cyclona farany teo, otrany manamarina ilay fanambarana farany nataon’ny presidence oe tena bandy tsy hanao raha ity Praimisitra antsika ity klé

  5. eto izany vao avy ny tahotra!iza no torakovitra izao?tanterao aloha fa aza matahotra intsony!milaza raha tsy tianareo mpitarika ny hatongavany fa tonga de asa atao ry hanitsa a! hiala bala ndray fa io ary lay nandrasana ka tairo e!

  6. fa aza miandry ny miaramila ntsony raberiziky fa mpamono olona ireo hoy r8;tsy mahazo miaro an,i madama fa lazain’ny zanakidada fa genosida

  7. Par cette prise de position favorabe au retour de Madame RAVALOMANANA LALAO , le Premier Ministre BERIZIKY a prisostensiblement , publiquement ses responsabilités en donnant les instructions et directives aux Ministres concernés par ce déplacement
    de Madame RAVALOMANANA LALAO de Prétoria à Antananarivo pour rendre visite à sa mère souffrante..
    Cette prise de position officiellede Beriziky est certes imposée par sa fonction ,ais compte tenu des problèmes politques et de fonctionnement de l’éxécutif entre le Berizioky et rajoelina ,
    le premier ministre prend ses marques et se démarque d’ores et déjà des menaces contenues
    dans son communiqué sur ce retour de Madame RAVALOMANANA LALAO ,que personne ne doit considérer comme otage ou personne pouvant faire l’objet de se mise en résidence surveillée ou de mesure quelconque d’isolement ..!
    Madama RAVALOMANANA LALAO a le droit de jouir des libertés de circulation , de réunion , d’expression avec ses amis et de vivre au sein des membres de ses familles sans surveillance mesquine et inadmissible , car il y a là ingérence dans la vie privée des citoyens !

  8. « Dans le cadre de l’apaisement et de l’application de la Feuille de route qui a force de loi »,
    …….

    Izay izany, fa aza mitabataba intsony ianareo, satria « EFA force de loi » ilay Feuille de route, dia io izy ampiarina !

    Hisy gadra pôlitika IRAY HO AVOAKA atsy ho atsy ( asa na iza na iza ? ), dia ho sokafana ihany koa ny radiô iray, dia tanteraka antsakany sy andavany ny tondrozotra !

    Ho ampiasain’ny mpanongam-panjakàna io, tahak’ilay « Feuille de route nosoniaviny, kanefa nolaviny indray » ! Hilaza indray ny CI fa efa mandroso, ary tanteraka daholo mihintsy aza ny fe-petra rehetra !!

    Ny ao amin’ny movansa aza efa milaza fa efa « ampiarina » ny andininy faha 20 !!

    Afaka aroso amin’izay ny fifidianana, noho izany mahaiza mifidy !!!!!

  9. Aza mampihomehy ry Kintana a!

    Asa na efa faninina sy efa manonofy ny fampiharana ny feuille de route daholo,ka tsy afaka mandinika sy mamakafaka intsony, tsy hay intsony ny bado sy ny dondrona sy ny fanina sy ny manonofy e!

  10. Dia rahoviana marina izany i Ramatoa Ravalomanana lalao no ho tonga fa izahay dia efa vonona hitsena azy, satria mantsy tsy fantatra intsony ny tetidratsy kasainy ireto Rajoelina andry ireto atao

  11. Ingahy Rakotoarivelo sy i ramatoa Razafimanantsoa angamba no afaka hanome anao ny valim-panontaniana !

    Raha ny fahitàna ny raharaha aloha, dia io taratasin’Ingahy Beriziky io dia fandrebirebem-bahoaka fotsiny ; ary ireo olona notononiko eo ambony ireo dia mahafanfatra tsara an’izany !

    Izao voan’ny NOTAM indray ny vadin’ny Filoha Ravalomanana, na dia natao an-tsoratra mazava aza ny hoe « Dans le cadre de l’apaisement et de l’application de la Feuille de route qui a force de loi » ! Tsy navela hitondr’azy ny Air Link, ary dikan’izany dia TSY HANAIKY NY HITONDRA NY FILOHA KOA IO ORINASA IO, SATRIA TSY HAHAZO HALÀLANA INTSONY !

    Izao fanakànana lava izao ve, no atao hoe fitadiavana izany « apaisement » izany ?

    Mahazo mamangy an-dreniny ny vadin’ny Filoha, fa kosa tsy maintsy mandohalika sy mitalao, ary mangataka an’ilay « jety espesiala » ! Ho voambina tsara mantsy izy amin’izay !

    Misajaona,
    Aza miomehy ianao, fa marina anie io lazaiko io ê ! Ho ampiasain-dry zalahy indray io taratasin’i Beriziky io hoy aho, dia ho lasa tahak’itony tamin’ny 2009 itony indray ny « fampielezam-baovao » !

  12. mba asio teny kely ihany ireo mpitarika ao amin’ny magro reo fa tsy variana mitoraka vonikazo foana ry mydago.com na dia efa hita ary fa tsy misy ilavana azy intsony ireo mpitarika reo

  13. Efa vonona izahay hoy izy haka an-dramatoa Ravalomanana amin’ny jety, fa izy no tsy nety !

  14. efa ho 4 taona nitaritana mbola tsy tonga saina ihany hoe tsy mamely,izahay no voky lacrymogene dia ianareo no voky,nefa i dada tsy tafodinareo mihitsy fa izahay vahoaka fotsiny no ataonareo fitaovana fakana seza, mba mieritrereta ry reto a!mba saino koa ny mety hanjo anareo rehefa kelikely amin’ity hoe ho avy dada ho avy dada nefa avy eo tsy tonga akory izy,sady nareo manome daty foana hampandriana adrisa anay vahoaka efa main’ny masoandro eto amin’ny magro,ary mba iza loatra ary ny tompon’ty mydago ty fa tsy misy fanakianana ny mpitarika ao amin’ny magro na dia kely aza

  15. Mahaiza hoy aho mionona daholo, fa atsy ho atsy dia mbola hisy fanonganam-panjakàna iray indray, dia hisy indray famotsoran-keloka vaovao tsy maintsy ho atao ! Tsy hisy mantsy filaminana rahatoa ka ho saziana daholo ny mpangalatra sy ny mpamono olona rehetra !

    Tsy ho ritra velively toy ny alàn’atsinanana akory ny volamena sy ny vatosoa, ny harena ao an-kibon’i Madagasikara ! Aza misy mihetsika, fa avelao haka izay te-haka, ary hihinana izay te-hihinana !

    Izao hidehaka ny sasany fa madiodio ; nataon’i rakrisy fotsy tahaky ny lamba nosasàna tamin’ny bônixa mihintsy ! Voadio ny tena, voadio ny vola, ary dia lasa miliaridera tamin’ny volam-panjakàna izay nangalarina ; tsy misy hidiran’izay resaka pôlitika akory fa dia halatra be izao !

    Mahay ramalagasy, ary izay vendrana ihany no voahitsakitsaka eto amin’ity tany ity !

  16. Misy farany daholo ny zavatra rehetra ary izaho mahatoky fa
    TSY MISY HIALA MENAKA EO e!!samy ahita eto isika ary samià
    ho ela velona fa MIODINA NY TANY ary MISY IZAO ANDRIAMANITRA IZAO.
    TANY MASINA IO !!!izay manao ratsy ao no ho vizana , ZAKANAY ny anjara tandrifinay fa ny
    anareo FOZA sy MPAMADIKA rehetra ireo no tsy ho laitranareo ny ZAVATRA MIANDRY ANAREO
    SAMIÁ VELON’AINA ETO eeeeeeeeeeeeeeeee

  17. ity aza ilay zavatra efa nahiako

    Johannesburg : Lalao Ravalomanana refoulée par la compagnie Airlink
    1/03/2013 à 11:07

    Selon la mouvance Ravalomanana, l’ex-Première dame a été refoulée par la compagnie Airlink alors qu’elle s’apprêtait à prendre son vol pour Madagascar hier. L’embarquement aurait été refusé sur consignes des autorités malgaches.

  18. tohiny mba ho henohin i Hanitra sy Mamy ,

    akoatra io dia mety resake madany andro fa maha be kibo .

    A BAS RAJOELINA ,

    pour les valeurs universelles et ancestrales ,

    pour la justice ,

    DIA AMBANY RAJOELINA .

    IZAY NO FIARABANA MALAGASY MANOMBOKA IZAO .

  19. Raha tena lehilahy i Rajoelina andry nirina dia asaivo malalaka ny fahatongavany i Ravalomanana lalao eto an-tanindrazany.Ny tena mampalahelo dia ny vahiny avy any ivelany indray no afaka tonga aty Madagasikara.Taiza no mbola nisy haotrizao hatraminizay.Raha ny tena fahitako anazy dia tadiaviny i Rajoelina andry nirina ho entina aminy lohany koa ry Ravalomanana mianakavy dia mody woe:omena jet privé mihitsy dia rehefa avy dia atatatata rehanizao tontolo izao fa izy no tena boay kely tsara fanahy nefa ny ao anatiny maimbo masiso tsy misy ilaina anazy, ka mbola averiko ihany tsy misy afa tsy ny mirotaka sisa hanalàna haingana anireto fatinalika ireto

  20. MAHONENA!’!!
    misy tetika ratsy ao matoa izy milingitra manome zavatra izany,
    aza variana isika fa hadalana ary tsy az ekena velively izay fanomeza avy @’izay olona
    TSY MAZAVA TOY IREO FOZA SY FRANTSAY IREO.
    Efa voavidiny @ BOIS de ROSE izao tontolo izao e!!NY FANANANTSIKA IHANY NO
    HAMORETANY ANTSIKA e!

  21. hoan i Hanitra sy Mamy rakotoarivelo:

    POUR L’honneur,

    Pour la patrie ,

    pour la justice,

    Pour l’indépendance,

    Pour la liberté d’expression et pour la liberté en général,

    pour la patrie ,

    A BAS RAJOELINA – A BAS RAJOELINA – A BAS RAJOELINA –

    TRADUCTION LIBRE.

    ambany rajoelina – AMBANY RAJOELINA – AMBANY Rajoelina .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *