Pro Ravalomanana : Fikambanana vaovao ivondronan’ireo tsy anaty « système »

IMG_4871

IMG_4871Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny maraina teo ny Pro Ravalomanana teny amin’ny hotely fanantenana Ampandrana. Nitarika izany ireo mpiara mitantana ny Pro Ravalomanana nahitana an’andriamatoa Dr Eugene, inspektera Fanomezana, ny tale kabinetran’ny Ct Zafilahy. Araka ny nambaran’izy ireo dia fikambanana maro ary ireo olontsotra izay manohana ny filoha Ravalomanana Marc no mitambatra mandrafitra ny Pro Ravalomanana. Tamin’ny 15 janoary teo no nananganana azy teny Bel’air ka androany vao nampafahantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fijoroany na dia efa nisy aza ny hetsika notanterahin’izy ireo. Nanambara ny inspekitera Fanomezana fa ny Pro Ravalomanana dia tia tanindrazana ary mazava ny taringetra hijoroany dia famondronana ny hery amin’ ny famerenana ny filoha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazany. Tsy hanakorontana ny Pro Ravalomanana hoy izy fa tolona mahomby no atao ka vonona izahay hitondra izany. Namafisiny fa tsy misy fifidianana izany eto raha tsy tonga alohan’ny fifidianana i Dada. Ny Dr Eugene kosa dia nilaza fa i Dada ihany no afaka mitsabo ny aretina. Ny aretina eto dia fahantrana ka araraotin’ny mpanambola avy any ivelany izany ary avadiny ho fitaovam-pamokarana hanjanahany indray. Io fitaovam-pamokarana io hoy izy dia tsy misy afa-tsy ireo gasy ray sy reny mpanao politika. Ao amin’ny fanaovana politika no ahazoana vola haingana ka izay no mahamaika azy ireo. Ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc hoy Dr Eugene dia sahy nijoro nilaza fa hiaraka amin’ny firenen-dehibe isika. Io no tsy zakan’ny sasany ka nanonganana azy. Momba ny fiaramiasa amin’ny Ankolafy Ravalomanana dia nambaran’izy ireo fa tsy mifanipaka amin’izany ny asan’izy ireo.Ankoatra izay dia nitsangana ihany koa ny Pro Ravalomanana any amin’iny faritra Sava iny amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa ny site web ahafahan’ny vahoaka eto an-toerana sy avy any ivelany , mahafantatra bebe kokoa ny fizotry ny asa eo anivon’ity Pro Ravalomanana ity. Hatreto aloha dia mbola tsy nilaza ny mety ho tohin’ny hetsika ny mpitarika. Marihina moa fa ny Pro Ravalomanana dia fikambanana  ivondronan’ireo mpomba ny  filoha Ravalomanana tsy tafiditra anaty « système » na ireo mpitarika hafa mbola  « tsy nahazo seza ».

25 pensées sur “Pro Ravalomanana : Fikambanana vaovao ivondronan’ireo tsy anaty « système »”

  1.  » L’ARRIVEE DES MILITAIRES DE LA SADC  »
    Ce 1er FEVRIER ( TANANEWS)

    Les autorités malgaches se sont démarquées hier à l’arrivée de la délégation militaire de la SADC. Les 20 militaires et diplomates confondus envoyés pour discuter des dispositions à mettre en place pour le retour de Marc Ravalomanana ont fait l’objet de l’indifférence la plus totale.

    Aucun représentant officiel du gouvernement et des forces armées n’a fait le déplacement à Ivato pour accueillir les membres de la délégation militaire envoyée par la SADC. Ils ont d’ailleurs dû se débrouiller pour rejoindre leur lieu de séjour, étant donné qu’ils n’ont pu jouir d’aucun véhicule ni escorte. L’animosité du régime sur le sujet du retour de Marc Ravalomanana se reflète à travers cette attitude indifférente, pour ne pas dire hostile. Quoi qu’il en soit, la délégation dirigée par le général de Corps d’Armée tanzanien Charles Mayounga est disposée à mener à bien sa mission et en faire le rapport auprès de la SADC.

    Si le Dr Léonardo Simao se charge de la médiation politique, le Général Charles Mayounga évaluera le contexte socio-politique et la position des forces armées. L’heure n’est plus aux conditions du retour de Marc Ravalomanana, mais des dispositifs de sécurité à mettre en place, si l’on se fiait aux propos de ces militaires de la SADC. Le Général Charles Mayounga a précisé que cette mission entre dans le cadre de la décision des chefs d’État de la SADC du mois d’août dernier, fixant un délai de 30 à 60 jours pour la définir ces mesures de sécurité. « Nous ne voyons pas pourquoi Marc Ravalomanana ne pourrait pas rentrer », a déclaré ce chef de délégation, pour rejoindre l’opinion du Dr Leonardo Simao.

    Cette délégation de la SADC embarque 20 membres. Outre le Général Charles Mayounga, le Général de Corps d’Armée sud-africain Trevor Meyer et plusieurs autres officiers et diplomates ont été de ce voyage. Les rencontres avec les hauts gradés militaires malgaches sont lancées dès ce jour.

    A lire dans la même rubrique
    Après presque 4 années de crise, la SADC envisage d’envoyer ses militaires
    Général Edmond Rasolomahandry : « les militaires ne devraient même pas être consultés »
    Mission de médiation : le Dr Simao tente de se racheter
    Visite de la SADC : les hauts gradés des Forces armées dans l’expectative

  2. Miangavy antsika miaraka aminy prezidà Ravalomanana mba hamaky anity valinteny nolazain’ ny ambasadaoro frantsay.Dia misy marina vé zanak’i Dada tsy manaiky ny
    ahatongavany alohany ny fifidianana.Raha izaho manokana aloha dia tsy mino anizany raha tsy woe angaha ireo mpamadika haotrany ry koto maditra sy ravakitapiny.

    M.M : Est-ce que vous maintenez votre position concernant le retour des exilés ? F.G : « C’est un sujet épineux, sensible, voire même tabou. Nous avons déjà exprimé notre position là-dessus. Ce n’était pas de la pression, ni de l’ingérence. Je me suis exprimé non pas par animosité mais plutôt au nom de la logique d’apaisement. Je rappelle que la France est membre fondateur de l’ONU. La Communauté internationale pense que la France a un rôle à jouer dans la résolution de la crise malgache. Nous ne souhaitons pas compliquer les choses, nous nous rallierons à la décision de la SADC. Je tiens à noter que depuis mon arrivée, j’ai pu rencontrer beaucoup de personnes, et je trouve que ceux qui prennent l’initiative de discuter de ce sujet avec moi, y compris ceux qui sont dans le camp de l’ancien président partagent cet avis et estiment que Marc Ravalomanana ne devrait pas rentrer avant les élections. En tout cas, les Malgaches sont préoccupés par la préservation des étapes positives

    processus de résolution de crise ».

  3. Aza mino izay vavan’aliak any rėTompoko ô!!
    fa mbola tsy mahalala ny fandehan »i Foza ihany ve ianareo e!????
    avelao lazainy any daholo izay lazainy fa tsy olana fa ny antsika dia TOKA-PO OHATRY NY SINY.
    Mazava ho azy fa tsy isan’ny ZANAKY DADA IZAY MILAZA SY MANOATRA IZANY DIA VITA!!!
    TSY VAO IZAO NO NISY NY MPAMADIKA RAHA TENA MARINA IO!!!KOA AZA MISY TAITRA FA
    NY RATSY TSY KELY LALANA, sady ny frantsay hanaiky ho DISO EO??????MANONOFY!!!!!!!!
    LAINGA KOA TSY FERANA!!!raha nisy izany dia ho nilaza am-pahibe maso RAHA TENA MARINA,
    miampy fanazavana MAZAVA HO AZY raha inona no ao anatin’ny lohakelin’ilay olona MISORATENA
    HO ZANAK’I DADA, sao dia mbola ry Mėmė sy ry Raharinaivo aza izany???ILAY ZANA-BARATRA???

  4. Dia asaivo OMENY NY ANARAN’ILAY OLONA DIA MIAIKY AHO.
    Tsy haiko re ray olona fa izaho manokana dia tsy mino fa na misy aza
    izany dia mazava ho azy fa EFA TSY ANISAN’i AZO LAZAINA HO ZANAK’i DADA INTSONY IZANY a!!
    ASA MIASA LOHA OAH!!!Tsy vao voalohany na farany izany famadiana an’i dada izany, BIZINA BE IO
    ao @ tanana ao.Izay tė hanankarena tampoka dia MIVADIKA @ DADA , ataoko fa mazava ry zareo??
    indrindra ho an’i Kintana.

  5. Izaho manokana dia mankasitraka ity fikambanan vao2 ity satria ireto
    Ankolafy Ravalomanana dia tsy hita hafoy moa tsy azo hantenaina ihany koa.
    Toa manara-drenirano fotsiny , am-bava tsy mila nefa toa manaiky ankolaka sy manao kisonia any ihany.
    Tsy hita miroso tsy hita miemotra, miesona sa MAMPIESONA????tena fanina ny mpanara-dia azy.Tsy hita
    izay hetsika na ezaka MIVAINGANA fa miandry mahazo fotsiny tsy hita hoe ahoana sa ahoana?????
    Miala tsiny tompoko fa izay aloha no fahitanay azy fa raha musy fanampim-panazavana dia raisina an-tanan-
    droa.Ny fanontaniana hapetraka dia hoe: mbola ao ve ianareo sa tsy ao intsony???mitolona marina ve ianareo
    ho @ fahatongavan’i dada???dia inona no mba HETSIKA HO @’iIZANY RAHA MISY???

  6. Maninona indray i Kintana ???

    Zanak’i Dada, dia avy eo tsy zanak’i Dada !
    Dia rehefa tonga i Dada dia tsy menatra akory ny hiteny hoe : Ireto izahay ry Dada malala ô ! Aza omenao tsiny izahay rahatoa ka niteniteny foana, fa efa vaky loatra ny lohakelinay ô ! Mahery loatra ny domelinaozy, ary aretin-dratsy mihintsy ! Aoka ho tsorinay aminao ry Dada fa raha nahita ny rendrarendra nataon’ireto mpanongana izahay dia tsy naharitra, fa dia narianay tany amin’ny zaoridira ny fanafody sy hanatranatra mba navelanao taminay !
    Mifona re Tompoko ô ! Mifona izahay Dada ô !! Aza dia ariana re ireto zanakao ê !!

    Put..de merde !!

  7. Tonga ny fotoana manaitra ireo mpampizara ny vahoaka miaraka amin’ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,izay niar-niasa taminy nandritry ny fito taona..
    Moa ve marary ireto olona milaza azy ho pro-RAVALO , fa ny Vahoaka niaraka tamin’ny Filoha ve miara-mitolona isan’andro eny amin’ny Magro..? Heverin’izy ireo fa ny bla-bla , ny fanaovana resaka ankapobeany ( généralités ) manafosafo ny sofina dia ampy hanentanana ireo mpitolona ,ary iza moa ireo besinimaro nivory tamin’io andro io ?
    Ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia tsy namorona ny ANKOLAFY fa ny fivoriana tany MAPUTO no nanetsika io ANKPLAFY mba hiaraka fa TSY HISARAKA NY MPOMBA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC , koa nahoana ity fikambanana pro-AVALO ity no tsy miditra ao amin’ny Ankolafy toa ny TIM , NY MFM , NY TEZA..?
    Koa iza ary amin’ireo mpomba ny Filoha RAVALOMANANA MARC no tsy pro RAVALO ?
    TSY MANAO POLOTIQUE , FA HO RAISINTSIKA NY TOLONA MBA HAMERENANA NY FILOHA ?
    TAIZA IANAREOA ATRIZAY ? SARIA VE EFA AKAIKY NY FODIAN’NY FILOHA DIA MIROSO IANAREO MITANDRO NY FIFIDIANANA SOLOMBAVABAHOAKA ?
    NY FAHADISOANAREO DIA NY TSY FAHAFANTARANAREO FA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC NO MITONDRA NY ANKOLAFY RAVALOMANANA MARC ARY IZY NO MIBAIKO SY MANOME NY SORI-DALANA ARAINY..IZAY TSY MAINTSY TANTERAHAN’IREO MPIKAMBANA AO AIn4NY GOVERNEMANTA , AO AMIN’NY CT , AO AMIN’NY CST !
    MITADY TOERANAIANAREO ! IZAY NO MARINA !

  8. Tonga indray ilay fiara mena be !!
    Zavatra roa no tena mba nanintona ny saiko !

    1)… tsy tafiditra anaty « système » na ireo mpitarika hafa mbola « tsy nahazo seza » !
    Fa angaha dia mitady seza mafy no dia aroso ato izany resaka seza izany ? Tsy ny tolona ve aloha no tokony imasoana ! Mba avelao any aloha ry zareo izany resaka seza izany !!

    2) Ny talen’ny kabinetra an’ny CT Zafilahy ao anatiny, koa dia mba aiza ny toeran’Ingahy Zafilahy amin’izany ? Iza moa io olona io r’Ingahy Solo Razafy ?

  9. Ny teniko antsika rehetra zanaki i Dada dia tsotra ihany.Fa naninona ré no nanaiky any i RAjoelina isika zanaky i Dada ho filohany ny tetezamita.Zao inona ny vokany? Izy daholo no mandidy izay zavatra tiany atao.Jerevo fotsiny ny zavatra nolazainy farany teo.Tsy menatra akory izy milaza woe: Ny fifidianana solombavahoaka no atao voalohany, taiza no mbola nisy anizany hatraminizay.Ka ity zavatra ity dia tsy tokony nanaiky mihitsy ny avy aty aminy Filoha Ravalomanana satria mihevitra mihitsy i Rajoelina woe : Izy izany no filohany ny tetezamita dia izy koa ny filohampirenena ary io zavatra io dia karazany fitaka natao taminintsika zanaki i Dada.Ary ny tena mampalahelo dia io maha filohany ny tetezamita anazy io no araraotiny, ary ovàny woe izy no tena filoham-pirenena.Ary tsy mahagaga raha izao no hiafarany ny vahoaka malagasy manjary mahantra daholo ny ankebeazany.Nefa na dia izany aza dia tsy maintsy tonga eto antanindrazana ny filoha tena marina Andriamatoa Ravalomanana marc

  10. fa inona moa ilay ataonareo hoe « système  » e

    misy tsy maharaka ny fandehan’ny Tolona hatramin’izay ianareo eto.
    AO anaty tolona, misy TIM, TEZA, MFM,3FM ( SAtrobory), ny 1 efa lasa . + entités miisa 30 mahery, samy mitondra ny anarany. Mouvance Ravalomanana ny fitambarany

    Ny PRO-RAVALOMANANA dia olona tao ihany, fa tsy tia miditra antoko, olona tsotra, mpitolona amin’izao fotsiny. Everinareo ihany angaha fa TIM ihany no mameno ny Magro ao ?

    Ny tsy mety dia ry zareo TIM nisitaka tsy hiaraka aminy Pro-Ravalomanana anefa olon ‘i Zafilahy ihany no atao sefo.
    Hitanareo amin ‘izany fa misy zavatra tsy manjary ao

    Betsaka ny groupement nitsangana tao fa efa maty
    daholo : plateforme e, union des assoiciations e, udempro e sns sns

    Efa leho ny vahoaka, tsy mila an’izany intsony fa efa samy may hivernan’i Dada

  11. Bienvenue à ces militaires de la SADC !
    espérons que quelque chose va enfin bouger ! ça commence à être long
    Que le Seigneur renouvelle nos forces chaque jour.

  12. Mba maha variana tokoa ty ataon ‘ dr Robin;vaovao efa taloha be io no averiny eo,am izay mi citer tnn, nefa tsisy an ‘izany akory am io site io,tsy azoko mintsy!

  13. Milay be izany vao2 ato izany, taraiky be indray aho marina,
    Mba lazalazao vao tsara ihany ray olona a!!
    Mba homeo vao2 mafana Solo Razafy a!!dė ahoana nam????hanao izao ihany dia maninona
    dia niandry ela???hanaiky ihany moa ko anandany jiro , 4 taona be izao!!!!!eny e! ho hita eo!!
    Tsy tokony efa hisy FILAHARAM-BĖ ve hanoherana ny FAHATONGAVAN’i simao ao e????
    TAIRO ZALAH !!!!VELASO DIA NY MAFANA fa aza tonga namana vao mavomavo a!!!AIZA Ô!!!

  14. Ka ho ataon-tsika resaka « matotra » amin’izay ve izy’ty, sa dia mbola ho atao ( ny ahy aloha dia efa sérieux hatry ny ela ) resaka fanalàn’azy fotsiny ê ?
    Atsangano ny tanana ! Mila miroso any amin’ny lalin-dalina kokoa, fa efa leo be amin’ity fiandràsana eo an-tokonam-baravarana ity ny akama !!
    Tsy milay mihintsy !

    Maro dia maro ny fanontaniana na zavatra tokony ho dinihina eto ; ny zavatra tsapa dia resaka tsy mitondra mankaiza foana no toa averimberina eto ! Inona ny antony, sa dia tsy mahita zavatra mafonja tokony ho dinihina eto isika mianakavy ?

    Inona no mba valin-tenin’ialahy ry bavy ?

  15. Mila mitandrina amin’ny fomba fandroatana an !
    VELESO SA VELASO, SA VELARO ????????????????? Hi hi hi hi hi !!!!!!!!!!

  16. Hahodikodiny olona foana ra-malagasy mihesona be loatra,dia nalefan’i flamby any New York i rabitro lavanify handray famerenan-desona avy @ ingahy koreana efa voaboroso sy voavidin’i sarko rapohy. Misy fika afahafa ao sa ?
    Renindozatra anie tsy hanaiky hovery sakafo matsiro tolorany malagasy!!!
    Ra-malagasy, mpandahatra gaigilahy @ serasera fa tsy maharaka ny fijery sy fomba fisainan’ny filoha M. Ravalomanana dia izao…: 4 taona sangondimpanina sy fivadiana palitao, tsy mahafoy an-drenindozatra angamba sa matahotra ny hijery ny firenena hafa???
    Aiza re ny lehilahy malagasy ankoatry ny filoha M.Ravalomanana e???

  17. Lehilahim-bomanga daholo ry Besorongola a!!
    Tsy i domelina ihany no tsy mbola misara-nono fa misy aza
    anti-dahy fotsy volo mbola misolelaka mafy @’ireto renikely, lasa BIZINA mihintsy ity fivadiana
    palitao ity anie e!!rehefa te hanan-karena tampoka dia mamadika palitao dia vita.

    F’iza no mbola tsy matotra eto indray ???misy matotra ohatra an’i Bavy indray ve eto? hihiiii
    Tsy te haka « L  » aho raha ny tena marina . Mba manarinary dia aloha , miezaka mitady vao2 tsara
    aho io, ny hamisavisana ny ratsy anie Hiavian’ny SOA.aza manome tsiny aloha fa izay e!!

  18. Fisaorana be dia hoan’ny pro-Ravalomanan izay afaka niala t@ fangejana ny fitatanana ny tolona ao @ MAGRO. Ny vahoaka ihany no tena tompom-pahefana ary ireo mpitarika manakana tsy hihetsika dia tsy maintsy ho tsarain’ny tantara.
    Ny hetsika teny @ masoivohon’ny Amerika sy frantsa dia tena zava-dehibe. Tsy maintsy tohsanantsika mafy ireny hetsika ireny, fa ireny no ahitan’ny olona fa tsy ekentsika ny fitondra ankehitriny, ireny koa no mahatonga ny fianakaviambe iraisam-pirenena hihetsika na tsia.
    Dia maknkahery tanteraka ny pro-Ra8 ar ymanohana azy hatrany araka izay azo atao. Isika tsirairay avy koa anie mba hijery izany fanohanana izany ka hanao izay tandrify antsika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *