RANDRIANJATOVO HENRI : TSY MAINTSY MIONGANA IO FITONDRANA IO

CST-HenriNisy ny vaomiera momba ny fanadihadiana nantsangana teo anivon’ny Cst ka niazara fito izy ireo mahakasika ny raharaham-pirenena. Nisy ny asa izay nataon’izy ireo tany Toamasina tamin’iny herinandro lasa teo iny. Anisan’ny ao anatin’io vaomiera momba ny fanadihadiana ny raharaha Sirama  ny Cst Randrianjatovo Henri. Nanao tatitra fohifohy tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka androany ny tenany momba izany. Tsy mora ny tatitra hoy izy fa sarotra satria tao izahay no nahazo fandrahonana, nisy aza nisy nanatsatoka antsy mihitsy. Tany amin’ny seranan-tsambon’I Toamasina hoy Henri no nanaovana fanadihadiana. Misy dossier tsy tiana aseho ao fa misy zavatra maromaro afenina. Efa azo anefa ny dossier hoy izy na izany na tsy izany. Misy kaontenera 19 hoy Henri tsy fantatra ny momba azy ao Toamasina ao. Kaontenera 3 ihany koa feno andramena. Misy amin’izy ireo no tsy mandalo doany fa avy hatrany dia eny ambony ranomasina kanefa zavatra hafa ny ao anatiny. Misy ny anarana voatonona amin’izany hoyizy ka tafiditra ny ministry ny tetibola, ny lehiben’ny faritra, ny ben’ny Tanana. Misy tambazotra mafia io zavatra io na any amin’ny seranan-tsambo na any amin’ny Sirama.Ny Sirama manokana hoy Henri dia amin’ny herinandro no atao ny fanadihadiana. Rajoelina hoy izy dia nilaza fa hanaovana trano mora 1000 ny tanin’ny Sirama ao Ambilobe. Dikan’izany dia ny mponina any dia lasa mpiasam-bazaha. Didy jadona no nanesorana ny olona tamin’izany kanefa tsy nisy taratasy mazava nakana ny tany. Mahakasika ny nahafaty an’itompokovavy Nadine dia nambarany fa maro ny zavatra  tsy mifanentana amin’ny fanadihadiana toy ny hoe efa tafapetraka nysambo vao nisy fipoahana. Ny fototry ny zavatra rehetra hoyHenri dia tsy maintsy miongana io fitondrana io.

5 pensées sur “RANDRIANJATOVO HENRI : TSY MAINTSY MIONGANA IO FITONDRANA IO”

  1. Tsy aleo ve miasa mangina @’izay zalah a!!
    tsy hitondra inona afa tsy ny fanenjeana ny fanambarana izany eo
    nefa ireo olona ireo sy afaka ny hanao n’inona @’izany anie e!!!!izay olona tokony hanampy
    mangina hilazana ilay raharaha fa efa be loatra izay AINA nafoy zay a!!efa fantatra daholo
    izany e!!be lavitra noho izany aza fa mba  » asio asa kely rė TOMPOKO isany ô!!!izay izany
    ilay izy dia KARAKARAO ary fa sao hilaozan’ny omby miahaka.

  2. Coucou Ranavalona,
    Marina ny voalazanao fa tokony hiasa mangina amizay fa ela loatra. Mijaly ny vahoaka tsy mandady harona, potika ny tanindrazana.
    Tairo amizay nama fa lasa be kabary fotsiny ka tsy lasa tsony.

  3. Ahhhh ny havana marina!!!!fa taiza foana????
    Dė. ahoana ry sė ??inona no vao2 izay ela be izay??
    mba zarazarao e!! volan-kakafotra ity ry sė ka hainao ny tohiny.
    Faly aloha fa tonga indray sė e!!dia tratry ny taona aloha, lava tongotra indray angaha
    no elaela tsy hita???

  4. Tena miombo-kevitra aminao ry Henri Ra… fa ny fanotaniako dia ity. Hiandry io fitondrana io hirodana ve isika sa isika mihitsy no anisan’ny handrona an’io fitondrana io ?

  5. Ho hiditra mivantana eny @ MAGRO ny LTc CHARLES anio 7 Fev 2013,ary tsy maintsy ho tonga ao Madagasikara koa izy
    Misaotra an’ireo Tia Tanindrazana nanampy azy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *