RAVELOSON CONSTANT : EFA BIBY IO FITONDRANA MPANONGAM-PANJAKANA IO

IMG_6563

IMG_6563Ny momba ny raiamandreny sy ny fahotana 10 nataon-dRajoelina ireo no niompanan’ny kabarin’ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka. Mhakasika ny raiamandreny bebe Razay dia nambarany fa tsy dia tsara ny miteny betsaka satria ny fianakaviany efa nampiseho fahendrena sy haja ny amin’ny hoe tonga ny vadin’ny prezidà. Ny tenin’ny fianakaviana no horaisiko hoy izy manao hoe izao zavamanjo anay izao dia tsy tianay hahazo ny taranaka sy ny firenena, ary vahaolana no tadiavina eto. Fanontaniana no napetrany hoe Iza moa Rajoelina ? Mantanjaka noho ny frantsay nanjanaka teto ve izy ka nanao sesi-tany an-dry Raseta, Ravoahangy , Rabemananjara, ka rehefa tonga ny 47 dia voatery naverina teto? Iza Rajoelina no hiteny amin’ny Malagasy iray hoe mandehana ianao fa tsy mahazo mipetraka eto? Mibaribary hoy Constant fa ny fitondrana baroa dia biby. Aoka izany ho hanakoako amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Isika ao amin’ny Ct sy Cst hoy izy dia tokony hanao ampamoaka momba izany. Lalàna aiza no misy izany Malagasy handroaka malagasy izany. Ny misy teto dia ny heloka bevava tany Nosy lava saingy anarany fotsiny izany. Aiza ho aiza ao amin’ny tondrozotra no manome fahefana azy amin’izany ary aiza ho aiza amin’ny lalàm-panorenana nataony amboletra no misy an’izany. Efa biby hoy Constant ny fitondran’ny mpanongam-panjakana. Tsy mbola nisy faty olona maro teto raha tsy tamin’ity fitondran-dRajoelina ity. Ny momba ny fahotana 10 nataon-dRajoelina dia naveriny novakiana tamin’ny vahoaka izany. Tsy misy resaka fankahalana sy tsy fitiavana hoy izy. Io lalàna io no nosihosehin-dRajoelina.

5 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : EFA BIBY IO FITONDRANA MPANONGAM-PANJAKANA IO”

  1. Neken´i Rajoelina ny FDR ,satria nahalasa azy ho PT ,fa ny sisa ambiny kosa tsy norarahiany. Izay no mha PT loham-boto sa jiolahim-boto an´i Rajoelina andry.

    hadisoana ilay kisoniasonia. efa fantatra fa jiolahim-boto tsy manaja sonia.

  2. Inona no vao2 efa tonga tao angah i Neny ry zareo fa tena tsy harako???
    Velao hiariary ihany fa tsy olana izany e!Dia ho sanatria ve nataony ohatry ny
    namangy Gadra dia hoe : » lany ny fotoana »?????
    Mba hilazao vao2 zalah a!
    Mbola ireo daholo ilay nanao sonia e!!inona no MBA HATAONAREO @’izany zavatra izany????
    faly miara-miosina @ maloto ao fotsiny tssssssss

  3. LAZALAZAO,

    Endrey ! Ny manonofinofy sisa azo atao e ! Efa an-dr’izalahy kooo ! 😉
    Soa ihany fa miaraka amintsika i Solo Razafy ! 🙂

  4. Tsy hiova izany io DJ mpanongana io, jereo ange raha tsy mbola mihevitra ny tenany ho filoham-pirenena voafidy aharitra 10taona amboniny izy e! Tsy fihetsik’olona tsy eo intsony ao aoriana ny fifidianana izao. Ka manahy aho fa misy ambadika io fifidianana io na hitohy ny tetezamitatra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *