TANTERAHO AN-TSAKANY SY AN-DAVANY NY TONDROZOTRA

IMG_5801

IMG_5801Nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lahateny samihafa nifandimbiasana. Anisan’ny nandray fitenenana tenyan-toerana ny Ct Hilarion Rarison. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny nitsidika an’ny Bebe Razay ny tenako omalyhooy izy teny amin’ny hopitaly satria fantatro fa nahateram-behivavy ny tenako. Misy fitenenana hoy izy hoe ny rayamandreny tsy mahafoy zanaka fa ny zanak tsy mahafoy ray amandreny. Amin’ity hoy izy dia manao kajikajy tsotsotra Rajoelina hoe aleo samy ho faty rafozana. Izaho miteny hoy Hilarion dia mitondra am-bavaka an’i Bebe Razay mba ahazo fahasalamana. Efa nivoaka hoy izy ny anaran’ireo olona ao amin’ny FFM. Raha nieritreritra ny hanao fampihavanam-pirenena ianareo dia tsy nitsidika ny renin’i Lalao, fa izay no fahendrena voalohany. Ahoana hoy izy no hieritreretana fa ry Ramino Paul no hitarika ny fampihavananana. Raha tsy ny Pr Zafy no hitarika ny fampihavanam-pirenena hoy Hilarion dia tsy hanaiky ny tenako. Tadidio hoy izy fa resaka vedette no nampifanolana an-dRavony sy Zafy ka nilazana hoe asio fitsapan-kevi-bahoaka. Nanaiky niala ny Pr Zafy rehefa resy. Momba ny fampianarana dia nambarany fa nanao fangatahana daholo ireo mpianatra tany ivelany ireo. Diso kajikajy ny fat hoy Hilarion fa izao vao fantatry ny ct, sy cst ny marina. Tsy tokony ho olana io vola io fa navangogony any amin’ny Hajo ny vola 33 milliards izay tokony hipetraka any amin’ny ministeran’ny fampianarana. Tsy vahaolana hoy izy ny famerenana ireo mpianatra ireo.Namafisiny ihany koa fa tsy misy fifidianana eto raha tsy tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc. Andrasantsika ny 01 avril hoy Hilarion, io no fepotoana farany napetraky ny Cps.  Tanteraho antsakany sy andavany ny tondrozotra fa raha tsy izany dia hirosataka ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny vahoaka. Rhefa tsy hanao ny iraisam-pirenena hoy izy dia afaka adidy isika vahoaka. Amin’ity herinandro ity dia manao fanerana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena isika.

14 pensées sur “TANTERAHO AN-TSAKANY SY AN-DAVANY NY TONDROZOTRA”

  1. mandehana letsy mandeha mirediredy any fa reraka eo elà fa tsy hisy hiaino mitsy ah! wawawa lava eo tssssssss!!!!

  2. Ianao ry  » peuples malgaches » no tsy MISY mihaino fa aza havadika ny resaka. Ianareo mpandroba indray ity no avo vava.

  3. Ataovy ary hojerena e? hi!hi!hi!eto no wawawa sy blablabla fa ts’is apoka akour!!!! Ny ol kely vovok’aina no be resaka sy be kabary!!!!maivana no dikan’zany!

  4. mitomania dé mitabataba dé mandania andro fa tsy lasa lavitra! efa fomba mahazatra anareo ny oe: lasa ny alika vô manangom-bato!

  5. HAFKA MIAKAMINA INDRAY IZANY IANAREO R I HILARION ..DIA AVY EO IANAREO HAKA MANGATAKA FANALAVAN ENIM BOLANA INDRAY.
    DIA HO TODY FOLO TAONA NY FITONDRANA RAJOALINA @ IZAY .

  6. Dr CELESTIN Robin dit :

    19/02/2013 à 01:13

    C’EST L’ACCELERATION DU RETOUR DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ET DE SA FAMILLE QUI CONSTITUE LA SOLUTION ADEQUATE , URGENTE..ET APPORTE UN COUP D’ARRET AUX NUISANCES POUR LE FIARAHA-MONINA DES MALGACHES VENANT DE RAJOELINA..

    Il est naturel que les Malgaches éxigent la rentrée immédiate de Madame RAVALOMANANA LALAO Pays pour être auprès de sa mère souffrante ..!
    Mais attention ! Il ne faut pas négliger notre intransigeance du retour du Président RAVAOMANANA MARC au Pays…
    Notre intransigeance ,s’appuyant sur celle de la Présidente de l’UA ,doit encore et toujours obliger le CPS-UA et la TROIKA : SADC à accélérer ce retour pour permettre le retour rapide de toute la famille RAVALOMANANA MARC afin d’être auprès de la Grand’mère RAZAY : cette décision dépend du tandem CPS-UA et de la TROIKA :SADC..
    OUI IL FAUT ACCELERER LE RETOUR DU PRESIDENT RAVALOMANANA MARC ET DE SA FAMILLE !

  7. Ialahy ry « peuples malgaches » tokony hiova « pseudo » fa mahamenatra raha « minable » ohatran’ialahy ny olona faritan’ialahy ho malagasy.Toe-tsaina efa nivoatra be ny teto Madagasikara t@ andron’i Dada fa ireo mpimamo an-tatatra sy mpanaonao foana no nijaly.Amin’izao,ny mpanaonao foana ohatra ny ialahy isany sy ry tezaka ary ry roland mercia no mba miseho manjaka (amin-tahotra @izany,atao ahoana moa fa izany rehefa halam-bahoaka).Tsy ialahy mihitsy no « peuples malgaches », »Déchets malgaches » ialahy isany.

  8.  » ny rayamandreny tsy mahafoy zanaka fa ny zanak tsy mahafoy ray amandreny. » Izany hoe I Bébé Razay izany no renin’i Rajoelina? Raha izany mantsy dia voromanga mitera-borondolo.
    Manarak’izany dia ity FFM tsy MISY ny ankolafy Zafy Albert ity dia jerem-potsiny. Ireo olona Sady mpanondro no tondroina ka niteraka tsy fifanarahana, ireo ihany no miverina ao.Ka inona no,tokony hatao ? Sa hanaiky fotsiny ohatry ny mahazatra ?
    Ary Arany , ity amenstie sy famipahavanana ity. Ilay hoe,ireo olona voaroiroy teo an élan’ny 2002-2009 ve no atao Nefa ny ankamaroan’ny gadra dia nanao mbola t@ 2009 ?

    « Amin’ity herinandro ity dia manao fanerana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena isika. » Eny ary fa tandremo indray sao mametraka tahakan’ny mahazatra.

  9. Ary raha mba tohizan’ny lehilahy mpitolona na Tana na ivelany nosy re io hetsika tany USA io e?
    Dia ny vehivavy mikaroka hetsika afa satria ny hetsika tsotra sy fa manintona aingana ny maso sy saina no any tokana sisa hitaritantsika ny eranatany; samy sahirana noho ny krizy ny firenena rehetra ka izay vavaka sy hetsiky ry ramino mpamadika dia….sady hiandry an’i paoly no hiandra an’i razaka…dia hitsako tsy misy foana ramalagasy!

  10. Tara indray Bavy !!!hay tato nisy vao2 mahafinaritra!!
    Misaotra sy mankatelina ny « Gtt New York  » Mankasitraka e!
    dia tsy hadino ny mpampita vao2 moouuuaahhhhh!!!(atao mifotetaka be mihintsy)
    TOHIZO ZALAH!!!MANDRAPAHA-TAPAKA NY LOHANY a!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *