PRO RAVALOMANANA : HANOHANA AN’I BERIZIKY

IMG_6036Nihaona tamin’ny Praiministra Beriziky teny Mahazoarivo androany ny Pro Ravalomanana. Tonga ho tamin’ny 10 ora maraina no nigadona teny an-toerana ireo mpitarika, niaraka tamin’ny adian’olona vitsy dia vitsy. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe 122 sy 113 ireo adian’olona ireo no nilahatra tahaka ireny mpilahatra taksibe ireny. Fotoana fohy no namelarana ny sorabaventy netin’izy ireo teny an-toerana. Tsy nisy ny Emmoreg nanakana ny hetsika noho havitsian’ny olona. Nisy ny delegasiona   nihaona tamin’ny Beriziky ka anisan’izany ny mpandrindra Hariliva, niaraka tamin’ny tale kabinetran’ny Ct Zafilahy, Me Noro Rabemananjara, ny inspektera Fanomezana ary Jackie.Rehefa hanao tatitra tamin’ireo olona momba ny fihaonana izy ireo dia samy nanana ny filazana avokoa.Beriziky hoy izy ireo dia nilaza fa mena ambanin’ny mena ka tsy afaka manao inona. Misy lehibeko aho hoy ny Praiminsitra raha ny fanazavan’ireo delegasiona. Misy ny tsy mazava amin’ny andraikitra eo amin’ny praiministra sy ny filohan’ny fat ka tsy afamiasa izy. Tsy voaresaka nandritra izany ny fampodiana an’ny ramatoa Lalao Ravalomanana fa nambaran’ireo delegasiona fa efa tafiditra ao anatin’ny tondrozotra izany. Hanohana an’i Beriziky ny Pro Ravalomanana hoy ny fanazavana manomboka androany. Amin’ny ankapobeny dia tsy arakaraky ny nambarany no nataon’ireto Pro Ravalomanana ireto ny amin’ny hoe fanerena an’i Beriziky ny hetsika natao. Tsy nahavita nanery azy izy ireo noho izay tsy fananany fahefana izany. Angady tsy mahatapak’ahitra ity Praiminsitry ny marimaritra iraisana ity. Niteraka gidragidra teo amin’ireo andian’olona mpomba ny Pro Ravalomanana ny isan’ireo delegasiona. Tsy nifanarahana tao anatin’ny fivoriana hoy ireo olona sasany ny fampidirana an’andriamatoa Jackie ao anatin’ny delegasiona nihaona tamin’ny Beriziky fa nisisika fotsiny ranamana. Saika niafara tamin’ny totohondry teny ankalamanjana ny fifamaliana.Samy mitady hitarika avokoa ireo lohandohany ao amin’ny Pro Ravalomanana mba hahazo seza. Tsy misy hatrany ny fahamatorana eo amin’ny fanatanterahana hetsika tahaka ireny ho azy ireo.

2 réflexions sur « PRO RAVALOMANANA : HANOHANA AN’I BERIZIKY »

  1. Ça sent le poisson. Je préfère penser à une maladresse et manque d’expérience …Sinon…. Ça sent le poisson.

  2. Voakarama ny sasany handoto rano e!!
    vao mahavitavita zavatra indray dia potehina ,fa vao2 ve izany e!!
    Dia mifandaminà aloha ianareo fa aza mbola miseho TV raha mbola tsy milamina fa
    MANALABARAKA, avy dia SIVANO izay mitady hanoana an’i Beriziky, taloha izy NIFANARAKA tsara ery
    koa izao no manjary manana ny LAHIBENY ahoana?izany ve tsy mampiesona??? » ny TONDROZOTRA no
    patron-ko hoy izy an » samy naheno daholo isika, dia aiza???izao vao mivadika indray rehefa avy NIOSINA tao?
    Mody vazaha mody miady fa aza misy mino an’io intsony e!!tokony miala koa rehefa tsy mahatapak’ ahitra .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *